Newsmada

Found 2665 news

  • Ping pong – Afrika : Firenena sivy hiady ny anaram-boninahitra
    Newsmada - 05:43 May 31, 2025
    Hotanterahina manomboka anio hatramin’ny 3 jona ho avy izao, etsy Mahamasina, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika Atsinanana, amin’ny taranja tenisy ambony latabatra « ping pong », sokajy lahy sy vavy. Araka ny fanadihadiana natao tamin-dRazakarisoa Patrick, tale teknika nasionalin’ny Federasionina malagasin’ny tenisy ambony latabatra (FMTT), omaly, firenena sivy amin’ireo 12 no […]
  • “Ligue des Champions 2025” : Hiady ny amboarabe ny Inter Milan sy ny PSG
    Newsmada - 05:43 May 31, 2025
    Tonga ity ny fotoana efa nandrasan’ny maro. Ho fantatra anio alina, ny anaran’ny klioba hibata ny amboaran’ny « Ligue des Champions (LDC 2025)”, taranja baolina kitra. Hotanterahina anio, ao amin’ny Kianja Allianz Arena Munich Allemag­ne, ny lalao famaranan’ny fifaninanana baolina kitra eoropeanina, « Ligue des Cham­pions (LDC 2025) ». Hiady izany ny […]
  • Andro fiakarana sy fialantsasatra: Maro ireo olona nisafidy ny hitady vola noho ny fahasahiranana
    Newsmada - 04:54 May 30, 2025
    Mbola ao anatin’ny fahasahiranana tanteraka ny ankamaroan’ny olona eto an-dRenivohitra. Andro tsy fiasana ny omaly saingy betsaka ireo mitady vola sy nisafidy ny hivarotra ihany. Nisy ny fanadihadiana natao tamin’ireo mpivarotra eny Analakely, omaly. Tsy dia nahitana fiovana loatra ny fiainana teny Analakely, omaly, na dia natokana ho andro tsy […]
    Tags: Andro
  • “Shoot Out” Andiany faha-3 : Nanomboka omaly, tany Antsirabe
    Newsmada - 04:53 May 30, 2025
    Nanomboka omaly, tany Antsirabe, ny fifaninanana “Shoot Out”, andiany fahatelo, taranja basikety lalaovin’olona 3. Fifaninanana fanao isan-taona, ity lalao ity, nanomboka ny taona 2022 ary niato kely ny taona 2023. Ny ligin’i Vakinankaratra, taranja basikety, eo ambany fiahian’ny Federasionina malagasin’ny basikety no mikarakara ny fifaninanana, ka manoloana ny gara no […]
  • Baolina kitra – “Cosafa 2025” : Niala an-daharana i Maroc, hifandona i Tanzania sy ny Barea
    Newsmada - 04:52 May 30, 2025
    Araka ny vaovao navoakan’ny tambajotran-tseraseran’ny Federasio­nina malagasin’ny baolina kitra (FMF), omaly, niala an-daharana tamin’ilay fifaninanana afrikaninana aty atsi­mon’i Afrika, “Cosafa”, izay hatao any Afrika Atsimo, i Maroc. Nosoloin’i Tanzania ny toeran’izy ireo, ka ny ekipa nasionaly tanzanianina indray izany no hifandona amin’ny ekipam-pirenena Barea de Madagascar. Tsiahivina fa ao amin’ny […]
  • VAOVAO TAMBATRA
    Newsmada - 04:52 May 30, 2025
    Miisa 883 ny tebok’afo hitan’ny zanabolana, ny 26 mey teo. Tena nahitana azy ny tapany andrefan’ny Nosy, fa misy koa ny afo any amin’ny faritra Anosy, Atsimo Andrefana, Betsiboka, Boeny, Melaky, Menabe, Sofia. Maro ny Faritra Arovana nahitana trangan’afo tamin’ireo. Havaozina ny fanomezan-dalana hanondrana lavanila mankany ivelany. Hisy ny rafitra […]
  • Base Toliara : Manomboka ny famindrana fasana
    Newsmada - 04:51 May 30, 2025
