Newsmada

Found 2245 news

  • Kitra D2 – « Poule des As » : Resin’ny Clinique Zanatany ny CosPN
    Newsmada - 04:48 Dec 11, 2025
    Nanomboka omaly, teny amin’ny Kianja Ambohidra­trimo, ny andro voalohany amin’ny “Poule des As”, fifanintsanana hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra, sokajy D2. Fifaninanana hiadian’ireo ekipa efatra tafavoaka tamin’ ny fifanintsanana isam-bondrona. Tsara fanombohana ny ekipan’ny Clinique Zanatany avy any Sofia. Resiny, tamin’ny isa mazava 5 no ho 2, […]
  • SOMBIM-BAOVAO
    Newsmada - 04:48 Dec 11, 2025
    Hotanterahina anio sy rahampitso, eny amin’ny Kianja basikety Ankatso, ny fifaninanana basikety 3×3 “Inter-mention”. Lalao hifaninanan’ ireo sampam-pampianarana misy eny amin’ny “Facultés des Sciences” eny amin’ny Oniversite an’Antananarivo, izay hiarahan’izy ireo misalahy amin’ny Federasionina malagasin’ny basikety. Hotanterahina manomboka ny 15 desambra izao, ny Herinanandron’ny Karate-do mala­gasy, izay hatao eny amin’ny […]
  • Lalao Fihezama 2025 : Any Manjakandriana, ny 20 sy 21 desambra
    Newsmada - 04:48 Dec 11, 2025
    Any Manjakandriana indray no hanatanterahana ny Lalao Fihezama (Fitaizana herin’ny zatovo malagasy), ny 20 sy 21 desambra izao. Fotoana hanehoana firahalahiana, fifankatiavana, fihavanana ary firaisankina ity fifaninanana ity, raha ny nambaran’ny filohan’ny Fihezama, Rakotovao Jacky Raymond. Manentana ireo mpikatroka mivondrona eo anivon’ny Fihezama ity filoha ity handray anjara ary hanatona […]
  • Rugby Malagasy : Hiavaka ny fankalazana ny faha-125 taona
    Newsmada - 04:47 Dec 11, 2025
    Tapaka, omaly, fa hatao manomboka ny 20 desambra ho avy izao, etsy amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka, ny fankalazana ny faha-125 taonan’ny Rugby malagasy. Hisy ny hetsika maro hatao amin’io, anisany ny “Super Coupe” Hankalazaina manomboka ny 20 desambra ho avy izao, etsy amin’ny Kianja Makis Andohatape­naka, ny faha-125 taonan’ny Rugby […]
  • Mpividy volamena hita faty : Efa-dahy voasambotry ny zandary
    Newsmada - 04:47 Dec 11, 2025
    Notanan’ny zandarimariam-pirenena natao fanadihadiana ireo efa-dahy ahina ho tompon’antoka tamin’ny vo­noan’olona niharo fandrobana tao Ambalafarihy, Sonierana, kaominina Ambohimanga Atsimo, distrikan’Ifanadiana, omaly. Raim-pianakaviana iray mpividy volamena hita faty rakotra tsatoka antsy tao amin’io kaominina io, afakomaly. Nivoaka ny trano fonenany io lehilahy io ary nitondra vola 3 000 000 Ar. Nentiny na­naraka azy […]
  • “Africa Cup 3×3”: Notoloran’ny Yas 52 000 000 Ar ny Ankoay
    Newsmada - 04:50 Dec 10, 2025
    Noraisin’ny Yas Madaga­sikara, teny Andraharo, oma­ly, ny mpilalaon’ny Ankoay sy ireo Staff teknika ary ny mpanazatra, taorian’ny nandrombahan’i Madagasikara ny tompondakan’i Afrika basikety 3×3, sokajy lehilahy sy vehivavy. Fifaninanana notontosaina ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina. “Chèque cadeau” 52 000 000 Ariary no natolotry ny Yas ho […]
    Tags: Ankoay
  • SOMBIM-BAOVAO
    Newsmada - 04:49 Dec 10, 2025
