Newsmada

Found 3143 news

  • Fanamoriana fiarakodia : tompondaka i Faniry sy i Mahents
    Newsmada - 04:49 Oct 15, 2024
    Norombahin-dRasoamaromaka Faniry sy Randriambolo­lona Mahenintsoa (Mahents), mpanamorin’ny klioba TFM sy Asacm, mitondra ny fiara Peugeot 208 T16, ny andiany faha-45 amin’ny “Grand Rallye international de Madagascar”. Dingana fahefatra amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara notanterahina teto Antananarivo sy ny manodinana, ny 11 ka hatramin’ny 13 oktobra lasa teo, nokaraka­rain’ny ASA […]
    Tags: Mahents
  • Baolina kitra – “Can 2025” : mihasarotra ny lalan’ny Barea
    Newsmada - 04:49 Oct 15, 2024
    Faharesena faharoa ho an’ny Barea de Madagascar, amin’ny ady tapakilan’ny “Can 2025”, ny omaly, tany Maroc. Lavon’ny Scorpion Gambie, 1 no ho 0, izy ireo. Ratsy ny vokatra azon’ny Barea de Madagascar, omaly, tao amin’ny Stade El Abdi Maroc. Resin’ny Scorpion Gambie, tamin’ny isa 1 no ho 0, ny ekipa […]
    Tags: Barea
  • Protégé : Le guide N°03
    Newsmada - 08:09 Oct 14, 2024
    Il n’y a pas d’extrait, car cette publication est protégée.
  • «Concert Héritage»: niara-nankafy ny rehetra
    Newsmada - 04:42 Oct 14, 2024
    Tontosa ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny Kianja Barea Mahamasina, ny fampisehoana fampahafantarana ny “Héritage”, niarahana tamin’i Dadju sy Tayc sy ireo mpandresin’ny fifaninanana “Tremplin héritage”, nahitana an’i Ismael sy Bab’s ary Yvaniat. Hipoka mpankafy an’ireto mpanakanto vahiny ireto ny kianja ary tafiditra ho anisan’ireo seho tsara kalitao iny fampahafantarana […]
  • TARATRY ny KANTO
    Newsmada - 04:41 Oct 14, 2024
    Tanterahina anio, eny amin’ny Craam Ankatso, ny hetsika «Fetin’ny Repoblika», ahitana fampisehoana sy velakevitra mahakasika ny fanjakana sy ny Repoblika. Eo ihany koa ny momba ny «Hip Hop». Hisy ny fampisehoana iarahana amin’ny mpanakanto miangaly ny gadona Rap, mivondrona ao anatin’ny Kolontsaina mainty. Ny haify sy ny nahandro no nasongadina […]
  • «Star Tour» Toamasina : nahavory olona aman’alina
    Newsmada - 04:41 Oct 14, 2024
    Fahombiazana efa nampoizina ihany. Rakotra olona manoloana ny Lapan’ny tanànan’i Toamasina, hatreny amin’ ny morondranomasina, ny faran’ny herinandro teo. Olona aman’alina, tonga niala voly nanatrika ny «Star Tour» tao an-toerana ireo. Ny takarivan’ny zoma dia efa nanomboka ny fanentanana isan-karazany. Na tsy mbola nisy mpanakanto aza, efa tomefy olona ny […]
  • “Festival Madajazzcar” andiany faha-35 : miroborobo ny Jazz eto Madagasikara
    Newsmada - 04:41 Oct 14, 2024
    Mahavelombolo ny mahita ireo katitakely efa miantsehatra eo amin’ny gadona Jazz sy ireo andrarezina mampita traikefa sy fahaiza-manao amin’izy ireo. Azo antoka, araka izany, ny fivoarana sy ny hoavin’ity gadona ity. Seho lehibe no nentina namaranana ny “Festi­val Madajazzcar” andiany faha-35, omaly. Anisan’ izany, ny hetsika natao teny amin’ny CGM […]
    Tags: Jazz
  • Kifafa Tout Terrain
    Newsmada - 15:02 Oct 12, 2024
  • mpisoloky amin’ny facebook : saron’ny polisy teny Tanjombato
    Newsmada - 05:24 Oct 12, 2024
    Voasambotry ny polisy ao amin’ny sampandraharaha miady amin’ny heloka ana habaka (Cybercriminalité), teny Tanjombato, ny talata teo, ny lehilahy iray mpisoloky amin’ny alalan’ny facebook. Mody mitady sarina vehivavy ao amin’ny facebook izy ka mamorona kaonty sandoka. Mampiresaka lehilahy nofidiany mialoha izy ka hanaovany resaka miendrika fivarotan-tena miaraka amin’ny sarin’ireo vehivavy […]
  • Acmil Antsirabe : zazavao 65 naseho ambany faneva
    Newsmada - 05:24 Oct 12, 2024
    Naseho ambany faneva ireo zazavao 65 mirahalahy avy amin’ny antokon-taona 2024/1, eo anivon’ny Akademia miaramila Antsirabe, ny 10 oktobra lasa teo. Nanaraka ny fiofanana fototra ara-miaramila na ny Fetta izy ireo mialoha izao lanonana izao. Niandraikitra manokana io fiofanana io ny eo anivon’ny Bataillon des opérations et services (Bat. Ops). […]
  • Fisolokiana amin’ny resaka tany : naiditra am-ponja vonjimaika ny lehiben’ny boriborintany iray
