Newsmada

Found 3143 news

  • FOCUS RAGE
    Newsmada - 14:58 Jul 25, 2026
  • Kitra – Yas Coupe 2026 : Hiady izay ho any Afrika ny FC Rouge sy ny Ste Anne
    Newsmada - 04:58 Jul 25, 2026
    “Iza no hisolo tena ny Mala­gasy atsy Afrika”? Ho fantatra anio, etsy amin’ny Kianjan’ny Elgeco Plus, ny anaran’izay ekipa ho solontenan’ny Malagasy amin’ny fiadiana ny amboaran’i Afrika ho an’ny klioba, “Coupe de la Confédération Caf”. Ny eki­pan’ny FC Rouge sy ny AS Ste Anne no hiady ny tapakila hazahoana izany […]
  • Rugby – Manasa-dalana Top 12 : Vonona haka fandresena ny Uscar
    Newsmada - 04:58 Jul 25, 2026
    Anisan’ny fihaonana goavana, andrasan’ny rehetra, ny donan’ny Uscar sy ny CEA Andranomanalina. Ho toy ny famaranana kely io kopaka io. Vonona ny hanala vela sy haka fandresena ny ekipan’ny kaominina Antananarivo Renivohitra. “Hatreto, tsy misy mieritreritra izany Uscar izany hanao famaranana amin’ity Top 12 ity”, hoy i Berthin Zoto, mpandrindra […]
  • Fihaonambe iraisam-pirenena momba ny matematika : Mpampianatra fito misolo tena an’i Madagasikara
    Newsmada - 04:57 Jul 25, 2026
    Mpampianatra fito, avy amin’ny Ecole doctorale ma­thématiques et applications (EDMA), ao amin’ny Oniver­siten’Antananarivo, no misolo tena an’i Madagasikara mandritra ny Fihaonambe iraisam-pirenena momba ny matematika. Atao any Filadelfia, na­nomboka ny alakamisy lasa teo ka hatramin’ny 31 jolay ho avy izao ny hetsika. Hanolotra ny asa fikarohany avy, eo anatrehan’ny fianakaviamben’ny […]
  • Faritra Bongolava; Namolavola drafitra iatrehana ny afo
    Newsmada - 04:57 Jul 25, 2026
    Notanterahina nandritra ny dimy andro, nifarana ny zoma lasa teo, tany Ampefy, ny atrikasa famolavolana ny drafitra rezionaly hiatrehana ny vanim-potoan’ny afo 2026 -2027 ho an’ny faritra Bongolava. Nitondra ny tohana ara-teknika sy ny fahaiza-manaony amin’ny famolavolana izany ny BNGRC, ho fanamafisana ny fandrindrana sy ny fandraisana andraikitr’ireo mpiantsehatra rehetra […]
  • Foibem-panadinana LMA : Mpiadina 761 niatrika ny adina ara-panatanjahantena, “théorie”
    Newsmada - 04:57 Jul 25, 2026
    Nikatona tanteraka, omaly, ny fanadinana bakalorea ho an’ny fampianarana ankapobeny, raha mbola hiatrika ny dingana faharoa ny sampana teknika sy teknolojia mandritra ny hefarana, manomboka ny alatsinainy 27 jolay ho avy izao. Omaly no niatrika ny taranja Sciences économiques et sociales (SES) ny mpiadina bakalorea ho an’ny sokajy L, S […]
  • Tenisy – Davis Cup : Ao amin’ny sokajy A ny Malagasy
    Newsmada - 04:46 Jul 23, 2026
    Nanomboka omaly ka haharitra hatramin’ny 25 jolay ho avy izao, any Congo Brazzaville, ny fifaninanana Davis Cup, sokajy lehilahy, aty amin’ny faritra Afrika, vondrona fahadimy. Araka ny fikarohana natao, omaly, mifanintsana ao amin’ny sokajy “A”, miaraka amin’i Mauritanie sy Ethiopie, i Madagasikara. Fanamby lehibe iray ho an’ny Malagasy indray ity. […]
  • Tsipy kanetibe : Handray anjara ny ekipan’ny UBMT
    Newsmada - 04:46 Jul 23, 2026
