Newsmada

Found 2665 news

  • INDRAY MIJERY
    Newsmada - 06:36 Dec 30, 2024
    Nanokana fandaharanasa hanomezana vatsim-pianarana roa ho an’ny mpianatra manaraka ny fianarana teny sy kolontsaina japoney ny fanjakana japoney. Tafiditra ao koa ireo mpampianatra eny amin’ny ambaratonga voalohany sy faharoa. Hifarana ny 14 febroary 2025 ny fanaterana ny antontan-taratasy fangatahana, eny Ivandry. Natao tany amin’ny tanànan’i Osaka-Japon ny fivoriana maneran-tany momba […]
  • Toetry ny andro : Hanorana eto afo­voantany, rahampitso
    Newsmada - 06:35 Dec 30, 2024
    Tsio-drivotra avy Atsinanana, amin’ny ankapobeny, no han­drafitra ny mety ho toetry ny andro, izay tsy marin-toerana any amin’ny ilany andrefana sy avaratra andrefan’ny Nosy ho an’ny telo andro manaraka. Vinan’ny toetry ny andro rahampitso, ny tolakandro sy ny takariva na ny alina: hanoram-baratra mitsitokotoko any Me­nabe, Melaky, Boeny, Sofia ary […]
  • Conim – Paramédicaux : Mangataka ny hampiatoana ny fanomezana fahazoan-dalana
    Newsmada - 06:35 Dec 30, 2024
    Ho famerenana ny hasin’ny asan’ny infirmier eto Madagasikara, nandefa taratasy maro teny anivon’ny tomponandraikitra mahefa ny mpitantana ny Filankevitry ny Holafitra nasionalin’ny infirmiers eto Madagasikara (Conim) hirosoana amin’ny tena fanovana. Taratasy nalefa farany ho an’ny minisitry ny Fam­pianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa ny 27 desambra lasa teo, ny momba […]
    Tags: Conim
  • Tsipy kanetibe : Hiatrika fihaonana iraisam- pirenena 4
    Newsmada - 06:34 Dec 30, 2024
    Feno ny fandaharam-potoan’ny Federation sport-boule malagasy (FSBM), ho an’ny taona 2025. Maro ny fihaonana iraisam-pirenena tsy maintsy hatrehina, anisan’ izany ireo fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany. Mi­avaka ny amin’ity satria voakasik’izany avokoa ireo sokajy rehetra. Miisa 4 izany ka eo aloha ny an’ny olon-telo miaraka, vehivavy, tanterahina any Douai France, […]
  • Infirmier Mobile
    Newsmada - 15:00 Dec 28, 2024
  • Volley-Analamanga : Hosokafana anio ny taom-pikatrohana 2025
    Newsmada - 05:19 Dec 28, 2024
    Tsy niandry ela fa avy hatrany dia hanomboka ny taom-pikatrohana 2025, ny eo anivon’ny ligin’Analamanga, taranja volley-ball. Anio no hanokatra izany amin’ny fom­ba ofisialy, eny amin’ny Kianja Itaosy izy ireo, ka hisy ny fifaninanana karakaraina. Hiava­ka kely ity fifaninanana ity satria lalao ho an’olon-tokana hanaovana ny “Concours de précision” no […]
  • SOMBIM-BAOVAO
    Newsmada - 05:18 Dec 28, 2024
    Mitarika, amin’ny fifaninanam-pirenena, eo amin’ny taranja rugby, vehivavy, sokajy D1 ny SCB Besarety. Taorian’ny andro faha-10 natao ny alahady 22 desambra teo, teny amin’ny Kianja Makis, tsy mbola resy mihitsy ry zareo. Nahazo isa 50 ary nahavita «essai» 95. Faharoa ny FTFA, manana isa 35, arahin’ny RCTS amin’ny isa 28. […]
  • Atletisma: Fihaonana iraisam-pirenena 3 ny tanjona
    Newsmada - 05:18 Dec 28, 2024
    Feno ny fandaharam-potoan’ny Federasiona malagasin’ny atletisma, amin’ny taom-pilalaovana 2025. Raha eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, 3 no ezahina hotanterahina ka anisan’izany ny fiatrehana ny ho tompondaka maneran-tany «sur piste », ho an’ny sokajy Sénior, lahy sy vavy, tanterahina any Tokyo Japon, izay tsy mbola voafaritra ny fotoana hanatontosana azy. Eo koa ny […]
  • Baolina kitra – Barea de Madagascar : 90 mn hakana tapakila hiatrehana ny «Chan 2025»
    Newsmada - 05:18 Dec 28, 2024
    Hifantoka amin’ny lalao baolina kitra hifanandrinan’ny Barea de Madagascar sy i Eswatini avokoa ny sain’ny mpitia fanatanjahantena rehetra, amin’ity faran’ny herinandro ity. Ho fantatra eo izay hahazo ny tapakila hiatrehana ny «Chan 2025 », eo amin’ny roa tonta. Hotanterahina rahampitso alahady, ao amin’ny Kianja Côte d’Or ao Maurice, ny lalao miverina […]
  • Fitantanana loza: Mpiray ombon’antoka ny sehatra tsy miankina
    Newsmada - 06:19 Dec 27, 2024
