Newsmada

Found 2665 news

  • « Rallye des industries »: Manana iray volana hiomanana ireo mpifaninana
    Newsmada - 04:54 May 21, 2025
    Hampita ireo fahalalana rehetra sy torohay samihafa ho an’ny fanomanana mafonja ny fifaninana « Rallye des industries » ireo indostria mpiahy ny oniversite miisa sivy. Hisy ny fitsidihana ifotony ny orinasa, fifanakalozana amin’ireo matihanina sy fanentanana amin’ny lanjan’ny indostria mandritra ny iray volana (hatramin’ny 20 jona). Ankoatra izay, hiofana amin’ny fandraisam-pitenenana, fanaovana […]
    Tags: Rallye
  • Symabio : Mahazo vahana ny famokarana Bio
    Newsmada - 04:53 May 21, 2025
    Efa lasa fanoitra ho an’ny fampandrosoana ny famokarana biolojika. Mifototra amin’ny famokarana voajanahary tsy mampiasa akora simika, mitandro ny tontolo iainana sady afaka miatrika ny fiovan’ny toetr’andro. Hatao ny 20 sy ny 21 jona ho avy izao, etsy amin’ny Carlton Anosy, ny Tsenabe Biolojika, andiany faha-4. Lohahevitra noraisina: « Ny Bio […]
  • JJB-Grand Slam: nahazo medaly volafotsy i Andy Rasamy
    Newsmada - 09:22 May 20, 2025
    Fifaninanana iraisam-pirenena anisan’ny nisongadina tamin’ny faran’ny herinandro teo, ny “Grand Slam”, taranja Jiu-jitsu breziliana, izay natao tany Abu Dhabi. Nanana solontena 3 lahy i Madagasikara nandritra izany ary tsy nitsanga-menatra satria nandrombaka medaly volafotsy ny Malagasy mpikatroka, i Andy Rasamy, teo amin’ny “Men’s Gi/Brown Belt”, sokajy Professionnel, latsaky ny 77 […]
  • For Good Connexion: baolina kitra hiarovana ny ankizy amin’ny loza
    Newsmada - 09:21 May 20, 2025
    Nifarana ny sabotsy lasa teo, teny amin’ny Kianja Syn­thètique Andohalo, ny “For Good Connexion”. Hetsika ho an’ny niomerika mandray andraikitra, nokarakarain’ny Union des clubs et écoles de foot-ball (Ucef) sy ny Orange Madagascar. Fampianarana ny ankizy hitandrina sy hahafehy ny ora hijerena ny findainy ary antoka amin’ny loza ate­raky ny […]
  • “Orange MPPTOUR 100”: lasan’i Miary Zo sy i Landry, sokajy lehilahy, i Prisca sy Zarah ho an’ny vehivavy
    Newsmada - 09:19 May 20, 2025
    Tontosa ny faran’ny herinandro teo ny fifaninanana tenisy anaty efitrano Padel, “Orange MPPTour 100”. Nanjakan’i Miary Zo sy Landry ny teo amin’ny lehilahy, raha toa ka mbola ry Prisca sy Zarah no nahazo ny medaly volamena ho an’ny sokajy vehivavy. Notanterahina teny amin’ ny Urban Futsal Galaxy Andraharo, ny faran’ny […]
  • Seranan-tsambon’ i Toamasina: mpiasa 76 mianadahy notolorana mari-boninahitra
    Newsmada - 08:31 May 20, 2025
    Nolotorana mari-boninahitra “grande Officier” ho fankasitrahana azy ny tale jeneralin’ny seranan-tsambon’i Toamasina (Spat), Avelin Christian Eddy, ny 16 mey lasa teo, tetsy amin’ny efitrano malalaky ny Pact “Port Academy Center Toamasina”. Tonga nanome voninahitra ny lanonam-panjakana ny minisitry ny Fitate­ra­na sy famatarana ny toetr’andro, Ramonjavelo Valéry, i Manga­laza Eugène Régis, […]
  • Fiarovana tanàna sy fialamboly: maro ny mirona amin’ny fiompiana alika tsara karazana
    Newsmada - 08:28 May 20, 2025
    Mirona amin’ny fiom­piana alika tsara karazana (chien de race) ny ankamaroan’ny Ma­la­gasy amin’ izao fotoana. Mia­vaka amin’ny ali­ka hafa izy ireny, indrindra eo amin’ny fikarakarana. “Miha mitombo hatrany ny olona tia mi­ompy alika tsara karazana eto Madagasikara, raha ny zava-misy”, hoy Andry Petoulet Raveloson, mpiandraikitra ny fifandraisana ao amin’ny ACYM, […]
  • Rallye Motul: voalohany i Faniry sy i Mahents
    Newsmada - 10:11 May 19, 2025
    Norombahin’i Faniry sy Mahents, mpanamorin’ny klioba TMF/Asacm, nitondra ny fiara Peugeot 208 T16, ny andiany fahenina amin’ny Rallye Motul. Fifaninanana notanterahina ny zoma ka hatramin’ny omaly alahady. Dingana voalohany amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, nokarakarain’ny klioba FMMSAM. Tontosany tao anatin’ny fe-potoana 1 ora 37 mn 59.2 s ny hazakazaka, […]
  • Nosy malagasy, tetibola, Base Toliara: nampanantsoin’ny depiote mpanohitra ireo minisitra telo
    Newsmada - 10:09 May 19, 2025
    Nandefa taratasy eo anivon’ny birao maharitry ny Antenimierampirenena, ny herinandro teo, ny depiote avy amin’ny fanoherana. Miompana amin’ny fampiantsoana ireo minisitra miisa telo izany. Anisany nampanantsoin’ny depiote Firai­sankina ny minisitry ny Toe­karena sy ny fitantanam-bola hanontaniana ny momba ny olana ara-bola sy ny tsy fisian’ny fanitsiana ny tetibola amin’izao fivorian’ny […]
  • Randrianandrasana Miarisoa: tanora mampivelatra ny asa fikirakirana vy
    Newsmada - 10:03 May 19, 2025
    Fianakaviana iray mifototra sy mivelona amin’ny fa­nan­ganana fanaka sy haingo ao an-tonkatrano Ran­dria­­nan­drasana Miarisoa. Niatom­boka tamin’ny fitsirian-kevitra hanatsara ny asa izay efa nataon’ny rafozany, an-taonany maro, izy. Tovolahy iray mamelona vady aman-janaka amin’ ny fanamboarana fanaka vita amin’ny vy sy melamina, Randrianan­drasana Mia­risoa, tompon’ny orinasa AMC Deco-Design. Araka ny fanadihadiana […]
  • Nosy Hara: nilanja 4 kilao ny horita iray
    Newsmada - 09:57 May 19, 2025
    Nisokatra ny 12 mey teo ny taom-panjonoana horita any amin’ny Faritra arovana Nosy Hara, kaominina Andranovondronina, distrika Antsiranana II. Mitantana ity Faritra arovana ity ny Madagascar National Parks (MNP). Nitontaly 36,544 taonina ny vokatra azo tamin’io andro voalohany nisokafan’ny fanjonoana io. Fahombiazana lehibe ho an’ny mpanjono any an-toerana izany satria […]
  • Haban-tseranana: matotra ny fiaraha-miasa Chine-Madagasikara
    Newsmada - 09:55 May 19, 2025
    Mibahan-toerana eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny fifampiraharahana amin’ny lafiny haban-tseranana. Mano­loana izany, nitsidika teto Madagasikara ny delegasiona sinoa, tarihin’ny minisitra lefitra miadidy ny Fitantanana foibe ny ladoany, Wang Lingjun, ny 14-16 mey teo. Manan-danja ity fitsidihana ity, nanamafisana ny fiaraha-miasan’i Madagasikara sy i Chine, tsy mitanila sady samy ahazoan’ny roa […]