    Miverina ny fananganana ny fasan’ireo tompon-tany any amin’ny fokontany Tsiafanoka sy Beravy Antsoity, kaominina Tsianisiha, distrika Toliara II. Niato mantsy ny asa satria nihantona ny tetikasa Base Toliara nandritra ny 5 taona, saingy efa miverina amin’ny laoniny izany, ankehitriny. Mihazakazaka ny asa. No­fanin’ny tetikasa Base amin’ny fananganana rafi-trano sy ny […]
  • Fanenana loza : Haverina matetika ny fanentanana momba ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana
    Newsmada - 04:49 May 28, 2025
    Tsy mitsaha-mitom­bo ny trangana lozam-pifamoivoizana eto amin’ny Nosy, raha ny zava-misy. Hamoiza­na aina ny ankamaroan’izy ireny. Anisan’ ny tena mateti-pitranga ny loza eo amin’ny mpitondra kodiaran-droa. Antony mahatonga izay, amin’ny ankapobeny, ny tsy fahafehezan’ny mpampiasa lalana ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana. Natao ho an’ny rehetra ny fahaizana ny lalàna mifehy […]
  • VAOVAO TAMBATRA
    Newsmada - 04:48 May 28, 2025
    Mahatratra 6 ora isan’andro ny fahatapahan-jiro eto an-dRenivohitra sy ny manodidina, amin’izao fotoana. Miteraka fahasorenan’ny mpanjifa ny zava-misy na eo aza ny fanazavana ataon’ny orinasa Jirama. Miantraika amin’ny famatsian-drano ny tsy fisian’ny herinaratra. Mitandahatra maro eny amin’ny paompy ny daba mavo miandry ny fiverenan’ny rano hampiasaina ao an-tokantrano, mikorontana ny […]
  • 65 taona fahaleovantena: Labiera vaovao mandritra ny 2 volana ihany
    Newsmada - 04:48 May 28, 2025
    Mandray anjara amin’ny fankalazana ny faha-65 taona niverenan’ny fahaleovantena ny orinasa Star. Nambaran-dRakotonarivo Miora, tomponandraikitry ny marika ao amin’ny orinasa, omaly, fa manolotra vokatra vaovao, « THB Indépendance, labieran’ny Fahaleovantena », izy ireo hanamarihana izany. Labiera vaovao, manana tsiro sy loko vaovao matroka (ambrée) miohatra amin’ny mahazatra. Ambony kokoa ny heriny, 6,5% […]
    Tags: Labiera
  • Tahirimbolan’ny lalana FR : Arahi-maso ny fanamboaran-dalana
    Newsmada - 04:48 May 28, 2025
    Tsy maintsy arahi-maso sady hamarinina ny kalitaon’ny fanamboaran-dalana eto amintsika. Tanjona ny hananana lalana mafy orina sy maharitra ary azo antoka ho an’ny mpampiasa azy. Manao ny fitsirihana sy fanaraha-maso ara-teknika ny Laboratoara nasionaly ny Asa vaventy sy ny taotrano (LNTPB), eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Asa vaventy (MTP). Singanina amin’izany […]
  • Tsipy kanetibe – «Tournoi des champions» : Lasan-dry Rado sy Menja ary Tovo ny amboara
    Newsmada - 04:51 May 27, 2025
    Tontosa ny alahady lasa teo, teny amin’ny Kianja Para Ivato, ny “Tournoi des cham­pions”, taranja tsipy kanetibe. Fifaninanana nokarakarain’ ireo mpilalao efa nisalotra ny anaram-boninahitra maneran-tany. Nandrombaka ny fandresena teo amin’ny sokajy senior, lehilahy, ny ekipa nisy an-dry Rado sy Menja ary Tovo avy amin’ny CBT sy Fam mitambatra. Lasan-dry […]
  • SOMBIM-BAOVAO
    Newsmada - 04:51 May 27, 2025
    Anisan’ireo mpilalao tonga namonjy ny fampivondronan’ny Barea Chan, omaly, tetsy Mahamasina, i Arohasina Andriamirado na i Dax. Nilaza ny tenany fa tombony lehibe ho an’ity ekipa nasionaly ity ny fifangaroan’ireo mpilalao zandriny vao hiantsehatra amin’ny fifaninanana iraisam-pirenena sy ireo efa voky traikefa tahaka azy. Nambarany koa fa mbola vonona tsara […]