    Sehatrasa tsy manavaka ny fitantanana ny loza sy ny tandindon-doza ka mitady vahaolana manakaiky ny tena ma­homby ny BNGRC. Mampandray anjara ireo sehatra mbola misalasala ary manentana ireo marisarisa ao anatin’izany tontolo manodidina izany koa. Ny Antontan-kevitra mirakitra ny fifanarahana iraisam-pirenena andraisana ny azo tahafina mahakasika ny fampihenana ny tandindon-doza […]
  • Focus Development Association : Mamaha olana amin’ny fanoratana ny zaza
    Newsmada - 06:19 Dec 27, 2024
    Ambany ny tahan’ny fanoratana ny zaza teraka eto Madagasikara, satria mahatratra 74% (araka ny fanadihadiana Ensmond 2021), ka mahatonga ny mpiray ombon’antoka amin’ny Focus Development Association (FDA) nanao hetsika amin’ny fanoratana zaza. Iray amin’izany ny Haut commissariat des Nations unies pour les réfugiés (UNHCR). « Mampitombo ny ambana hi­tarika amin’ny tsy […]
  • INDRAY MIJERY
    Newsmada - 06:19 Dec 27, 2024
    Loza mitatao ho an’ny firenena malagasy ny tohitra ataon’ny otrikaretina amin’ny fanafody natao hiarovana amin’izany. Niara-nanatanteraka ny fankalazana voalohany ny Herinandro natokana ho an’ny ady amin’ny tohitra ataon’ny otrikaretina ny minisiteran’ny Fahasa­lamam-bahoaka sy ireo minisitera enina hafa : Tontolo iainana, Fambolena, Rano, Fahadiovana sy Fidiovana… Toeka­rena Manga, Tanora sy ny […]
  • Avy amin’ny sampam-piofanana teknika: Malagasy mpianatra 18 nahazo vatsim-pianarana ho any Maroka
    Newsmada - 06:18 Dec 27, 2024
    Nanomboka ny taona 2018 ny fandefasana Malagasy mpianatra isan-taona any Maroka. 20 isaky ny andiany no misitraka ny vatsim-pianarana ary efa hiverina izao ireo nahavita fiofanana teo aloha. Notsofina rano teny Ampefiloha, omaly, ny andiany vaovao. Malagasy mpianatra 18 mianadahy nahazo ny maripahaizana bakalorea teknika ny taona 2023 (enina tovovavy […]
  • Jôkôsô-Festival du Rire: Hiditra amin’ny andiany fahadimy ny hetsika
    Newsmada - 06:17 Dec 26, 2024
    Hotanterahina ny 26 hatramin’ny 28 septambra 2025, hitohy ny 3 hatramin’ny 5 oktobra 2025 ny “Jôkôsô-Festival du Rire”. Miditra amin’ny andiany fahadimy ny hetsika amin’io taona ho avy io. Hampivondronana iray ny Malagasy mpanao hatsikana eto Madagasikara ity hatao ity. Anisan’ny hita nandray anjara tamin’ny andiany efatra teo aloha ireo […]
  • TARATRY ny KANTO
    Newsmada - 06:16 Dec 26, 2024
    Hiaka-tsehatra eny amin’ny Chez Poony Mandrimena ny tarika Jeneraly, anio manomboka amin’ny 8 ora alina. Hahazo ny anjarany indray, araka izany, iny Atsimondrano iny. Efa maro ny seho nataon’ny tarika Jeneraly ho fanomezana fahafaham-po ny mpankafy. Seho nahafantarana ny tarika no hita mandritra ity fampisehoana ity. Haranty eny amin’ny Musée […]
  • « IOMMa 2025 » : Misokatra ny fisoratana anarana
    Newsmada - 06:16 Dec 26, 2024
    Lalana misokatra ho an’ireo mpanakanto. Misokatra ny fisoratana anarana ho an’ny “Indian Ocean Music Market” na ny “IOMMa 2025”, izay andiany faha-11 amin’ity. Hiantsoana ireo mpanakanto aty amin’ny faritry ny ranomasimbe Indianina, izay manam-pikasana ny hikatsaka ny tsena iraisam-pirenena ho an’ny mozika ny fifaninanana. Efa maro ireo mpanakanto malagasy no […]
  • “Maman j’ai raté l’enlèvement”: Hasehon’ny Cevam an-tsehatra ny andiany fahatelo
    Newsmada - 06:16 Dec 26, 2024
    Raha lafiny fampisehoana, angamba ity no anisan’ny raitra sy tsara kalitao indrindra tao amin’ny lapan’ny fanatanjahantena. Fa tsy seho fotsiny ny “Maman j’ai raté l’enlèvement”, fa mifono hafatra sy sakafom-panahy, mifanandrify amin’izao vanim-potoana izao izany. Ny taona 2022 no nentina an-tsehatra voalohany ny “Maman, j’ai rate l’enlèvement”. Tantara an-kira narafitry […]
    Tags: Maman
  • Anisha Jo : Manome fotoana ireo mpankafy ny zoma izao
    Newsmada - 06:03 Dec 24, 2024
    Mbola eto an-tanindrazana i Anisha Jo… Tena miaina hafaliana izy mizara ny mozikany ho an’ny mpankafy mpiray tanindrazana, raha ny tsapa nandritra ny seho voalohany notontosainy tetsy amin’ny CCI Ivato, ny 15 desambra lasa teo. Mbola voaporofo indray izany, nandritra ny fandraisany anjara tamin’ny sehon’ny Reko Band ny alahady teo, […]
    Tags: Anisha

2665 items