Newsmada

Found 2665 news

  • La grâce de Manakara
    Newsmada - 05:51 Oct 05, 2024
    Elle est là, portant son histoire, son âge, ses rides, sa verve, son allure. Elle s’appelle Manakara
    Tags: Manakara
  • “Sitabaomba”: horonantsary manaitra ny fiarahamonina
    Newsmada - 05:41 Oct 05, 2024
    “Sitabaomba”. Lasa ana­ran’ny faritra iray eny Ivato eny izy ity. Nataon’ilay mpanatontosa sarimihetsika malagasy, Lova Nantenaina, lohatenin’ ilay horonantsary navoakany, izay natao hanaitra ny fiarahamonina. Nalefa voalohany ny zoma teo, tany Paris, ity horonantsarimihetsika ity, nandritra ny hetsika nokarakarain’ny mpi­laravinahitra any an-toerana. Rahampitso kosa ny anjaran’i La Réunion ary ny […]
  • TARATRY ny KANTO
    Newsmada - 05:41 Oct 05, 2024
    Tselonina, Ifanihy ary Levelo, eny amin’ny Pho Resto aire du By Pass. Anio manomboka amin’ny 4 ora tolakandro ity fiarahana anisan’ny be mpiandry ity. Efa nisy fahiny, saingy mbola be mpankafy hatrany izany. Fiarahan’ny vazo miten’Ifanihy, ny hira vokatry ny tanin’ Ingahibe Tselonina ary ny angolan’ny tarika Levelo, feno ny […]
  • “Star Tour Toamasina” : Andrasana ry AmbondronA
    Newsmada - 05:41 Oct 05, 2024
    Mbola tsy lefy ny resaka mahakasika ny sehon’ny tarika AmbondronA tetsy amin’ny Coliseum farany teo. Maro ireo mpankafy any amin’ny faritra ny mangetaheta te ahita izany, kanefa ry zareo ao Toamasina aloha no ho tsara vintana mana­raka eo. Anisan’ireo tarika andrasana fatratra mandritra ny “Star Tour”, farany amin’ity taona ity, […]
  • Herisetra sy tsy fandriampahalemana : miantso ny fahatsiarovantenan’ ny mpitondra ny Akademia
    Newsmada - 04:46 Oct 04, 2024
    Namoaka ny tatitry ny fifanakalozana nataony, ny 3 sy 4 septambra teo, ny Akademia Malagasy. Lohahevitra ny herisetra sy ny tsy fandriampahalemana. “Ho an’ireo manam-pahefana mpitondra no ivantanan’ny antso fampahatsiarovan-tena. Amin’ny asa ataony ho fanavaozana ho an’ny hoavin’ny firenena sy amin’ny fanekeny hiantoka ny fandalana ny fikendrena ny soa iombonana […]
  • Unicef sy MFFT : nojerena ny vahaolana ho an’ny rano any Atsimo
    Newsmada - 04:46 Oct 04, 2024
    Nanatanteraka fivoriana momba ny fanaraha-maso ny asa famatsiana rano any Atsimo ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT), tetsy Anosy, afakomaly. Voaresaka ny tetikasa “Mionjo”, iarahana amin’ny Unicef. Minisitera mpiahy ity tetikasa ity ny eo anivon’ny MFFT ka nivoitra tamin’ny dinika nifanaovan’ny minisitra, Andriantsitohaina Naina, sy ny avy […]
  • VAOVAO TAMBATRA
    Newsmada - 04:45 Oct 04, 2024
    Hojerena ireo tetikasam-pamokarana herinaratra avy amin’ny riandrano lehibe, toy ny Mahavola izay hamokatra 300 MW. Eo ihany koa ny ao Antetezambato izay hamokatra herinatra 142 MW, Sahofika 192 MW, Volobe 120 MW. Hamokatra herinaratra 6MW ny riandrano ao Mandraka, 56 MW ho an’Ambodiroka, 10,5MW ho an’Ankelimahery raha 56,6MW kosa ho […]
  • Fiantraikan’ny delestazy : matiantoka tanteraka ireo orinasa madinika