    Newsmada - 05:24 Oct 12, 2024
    Endrika fisolokiana amin’ny resaka tany hafa indray ny teny amin’ny sampandraharahan’ny fananantany Avaradrano. Voarohirohy amin’izany ny lehiben’ny boriborintany iray. Nahazo fitarainana ny Birao miady amin’ny kolikoly (Bianco) fa misy ny fiahiahiana kolikoly, fanamparam-pahefana, hosoka mifandray amin’ny fanaovana taratasim-pandovana hosoka, nataon’ny mpiasan’ny boriborintany ao amin’ny distrika Avaradrano. Nangataka didim-pitsarana hizakana fananantany […]
  • VAOVAO TAMBATRA
    Newsmada - 05:22 Oct 12, 2024
    Mirefy 15 km amin’ny 75 km ny lalana efa vita godirao any amin’ny lalam-pirenena RN5. Miainga eo Soanierana Ivongo hatrany Vahibe, ka efa nahitana fiovana ny 45 km. Miara-miombon’antoka mamatsy vola ny asa ny Badea, ny FSD, ny ADFD, ny Opep Found, ny FKDEA ary ny fanjakana malagasy. Miisa 8 […]
  • Valeur et Respect, la sagesse à preserver
    Newsmada - 14:53 Oct 11, 2024
    Dans la commune rurale de Tatao se niche Maroala et sa dignité
  • « Salon de l’Auto » : hasandratra ny fiara elektrika
    Newsmada - 04:59 Oct 11, 2024
    Nanomboka omaly hatramin’ny 13 oktobra ho avy izao, eny amin’ny CCI Ivato, ny hetsika « Salon de l’auto », karakarain’ny Vondrona mpanafatra sy mpivarotra fiara eto Madagasikara (GCAM). Miisa 10 ny mpikambana ao aminy, ary 25 ny mpampiranty, ahitana mpivarotra fiara amin’ny ankapobeny, kamiao, fiara vaventy enti-miasa, moto, kojakoja, vokatra ilain’ny fiara, […]
    Tags: Salon
  • Seranam-piaramanidina Ivato : azo antoka ny famatsian-drano
    Newsmada - 04:58 Oct 11, 2024
    Miandraikitra ny famatsian-drano ireo fiaramanidina miainga eny amin’ny seranana iraisam-pirenena Ivato Antana­narivo ny orinasa MGH. Nandray fepetra ity orinasa ity mba tsy hiantraika any amin’ny kalitaon’ny tolotra omena ireo kaompania vahiny. Manome toky ny MGH fa azo antoka hatrany ny famatsian-drano fisotro any anaty fiaramanidina ho an’ireo kaompania miainga eny […]
  • DAB-SG : afaka hakana vola amin’ny Orange money
    Newsmada - 04:58 Oct 11, 2024
    Azo atao manomboka izao ny misintona vola Orange money eny amin’ny « Distributeur automatique de billet » (Dab) ny Société Générale (SG) manerana ny Nosy. Mitovy sarany toy ny eny amin’ny Cash point ny fanaovana izany. Tombony ny hahafahana misintona vola amin’ny fotoana rehetra eny amin’ireo Dab 139 ny SG tsy ampiasana […]
    Tags: Orange
  • Olan’ny rano : nandroso vahaolana ny fitondram-panjakana
    Newsmada - 04:58 Oct 11, 2024
    Efa ao anatin’ny fitadiavam-bahaolana entina mamaly ny filan’ny vahoaka sy mamaha ireo olana misy ankehitriny ny fitondram-panjakana. Anisan’izany izao vahaolana fohy ezaka tanterahina izao. Efa niatrana teny amin’ny Lapam-panjakana Iavo­loha, nanomboka oma­ly, ireo fiarabe hitatitra rano ho amin’ny ireo « Bonbonnes », izay efa miparitaka manerana ny tanànan’Antananarivo. Ani­san’ny fepetra noraisina nandritra […]
  • Vers le chemin de la Bénédiction
    Newsmada - 11:22 Oct 10, 2024
    A près de 10 kms de la ville de Manakara le village du Respect
  • Rugby – «Top 12 Mada»: hanohitra ny Uscar ny 3FB
    Newsmada - 04:53 Oct 10, 2024
    Hitohy amin’ny alahady 13 oktobra izao, eny amin’ny kianja Makis Andohatapenaka ny andro fahavalo amin’ny fifaninanam-pirenena, taranja rugby “Top 12 Mada”. Lalao telo no voalahatra amin’izany. Anisan’ny fihaonana andrasan’ny rehetra ny fifandonan’ny Uscar, ekipan’ny kaominina Antananarivo Renivohitra sy ny 3FB an’ny minisiteran’ny Fahasalamana. Adin’ny samy boaty ny an’ny roa tonta. […]
  • SOMBIM-BAOVAO
    Newsmada - 04:53 Oct 10, 2024
    Handeha mivantana amin’ny fahitalavi-pirenena (TVM), ny lalao hikatrohan’ny Barea de Madagascar sy ny Scorpion Gambie. Lalao hatao rahampitso, ao amin’ny kianja Larbi Zaouli, ao Maroc. Hanomboka amin’ny 5 ora folakandro eto Madagasikara izany. Fihaonana tafiditra ao anatin’ny andro fahatelo amin’ny fiadian-toerana ho an’ny Can 2025. Resin’i Afrika Atsimo, ny talata […]

3143 items