Newsmada

Found 3510 news

  • Fondation Axian: Arifomba ny kianja ho an’ny CEG Antanimbarinandriana
    Newsmada - 04:42 Oct 01, 2026
    Notokanana omaly ny kianja fanaovana fanatanjahantena marolafy ao amin’ny CEG Antanimbarinandriana. Fiaraha-miasa amin’ny Fon­dation Axian, ao anatin’ny tetikasa « Mihetsika Mvola » no nahafahana namita ity fotodrafitrasa ity. Ankoatra ny kianja, nasiana toerana manokana hahafa­hana misolo akanjo mialoha sy aorian’ny fanatanjahantena ihany koa mba handrisika ny vehivavy hiantsehatra amin’ izany. […]
  • Zaikaben’ny tanora ho an’ny fahitsiana: Hanomboka anio, eny Ankatso
    Newsmada - 04:41 Oct 01, 2026
    Hanomboka anio, haharitra roa andro, ny zaikabem-pirenen’ny tanora ho an’ny fahi­tsiana. Andraisan’ny tanora manerana ny Nosy anjara izany, izay hotanterahina eny amin’ny oniversiten’Antananarivo. Ny Komity mitandro ny fahitsiana (CSI), tohanan’ny fikambanan’ny Firenena miteny sy mampiasa ny teny frantsay (OIF) ary ny Konfederasionina soisy no mi­karakara ny hetsika. Ao ana­tin’ny fanatanterahana […]
  • Literatiora : Mizara ny traikefany i Alexandre Lenote
    Newsmada - 04:41 Oct 01, 2026
    Mpanoratra teratany frantsay i Alexandre Lenote. Naha­zo ny loka « 5 Prix des 5 continents  de la Francophonie » andiany faha-25 izy, tamin’ny alalan’ilay boky « Cette vielle chanson ». Loka omen’ny Organisation internationale de la francophonie na OIF izy ity, natao indrindra hanasongadinana ny asa soratra amin’ny teny frantsay sy ny frankofonia amin’ny […]
  • EK PED MAA KE NAAM : Nomarihina tamin’ny fambolena ravinala sy “palmier”
    Newsmada - 04:40 Oct 01, 2026
    Nankalazaina omaly, teny amin’ny Lapan’Andafiavara­tra, ny “EK PED MAA KE NAAM, niarahana tamin’ny minisiteran’ny Kolontsaina sy ny serasera sy ny masoivohon’i Inde. Fambolena ravinala iray sy «palmier” iray no nanamarihina ny hetsika “EK PED MAA KE NAAM”. Ity hetsika ity izay manome lanja manokana ny reny loharano nipoirana sy ny […]
    Tags: NAAM
  • Karate – Tompondaka maneran-tany : Ahina tsy handray anjara ny Malagasy
    Newsmada - 04:40 Oct 01, 2026
    Hiatrika ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany amin’ny taranja karate, ny 14 -18 oktobra ho avy izao, any Pologne, sokajy lahy sy vavy, ireo Malagasy mpikatroka efatra mianadahy, ahitana an’i Ornella Iriantsoa, Ayrton, Tiary, ary Mathieu. Hatra­min’ny nanaovanay fanadihadiana sy nanoratana, omaly anefa, mbola baraingo ny handehanan’izy ireo. Tsy mbola […]
    Tags: Malagasy
  • Lalaon-tsaina Echecs – Olympiades 2026: Ao anaty «Top 100» ny ekipa malagasy
    Newsmada - 04:39 Sep 30, 2026
    Nifarana ny alatsinainy lasa teo, tany Samarcande, Ouzbekistan, ny andiany faha-46 amin’ny Olympiades eo amin’ny lalaon-tsaina Echec. Tsy nitsanga-menatra ny ekipam-pirenena malagasy niatrika izany, satria tafiditra ao anaty “Top 100” ny tarika niarahan’ny lahy sy vavy. Teo amin’ny laharana faha-87 tamin’ireo firenena 150 nandray anjara izy ireo. Tsiahivina fa nifaninana […]
  • INDRAY MIJERY
    Newsmada - 04:39 Sep 30, 2026