    Newsmada - 04:45 Oct 04, 2024
    Potika ny fihariana. Mi­teraka fatiantoka goavana ho an’ireo orinasa madinika sy salantsalany miankindoha amin’ny herinaratra ny delestazy lavareny. Voatery mampiato ny asany sy miandry ny fiverenan’ny herinaratra izy ireo. Vokany, mihena ny fidiram-bola, tsy afa-manoatra ihany koa fa tsy maintsy miaina ao anatin’ny fahatapahan-jiro lavareny ireo tompona orinasa. “Angatahanay kosa […]
  • Fihaonana an-tampon’i Afrika : Solontena i Helisoa Mampionona
    Newsmada - 04:45 Oct 04, 2024
    Hotontosaina any Addis Abeba, ny 14 hatramin’ny 16 oktobra ho avy izao, ny fihaonana an-tampon’ireo tanora aty Afrika. Hifanakalo hevitra mahakasika ny fitsinjaran-tsakafo sy ny “agroécologie” izy ireo. Anisan’ireo firenena mandray anjara amin’izany i Madagasikara, ka Andrianarimalala Helisoa Mampionona no hisolontena ny Malagasy amin’izany. Ny resaka momba ny fandraharahana eo […]
    Tags: Afrika
  • Carte Postale de la mémoire vive
    Newsmada - 11:27 Oct 03, 2024
    ” Bordée par l’Ocean Indien, soulignée par le Canal de Pangalane, s’impose la ville de Manakara “
  • Ankazobe : nahazo tohodrano Ambolotarakely
    Newsmada - 04:42 Oct 03, 2024
    Mitodika mankany amin’ ny fanatsarana ny fa­mo­karana ny kaominina Ambolotarakely, distrika Anka­zobe. Notokanana ny 2 oktobra teo ny tohodrano nohavao­zina, nataon’ny Fandara­na­­san’ny Firenena mikambana ho an’ny fampandrosoana (Pnud). Mahatondraka tanimbary 300 ha ity fotodrafitrasa ity, raha 30 ha teo aloha. Ni­laza ny filohan’ny mpampiasa rano, ao amin’ny tambajotra Tsara, Randrianantenaina […]
  • Baolina kitra afrikanina : nosazian’ny Fifa enim-bolana i Samuel Eto’o Fils
    Newsmada - 04:41 Oct 03, 2024
    Ny alatsinainy lasa teo, namoaka ny sazy ho an’i Samuel Eto’o Fils, filohan’ny federasiona baolina kitra Cameroun (Fecafoot), tao amin’ny tambanjotra serasera ny vaomieran’ny fitsipi-pifehezana eo anivon’ny federasiona iraisam-pirenena (Fifa). Nosaziana enim-bolana tsy mahazo mijery sy manatrika ny lalao hataon’ny ekipam-pireneny ny Liona tsy voafolak’i Cameroun, ny tenany. Anton’izany ny […]
  • SOMBIM-BAOVAO
    Newsmada - 04:41 Oct 03, 2024
    Hotanterahina ny alahady 6 oktobra ho avy izao, etsy amin’ny kianja Makis Andohatapenaka ny ankatoky ny famaranana, hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara taranja Rugby, sokajy vehivavy. Hifanandrina amin’izany ny UAS Cheminots sy ny Fanja Anjanahary. Tontosa ny talata lasa teo, tamin’ireo kianja enina manerana ny Nosy, ny andro voalohany hiadiana […]
  • Volley : hohatsaraina ny fahaizan’ny mpanazatra
    Newsmada - 04:41 Oct 03, 2024
    “Hatsarao ny fahaiza-manao!”, io no lohahevitra amin’ny fiofanana karakarain’ny FIVB (Fédération Internationale de Volley Ball), natokana ho an’ny mpanazatra niveau 1. Anisan’ny hisitraka izany ny mpanazatra eto Madagasikara, ka ny mpampiofana iraisam-pirenena, Razafinjatovo Jean Honoré, no hitarika izany. Hizara ny traikefany izy amin’ny maha mpampiofana iraisam-pirenena azy. Tsiahivin fa efa […]
