Newsmada

Found 3510 news

  • Rugby– “Africa Women’s Tournament” : Iray vondrona amin’i Tunisie sy i Egypte ny Makis Ladies
    Newsmada - 04:43 Oct 22, 2025
    Hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika amin’ny rugby lalaovin’olona 7 indray ny Makis ladies. Hiady ny tapakila hiatrehana ny World Challenger Series izy ireo. Ekipa magrebianina roa no miray vondrona amin’ny Malagasy dia i Tunisie sy ry zareo Egyptianina. Raha tsy misy ny fiovana, hotanterahina any Nai­robia, Kenya, ny […]
    Tags: Tunisie
  • Chan 2024 – « prize money »: Singa telo no nampihena izany
    Newsmada - 04:38 Oct 21, 2025
    Nivoaka tamin’ny fahanginany Rabemanantsoa Benja­min, filohan’ny delegasionina Barea, nandritra ny “Chan 2024”, sady komity mpanatanteraka (CE) anivon’ny Fede­rasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF). Nohazavainy, omaly, tetsy Isoraka, fa singa telo no nanesoran’ny Kaon­federasiona afrikanina an’ilay vola “prize money” mitentina 1,2 tapitrisa dolara. Raha ny nambarany, nalain’ny Caf tamin’io vola io, tany […]
    Tags: Chan
  • SOMBIM-BAOVAO
    Newsmada - 04:38 Oct 21, 2025
    Seksionina miisa efatra indray no nahavita ny fanavaozana ny mpitantana azy ho an’ny taranja basikety. Ny seksionina Ambohidratrimo ao anatin’ny ligin’Analamanga, ny seksionina Manakara ao anatin’ny ligy Fitovinany. Miampy ny seksionina Vangaindrano ao amin’ny ligy Atsimo Atsinanana sy ny seksionina Brickaville, ao amin’ny ligy Atsinanana. Tsy mbola misy fiovana, hatreto, […]
  • Anciennes Gloires : Nahazo fanampiana avy amin’ny FMF
    Newsmada - 04:38 Oct 21, 2025
    Notanterahina omaly, tetsy Isoraka, ny fizarana ny fanampiana ho an’ireo mpilalao baolina kitra tranainy, nandrafitra ny ekipam-pirenena, nanomboka tany amin’ny Equipe nationale, nandalo tamin’ny Club M sy ny Scorpions ary ny Barea, na ny Anciennes gloires. Nahatratra 44 izy ireo no nisitraka izany avy amin’ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra. Nanolotra […]
  • Minisitra hitantana ny fanatanjahantena: “Tokony ho olona niaina tao anatin’ny taranja”
    Newsmada - 04:38 Oct 21, 2025
    Ho fantatra tsy ho ela ireo minisitra handrafitra ny governemanta. Maneho ny heviny ireo mpisehatra eo amin’ny tontolon’ny fanatanjahantena. Vital Serge, filohan’ny fikambanana Espoirs sportifs de Tuléar: “Olona niaina ny fanatanjahantena nanomboka tamin’ny fahazazana, mahalala izany atao hoe fanatanjahantena izany ary manao izany no mendrika ho minisitra hitantana ny minisiteran’ny […]
  • Miakatra ny voankazo: Mila ampitomboina ny fahadiovana
    Newsmada - 04:37 Oct 21, 2025
    Manomboka miakatra ny voankazo. Ny manga sy ny frezy no betsaka eny an-tsena, amin’izao. Mila ampitomboina ny fahadiovana amin’ny fanasana azy ireny mba tsy hiteraka aretina hafa, indrindra amin’ny ankizy, raha ny torohevitry ny dokotera misahana manokana ny ankizy sy ny zaza noresahina. Sasana madio sy azo antoka, ny voankazo […]
    Tags: Mila
  • Jeneraly Zafisambo Ruphin : “Ara-dalàna ny Praiminisitry ny marimaritra iraisana”
