«Lamako Mifety » : Hitsapa ny mpankafy eto Madagasikara i Goulam

Vahiny fa tsy lavitra. Mpa­nakanto tia an’i Madagasikara ary be mpankafy ihany koa i Goulam. Tsy voalohany rahateo no mitsidika an’i Mada­ga­sikara ity mpanakanto kaomorianina ity. Efa eto, ary nihaona tamin’ny mpanao gazety i Gou­lam, omaly, tetsy amin’ny Radisson Blu Ambodivona. “Faly ary tena heni-boninahitra aho tonga aty Madagasikara. Maro ireo zavatra iraisan’i Comores sy i Madagasikara efa hatry ny ela. Izaho manokana mifandray matetika amin’ i Madagasikara, ary efa teto tamin’ny taona 2021, fa mbola tamina sehatra kely no niseho tamin’izany. Izao kosa hiditra ny Lapan’ny fanatanjahantena, izay toerana lehibe sy malaza hiakaran’ny mpanakanto, ka tena hizara fotoana mamy isika. Mpankafy ny mozika malagasy koa aho, ary mpankafy an’ireo mpanakanto na­mako Ckiky sy Ceasar ireto”, hoy ny nambaran’i Goulam. Ny sabotsy 14 desambra izao, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany ilay fampisehoana “Lamako Mifety”, andraisany anjara.
“Voninahitra be ho ahy izany hifampizara ny sehatra amin’i Goulam sy i Ceasar izany. Marina fa tsy voalohany ho ahy ny hisehatra ao, fa ha­namarika ny lalako kosa ity, satria izay vao hiaraka amin’ ny mpitendry rehetra aho”, hoy kosa i Ckiky, izay hanao ny tapany voalohany amin’ny seho.
Anisan’ny hampiavaka ny seho: mpitendry tanora matihanina avy eto Madagasikara no hanaraka an’i Goulam an-tsehatra. Mpitendry fantatra kokoa eo amin’ny tontolon’ny jazz ireo, kanefa afaka ma­naraka ny karazana mozika rehetra. “Efa niatrika famerenana fotoana ela ireo mpitendry ary izao miaraka amin’i Goulam izao. Izy efa malaza amin’ireo hiram-pitiavana be mpankafy, nampianay an’ireto mpanakanto vao misondrotra fa efa manana ny lazany ihany koa. Haharitra ora telo sy sasany eo ny seho”, hoy ny nambaran’i Fanou R, tomponandraikitra voalohan’ny Lamako Event, izay mpikarakara ny “Lamako mifety”.

Zo ny Aina

Partager sur: