Story
L’Express de Madagascar · Madagascar
← Back to your feed

Voron-tsaradia mihady levenambola

Ny Air Madagascar-ntsika dia tetsy amin’ny 31, Araben’ny Fahaleovantena, Analakely. Nantsoina tamin’ny laharana 222-22. Tany amin’ny taona 1947 anefa, dia nisy kômpania tsy miankina (Roger Gallois, Gabriel Pain, L. Reynaud), nitondra anarana hoe «Air Madagascar» teto Antananarivo : B.P. 437, téléphone 0330 sy 0331, adiresy 36, rue Général Roques. Masoivohon’ny TAI (Transports Aériens Intercontinentaux), tamin’izany andro izany. Tamin’ny 1954, ny kompania Air France dia nampitohy tanàna 38 teto Madagasikara. Io «tranonkala», madini-maso sady matevin-drary, io no nolovain’i Air Madagascar taty aorian’ny 1961 ka nahatonga ilay fiteny hoe «réseau intérieur le plus dense du monde» : naharokatra saika ny efatra ampaha-dimin’ny Nosy. Tanàna lehibe sy kely miisa 53 no voatetin’i Air Madagascar, saika isan’andro, tany amin’ny taona 1977. Ny 5 jolay ka hatramin’ny 22 oktobra 1998, mbola notetezin’i Air Madagascar : Morombe, Mananara, Mandritsara, Morafenobe, Tsaratanàna, Ambatondrazaka, Antsohihy, Bealalana, Ambanja, Ambilobe, Antsohihy, Port-Bergé, Mampikony, Besakoa, Manja, Maintirano, Ambatomainty, Tsiroanomandidy, Ankavandra, Antsalova, Belo, Tambohorano, Besalampy, Soalala, Fianarantsoa, Mahanoro, Vatomandry. Toerana hafa ankoatra ireo (Miandrivazo, Andriamena, Mananjary, Manakara, Farafangana, Betioky, Ampanihy, Bekily, ets.) no mbola niankin-doha tanteraka tamin’ny Twin Otter Air Madagascar hitaterana entana sady «taxi-brousse» hifamezivezen’ny olona any an-Tany-Lavitra-Andriana. Fa izay moa ilay fanontaniana miverimberina hoe : varotra itadiavan-tombony sa fanompoana tsy hahaleo sarany. Tamin’ny 1965, nisy «publicité» hoe «Ampaha-efatr’izao tontolo izao ambany elatr’i Air Madagascar miaraka amin’ny Boeing 707». Tamin’ny 1970, namoaka hajia manokana ny Paositra, misy ny sarin’ny Boeing 737 voalohany. Nisy ihany koa ny hajia taona 1987, nanamarika ny faha-25 taonan’i Air Madagascar, nampiranty ny Boeing 747. Ny taona 1997, nisantatra ny zotra Antananarivo-Singapour tamin’ny Boeing 767-200 ka, tamin’izany, Air Madagascar no nandray olona ao Môrisy nitatitra azy ho any Asia Atsimo-Atsinanana... «Air Madagascar» : ho anaran-tsy very sisa raha tsy misy fiaramanidina maha fitaterana an’habakabaka azy. Efa nisy fotoana, volana oktobra 2021, tsy nahitana sidina Air Madagascar ny lanitr’i Gasikara. Sanatria anie ka efa miankin-doha amin’ny hafa ny fitaterana an-dranomasina, no mbola hiankin-doha amin’ny hafa ny fitaterana an’habakabaka. Dia ho Nosy anivon’ny riaka vita fahirano. Sylvain Ranjalahy

Read at L’Express de Madagascar

Join the conversation

Discuss the story with the TraceFeed community.

No comments yet. Be the first to add a perspective.

Make it part of your feed.

Sign up or log in to continue.