Newsmada

Found 2665 news

  • Nosy Be : Vita ny lalana mankany Andilana
    Newsmada - 04:49 May 26, 2025
    Manodidina ny 80 km ny lalana narenina vita ao an-tampon-tanànan’i Nosy Be. Tao anatin’ny dingana voalohany ny eo Fascene mankany Andilana, mirefy 30km. Faharoa, eo Hell ville mankany Andilana, mirefy 39km. Manampy ireo, efa mandeha ny fanarenana ny lalam-pirenena faha-6 mampitohy Ambanja sy Antsohihy. Njaka A.
  • FIM 2025: Fahombiazana ny hetsika, vina ho an’i Afrika
    Newsmada - 04:48 May 26, 2025
    Fahombiazana lehibe ny setriny ho an’ny andiany faha-19 amin’ny Foire internationale de Madagascar (Fim), notanterahina teny amin’ny Centre de Conférences International Ivato, ny 22 hatramin’ny 25 mey lasa teo. Ho an’ny MadaVision, mpikarakara ny hetsika, nametraka aina vao ny « Fim 2025 ». Mihoatra ny 250 ireo mpandray anjara tamin’ity andiany ity, […]
  • GRAINES DE SESAME
    Newsmada - 15:04 May 24, 2025
  • « Forum de l’orientation et de l’employabilité”: Hitarihana ny tanora amin’ny sehatry ny asa
    Newsmada - 05:17 May 24, 2025
    Tanterahina omaly sy anio, etsy amin’ny foiben’ny Pro­gramme sésame Ambatoroka, ny « Forum de l’orientation et de l’employabilité », andiany fahasivy. Manodidina ny 50 mahery ireo orinasa sy ivontoeram-panofanana miara-miombon’antoka sy mandray anjara. Manao fifampizarana amin’ny tanora tonga eny an-toerana, mahakasika ny tontolon’ny asa izy ireo. Maro ny zavatra hita eny, toy […]
    Tags: Forum
  • Filoha Rajoelina Andry : Nanohana ny fikamba­nam-behivavy ao Nosy Be
    Newsmada - 05:17 May 24, 2025
    Hampiroboroboana ny fandrasain’ny vehivavy anjara amin’ny sehatra ara-tsosialy ao Nosy Be, nanolotra fanampiana manokana ho an’ireo fikambanana misy ao an-toerana, ny filoha Rajoelina Andry, omaly. Misehatra amin’ny asa fivelomana maro samihafa, samy manana ny fikambanany, ny ankamaroan’ireo vehivavy monina ao an-toerana. Anisan’izany, ireo vehivavy ao amin’ny fikambanana Tia Fandrosoana. Mifantoka […]
    Tags: Nosy
  • VAOVAO TAMBATRA
    Newsmada - 05:16 May 24, 2025
    Handray anjara amin’ny fihaonambe Dubaï Business Forum ny 27-29 mey, any Dubaï, Emirats Arabo mitambatra, ny delegasiona malagasy. Tanjona ny hampiroborobo ny fiaraha-miasa ara-toekarena sy ara-barotra eo amin’i Madagasikara sy ny Emirats Arabo mitambatra. Hasongadina ny fahafaha-mampiasa vola amin’ny sehatra lehibe toy ny fotodrafitrasa, ny fambolena, ny angovo ary ny […]
  • Fadin-tseranana : Mahomby tanteraka ny fitiliana ataon’ny alika
    Newsmada - 05:16 May 24, 2025
    Nivoaka tamin’ny fomba ofisialy, omaly, ny andiany faharoa, ho an’ny Borigady ho an’ny alika (Brigade canine) ao amin’ny Fitantanana foibe ny haban-tseranana malagasy (DGD). Ahitana alika miisa 7 ity andiany ity, miaraka amin’ny mpibaiko sy mpitarika roa avy. Karazany telo ny fahaiza-manao manokana niofanana, ny fitiliana sy famantarana anaty valizy […]
  • Renim-pianakaviana atleta : Maniry ny hahita asa tsara i Soloniaina Malala
    Newsmada - 04:56 May 23, 2025
    Maro amin’ireo ve­hivavy malagasy atleta no efa renim-pianakaviana, amin’izao. Misy amin’izy ireo nefa mbola ao anatin’ny fahasahiranana tanteraka ary miezaka mafy mitady izay mahasoa ho an’ny fanatanjahantena sy ny ankohonany. Vehivavy malagasy mpilalao manana ny lazany amin’ny taranja tolona i Soloniaina Malala. Efa renim-pianakaviana ny tenany, nisy ny fanadihadiana natao […]
  • Niala hatramin’ny sofiny : Renim-pianakaviana naratra mafy naolana tovolahy iray
    Newsmada - 04:55 May 23, 2025
    Habibiana !… Izay no azo ilazana ity fanolanana sy herisetra niseho tamina renim-pianakaviana iray tao Ambodielana tsy lavitry ny Sarilenta, ny alahady 18 mey hariva lasa teo. Handeha hanatitra vatsin’ny zanany hanao fanadinana CEPE andrana tao amin’ny fokontany Ambodi­manga, kominina ambanivohitra Ambodilazana, ilay ramatoa no nifanehatra tamin’ ity tovolahy 20 taona […]
  • Nihotsahan’ny trano : Mpanao trano roa lahy namoy ny ainy
    Newsmada - 04:55 May 23, 2025
    Mpanamboatra trano roa lahy niara-maty tao Tambohobe, kaominina Fianarantsoa, omaly. Mpiasa aman-jatony no mandray anjara amin’ny fanamboarana trano lehibe iray ao amin’io toerana io. Tsy nanampo na inona na inona ireo vatan-dehilahy ireo fa nanao ny asa fanaony andavanandro. Niharan-doza tampoka izy ireo. Nihotsaka ny ampahany tamin’ny trano namboarina. Olona […]