  • Toekarena: mivory eto an-toerana ny delegasion’ny FMI
    Newsmada - 04:52 Oct 02, 2024
    Tonga eto Madagasikara, hivory mahakasika sehatra maro, momba ny toekarena ny delegasion’ny Tahirimbola iraisam-pirenena (FMI), izay tahirin’i Frédéric Lambert, lehiben’ny iraka aty Afrika sy ny solontenan’ny FMI eto Mada­gasikara, Kodjovi Eklou. Nan­dray azy ireo, ny alatsinainy maraina teo, ny minisitry ny Toekarena sy ny fitantanam-bola, Rabarinirinarison Rindra Hasimbelo, sy ireo […]
  • VAOVAO TAMBATRA
    Newsmada - 04:51 Oct 02, 2024
    Hiditra lalindalina kokoa amin’ny fifanakalozana ara-barotra i Madagasikara sy Egipta ho an’ny fampiroboroboana ny indostira sy ny fampandrosoana ny firenena. Samy manana vokatra tsara kalitao ny roa tonta ka ahazoana tombontsoa ny fampiakarana ny habetsahan’ny fifanakalozana. Vonona ny hiara-miasa hampivoatra ny famokarana eto Madagasikara ny Programme alimentaire mondial (Pam) amin’ny […]
  • Tapany Atsimo : fampandrosoana maharitra eny ifotony
    Newsmada - 04:51 Oct 02, 2024
    Maro ny fotodrafitrasa vita any amin’ny tapany atsimon’ny Nosy. Tanteraka izany vokatry ny fandaharanasa vatsian’ny Tahirimbola eoropeana ho an’ny fampandrosoana (Fed), tamin’ny alalan’ny Tantsoroka famatsiam-bola ho an’ny fambolena sy ny seha-pihariana ho an’ny rehetra (Afafi), tapany Atsimo. Misitraka izany ny faritra Anosy, Androy ary Atsimo Atsinanana. Anisan’ny zava-bita ny fanajariana […]
  • Olan’ny delestazy : nampanantsoina maika ireo tomponandraikitra
    Newsmada - 04:51 Oct 02, 2024
    Voaantso teny amin’ny Lapam-panjakana Ambohitsorohitra ny minisitry ny Rano sy ny fahadioavana ary ny fidiovana, ny minisitry ny Angovo sy ny akoranafo, ary ny tale jeneralin’ny Jirama mahakasika ny olan’ny famatsiana herinaratra sy rano. Voaresaka nandritra ny fivoriana vonjimaika ny tsy maintsy hitondrana vahaolana fohy ezaka sy lavitr’ezaka hamahana ny […]
  • INDRAY MIJERY
    Newsmada - 04:49 Oct 02, 2024
    Mihamafy hatrany ny fahatapahan-jiro sy ny fahatapahan-drano eto Antananarivo sy ny manodidina. Andro aman’alina ny fiandrasana laharana sy izay andehanan’ny rano eny amin’ny paompim-pokonolona. Na ireo tanàna nisitraka rano naharitra hatrizay aza lasa mijaly rano ankehitriny. Fotoana mampirongatra ny karazan’aretina, indrindra ho an’ny sokajin’olona marefo, ny fotoan’ny hafanana migaina raha […]
  • Fifidianana kaominaly: amin’ny 12 oktobra ny lisitry ny biraom-pifidianana
    Newsmada - 06:02 Oct 01, 2024
    «Amin’ny 12 oktobra no havoakanay ny lisitry ny biraom-pifidianana. Amin’izay no ahitana na misy fiovana na tsia». Io ny fanazavan’ny sek­retera mpanatanteraky ny Ceni, Rakotondrasoa Tsehe­no, teny Alarobia, omaly, momba ny fiatrehana fifidianana kaominaly amin’ny 11 desambra. Roa andro alohan’ny fifidianana no anomezan’ny lalàna fahefana ny Ceni hamindra biraom-pifidianana, raha […]

2665 items