    Hotanterahina ny sabotsy 12 sy ny alahady 13 aogositra ho avy izao ny « L’Odyssée des Nations », taranja tsipy kanetibe. Fifaninanana hatao ao amin’ny Kianja Arena, Montpellier. Anisan’ireo hiatrika izany ny ekipan’ny UBMT, ahitana an’i Onja sy i Donald ary i Tinakely. Ma­rihina fa fifaninanana goavana izy ity satria handraisan’ireo andrarezina […]
    Tags: UBMT
  • SOMBIM-BAOVAO
    Newsmada - 04:45 Jul 23, 2026
    Hotanterahina manomboka anio, hatramin’ny sabotsy 25 jolay, any Casablanca Maroc, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, sokajy “cadet” sy “junior”, eo amin’ny taranja judo. Manana solontena 7 miana­dahy i Madagasikara ka 3 «cadets» ary 4 «juniors». Nahita fahombiazana ny Ankoay, sokajy vehivavy, latsaky ny U23, raha nihaona tamin’i Alzeria, nandritra […]
  • Kitra – Yas Coupe 2026 : Tafita amin’ny famaranana ny AS Ste Anne sy ny FC Rouge
    Newsmada - 04:45 Jul 23, 2026
    Notontosaina omaly, tao amin’ny Kianjan’ny Elgeco Plus, By-pass, ny lalao manasa-dalan’ny fiadiana ny amboaran’ i Madagasikara, “Yas Coupe 2026”. Nahazo ny tapakila hiatrehina ny famaranana ny AS Ste Anne sy ny FC Rouge. Ny ekipan’ny AS Ste Anne Bongatsara sy ny FC Rouge no hiatrika ny lalao famaranan’ny “Yas Coupe […]
  • INDRAY MIJERY
    Newsmada - 04:45 Jul 23, 2026
    Nandray andraikitra avy hatrany ny fitaleavam-paritry ny Fahasalamam-bahoaka Anôsy nanentana sy nanao fanadiovana faobe ny moron-dranomasina ao Ankoba Taolagnaro. Nifarimbona sy niara-nisalahy tamin’izao hetsika izao ny fitaleavam-paritry ny Tanora sy ny fanatanjahantena ary ny solontena avy amin’ny kaominina Taolagnaro. Sarobidy loatra ny fahasalamana ka laharam-pahamehana ny manana tontolo iainana madio. […]
  • Rugby – XXL Top 12  : Tsy nahazo rariny ny US Ankadifotsy
    Newsmada - 04:47 Jul 22, 2026
    Noraisina fa tsy mitombina ny fitarainana nataon’ny US Ankadifotsy, mahakasika ny lalao nikatrohany tamin’ny FTM Manjakaray. Raha tsiahivina, nangataka izy ireo ny hanaovana fanadihadiana ny mpitsara, ny nanekena ny baolina voalaza fa voatsindry nataon’izy ireo ary ny fanasaziana ny mpitsara. Nambaran’ ny tomponandraikitry ny fifaninanana eo anivon’ny Mala­gasy Rugby fa […]
  • SOMBIM-BAOVAO
    Newsmada - 04:47 Jul 22, 2026
    Araka ny fikarohana natao omaly, nanova endrika ilay brezilianina, mpilalao baolina kitra, Vinicus Junior, rehefa nanao fandidiana teo amin’ny saokany. Maro ireo mpankafy sy mpanaraka baolina kitra no tsy nahafantatra azy taorian’io fandidiana natao taminy io. Tsiahivina fa milalao ao amin’ny Real Madrid Espagne i Vinicus Junior. Nijanona eo amin’ny […]
  • «Nations League 3×3»- U23 : Resin’i Alzeria ny Ankoay lahy sy vavy
    Newsmada - 04:47 Jul 22, 2026
    Niditra tamin’ny “step two”,  omaly,  ny fifaninanana “Nations League 3×3”,  taranja basikety,  natokana ho an’ny sokajy latsaky ny 23 taona. Fifaninanana tanterahina any Botswana, nanomboka ny 20 jolay lasa teo. Tsy afa-bela nanoloana an’i Alzeria i Madagasikara, tamin’ity “step two” ity,  na teo amin’ny sokajy lehilahy izany,  na ny sokajy vehivavy. Na […]