    Nanomboka omaly, teny amin’ny Kianja mitafo Vontovorona, ny fiadiana ny « IHF Trophy », taranja handball, sokajy «sénior », vehivavy ho an’ny faritra faha-7. Firenena dimy no hiady izay ho lohany amin’izany. I Madagasikara mpampiantrano, La Réunion, Mayotte, Seychelles ary i Comores. Haharitra hatramin’ny alahady 4 oktobra izany fihaonana izany. Nitohy tetsy amin’ny […]
  • Taranja lomano: Tafajoro ny klioba OSA Natation
    Newsmada - 04:39 Sep 30, 2026
    Nitsangana tamin’ny fomba ofisialy, ny sabotsy 26 septambra 2026 lasa teo, ny klioba amin’ny taranja lomano Onde sportive d’Ankadindramamy (OSA Natation). Raha ny fanazavan’ny mpitantana, Rakotozanany Vahatra Ny Aina Miarimbola, natao ho an’ny daholobe ny klioba. Misy fampianarana ho an’ireo vao hianatra hilomano ary eo koa ny fanatsarana ny fomba […]
  • Fifanintsanana Can 2027 ; Nanao ady sahala tamin’i Tanzanie ny Barean’i Madagasikara
    Newsmada - 04:39 Sep 30, 2026
    Sady tsy tsara no tsy ratsy, nanao ady sahala 1 no ho 1, teo anatrehan’ny Taifas Stars Tanzania, ny Barean’i Madagasikara, omaly, tany Maroc. Mbola sarotra ny dian’ny Malagasy mankany amin’ny “Can 2027” anatin’ity vondrona “L” ity. “Tsy nandresy nefa tsy resy!”. Nisaraka ady sahala, 1 no ho 1, ny […]
  • Afro Queens Music Awards: Solontena malagasy i Denise
    Newsmada - 04:44 Sep 29, 2026
    Vehivavy afrikanina mpanakanto manana ny maha izy azy maro no mifaninana amin’ny “Afro Queens Music Awards”. Anisan’izany ny mpanankato Denise. Sokajy isan-karazany no hifaninanany amin’izany. Tsy ho diso anjara fa manana ny solontenany i Madagasikara ao ana­tin’ilay “Afro Queens Music Awards”. Fifaninanana izay hatao amin’ny alalan’ny fandefasana ny sanganasa ampitain-davitra. […]
  • Nifampidaroka sy nifamono : Lehilahy iray namoy ny ainy, efatra naratra
    Newsmada - 04:44 Sep 29, 2026
    Namoy ny ainy ny lehilahy iray lasibatra nandritra ny fifampikasihan-tanana teo amin’ireo mpanatrika lanonam-pamadihana tao Ambohidramasy, Andra­injato, kaominina Fianaran­tsoa, ny marain’ny sabotsy 27 septambra, tamin’ny 1 ora maraina. Nandritra ny fanapoahana afomanga nataon’ny tompon-danonana. Nifampi­daroka sy nifamono ireo lehilahy. « Notazomina tato amin’ ny hopitaly ny lehilahy telo vokatry ny ratra », […]
  • INDRAY MIJERY
    Newsmada - 04:43 Sep 29, 2026
    Ao anatin’ny fanamafisana ny ezaka amin’ny fisorohana sy ady amin’ny tazomoka, tonga ao amin’ny kaominina Ampasinambo ireo ballots 20 misy lay misy odimoka (MID). Nozaraina sy naparitaka any amin’ireo fokontany rehetra ao amin’ny kaominina Ampasinambo izany mba hahafahan’ny tokantrano misitraka azy ho fiarovana amin’ny kaikitry ny moka. Ho maina ny […]
  • Masoivoho Amerikanina : Fahombiazana ny “Freedom Festival”
    Newsmada - 04:43 Sep 29, 2026
    Nahafahana nanovo fahalalana sy nahafantarana bebe kokoa ny niforonan’i Etazonia ny hetsika “Freedom Festival” nokarakarain’ny masoivoho amerikanina, tetsy amin’ny Lapan’ny Tanàna Analakely, ny faran’ny herinandro teo. Fotoana nanamarihina ny faha-250 taonan’ny fahaleovantenan’i Etazonia. Nahaliana ny tanora sy ny mpitsidika ny fampirantiana sy fampahafantarana marolafy naseho teo an-toerana. Naha­ahana nanandrana ireo […]
