Olana goavana ny fitantanana ny rano amin’izao fotoana izao. Misedra izany ny any amin’ny Faritra atsimo. Zo fototra anefa ny fitsinjarana ara-drariny izany, mahatonga ny fampiasana ny voambolana HAQ KA PANI any Inde. Tranga iray manamarika ny fitantanana tsy mahomby ny fitantanana ny rano maneran-tany ny ataon-dry zareo ao Pakistan, …
« Taona fotsy! » Nahintsan’ny AS Ste Anne teo amin’ny ampahefa-dalan’ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, « Yas Coupe » 2026, ny Elgeco Plus, omaly, tetsy By-pass. Resin’izy ireo teo amin’ny fandakana « tir aux buts », 5 no ho 4, ny Elgeco Plus, rehefa nisaraka ady sahala, 0 no ho 0, nandritra ny fe-potoana ara-dalàna. Votso-droa …
Natao ny sabotsy teo, tetsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny fivoriambe ara-potoana ho an’ny Federasionin’ny karate-do Malagasy. Ligim-paritra 13 amin’ireo 15 misy no tonga nanatrika teny an-toerana. Nisy ny fanambarana nataon’ireto ligy ireto ka ny filoha Boniface no nisolo tena azy ireo. Nambara ofisialy fa miaraka amin’ny federasionina, tarihan’ny filoha …
Mifanenjana amin’izao fotoana izao ny klioba Union des bouliste Manjaka Tokana (UBMT) sy ny Federation sport-boule malagasy (FSBM). Anton’ny olana ny fandehanana miatrika ireo lalao isan-tokony any France. Tsy miafina amin’ny rehetra intsony, eny na hatrany ivelany aza, ny lamba maloton’ny tsipy kanetibe malagasy. Vaky tanteraka ny ady eo amin’ny …
Fantatra avokoa ireo ekipa 4 hiatrika ny manasa-dalana hiadiana ny ho tompondaka maneran-tany «Mondial 2026 », taranja baolina kitra. Hifandona ny La Furia Roja Espagne sy ny Bleus France ary ny Three lions Angleterre sy ny Albiceleste Argentine. Miato ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany amin’ity alatsinainy ity, mialoha ny hiatrehana …
Hotanterahina afaka iray volana eo ny fifaninanana nasionaly eo anivon’ny Asief (Association sportive interministérielle pour l’entretien des fonctionnaires), ho an’ny taona 2026. Tsy miova ny toerana sy ny daty fa hatao any Manakara, ny 17 hatramin’ny 29 aogositra izao, ity fifaninanana ity. Manodidina ny 13 000 eo ny mpiasam-panjakana andrasana. Mandroso …
Mbola baraingo ny mety hampandeha ny lalaon’ny Ajesaia sy ny Wagner FC, hatao any Ambovombe. Raha ny fantatra, mety tsy afaka ho any an-toerana ny Ajesaia. Araka ny loharanom-baovao iray eo anivon’ny klioba Ajesaia, fantatra omaly fa mety tsy afaka hanatrika ny lalao ampahefa-dalana izay hihaonan’izy ireo amin’ny Wagner FC, …
Nifarana teo amin’ny dingana ampahefa-dalana ny dian’ny Lions de l’Atlas Maroc, teo amin’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, «Mondial 2026». Nofaranan’i France ny lalan-dry zareo. Na resy aza ny Maraokanina, mitondra volabe mody an-tanindrazana. Nandao ny “Mondial 2026” ny Lions de l’Atlas Maroc, rehefa lavon’i France teo amin’ny dingana ampahefa-dalana. …
Ho an’ireo olona tafavoaka tamin’ny aretina homamiadana dia tena ilaina ny fanohanana ara-tsaina, raha ny hevitry ny dokotera. Tokony hahay mankafy ny fahasalamana sy ny fiainana amin’izay ary manana fomba fijery miabo na dia nolazoin’ny aretina aza. Hajaina ny fanafody ohanina sy ny fanaraha-maso ara-potoana takin’ny dokotera. Notolorana fitaovana informatika …
Anisan’ny asa sahanin’ny tetikasa “Fanatsarana ny fahazoana rano madio”, (Paaep), ho an’ny olona 1 tapitrisa eto Antananarivo sy ny faritra hafa manerana an’i Madagasikara, ny hisitrahany maharitra ny rano. Fomba iray hahatongavana amin’ny tanjona ny fanavaozana ny fotodrafitrasa sy fanoloana ireo fitaovana efa antitra. Eto Antananarivo, mahatratra 110 000 ny kaonteran-drano …
