Newsmada

Found 2410 news

  • Fizahantany : hampahafantarina i Nosy Be sy Antananarivo
    Newsmada - 04:53 May 27, 2024
    Miara-miombon’antoka ny trano fiantranoana, Hotel Radisson Blu, sy ny Ravinala Airports, mitantana ny seranam-piaramanidina Anta­nana­rivo sy Nosy Be. Mano­hana azy ireo ny minisiteran’ny Fizahantany sy ny asa tanana sy ny Ofisim-pirenena misahana ny fizahantany eto Madagasikara (ONTM). Misy ny hetsika “Influencers trip” amin’ny tambajotra sosialy, hampahafantarana maneran-tany an’ireo toeram-pizahan-tany voalaza […]
  • Rotary Vovonana : fanabeazana ara-tontolo iainana
    Newsmada - 04:52 May 27, 2024
    Nanatona ny Rotary Antananarivo Vovonana (RCA) ny fikambanana Malagasy Brand Communication (MBC), hanampiana ny mpianatra ao amin’ny kolejy Md François de Sales Imerintsiadino Masindray. Nilaza i Nisa Rambel, mpandrindra ny MBC, fa voakasik’izany ny fanabeazana ara-tontolo iainana, ny fampiroboroboana ny fanatanjahantena ary ny fanabeazana ny ankizy. Natolotra ny sabotsy 25 […]
  • « Autoroute Toamasina » : mandroso ny fanamboarana ny arabe migodana
    Newsmada - 04:52 May 27, 2024
    Tsy re tsaika, mandroso ny fanamboarana ny arabe migodana (autoroute) mampitohy an’Antananarivo sy Toamasina. Mitotaly 250 km ity lalana ity, ary efa miroso amin’ny ampahany voalohany, mirefy 80 km, ny asa. Miainga eny Talata Vo­lonondry ny arabe mi­godana hatrany Toa­masina. Manatanteraka ny asa ny orinasa egyptianina Samcrete. Orinasa iray amin’ireo […]
  • Femme chauffeur de taxi
    Newsmada - 15:00 May 25, 2024
  • Fanakatonana Radio : tsy mbola naharay taratasy ofisialy ny OJM
    Newsmada - 04:31 May 25, 2024
    Naneho hevitra fohy tamin’ny alalan’ny haino aman-jery ny filohan’ny Holafitry ny mpanao gazety (OJM), i Monica Ra­soloarison, manoloana ny fanakatonana Radio tato ho ato. Nambarany fa tsy mbola naharay taratasy ofisialy mom­ba izany izy ireo. Na izany aza, efa mandeha ny fanadihadiana. Nanteriny fa ny asa fanaovan-gazety sy ny mpanao […]
  • Andrianainarivelo Hajo : “Aoka tsy hanao ririnin-dasa tsy tsaroana”
    Newsmada - 04:31 May 25, 2024
    Nitondra ny heviny manoloana ny fanakatonana haino aman-jery tato ho ato ny filoha nasionalin’ny MMM, i Andrianainarivelo Hajo. “Ampahatsiahiviko fa sao misy manao ririnin-dasa tsy tsaroana isika. Anisan’ny nahatonga ny hetsi-bahoaka ary na­harava ny fitondrana tamin’izany ny fanakatonana ny fa­hitalavitry ny mpitondra amin’izao fo­toana izao”, hoy izy. Nanteriny fa mba […]
  • VAOVAO TAMBATRA
    Newsmada - 04:30 May 25, 2024
    Milanja 3,5 kilao ny volamena naondran’i Madagasikara ara-dalàna ka mitentina 978,215 miliara Ar ny vola azo. Mbola ambany lanja io raha oharina tamin’ny vina napetraky ny filoha nandritra ny 100 andro izay 500 kilao. Mitaky ezaka goavana ny hanatrarana ny tanjona hanondranana volamena 6 taonina ho an’ity taona 2024 ity. […]
  • Fiainan’ny orinasa: mivoatra ny fitantanana olombelona (RH)
    Newsmada - 04:30 May 25, 2024