  • Handball – “IHF Trophy”: Firenena 5 hiady ho lohany
    Newsmada - 04:50 May 27, 2025
    Hanomboka anio, etsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny “IHF Trophy”, taranja handball, ho an’ny faritra faha-7. Fifaninanana ho an’ny sokajy cadette sy junior, sokajy vehivavy. Firenena 5 no hiady ho lohany amin’izany dia i Madagasikara, La Réunion, Comores, Seychelles ary i Tchad. Nambaran-dRaherijaona Clarisse Régina, filohan’ny Federasionina malagasin’ny handball, ny […]
  • “FIBA Women’s Series” : Nandresy an’i Roumanie, resin’i Italie ny Ankoay
    Newsmada - 04:50 May 27, 2025
    Tafiditra tanteraka ny Ankoay vavy, ao anatin’ny fifaninanana “Fiba Women’s Series”, tanterahina omaly sy anio, any Azerbaidjan. Azo lazaina ho tsara amin’ny ampahany ny vokatra azon’i Mada­gasikara nandritra ny andro voalohan’ny “Fiba Women’s Series”, taranja basikety 3×3. Fifaninanana tontosaina any Azerbaidjan, nanomboka omaly ary hitohy anio, ao anatin’ny andro faharoa. […]
  • Hampandrosoana ny tontolo ambanivohitra : Nisokatra nanomboka omaly ny Tsenabe fivoarana
    Newsmada - 04:50 May 27, 2025
    Nanomboka omaly, haharitra hefarana, ao Miakadaza Imerintsiatosika, ny Tsenabe fivoarana, andiany faharoa. Hetsika karakarain’ny fikambanana Fivoarana. “Natao izy ity hampandrosoana ny tontolo ambanivohitra satria io no sehatra hifanakalozan’ny mpan­dray ny vokatra sy ny mpamokatra ary hihaonan’ny tantsaha sy ny mpandraharaha eo amin’ny tontolon’ny fambolena sy ny fiompiana”, hoy Rajerison Antoine, […]
    Tags: Tsenabe
  • Fanaovana voly mifandimby: Tokony hifanaraka amin’ny fiovan’ny toetr’andro sy ny toe-tany
    Newsmada - 04:50 May 26, 2025
    Anisan’ny manimba ny tontolo iainana sy ny toe-tany ny fomba fambolena tsy misy fiovana mihitsy. Manampy betsaka ny tantsaha sy ny tanora malagasy hiditra sy hampivoatra ny teknikam-pambolena ny fikambanana GSDM. “Efa zatra ny fambolena nentim-paharazana ny tantsaha ka sarotra be mihitsy ny manova ny toe-tsain’izy ireo satria efa fomba […]
  • VAOVAO TAMBATRA
    Newsmada - 04:49 May 26, 2025
    Hamokatra rano 4 800m3 fanampiny isan’andro ny “groupe de secours” hapetraka ao Nosy Be. Tanjona ny hamenoana ny tsy fahampiana 1 600m3 isan’andro ao an-toerana. Himasoana ihany koa ny fa­noloana ireo paompy sy kojakoja efa simba. Ha­vaozina ny rafitry ny famatsian-drano hanatsarana ny famokarana ao amin’ity nosy manitra ity. Tanterahana […]
  • DG Zafivanona Lainkana : Fitaovana mahomby ny « Intelligence Artificielle »
    Newsmada - 04:49 May 26, 2025
    Natao ny 12 sy ny 13 mey teo ny fihaonambe iraisam-pirenena, «Forum Innovate the Future 2025». Notonto­saina tany Dubai, Emirats Arabe Unis (EAU) nokarakarain’ny orinasa Webb Fontai­ne, miompana tamin’ny fikarohana mahakasika ny varotra iraisam-pirenena. Fotoana nihaonan’ny mpanapa-kevitra amin’ny ladoany sy ny seranan-tsambo aty amin’ny kaontinanta afrikanina. Nodinihina ny lanjan’ny teknolojia […]

2665 items