    Ny ekipan’ny AS Valahara Vakinankaratra no nanolo ny toeran’ny CFFA Andoharanofotsy amin’ny fifanintsanana « Tournoi des grands élites », any Antsi­rabe. Efa nanomboka omaly ny fifaninanana. Tsiahivina fa nataon’ny mpikarakara hanomanana ny fifaninanam-pirenena “Pureplay Football League (PFL) », ity fifanintsanana ity. Ankoatra ny AS Valahara, ny Disciples FC sy ny Fosa Juniors ary […]
  • Tsipy kanetibe : Haverina rahampitso ny fifidianana
    Newsmada - 04:49 Dec 10, 2025
    Taorian’ny tsy fahatanterahan’ny fifidianana ho filohan’ny ligy, taranja tsipy kanetibe, teto Analamanga sy tany Ma­tsiatra Ambony, ny sabotsy lasa teo, nitafa fohy tamin’ny mpanao gazety tetsy Ampefiloha, omaly, Ramanandraibe Olivier Solondrazana, filohan’ny Ceni tsipy kanetibe. Noha­mafisiny fa hajaina ny lalàna velona mahakasika ny fifidianana, araka ny voarakitra ao anatin’ny sata […]
  • Baolina kitra : Tsy mbola nahazo ny valin-kasasarany ny Elgeco Plus
    Newsmada - 04:49 Dec 10, 2025
    Tsy mbola tonga eo am-pelantanan’ny klioba Elgeco Plus ny vola tokony ho azony amin’ny maha tompondakan’i Madagasikara sy tompon’ny amboara nasionaly azy ireo. Raha tsiahivina, nanao pao-droa ity ekipan’Analamanga ity. Izy ihany koa no nisolo tena an’i Madagasikara teo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika. Hatramin’ny omaly! Nila­za ny loharanom-baovao […]
  • Tsipy kanetibe : Tsy vita ny fifidianana ho an’ireo ligy roa
    Newsmada - 04:46 Dec 09, 2025
    Roa tamin’ireo ligim-paritra tsipy kanetibe miisa 7 na­na­ovana fifidianana ho filohany, ny sabotsy lasa teo, no tsy tan­teraka. Anisan’izany ny an’Ana­lamanga sy Matsiatra Am­bony. Ireo ihany koa no hany nisy mpifaninana roa. Raha ho an’Analamanga manokana, tsy nanaiky nanaovana ny fandatsaham-bato ireo filo­hana klioba, tetsy amin’ny ANS Ampefiloha. Voatery niroso […]
  • SOMBIM-BAOVAO
    Newsmada - 04:46 Dec 09, 2025
    Notontosaina nanomboka ny sabotsy teo, teny amin’ny Kianjan’ny CFFA Andoharanofotsy, ny lanonam-panokafana ny fiadiana ny ho tompondakan’ny ligin’Ana­lamanga, taranja baolina kitra. Nisy ny diabe sy ny lalao ara-pirahalahiana izay nihaonan’ireo mpanazatra tamin’ ny mpanao gazety. Marihina fa hisy ny fifanintsanana ho an’ny ankizy mandritra ity taom-pilalaovana ity. Mandalo fitsaboana eny […]
  • Muay Thai Tournament 4 : Ady 20 eo no hitranga eny Mahamasina
    Newsmada - 04:46 Dec 09, 2025
    Hotanterahina eny amin’ny Kianja mitafon’i Mahamasina, ny 21 desambra 2025 ho avy izao, ny “Muay Thaï Tourna­ment 4”, karakarain’ny GISL na ny “Grande île sports et loisirs”. Ady manodidina ny 20 eo no hitranga amin’ity andiany farany sady famaranana lehibe ity, raha ny fanazavan’ny Maître Razanajatovo Gildas. Ho tazana avokoa […]
  • Taranja tolona eny anivon’ny sekoly : Nahatratra 200 mahery ireo mpianatra nifaninana
    Newsmada - 04:46 Dec 09, 2025
    Fahombiazana ny andiany voalohany tamin’ny fifaninanam-pirenena an-tsekoly ho an’ny taranja tolona. Navitrika ireo mpianatra tamin’ny fandraisana anjara. Azo antoka ny ho mpandimby ireo zoky, ary mety hanana ekipam-pirenena matanjaka i Madagasikara atsy ho atsy. Notanterahina ny sabotsy lasa teo, tao amin’ny Kianja Ankoay Anko­rondrano, ny fifanintsanana nasionaly amin’ny taranja to­lona, […]