«Fanakorontanana ny fiarahamonina sy ny fitondram-panjakana ny trangana famonoana olona misy eto amin’ny firenena», hoy i Be-Rija Ravelomanantsoa, raha nanao fanambarana tao anaty tambajotran-tserasera izy, omaly. «Aparitaka amin’ny tambajotran-tserasera izany mba hoentina maneho fa tsy mahaaro ny vahoakany ny mpitondra», hoy izy. Efa misy ny ezaka ataon’ny fanjakana, ahafahana mamaha …
Anisan’ny lalao hanamarika ny ampahefa-dalana, anio, ny fifandonan’ny La Furia Roja Espagne sy ny Diables Rouges Belgique. Fanintelony amin’izao ny roa tonta no hidona eo amin’ny sehatry ny “Mondial”. Samy nahazo fandresena iray avy. Eto no fisarahan-dalana ho azy ireo. Hotanterahina anio zoma, ao amin’ny Inglewood Los Angeles, ny lalao …
Notanterahina tao amin’ny UCR Toamasina ny jeritodika sy fanolorana tatitra momba ireo asa vita sy ireo fanamby tokony hotanterahina taorian’ny fahavoazana nateraky ny rivodoza Gezani. Laharam-pahamehana ao anatin’izany ny fanamafisana ny fandrindrana sy ny fanaraha-maso ireo asa fanarenana, mba hahazoana antoka fa mipaka amin’ny vahoaka tokoa ny ezaka rehetra ataon’ny …
Anisan’ny faritra mitondra takaitra vokatry ny rivodoza sy ny tondradrano i Taolagnaro. Nahatsiaro ho manana andraikitra manoloana izany ny orinasa QMM, mpiara-miombon’antoka amin’ny BNGRC, ka nanamafy ny fahaiza-manaon’ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny amin’ny fiatrehana izany. miainga eny anivon’ny fokontany ny fiofanana ka mipaka any amin’ny Faritra. Miisa 50 ireo mpiantsehatra ifotony nisitraka …
Nanao fanambarana ny sendikan’ny mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra (Seces) Sampana Antananarivo. Amin’ny maha raiamandreny azy ireo, eo anatrehan’ireo fahaverezan’olona misesisesy tato ho ato, mahakasika ny ankizy sy olon-dehibe saika manerana ny Nosy. Araka ny hita sy iainana ankehitriny, very fanahy mbola velona ny ambanilanitra, ampijalian’ny tebiteby eo am-pikarohana ny …
Anisan’ireo olo-malaza nandray anjara lehibe teo amin’ny sehatra ara-kolontsaina eto Madagasikara sy tany ivelany (La Réunion, France, …), indrindra eo amin’ny dihy ara-panatanjahantena, Randrianarisoa Rijamanitra. Nahavita nametraka ny maha izy azy sy ny vina entiny izy, ka nandray anjara mavitrika tamin’ny fampiroboroboana sy fampivelarana ny dihy eto amin’ny firenena. Tsy …
Tsy ho diso anjara afaka hiaina mivantana ny lalao amin’ny Mondial 2026 hatrany amin’ny famaranana ny mpankafy, etsy amin’ny Parvis Analakely. Hasiana “Fan Zone” maimaimpoana eny an-toerana. Ho fiatrehana ny lalao ampahefa-dalan’ny fiadiana ny amboara maneran-tany, taranja baolina kitra, « Mondial 2026 », hisy ny « Fan Zone » handefa mivantana ny lalao, etsy …
Hitohy anio indray ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany “Mondial 2026”. Hiatrika ny dingana ampahefa-dalana ireo ekipa valo sisa mbola manohy ny fifaninanana. Tsontsorimamba isarahana avokoa, araka izany, ny lalao rehetra. Maroc irery sisa ny solontena afrikanina. Hotanterahina manomboka anio, ny lalao voalohany amin’ny dingana ampahefa-dalana, eo amin’ny fiadiana ny …
Hisokatra manomboka ny 14 jolay izao ny lalana tapaka manoloana ny farihin’Anosy mihazo ny kianja Barea Mahamasina. Hiverina toy ny mahazatra teo aloha ny lalan’ny fifamoivoizana amin’io faritra io. Mampahafantatra ny mponina ny CUA ao anatin’ny fanatanterahana ny tetikasa PIAA2 fa hisy fanovana eo amin’ny fandaminana ny fifamoivoizana eny amin’ny …