    Miantoka ny fandrindrana ny fiainana maha olona, indrindra eo amin’ny tontolon’ny asa sy ny fandraharahana ny serasera. Antony nahatonga ny Dr Fabrice Lollia, manam-pahaizana eo amin’ny serasera, ni­zara ireo torohay sy fomba ha­natsarana ny fifandraisana sy fifanakalozana anatina orinasa sy eo amin’ireo mpitantana ary mpandraharaha. «Paikady si­antifika voamarina sy ma­hom­by […]
  • Ambohimasina : fotodrafitrasa maro ho an’ny mponina
    Newsmada - 04:29 May 25, 2024
    Misitraka fotodrafitrasa maro ny mponina any amin’ny kaominina Ambohimasina, distrika Arivonimamo, faritra Itasy. Nanohana ny tetikasa ny fandaharanasan’ny Firenena mikambana ho an’ny fampandrosoana (Pnud) sy ny mpiara-miombon’antoka maro. Anisan’izany ny tohodrano vita « béton », afaka manondraka lemaka 80 ha, ahafahana mamboly vary sy legioma. Tohodrano vita tamin’ny tany ny teo taloha, […]
  • Atsimo Andrefana : vahaolana ny harena an-kibon’ny tany
    Newsmada - 04:56 May 24, 2024
    Notaterin’ny Banky iraisam-pirenena, ny febroary 2024 teo, fa miisa 24,8 tapitrisa ny Malagasy miaina anaty fahantrana. Vitsy ny asa miforona miohatra amin’ny fitombon’ny mponina. Tsy manara-penitra ny 95,1%-n’ny asa misy. Tena iharan’ny tsy fisian’ ny asa any amin’ny faritra Atsimo Andrefana. Nambaran’ i Alban Natsira, mpitantana ny orinasa Yaby Job […]
  • VAOVAO TAMBATRA
    Newsmada - 04:55 May 24, 2024
    Mahatratra 27 000 ha ny velaran-tany efa voaaro amin’ny andiam-balala, tamin’ny alalan’ny hetsika an-tanety. Voakasik’izany ny any amin’ny distrikan’i Manja, Mahabo, Sakaraha, Ankazoabo, Beroroha, Ikalamavony ary Ambatofinandrahana. Mitotaly 270 000 ha ny velaran-tany mila arovana ka hampiarahana amin’ny fampiasana helikoptera ny eny an-tanety. Nohadihadiana ny fidiram-bolan’ny mpanjono madinika, sy ny […]
  • FIM andiany faha-18 : antoky ny fampandrosoana
    Newsmada - 04:54 May 24, 2024
    Nanomboka omaly ka haharitra efatr’andro ny hetsika “Foire internationale de Madagascar” (FIM) andiany faha-18, atao eny amin’ny Forello Expo Tanjombato. Hetsika ara-toekarena ivondronan’ireo mpandraharaha samihafa avy eto an-toerana sy avy any ivelany eto amintsika. Ankoatra ny fampirantiana sy fampahafantarana ny vokatra malagasy dia betsaka ny tombontsoa azo amin’ny alalan’ity tsenabe […]
  • Carrefour des entrepreneurs de l’Océan Indien : mivelatra hatrany amin’ny fampandrosoana ny firenena
    Newsmada - 04:54 May 24, 2024
    Manamafy ny fahavononany sy hifanome tanana amin’ny fampandrosoana ny sehatry ny toekarena ny fikambana Carrefour des entrepreneurs de l’Océan indien. Niforona ny taona 2000, nampiroborobo ny tontolon’ny fandraharahana sy ny fifanakalozana aty amin’ny faritry ny ranomasimbe Indiana izy ireo. Hiara-hiasa. Nivory tetsy amin’ny Motel Anosy ny fikambanan’ireo mpandraharaha aty amin’ny […]
  • INDRAY MIJERY
    Newsmada - 04:54 May 24, 2024
