Tanterahina rahampitso, eny amin’ny Centre de conférence internationale (CCI) Ivato, ny fampisehoana hatsikana iarahana amin’i Amine Radi. Seho izay karakarain’ny Ami vison Madagascar, miaraka amin’ireo mpiara-miombon’antoka maro. Sambany hanao fampisehoana eto Madagasikara i Amine Radi. Handray anjara amin’izany, hanatontosa ny tapany voalohany i Raitra Belaw’Ick sy i Lalaina Babeine. Tombony lehibe ho an’ny eto Madagasikara, indrindra ireo mpankafy hatsikana, izao fandalovan’i Amine Radi eto izao.
Mpanao hatsikana teratany marokanina, manana ny lazany maneran-tany, i Amine Radi. Teo amin’ny faha-16 taonany izy no nanomboka nanao hatsikana. Teo anivon’ny tambajotra sosialy no nanombohany izany. Efa eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena kosa no misy azy amin’izao. Ankoatra ny ao Maroc, ny ao Frantsa no tena ahitana mpankafy sy mpanaraka an’i Amine Radi. Efa mielipatrana kosa ny lazany ary ao anatin’ny fitetezam-paritra maneran-tany izy amin’izao. Vao avy nanatanteraka seho tao Londres, Angleterre, izy nialoha izao nahatongavany teto Madagasikara izao.
Lin