Antsirabe | Madagascar

"Antsirabe" in Madagascar feed

  • “Shoot Out” Andiany faha-3 : Nanomboka omaly, tany Antsirabe
    Newsmada - 04:53 May 30, 2025
    Nanomboka omaly, tany Antsirabe, ny fifaninanana “Shoot Out”, andiany fahatelo, taranja basikety lalaovin’olona 3. Fifaninanana fanao isan-taona, ity lalao ity, nanomboka ny taona 2022 ary niato kely ny taona 2023. Ny ligin’i Vakinankaratra, taranja basikety, eo ambany fiahian’ny Federasionina malagasin’ny basikety no mikarakara ny fifaninanana, ka manoloana ny gara no […]
  • Antsirabe : Fihaonamben’ny mpandraharaha madinika
    Newsmada - 04:39 Mar 10, 2025
    Natao tany Antsirabe, ny 5 marsa teo, ny Fihaonam­ben’ny mpanjifa mpandraharaha, (Forum Clients) andiany faharoa. Voakasik’izany ireo mpandraharaha sy orinasa tena madinika sy salantsalany (TPE-PME). Mikarakara azy ny Sipem Banque, entina hanomezana torolalana hampiroboroboana ny fandraharahana any Vakinankaratra. Ao anatin’izany ny hikarohana fomba mahomby amin’ny sehatry ny ara-bola, ahafahana manitatra […]
  • Antsirabe : tambajotra mpangalatra moto ravan’ny UIR
    Newsmada - 05:10 Oct 28, 2024
    Notanana am-ponja ireo telo lahy anaty tambajotra mpangalatra moto tao Antsirabe, ny zoma 25 oktobra teo. Naharay fitarainana avy amin’ny olon-tsotra ny mpitandro filaminana momba ny fisiana tranga halatra moto miseholany ao an-toerana. Nanao fikarohana ny mpitandro filaminana eo anivon’ny UIR. Fantatra tamin’ny alalan’ ny fanadihadiana ny toerana misy ireo […]
  • Antsirabe II : mpiompy akoho 118 niofana
    Newsmada - 06:29 May 31, 2024
    Marolafy ny tolotra fiofanana avy amin’ny sampandraharahan’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa ho an’ny daholobe. Anisan’izany ny fiofanana maimaimpoana momba ny fiompiana akoho gasy notanterahina tao Vakinankaratra. Miisa 118 ireo tantsaha sy tanora avy ao amin’ny fokontany Ambohimiarivo sy Tsaramody, distrikan’ Antsirabe II, no nisitraka izany. Notsinjaraina andiany […]
  • Klioba ECTA : hofohazina any Antsirabe ny “Triathlon”
    Newsmada - 04:51 Mar 14, 2024
    Hotanterahina ny sabotsy 16 marsa ho avy izao, any Antsirabe ny fifaninanana “Triathlon”. Nambaran-dRamampiandra Toavina, tomponandraikitry ny ECTA (Entente Club Triathlon Antsirabe) sy Rabenarivo Marius, mpikambana eo anivon’ny federasiona maorisianina triathlon, mpikarakara ny hetsika tamin’ny mpanao gazety tetsy Amparibe, omaly, fa ho famohazana ny taranja efa natory nandritra ny taona maro no anton’izany. Ankoa­tra izay, entina hampivelarana ny triathlon aty […]