    Tafiditra ao anatin’ny tetikasa “Miarova” iarahana amin’ny Banky iraisam-pirenena, hisitraka fitaovana arifomba sy manaraka ny fenitra ireo sampandraharaha mikirakira ny serasera ao amin’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka. Noraisin’ny minisitra, An­driamanantany Zely, izany ny alarobia teo mialoha ny hizarana azy amin’ireo fitaleavana manerana ny faritra 23. Amperinasa manomboka izao ny toeram-pandidiana ao amin’ny […]
  • Handball – IHF Trophy Junior: resin’i La Réunion ny Akio de Madagascar
    Newsmada - 05:06 May 23, 2024
    Ratsy fanombohana ny Akio de Madagascar teo amin’ ny andro voalohany hiadiana ny “IHF Trophy”, faritra fahafito taranja handball sokajy “junior”, lehilahy. Fihaonana tanterahina etsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina. Resin’i La Réunion, tamin’ny isa 31 no ho 29 ry zalahy. Niady ny fihaonana saingy tombony ho an’ny La Réunion ny fahaizana […]
  • SOMBIM-BAOVAO
    Newsmada - 05:06 May 23, 2024
    Fantatra fa tsy ho anisan’ny handrafitra ny Les Bleus amin’ny lalao Olympika, hotanterahina ao Frantsa amin’ny taranja baolina kitra i Kylian Mbappe. Fihaonana hanomboka ny 26 jolay ho avy izao. Raha ny fantatra, hiaraka amin’ny ekipan’ny Real de Madrid, amin’ny fanomanana ny taom-pilalaovana 2025 ny tenany. Efa fantatra avokoa ny […]
  • Baolina Kitra : vita ny fifanarahan’ ny Me Rôro sy ny FMF
    Newsmada - 04:59 May 23, 2024
    Izay vao milamina ny zava-drehetra. Tontosa ny talata 14 mey lasa teo, teny amin’ny foibe toeran’ny baolina kitra malagasy eny Isoraka ny fifanaovan-tsonia, fifanarahana fiaraha-miasa eo amin’ny Me Rakotondrabe Romuald (Rôro) sy ny Federasiona malagasy (FMF). Araka ny fampitam-baovao, haharitra hatramin’ny volana oktobra 2026 izany fifanarahana izany. Me Rôro, araka […]
  • Judo – «Mondiaux 2024»: resy teo amin’ny savaranonando Rasoanaivo Laura
    Newsmada - 04:59 May 23, 2024
    Ratsy ny vokatra ho an-dRasoanaivo Aina Laura, teo amin’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, taranja judo sokajy «senior», vehivavy. Vao teo amin’ny dingana savaranonando dia efa resy ity hany solontena malagasy ity. Tsy lasa lavitra fa vao teo amin’ny lalao savaranonando dia efa nangoron-damba Rasoanaivo Aina Laura, nandritra ny fiadiana […]
  • Karate – “Afrique de l’Est” : 52 mianadahy hiaro ny voninahi-pirenena
    Newsmada - 04:50 May 23, 2024
    Hatao eto Madagasikara amin’ny 6 hatramin’ny 9 jona izao, ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika faritra Atsina­nana, ho an’ny taranja karate. Firenena 10 amin’ireo 14 mpikambana no handray anjara amin’izany. Fifaninanana na­tokana ho an’ny sokajy cadet, junior ary senior. Ho an’i Madagasikara, 52 be izao no hiaro ny voninahi-pirenena, ka ny […]
  • Zavamaniry : avy amin’ny tantely ny famindrana ny vovobony
    Newsmada - 04:52 May 22, 2024
    Ankalazaina isaky ny 20 mey ny Andro maneran-tany ho an’ny tantely, mifantoka amin’ny hoe « harena sy namana ny tantely ». Loha­hevitra noraisina tamin’ity taona 2024 ity ny hoe, « Ivon’ny fameloman’aina ny toekarena ny tantely, sady manavotra ny tontolo mananaina ». Nikarakara atrikasa, omaly, ny Tranoben’ny mpisehatra amin’ny tantely eto Madagasikara (MAM), ny […]

2410 items