Newsmada

Found 2665 news

  • Rugby vehivavy – Can 2025 : Tonga omaly ny Springboks Afrika Atsimo
    Newsmada - 04:50 Jun 05, 2025
    J-3 amin’ny fanombohan’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja rugby (Can) sokajy vehivavy, anio. Fihaonana hotanterahina etsy amin’ny Kianja Makis An­do­hatapenaka, ny sabotsy 7 ka hatramin’ny alahady 15 jona ho avy izao. Ny Springboks Afrika Atsimo no firenena voalohany tonga eto Mada­ga­sikara, anisan’ireo hiatrika izany. Amin’ity alakamisy ity kosa vao […]
  • « Shoot Out 3×3 » : Tompondaka U20 ny Mamba Girl sy ny ASMG
    Newsmada - 04:50 Jun 05, 2025
    Tontosa ny faran’ny herinandro lasa teo, tany Antsirabe, ny fifaninanana “Shoot Out”, taranja basikety 3×3, andiany fahatelo. Nahomby ny hetsika ary nitombo ny mpandray anjara. Tratra, araka izany, ny tanjona ho an’ny ligin’i Vaki­nankaratra, mpikarakara. Nahitana taninketsa maro ihany koa nandritra ity fifaninanana ity, izay nahafahana nitily ireo mpilalao hoavin’ny […]
    Tags: SHOOT
  • Faritra Atsimo Andrefana : « Ho fitaratra amin’ny fampandrosoana”, hoy ny governora Tovondrainy Ranoelson Edally
    Newsmada - 04:49 Jun 04, 2025
    Anisan’ny fifaninanana masina ahazoana ny tanàna madio eto Mada­gasikara ny faritra Atsimo Andrefana. Mifanaraka amin’izay, ny famitana ny toky nomen’ny filohan’ny Repoblika mba hitsohan’ny rivo-pampandrosoana avy any Atsimo. Mizara ny fomba fijeriny ny governora Tovon­drainy Rano­el­son Edally. Gazety Taratra (*): Tao­rian’ny fandalovan’ny filohan’ ny Repoblika, Rajoelina Andry, tompoko, inona no […]
  • TARATRY ny KANTO
    Newsmada - 04:48 Jun 04, 2025
    Nahemotra ny 10 jona, ny fara-fandraisana ireo video ho an’izay handray anjara amin’ny fifaninanana “Tafan-gilita”. Natao ho an’ireo mpitendry gitara tsy mbola malaza, kanefa mahafehy izany izy ity. Aorian’io daty io, hiroso amin’ny dingana voalohany ireo mpitsara, hamoaka ny anaran’ireo 50 hiatrika ny dingana manaraka. Ambara amin’izay ihany koa ny […]
  • 190 taona aty aoriana : Hivoaka ny boky “Voambolan’ny Baiboly”
    Newsmada - 04:48 Jun 04, 2025
    Feno 190 taona (1835 – 2025) amin’ity taona ity ny nahavitana ny fandikana ny Baiboly. Fironana ankehitriny efa taona vitsivitsy izay ny famoronana voambolana vaovao. Ny famoronana anefa tsy tokony hitarika any amin’ny fanadinoana ireo voambolana efa nisy. Hotontosaina ny alarobia 11 jona izao, amin’ny 2 ora sy sasany tolakandro, […]
    Tags: Baiboly
  • Tanora Masina Itaosy : 30 mahery ny hira horenesina
    Newsmada - 04:48 Jun 04, 2025
    Alahadin’ny Pantekosta, 8 jona ho avy izao, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany tolakandro. Hanatanteraka seho lehibe ao amin’ny FLM Ambohimasina Itaosy ny Tanora Masina Itaosy (TMI). Fantatra fa tsy ho latsaky ny hira 30 no horenesin’ny mpijery amin’io fotoana io. Anisan’ny mampiavaka ny TMI ilay fahaizana mampifandrindra ny feo […]
  • Federasionina malagasin’ny tolona : Hiditra amin’ny fampiofanana an-tsekoly
    Newsmada - 04:49 Jun 03, 2025
    Taorian’ny fifaninanana afrikanina natao tany Maroc, hanomana hetsika maro ny Federasionina malagasin’ny tolona (FML). Araka ny fampitam-baovao nataon-dRavelo­son Mamitiana, filohan’ny fe­derasionina FML, ny sabotsy teo, tetsy Ampefiloha, hiditra amin’ny hetsika fampiofanana ny taranja eny an-tsekoly, “Wrestling School”, izy ireo, ny 6 jona ho avy izao, etsy amin’ny ANS Ampefiloha, raha […]
  • «Cosafa 2025» : Andrasana ny lisitry ny Barea A’
    Newsmada - 04:49 Jun 03, 2025
    Hotanterahina manomboka rahampitso hatramin’ny 15 jona ho avy izao, any Afrika Atsimo, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika aty amin’ny faritra Atsimo. Tsy mbola nivoaka ny lisitry ny Barea de Madagascar, hatramin’ny omaly alina. Raha tsy misy ny fiovana, mety hanainga eto an-tanindrazana ny 4 jona ho avy izao ny […]
    Tags: Barea
  • SOMBIM-BAOVAO
    Newsmada - 04:49 Jun 03, 2025
    Hanomboka anio, any Mahajanga, ny fifaninanana baolina kitra lalaovina amin’ny torapasika « Festival Beach Soccer ». Fifanintsanana hitiliana ireo mpilalao handrafitra ny Barea de Madagascar beach soccer. Tsara ny mampahatsiahy fa misy ny fanofanana mpanazatra mandritra ny hetsika. Raha tsy misy ny fiovana, mety ho faritra 12 no hifanandrina amin’izany. Nandrombaka medaly […]