    Newsmada - 04:46 Oct 20, 2025
    “Araka ny tokony ho izy ny fitadiavana Praiminisitry ny maramaritra iraisana”, hoy ny Praiminisitra, ny Jly Zafi­sam­bo Ruphin Fortunat, teny Ambohidahy, ny faran’ny herinandro teo, momba ny fanendrena izay ho Praiminisitra vaovao. Ho marimaritra iraisana mivelatra, ka hanontaniana na ny filoha teo aloha na ny filoham-panjakana amin’izao. Tokony hisy ny […]
  • Filoham-panjakana : « Teneno izahay raha misy tsy mety ny ataonay »
    Newsmada - 04:46 Oct 20, 2025
    Notanterahina omaly, ny fanompoam-pivavahana fametrahana ny filoha vaovao eo anivon’ny FJKM, Andriamampia­nina Zaka Hary Masy. Anisan’ny niatrika izany ny filoham-panjakana, Randrianirina Michael. Nambarany tamin’ny lahateniny fa efa nijoro hatrany ho an’ny vahoaka malagasy ny FJKM. Koa, mangataka amin’izy ireo ny tenany mba hijoro hatrany sy hitsangana araka izay asa napetrak’i […]
  • Depiote Razafimanantsoa Hanitra: «Tsy nisy fanonganam-panjakana teto»
    Newsmada - 04:45 Oct 20, 2025
    “Tsy nisy fanonganam-panjakana teto Madagasikara, fa tsy nisy fanafihana mitam-basy tany amin’ny lapam-panjakana”. Io ny fanazavan’ny depiote Razafimanantsoa Hanitra tamin’ny famaranana ny hetsika teny amin’ny kianjan’ny 13 mey, Analakely, afakomaly. Ny didin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) no entina miady eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Tsy nisy fanonganam-panjakana teto. Fiza­hana […]
  • Kianjan’ny 13 mey : Niantso fahamailoana ireo nandaha-teny
    Newsmada - 04:45 Oct 20, 2025
    « Misy andrimaso tsy maintsy ataontsika, indrindra ny resa-bola miparitaka any ka samia mailo. Tsy mbola vita ny tolona », hoy ny depiote « Del kely ». Nateriny koa fa efa mipetraka ny stratejia eny anivon’ny Antenimierampirenena, manoloana ireny fifidianana ny eo anivon’ny birao maharitra ireny. Nohamafisin’ny depiote, Razafimanantsoa Hanitra, koa fa hoesorina ireo […]
  • VAOVAO TAMBATRA
    Newsmada - 04:44 Oct 20, 2025
    Amidy 150 Ar ny zana-trondro karpa iray, mirefy 2,5 sm hatramin’ny 3 sm. Amidy 200 Ar kosa ny iray raha mirefy 3sm-4 sm. Betsaka ny zana-trondro izao, nanomboka tamin’ny volana aogositra, fotoana fandrotsahana azy anaty dobo, na koa alefa anaty tanimbary, ho an’ny mpamboly varialoha. Manodidina ny enim-bolana eo ho […]
  • Handball – CCOI 2025 : Nahemotra amin’ny manaraka ny fifaninanana
    Newsmada - 05:19 Oct 18, 2025
    Nandefa taratasy ho an’ny Federasionina malagasin’ny handball (FMHB) ny fikambanan’ny handball aty amin’ny ranomasimbe Indianina (AH­BOI), nivory ny 12 oktobra lasa teo, fa hahemotra amin’ ny fotoana manaraka ny fiadiana ny ho tompondakan’ny ranomasimbe Indianina, ho an’ny ekipa tompondaka (CCOI 2025). Fihaonana to­kony hotanterahina any Toa­masina, ny 15 ka hatramin’ny […]
    Tags: CCOI
  • SOMBIM-BAOVAO
    Newsmada - 05:19 Oct 18, 2025