  • MPANAMBOATRA BOKY
    Newsmada - 15:02 May 17, 2025
  • Taranja taekwondo : Tafaverina eo anivon’ny Com
    Newsmada - 05:43 May 17, 2025
    Notanterahina omaly, tetsy amin’ny Tometal Mahama­sina, ny fivoriamben’ny Kao­mity olympika malagasy (Com). Tonga nanatrika izany ireo lehiben’ny federasionina miisa 27, mandrafitra ity kaomity iray misahana ny fanatanjahantena eto Madagasikara ity. Araka ny vaovao voaray teny an-toerana, tafaverina eo anivon’ny Com ny taranja taekwondo WT. Raha tsiahivina, tsy nankatoavin’ny Kaomity olympika, […]
  • SOMBIM-BAOVAO
    Newsmada - 05:42 May 17, 2025
    Hiditra amin’ny dingana famaranana, amin’ity faran’ny herinandro ity, ny fifaninanana nasionaly N1A, dingana voalohany, ho an’ny vondrona A. Eo amin’ny sokajy vehivavy, hiady ny amboaran’ny ligin’i Boeny ny ekipan’ny MB2All Analamanga sy ny ekipan’ny GNBC Analamanga. Niditra an-tsehatra, omaly, ny solontena mala­gasy miatrika ny Grand Slam, taranja Jiu-jitsu Brezi­lia­nina, any […]
  • Baolina kitra – PFL : Hanohitra ny Elgeco Plus ny Ajesaia
    Newsmada - 05:42 May 17, 2025
    Hotanterahina anio sy rahampitso, etsy amin’ny Kianja Elgeco Plus Stadium, ny lalao ampahefa-dalana mandroso, hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra na « PFL 2025 ». Tsy misy kajikajy intsony fa tsontsorimamba isarahana izy ity. Hanafika ny Elgeco Plus eo an-jaridainany ny Ajesaia Bongolava, amin’ity anio ity. Fihaonana hiendrika […]
  • JJB-“Lemur Cup”: Tonga ny vahiny, raikitra ny fifaninanana
    Newsmada - 05:42 May 17, 2025
    Hotanterahina anio, eny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny fifaninanana iraisam-pirenena “Lemur Cup”, taranja Jiu-jitsu breziliana. Hisy koa ny fifaninanana eo amin’ny haiady “pancrace” sy “boxe anglaise”. Tonga ireo vahiny nasaina, raikitra ny fifaninanana! Kanadianina 4 (3 lahy sy 1 vavy) no tonga eto Mada­gasikara hiatrika ady, manoloana ny Malagasy mpika­troka. […]
  • Tratra nivarotra rongony : Telo lahy nalefa eny Antanimora
    Newsmada - 05:42 May 17, 2025
    Notanana eny amin’ny fonjan’Antanimora ireo telo lahy mpivarotra rongony, taorian’ny fampanoavana, afakomaly. Nanao fisafoana teny amin’ny kaominina Ambohimangakely ny zandary, ny alin’ny alatsinainy 12 mey teo. Lehilahy iray malaza ratsy amin’ny asa fanendahana, vaky trano nifanena tamin’izy ireo. Nikasa handositra avy hatrany io mpanao ratsy io rehefa nahatazana ny mpitandro […]
  • Famarinana olombelona: Nahazo fampiofanana ny polisy
    Newsmada - 06:07 May 16, 2025
    Nisitraka fampiofanana manokana avy amin’ny Birao na­sionaly miady amin’ny famarinana olombelona (BNLTEH), ny 14 sy 15 mey 2025, ny polisy miasa ao amin’ny sampandraharaha misahana ny fanaraha-maso ny fifindra-monina (DCM) sy ny sampandraharaha misahana ny fanenjehana fandikan-dalàna (DPJ). Zava-dehibe amin’ity ady ity ny fampiofanana ny polisim-pirenena satria anisan’ny ivon’ny ady […]

2665 items