  • Fiahiana ara-tsakafo : Nanolotra vola 9,7 miliara Ar ny japoney
    Newsmada - 04:42 Sep 29, 2026
    Nampahanfantarina ny herinandro lasa teo ny tetikasa fanamafisana ny fiahiana ara-tsakafo sy fiatrehana ny fiovan’ ny toetr’andro any amin’ny tapany atsimon’i Madagasikara. Mpanatanteraka ny tetikasa ny Fandaharanasan’ny Firenena mikambana momba ny sakafo (Pam). Mamatsy izany amin’ny sorabola 9,7 milara Ar ny fanjakana japoney. Ampiasaina hanorenana fotodrafitrasa hahazoana herinaratra avy amin’ny masoandro […]
  • JMSM : Hahazo vahana ny Hip Hop sy ny Rap
    Newsmada - 04:44 Sep 28, 2026
    Toy ny efa fanaony, tsy hamela handalo fotsiny ny fankalazana ny andro maneran-tany ho an’ny fahasalamana ara-tsaina na ny “Journée mondiale de la santé mentale” (JMSM), ny Hip Hop Works Madagascar. Amin’ity taona ity, hisy ny fampisehoana hatao eny Antsahamanitra, amin’ny andron’ny fankalazana ny 10 oktobra izao. Hahazo vahana ny […]
  • Tarika AmbondronA : 25 taona niara-nanoratra tantara tamin’ny mpankafy
    Newsmada - 04:44 Sep 28, 2026
    Tsy hira fotsiny… Fiainana manontolo no niarahan’ny tarika sy ny mpankafy azy. Fintina an-tsehatra ihany ny seho. Fanamby goavana hafa indray no tontosa. No­porofoin’ny Ambon­dronA indray ny maha tarika anisan’ny be mpankafy azy ireo. Tanteraka ireo fanamby maro, nandritra ny «Ivony», omaly, tetsy amin’ny Coli­seum. Ivon’ny fankalazana ny 25 taona, […]
  • Faritra Betsiboka : Miantso ny fanjakana ny fikambanana Zabemi
    Newsmada - 04:43 Sep 28, 2026
    Tonga mavitrika teto Antananarivo ireo mpitolona avy any Betsiboka anisan’ny nanatevin-daharana ny hetsika tamin’ny taon-dasa, notarihin’ny jeneraly, Randrianjara Flobert, filohan’ny fikambanana Zanak’i Betsiboka Miray (Zabemi). Tamin’izany no anaovany antso avo miangavy ny fitondram-panjakana hidina mivantana any amin’ny faritra Betsiboka hahafahana mandray ny fepetra rehetra mifandraika amin’ny fampandrosoana any an-toerana. Manan-karena […]
    Tags: Zabemi
  • Toamasina : Nisitraka fitaovam-pianarana ireo zanaka mpanao gazety
    Newsmada - 04:43 Sep 28, 2026
    Nandalo fotoan-tsarotra toy ny mponina rehetra niharam-boina ny mpanao gazety ao Toamasina, taorian’ireny fandalovan’ny rivodoza Gezani ireny. Maro ireo mpanao gazety tonga marefo noho ny faharavana sy ny takaitra mavesatra nateraky ny loza. Eo an-dalam-panarenana ny fiainany toy ny olon-drehetra ihany koa izy ireo. Izany indrindra no nahatonga ny fikambanan’ny […]
  • « Jalsa Salana 2026 » : Niaraka niombom-bavaka ny Miozolomanina Ahmadiyya
    Newsmada - 04:43 Sep 28, 2026
    Fanehoana fiombonana sy firahalahiana ny hetsika fanao isan-taona ao anatin’ny fihaonambe « Jasla Salana » fanaon’ny miozoloanina. Tanjona ny fandalinam-pinoana silamo Ahmadiyya. Tontosa ny sabotsy teo, teny amin’ny foiben-toeran’ny Miozolomanina Ahmadiyya Andavamamba, ny fihaonambe isan-taona faha-20 na «Jalsa Salana» 2026. Naharitra telo andro izany fihaonambe izany. Nisy ny fotoam-pivavahana niarahan’ […]

3510 items