Rakibolana | News

  • Rakibolana hanalàna andro
    L'Express de Madagascar - 02:35 Jun 06, 2026
    Tsy very ny tenin-drazana raha samy mampijoro «Rakibolana» isan-tokantrano. Tsy atao haingon-trano fandriam-bovoka fotsiny fa sokafana indraindray : amin’izay takila (satria takelaka = ravin-taratasy isanisany amin’ny boky ; takila = ny lafiny ambadika sy ambadika amin’ny takelaky ny boky) sendra ny tanana, vakiana izay tandrify ny maso, dia arahina isan-takila ny fanazavana ombieny ombieny. Zohìna tsirairay ny voambolana manavao tokoa na somary mampisalasala. Tapiny (na tapika = zavatra vitsivitsy anatin’ny maro) maromaro asesisesy isak’izay mahatsiaro ve tsy mba hanatevim-pahalalana sy mba hampanembona izay mitady ho very ? Ny taona 1931, vao am-pahatelon’ny taonjato faha-roapolo tamin’izany, tao amin’ny gazety «Ny Fandrosoam-baovao», no niarahan-dry Ny Avana Ramanantoanina (1891-1940) sy ry Rabearivelo (1901-1937) ary ireo namany hafa tahaka an-dry Charles Rajoelisolo (1896-1968), nanofahofa saina hoe «mitady ny very». Vao valopolo taona monja nifampikasohana tamin’ny Vahiny (pi-maso amin’ilay lohateny nom...