  • Inner Wheel : Mpianatra 17 nahazo mari-pankasitrahana
    Newsmada - 04:54 May 23, 2025
    Notolorana mari-pankasitrahana tetsy Antaninarenina, afakomaly, ireo ankizy 17 nandrato fahalalana momba ny zaitra. Nianatra nandritra ny enim-bolana, nanomboka ny volana janoary hatramin’ny volana jona, teo anivon’ny fikambanana Inner Wheel club Antananarivo izy ireo. Izay nahitana sokajy vao manomboka sy manao perfectionnement. Safidiana manokana hanaraka ny fiofanana ireo vehivavy anaty fahasahiranana. […]
  • Famonjena anaty rano : Niofana ny vondrona Vonjy voina Ivato
    Newsmada - 04:54 May 23, 2025
    Niteraka resabe tany anaty tambajotra sosialy ny famonjena olona latsaka anaty rano ataon’ny sampana mpamonjy voina. Matetika, maka ny olona dobo rano no ataon’izy ireo fa tsy tsikaritry ny mpitazana ny vonjy aina sy famelomana na ala nenina atao amin’ilay niharam-boina. Efa voaofana anefa ireny mpamonjy voina ireny ary mahafantatra […]
  • Kitra – Mandrosoa Andramasina: Mitarika ny Black amin’ny “Tournoi 26 juin”
    Newsmada - 04:53 May 22, 2025
    Efa hiditra amin’ny lalao ampahavalon-dalana tsy ho ela ny fiadiana ny amboara “Tournoi 26 juin” ao amin’ny kaominina Mandrosoa Mandro­sohasina, tanterahana eny amin’ny Kianja Ambatobe Staduim. Mitarika vonjimaika amin’ny fananana isa aloha hatreto ny ekipan’ny Black avy ao Mandrosoa, ho an’ny eo anivon’ny vondrona A. Naha­zo fandresena indroa miantoana izy ireo. […]
  • SOMBIM-BAOVAO
    Newsmada - 04:53 May 22, 2025
    Notsenaina tamin’ny fomba makotrokotroka ny ekipan’ny AC Sabnam, ny alatsinainy teo, teny Sa­botsy Namehana. Voahosotra ho tompondakan’i Mada­gasi­kara, taranja baolina kitra, sokajy vehivavy izy ireo, ka nanaovan’ireo tomponandraikitra ambony eo amin’ity tanàna ity hetsika manokana. Nifarana omaly, teny Mahamasina, ny fampivondronana ny Barea Chan. Araka ny fantatra, mbola hiverina any […]
  • CJSOI-andiany faha-13 : Efa anatin’ny fanomanana ireo atleta
    Newsmada - 04:53 May 22, 2025
    Hotanterahina any Seychelles, ny 28 jolay hatramin’ny 10 aogositra izao, ny lalaon’ny Commission de la jeunesse et des sports de l’océan Indien (CJSOI), andiany faha-13. Efa anatin’ny fiomanana avokoa ireo Malagasy atleta isan-taranja hiatrika izany fifaninanana izany. Ho an’ny taranja volley-ball, efa nanomboka ny 21 avrily ny fampivondronana ireo mpilalao. […]
  • Baolina kitra – “Cosafa cup 2025” : Tafaraka vondrona i Madagasikara sy i Maroc ary i Eswantini
    Newsmada - 04:53 May 22, 2025
    Iray tarika ny Barea de Madagascar sy ny Lions de l’Atlas an’i Maroc eo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’ny firenena aty amin’ny tapany atsimon’i Afrika (Cosafa cup 2025). Azo lazaina fa hiendrika famaranana kely ny fihaonan’ny roa tonta, amin’ity. Tontosa omaly, tao Man­gaung, Afrika Atsimo, ny antsapaka amin’ny fiadiana ny […]
  • Fampianarana serasera : Nomem-boninahitra ny profesora Elisa Rafitoson
    Newsmada - 04:52 May 22, 2025
    Veloma farany, feno fihetseham-po. Nomem-boninahitra farany, teny amin’ny Oniversten’Antananarivo, ny profesora Elisa Rafitson, omaly Nodimandry ny alahady lasa teo ity mpampianatra mpikaroka, anisan’ny namaky lay ny fampianarana ny siansa momba ny ita sy ny serasera teto Mada­gasikara ity. Vory lanona ireo mpampianatra mpiara-miasa aminy, ireo mpianany taloha sy ankehitriny ary […]
  • Manitriniaina Steve Princy : Mandraharaha amin’ny resaka fanatanjahantena
    Newsmada - 04:55 May 21, 2025
    Maro amin’ireo ta­nora eto Madaga­sikara no misafidy ny ho mpandraharaha. Anisan’izany i Manitriniaina Steve Princy, izay manao izany amin’ny lafiny fanatanjahantena. Resadresaka taminy. Gazety Taratra(*) : Inona ny nahatonga ilay safidy hoe hanao mpandraharaha amin’ny sehatry ny fanatanjahantena? Steve Princy (-) : Nisafidy ny handraharaha amin’ny fanatanjahantena aho satria ny […]
  • VAOVAO TAMBATRA
    Newsmada - 04:54 May 21, 2025
    Miisa 389 ny mpikambana ao anaty fikambanam-behivavy sy mpamokatra any amin’ny kaominina Tanandavana Station any amin’ny lemak’i Bas Mangoky nahazo fitaovam-pamokarana, ny 19 mey teo. Tohana avy amin’ny famatsiam-bolan’ny Bad, teo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Fambolena izy ity. Vita tanteraka ny lalana mirefy 4,9 km sy ny vahilava Kiembe, mirefy 1,8 […]

2665 items