    Fifaninanana roa lehibe no mbola miandry ny Judokas malagasy, Rasoanaivo Razafy Aina Laura, latsaky ny 70 kg, amin’izao famaranana ny taona 2025 izao. Handray anjara amin’ny « Grand Chelem » hatao any Abu Dhabi, i Laura, ny 27 hatramin’ny 29 novambra izao, izay fandraisana anjara voalohany ho azy. Aorian’izay, hihazo an’i Tokyo […]
  • Filaharan’ny Fifa: Niakatra ho faha-106 ny Barean’i Madagasikara
    Newsmada - 05:18 Oct 18, 2025
    “ Tsara fa tsy misy dikany!”. Io no teny azo ambara raha nahita ny filaharan’ny Barean’i Madagasikara, izay nivoaka tao amin’ny tambajotran-tseraseran’ny Fifa, omaly. Niakatra ho eo amin’ny faha-106 i Madagasikara, saingy tsy hiatrika Can 2025 no tsy hanao Mondial 2026. Toerana roa no nosongonan’ny Malagasy mpilalao tamin’ity, raha toa […]
  • Muay Thai – “Battle for Africa” : Malagasy roa handray anjara any Maorisy
    Newsmada - 05:18 Oct 18, 2025
    Hotontosaina anio, any Maorisy, ny fifaninanana “Battle for Africa”, taranja Muay Thai. Manana solontena roa i Madagasikara. Mianadahy, ahitana an’i Jaomboto Jerry Edino, sokajy latsaky ny 60 kg, lehilahy sy Rasoanirina Olga, sokajy latsaky ny 60 kg, vehivavy no miaro ny voninahi-pirenena mandritra ity fifaninanana matihanina eo ambany fiahian’ny WMC […]
  • Baolina kitra any Allemagne : Miverina anatin’ny heriny i Bolo
    Newsmada - 04:39 Oct 17, 2025
    Tsara fiditra! Rehefa tsy hita nandritra ny fotoana ela tao anatin’ny lalaon’ny Hertha Zehlendorf Berlin, klioba atsy Allemagne, i Kanto Fitiavana Voahariniaina na i Bolo, Ma­lagasy mpilalao baolina kitra milaravinahitra atsy Alle­magne. Niverina tamin’ny heriny indray izy amin’izao fotoana izao, anatin’ity ekipa ity, rehefa nahazo lalao 20 minitra, nandritra ny […]
  • SOMBIM-BAOVAO
    Newsmada - 04:38 Oct 17, 2025
    Fotodrafitrasa iray anisan’ny nanaovan’ny fitondram-panjakana fanavaozana ny Kianjan’ny CFFA Andoharanofotsy, etsy Iavoloha. Tsy mitohy intsony ny asa fanavaozana araka ny loharanom-baovao iray. Andrasana, araka izany, na hanohy ny fampivoarana ny kianja ny fanjakana na tsia. Niatrika ny lalao voalohany ho azy ireo, tao amin’ny klioban’ny Al Merrikh Soudan, afakomaly, ireo […]
  • Ankoay 3×3 – Africa Cup : Nanomboka ny fampivondronana
    Newsmada - 04:38 Oct 17, 2025
    Anatin’ny fanomanana tanteraka ny ekipa malagasy Ankoay 3×3, amin’ny fiatrehana ny fiadiana ny amboaran’i Afrika hatao ny 4 hatramin’ny 7 desambra izao, eto Madagasikara. Nanomboka omaly ny fampivondronana, araka ny fampitam-baovao avy eo anivon’ny Federasionina malagasin’ny basikety. Eny amin’ny Petit Palais Mahamasina no hiatrika izay fampivondronana izay ireo mpilalao ary […]
  • Lalao afrikanina ho an’ny tanora: Handray anjara ny Makis U17, lahy sy vavy
    Newsmada - 04:38 Oct 17, 2025
    Ho anisan’ireo taranja vonona hiatrika ny lalao afrikanina ho an’ny tanora 2025 ny taranja rugby. Handray anjara amin’­izany ny ankizivavy sy ny ankizilahy. Efa ao anatin’ny fanomanana izany izy ireo ka hosedraina ireo miatrika ny fampivondronana anio. Hotanterahina ao Luanda Angola, ny 10 ka hatramin’ny 20 desambra ho avy izao, […]
    Tags: Handray

3510 items