  • Baolina kitra – Yas Coupe 2026 : Ho fantatra anio ny ekipa roa hiatrika famaranana
    Newsmada - 04:46 Jul 22, 2026
    Hotontosaina anio, ao amin’ny Kianjan’ny Elgeco Plus, By-pass, ny lalao manasa-dalan’ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, “Yas Coupe 2026”. Hiady ny tapakila ho any amin’ny famaranana, amin’izany, ny AS Ste Anne sy ny Wagner FC, ary ny FC Rouge sy ny Cosfa. Hafana ny fihaonana, anio, etsy By-pass, amin’ny lalao manasa-dalan’ny […]
  • Dr Hortensia, namoahana ombay mitady: Hita faty tany anaty haram-bato tao Ranomafana
    Newsmada - 04:46 Jul 22, 2026
    Iray andro taorian’ny tsy fahitana ny Dr Hortensia, tovovavy 27 taona, sy nanaovana ombay mitady azy tamin’ny tambajotran-tserasera, hita faty tao amin’ny Chute Andriama­mo­voka, ao amin’ny faritra Ra­nomafana, ny vatana mangatsiakany, omaly maraina. Latsa­ka tany anaty haram-bato lalina, ao Ranomafana, ny tenany ka nampanano sarotra ny fakan’ny vondrona mpamonjy voina […]
  • Kitra – Divizionina faharoa nasionaly : Hisolo tena an’Analamanga ny Disciples FC
    Newsmada - 04:46 Jul 21, 2026
    Ny ekipan’ny Disciples FC Espoir no voahosotra ho tompondakan’ny ligin’Anala­man­ga tamin’ity taom-pilalaovana 2026 ity. Lasan’izy ireo ihany koa ny lelavola 2 tapitrisa Ariary avy amin’ny ligy. Izy ireo ihany koa no hiaro ny voninahitr’Analamanga any amin’ny fifanintsanana diviziona faharoa, nasionaly. Tsia­hivina fa lavon’izy ireo, tamin’ny isa 1 no ho 0, […]
  • SOMBIM-BAOVAO
    Newsmada - 04:46 Jul 21, 2026
    Nanainga omaly, nihazo an’i Casablanca Maraoka, Ralevazaha Kevin, hiatrika ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, taranja Judo, eo amin’ny sokajy junior, latsaky ny 66 kg. Ny sabotsy 25 jolay izao ity Malagasy judokas, avy amin’ny klioban’ny Family Judo Club Antsirabe (FJCA) ity no hiakatra tatami. Niakatra kianja, nanomboka omaly, ny Ankoay lahy sy vavy, miatrika ny “Nations League […]
  • Tsipy kanetibe : Lasa any Frantsa ihany ny Malagasy
    Newsmada - 04:45 Jul 21, 2026
    « Ela ny ela fa lasa ihany !» Araka ny fanambarana hita tao amin’ny pejin’ny Fédération sport boule malagasy (FSBM), omaly, nahazo taratasy fahazoan-dalana hivahiny any Frantsa ihany ny delegasionina malagasy, ny zoma lasa teo. Raha ny fanadihadiana natao, miisa enina ny mpilalao handrafitra ny delegasionina, hiaro ny voninahitr’i Mada­gasikara, mandritra ny […]
    Tags: Frantsa
  • ABL-U23 : Tanjona ny hahavitan’ny klioba iray lalao 9
    Newsmada - 04:45 Jul 21, 2026
    Niditra tamin’ny andro faha-13, ny faran’ny herinandro teo, ny fifaninanana eo anivon’ny ligin’Analamanga, taranja basikety, ho an’ny sokajy latsaky ny 23 taona. Fifaninanana izay tanterahina isaky ny faran’ny herinandro, eny amin’ny Kianja mitafon’Ankorondrano.  Fanamby efa napetraka hatrany am-piando­ha­na,  ho an’ny ligin’Anala­manga ny basikety,  ny hisian’ny lalao maro araka izay tratra,  amin’ny sokajy […]

3143 items