  • Toetry ny andro : Mbola hanorana eto afovoantany
    Newsmada - 04:45 Dec 09, 2025
    Hahazo vahana hatrany, amin’ny ankapobeny, ny volonandro fahavaratra hatramin’ ny fisasahan’ny herinandro. Ny varatraza malefaka kosa no handrafitra ny toetry ny andro aorian’izay. Hanorana tandrifin-drahona mety harahin-kotroka amin’ny ankapobeny ho an’ny afovoantany, ny faritra avaratra sy atsina­nan’ny Nosy, hatramin’ny alakamisy, indrindra ny tolakandro. Tombanana hikisaka any amin’ny ilany afovoany andrefan’ny […]
  • « Madagaslam Festival » : Tompondakan’i Madagasikara 2025 i Ma Fia
    Newsmada - 04:41 Dec 08, 2025
    Naharesy lahatra olona maro i Ma Fia, vao nisalotra ny anaram-boninahitra, tompondakan’i Madagasikara amin’ny “slam-poésie”. Solontena any amin’ny fifaninanana iraisam-pirenena ihany koa. Samy babany avokoa… Saingy toy ny fifaninanana rehetra, tsy maintsy misy ny mpandresy. I Ma Fia, solontenan’ny faritra Boeny, no nivoaka ho tompodakan’i Madagasikara tamin’ny fifaninanam-pirenena ho an’ny […]
  • TARATRY ny KANTO
    Newsmada - 04:41 Dec 08, 2025
    Nanoro lalana ireo mpanoratra ny Opération Bokiko. Anisan’ny nozarain’ny filohan’ny fikambanana, Holy Danielle, io nandritra ny fihaonana ny sabotsy teo, tetsy amin’ ny Cité des Cultures Antaninarenina. Mazava ny andraikitry ny fikambanana dia ny fandrisihana sy ny tolo-tanana ho an’ireo mpanoratra andaniny, ary ny fanentanana ireo mpamaky, ankilany. Nizarazara ny […]
  • VAOVAO TAMBATRA
    Newsmada - 04:40 Dec 08, 2025
    Hamaritra ny vidin’ny internet ny fanjakana ho an’ireo mpandraharaha mibahana ny tsena. Hotanterahina amin’ny alalan’ny Artec izany. Fanombohana ny tetikasa ny nanaovana fihenam-bidy ny tolotra izay efa nampiharin’ireo mpandraharaha misehatra amin’ny fifandraisan-davitra, izay mifototra bebe kokoa amin’ny alina. Mitentina 5 miliara Ar ireo vata mpanova herinaratra naterin’ny filohan’ny Fanavaozana ny […]
  • Afripower : Herinaratra 40 MW avy amin’ny masoandro
    Newsmada - 04:39 Dec 08, 2025
    Anisan’ny mamatsy herinaratra amin’ny tambajotra iraisan’Antananarivo (RIA), an’ny Jirama, ny orinasa Afri­po­wer, ao anatin’ny vondrona Filatex. Hanomboka ny fananganana ny fotodrafitrasa foibe mamokatra herinaratra avy amin’ny herin’ny masoandro ao Moramanga. Hamokatra 40 MW ity foibe ity, raha toa ka 5 MW ny vokarin’ny foibe mandeha solika (HFO) ao an-toerana, ankehitriny. […]
  • Orange Madagascar : Tafapetraka ny Fibre optique Tana-Mahajanga
    Newsmada - 04:39 Dec 08, 2025
    Dingana lehibe amin’ny fampiroboroboana ny niomerika no vitan’ny Orange Madagascar tamin’ny alalan’ny fahavitan’ny tambajotra « Fibre optique » Tana-Mahajanga, izay mirefy 558 km. Fotodrafitrasa vaovao natao hanamafy ny tambajotram-pifandraisana, hiantohana ary hanomezana tolotra tsy ankiato ny mpanjifa an-tapitrisa izany. Naharitra valo volana ny asa ka miisa 2 500 ireo olona niara-nisalahy taorian’ny fanadihadiana […]

2245 items