Nandalo fotoan-tsarotra toy ny mponina rehetra niharam-boina ny mpanao gazety ao Toamasina, taorian’ireny fandalovan’ny rivodoza Gezani ireny. Maro ireo mpanao gazety tonga marefo noho ny faharavana sy ny takaitra mavesatra nateraky ny loza. Eo an-dalam-panarenana ny fiainany toy ny olon-drehetra ihany koa izy ireo. Izany indrindra no nahatonga ny fikambanan’ny …
Voasambotry ny zandary miasa eo anivon’ny sampam-pikarohana misahana ny heloka bevava ao Toamasina, afakomaly, ireo efa-dahy namono olona tao Tsarahonenana. Nitrangana vonoan’olona tao amin’ny toeram-pisotroana iray anatin’io fokontany io, ny alahady 23 aogositra lasa teo, raha tsiahivina. Nifamaly tao anatin’ny toeram-pisotroana ny lehilahy maromaro izay voalaza fa samy te hampiasa …
Amin’izao fotoana maha betsaka ny mpiala sasatra izao, tena ilaina ny fanentanana sy fahamailoana amin’ny fiparitahan’ny valanaretina Mpox. Fanentanana eny ifotony momba ny ady amin’ny Mpox niarahana tamin’ny sefo fokontany sy ny lehiben’ny boriborintany tao Toamasina no nataon’ny ekipan’ny Cousp Atsinanana sy ny tomponandraikitry ny fahasalamana ao Toamasina, tamin’ity herinandro …
Tafiditra anatin’ny paikady hampandrosoana ny toekaren’i Madagasikara ny asa fanitarana ny seranan-tsambon’i Toamasina. Tsy afa-misaraka amin’izany ihany koa ny fanatsarana ny fivezivezen’ny kamiao maka sy hanatitra entana ao an-toerana. Eo koa ny paikady hanafoanana ny fitohanana eo amin’ny Boulevard d’ Ivondro, vavahady hidirana ao anivon’ny seranana. Hialana amin’ny filaharan’ny kamiao …
Hapetraky ny Société du port à gestion autonome de Toamasina (Spat) ao Tsarakofafa ny “Plateforme multimodale logistique et portuaire” (PMLP). Tetikasa tafiditra ao anatin’ny fananganana ny “Port Sec III” izany. Hapetraka any amin’ny 8 km miala ny seranan-tsambon’i Toamasina ny tetikasa. Toerana hametrahana vonjimaika ireo kaontenera alohan’ny handefasana azy any …
Efa manomboka ny fanamboarana ny lalana ao an-tampon-tanànan’i Toamasina. Hampiasa izany koa ny bus fitateran’olona amin’ny sarany zakan’ny daholobe. Manoloana ny fampiakaran’ireo mpitatitra amin’ ny bajaj sy ny posy ny saran-dalana efa ho 2 000 Ar – 3 000 Ar, nolanian’ny filankevitra kaominaly ny tolo-kevitry ny mpanatanteraka anivon’ny Fiadidian’ny kaominina. …
Mirongatra ny trangana fanafihana mitam-piadiana any amin’ny faritr’i Toamasina tato ho ato. Notafihin’ny jiolahy mirongo fitaovam-piadiana indray ny lehilahy iray nikasa hanatitra vola tao amin’ny banky ao an-toerana ny sabotsy 4 avrily 2026, tamin’ny 9 ora maraina, lasa teo. Voaroban’izy ireo, tamin’izany, ny vola mitetina 17 tapitrisa Ar sy ny …
Nidina tany Toamasina ny delegasionina notarihin’ny tale jeneraly (DG) ny Airtel Madagasikara, ny 6 marsa teo. Fotoana nanehoany ny firaisankina amin’ireo traboina tratry ny rivodoza Gezani farany teo. Nisy ny fanampiana, kojakoja sy zavatra ilaina andavanandro, natolotra ny mponina, niarahana niasa tamin’ny tompon’andraikitra any an-toerana sy ny rafitra mitantana ny …
Tsy niandry ela, nitondra fanampiana ho an’ireo mponina traboina vokatry ny rivodoza Gezani farany teo, any Toamasina, ny vondrona orinasa Filatex. Tena nifantohana ny fanarenana ireo trano sekoly sy tobim-pahasalamana, ny famatsiana herinaratra mba hiverenan’ny fiainana ara-tsosialin’ny mponina amin’ny laoniny. Novatsiana fitaovana sy kojakoja ara-pahasalamana ny hopitaly Be sy ny …
Tafapetraka tamin’ny fitantanana ny Oniversiten’i Toamasina, ny Dr Razanakolona Diny, ny alakamisy 29 janoary 2026 lasa teo. « Ilàna fitantanana mangarahara mifototra amin’ny fanajana ny maha olona, ny mpianatra sy ny mpanabe ary ireo mpikaroka ny fitantanana ny oniversite eto Madagasikara », hoy ny filohan’ny Oniversiten’i Toamasina. Nambarany fa ilàna fanoloran-tena sy fahafoizan-tena, …
Fahadisoam-panantenana ho an’ny mpanao gazety maro an’isa ny tao Toamasina. Nihevitra izy ireo fa ho toy ny teo aloha rehetra ny ataon’ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina, Ogascar Fenosoa, nandritra ny fitsidihany voalohany ny faritra Atsinanana, ny 23 sy 24 desambra lasa teo. Nitokana fotodrafitrasa maroloko tao amin’ny Kianja …