  • Tsipy kanetibe: Nanao pao-droa i Matsiatra Ambony
    Newsmada - 04:49 Jun 03, 2025
    Nametraka ny tantarany ao anatin’ny fifaninanam-pirenena ihany koa, ankehitriny, ny ligin’i Matsiatra Ambony. Nandrombaka anaram-boninahitra roa izy ireo nandritra ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, taranja tsipy kanetibe ho an’olon-droa miaraka. Tontosa ny alahady lasa teo, teny amin’ny Kianja Soamandrakizay, ny fiadiana ny tompondakan’i Ma­dagasikara, taranja tsipy ka­netibe ho an’olon-droa miaraka. […]
  • Toekarena mihodina : Hamafisina ny tetikasa kopakelatra
    Newsmada - 04:48 Jun 03, 2025
    Olana goavana atrehin’izao tontolo izao ny loto avy amin’ ny tavoahangy plastika. An-tapitrisany isan-taona ny ariana sy very eny rehetra eny. Manoloana ireo, hamafisin’ny orinasa Star ny tetikasa Kopakelatra, hitantanana ny fako plastika. Miisa 131 ny vata naparitaka, 93 amin’ny toerana stratejika an-tanàn-dehibe miisa enina. Natao hanangonana ny tavoahangy plastika […]
  • Hampivoatra ny kolontsaina: Mila hampanjakaina ny fifanakalozana
    Newsmada - 04:40 Jun 02, 2025
    Anisan’ny hisongadina mandritra ity volana jona ity ihany koa ny fanehoana ireo kolontsaina maro misy eto Madagasikara. Fotoana ahafahana manararaotra ny hanatevenana ny fifanakalozana eo amin’ny samy Malagasy sy eo amin’ny samy mpanakanto na mpikirakira zavakanto izany. Io matetika no tsy ampy ka tsy mampivelatra ny zavakanto eto an-toerana. Mihidy […]
  • TARATRY ny KANTO
    Newsmada - 04:40 Jun 02, 2025
    Norombahin’i Suchata Chuangsri, tovovavy mpifaninana avy any Thaïlande, ny anaram-boninahitra «Miss Monde 2025». Izy izany no tsara tarehy sy tsara bika ary nahafeno ny fepetra rehetra notakin’ny fifaninanana. 22 taona izy, efa nahazo loka maro teo amin’ ny tontolon’ny hatsaram-bika sy endrika tamina fifaninanana notontosaina tao amin’ny tanindrazany. Mitombo andro […]
  • « Play lisitra » : Mivelatra hatrany ny rap
    Newsmada - 04:40 Jun 02, 2025
    Ny faran’ny herinandro teo, notontosaina tao amin’ny Kianja Barea Mahamasina-Zone P2 ilay fampisehoana «Play lisitra». Tanora maro no voasariky ny mozika rap. Malalaka rahateo ny toerana. Endrika iray maneho fa mivelatra hatrany ity zavakanto sy kolontsaina iray ity. Nahatazanana izany, teny an-toerana ihany koa, ny fisian’ny fiarahana teo amin’ny samy […]
    Tags: Play
  • Volana jona : Omena aina indray ny teny malagasy
    Newsmada - 04:40 Jun 02, 2025
    Nigadona ny volana jona. Efa zary nahazatra ny Malagasy, indrindra ireo mpandala sy mpikolo ny teny malagasy, ny manao ezaka manokana ho fampitiavana izany teny izany. Maro ireo manao hetsika mifanentana amin’izany… Amin’ireo fikambanana na vondrona samy hafa, miaro sy manandratra ny teny malagasy. Tao ny nanomboka, omaly, avy hatrany […]
  • Tetikasa QMM: Manome lanja hatrany ny tontolo iainana
    Newsmada - 04:39 Jun 02, 2025
    Vaindohan-draharahan’ny fandaharanasan’ny QIT Ma­da­gascar Minerals (QMM) ny fikajiana ny tontolo iainana ao anatin’ny asa fitrandrahana ataony. Misy ny fepetra takina sy tokony harahina momba ny « Projet Environmental Mana­gement Plan (PGEP)”, talohan’ny fahazoan-dalana azony ny taona 2001. Takina amin’ny kaompania ny hampiharana ny fenitry ny tontolo iainana E16 an’ny Rio Tinto […]
  • MAMY ROBINSON
    Newsmada - 14:55 May 31, 2025
  • Tsipy kanetibe – Olon-droa miaraka : Hahazo 2 tapitrisa Ar izay tompondaka
    Newsmada - 05:44 May 31, 2025
    Nanomboka omaly ka hatramin’ny alahady, etsy amin’ny Kianja Soaman­dra­kizay, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja tsipy kanetibe, ho an’olon-droa miaraka. Hanan-danja ity fifaninanam-pirenena ity satria ankoatra ny fahazoana isa, efa tafiditra ao anatin’ny fitiliana sahady izay handrafitra ny ekipam-pirenena ho an’ny taona 2026 izany. Ankoatra izay, hotolorana lelavola mitentina […]
  • SOMBIM-BAOVAO
    Newsmada - 05:43 May 31, 2025
    Hanomboka anio ary hitohy hatramin’ny 1 jona izao ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, taranja beach volley. Any Toamasina, eo amin’ny torapasika ampitan’ny Hopitaly Be no hanaovana ny fifaninanana araka ny fandaharam-potoana. Hiditra amin’ny dingana ampahefa-dalana ny faran’ny herinandro izao ny fiadiana ny tompondaka eo anivon’ny seksiona Antananarivo Renivohitra, taranja basikety, […]

2665 items