Newsmada

Found 2905 news

  • “Kids JBB Games” : Ny 24 aogositra izao ny andiany faharoa
    Newsmada - 04:48 Aug 19, 2025
    Taorian’ny fiadiana ny amboaran’Analamanga, notontosaina ny faran’ny herinandro teo, ny “Kids JBB Games” indray ny fandaharam-potoana manaraka ho an’ny taranja Jiu-jitsu Breziliana. Fifaninanana karakarain’ny Brezilian Jiu-jitsu Esca (BJJ Esca), ny 24 aogositra izao, ao amin’ny Dojo Esca Antanimena io hetsika io. Fotoana hifanomezana, hanasana ireo katitakely hampiseho ny talentany. Hanasana […]
  • Fidirana amin’ny sehatry ny asa : Tombony ho an’ny tanora ny fisian’ny fampiofanana
    Newsmada - 04:46 Aug 19, 2025
    Tanora avokoa ny 70% ny mponina eto Madagasikara. Tombony ho azy ireo amin’ny fitadiavana asa ny fisian’ny atrikasa fampiofanana mahakasika ny fampanana asa sy ho tonga mpandraharaha. Maherin’ny fito amin’ny 10 ny tanora malagasy mipetraka any ambanivohitra, raha ny tatitra voaray farany mahakasika ny tanora maneran-tany. Avy amin’ny tokantrano sahirana […]
    Tags: Tombony
  • Kankan’ny lalandra : Distrika maherin’ny 100 eto Madagasikara ahitana bilarziôzy
    Newsmada - 04:54 Aug 18, 2025
    Aretina mbola mahazo vahana eto Madagasikara ny bilarziôzy na takilodrano. Distrika maro no mbola ahitana olona voan’io aretina io, izay azo avy amin’ny kankana monina any amin’ny lalandra. Misy trangan’aretina ta­kilo­drano maro eto Ma­­dagasikara. Ahi­tana izany betsaka ny any amin’ireo distrika 107, amin’ny 119 eto amin’ny Nosy, raha ny tatitra […]
  • Tarika AmbondronA : Tsy afa-misaraka amin’ny tantaran’ny «Star Tour»
    Newsmada - 04:53 Aug 18, 2025
    Mifameno. Angamba ny tarika AmbondronA no nandray anjara betsaka indrindra ta­min’ny « Star Tour », hatramin’izay nisiany. Maro ireo nahatadidy fa anisan’ny nandrasan’ny mpankafy ny AmbondronA tamin’ny «Star Tour Mahajanga 2019». Mbola nihoatra noho ny tamin’izany ny hafanana, nandritra ny seho famaranana, teo amin’ny Bord Mahajanga, omaly. Vantany vao naneno ny […]
  • TARATRY ny KANTO
    Newsmada - 04:53 Aug 18, 2025
    Nahazoana akony tsara ny «Festival Ton­golobe» tao Mampikony. Nahoraka ny tanàna ny faran’ny herinandro teo, indrindra nandritra ny andiam-pampisehoana, ny alin’ny sabotsy sy ny alahady teo, tao amin’ny Kianjabe. Nifandimby tamin’izany ry Lico Kininike, Mad Max, Lewapy, Dadi Love ary i Din Rotsaka. Irariana ho tsaratsara kokoa ny andiany manaraka […]
  • « Fest’Iray »: Naneho ny kolontsaina ao Vakinankaratra
    Newsmada - 04:53 Aug 18, 2025
    « Festival de l’écologie ». Hetsika iray nanandratra ny karazan-javakanto sy kolontsaina ao amin’ny faritra Vakinankaratra ihany koa ny « Fest’Iray », izay nifarana omaly. Fiaraha-mientana, nanaovana haitaky ho an’ny tontolo iainana, rariny ara-toetr’andro ary ny zon’olombelona ny hetsika. Nifarimbona nampiaraka talenta ireo mpanakanto maro nivoy ny lohahevitra nandritra izany. Teo ireo mpanao mozika, […]
  • Mahajanga : Tafaverina amin’ny lazany ny « Star Tour »
    Newsmada - 04:52 Aug 18, 2025
    5 taona no tsy nisy ny hetsika. Avy hatrany dia fahombiazana noho ny taloha kosa ny fiverenany, raha notarafina tamin’ny 3 andro an-danonana sy fialamboly teto Mahajanga. Fahombiazana raha tarafina amin’ny isan’ny mpanatrika. Rakotra olo­na manomboka eo amin’ny sehatra lehibe manoloana ny Chambre de commerce, hatreny amin’ny baobab lehibe, manamarika […]
  • Zaikaben’ny tanora afrikanina  : Ho fanoitran’ny fampandrosoana
    Newsmada - 04:45 Aug 16, 2025
    Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy omaly zoma, teny amin’ny foibe toeran’ny tanora eny Ankorondrano, ny zaikabe fahafito ho an’ny tanora afrikanina aty amin’ny tapany atsimon’i Afrika na ny 7th Southern Africa Youth Forum (Sayof). Hetsika fanaon’ny fikambanana tsy miankina amin’ny fanjakana mpiara-miasa amin’ny Sadc, isaky ny misy ny fivoriambeny. Araka izany, […]
  • SOMBIM-BAOVAO
    Newsmada - 04:44 Aug 16, 2025
    Ny ekipan’ny Tonizia no hifanandrina farany amin’i Madagasikara, ao anatin’ny fifanintsanana isam-bondrona, amin’ny fifaninanana “Afrobasket 2025”, tanterahina any Angola, nanomboka ny talata lasa teo. Andro farany hahafantarana ny tohin’ny lalan’ny Ankoay io lalao hatao rahampitso io. Tanterahina any Toliara ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja basikety, eo amin’ny sokajy […]
  • Volley-GNVB : Telo taona niaraka ireo mpilalao
    Newsmada - 04:44 Aug 16, 2025
    Antoka iray lehibe nahazoan’ny ekipan’ny GNVB (Gendarmerie Nationale de volley-ball) ny fandresena, nandritra ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, ny fahaiza-miaraka eo amin’ireo mpilalao. Nambaran’ny filohany, ny lieutnant colonel, Rajaonarison Fortunat, fa telo taona niarahana ireo mpilalaon’ny GNVB ireo ka efa mifankafantatra tsara. Tsiahivina, norombahan’ny klioban’ny GNVB avokoa ny anaram-boninahitra rehetra, […]
  • Baolina kitra – “CHAN 2025” : Mila mandresy an’i Burkina Faso ny Barea, anio
    Newsmada - 04:44 Aug 16, 2025
    Hitana ny sain’ny mpitia baolina kitra amin’ity anio ity ny andro farany amin’ny fifanintsanana hiadiana ny ho tompondakan’i Afrika (Chan 2025) ho an’ireo mpilalao tsy matihanina. Tsy maintsy mandresy an’i Burkina Faso ny Barea raha te ho tafita. Hotanterahina anio, ao amin’ny Kianja Amaan Stadium, ao Zanzibar Tanzanie, ny andro […]
  • Fitateram-bahoaka: Hiasa ny teleferika, 3 000 Ar ny saran-dalana
    Newsmada - 04:43 Aug 16, 2025
    Hisokatra ho an’ny daholobe manomboka izao ny fitaterana amin’ny tariby. 3 000 Ar ny saran-dalana. Anisan’ny lava indrindra aty Afrika ity zotra volomboasary vao notokanana, omaly, ity. Notokanan’ny Filoham-pirenena, omaly, ny zotra volomboasary na teleferika mampitohy an’ Anosy amin’Ambatobe. Voa­laza fa noho ny fitomboan’ny mponina dia tsy maintsy hatsaraina ny […]
  • Fiainana andavanandro : Vitsy ny manjifa saribao amin’ny gony
    Newsmada - 04:46 Aug 14, 2025
    Anisan’ireo singa iray tsy mbola afa-miala amin’ny Ma­la­gasy ny saribao. Mbola io angovo io avokoa no enti-ma­handro ny sakafo. Nahitana fiakarana ny vidin’izany tamin’ity taona ity. Mihasarotra ny fiainana! Efa tsy dia misy intsony ny olona mahavita manjifa saribao amin’ny gony, ankehitriny, araka ny fanadihadiana natao omaly, teny amin’ireo mpivarotra […]
  • TARATRY ny KANTO
    Newsmada - 04:45 Aug 14, 2025
    Mitohy hatrany ny fianarana teatra, ao amin’ny AFT Andavamamba. Misokatra ho an’ireo ankizy 7 hatramin’ny 14 taona ny fiofanana manokana anatin’ny fialantsasatra. Tsy natao ho fialamboly fotsiny anefa, fa hamohazana ny talenta any anatin’ireo ankizy izany. Tsy vitan’izay fa hanampy azy hahatoky tena, hahay mifanerasera amin’ny namana, hanana saina tia […]
  • « Vako-Rock » : Andrasan’ny mpankafy ry Erick Tselatra
    Newsmada - 04:45 Aug 14, 2025
    Nafana, saingy tsy feno ny fiarahana farany. Tsy afaka niaraka tamin’ireo namany ao amin’ny tarika Tselatra mantsy i Erick, nandritra ilay seho « Rock Mandrakizay », natao tao amin’ny Kianja Barea tamin’ny volana marsa. Nam­panantena kosa anefa i Erick, fa vantany vao mety ny fahasalamany, hihaona amin’ireo mpankafy ao Antsahamanitra izy. Tonga […]
  • Mitety vanim-potoana: Fiarahan’ i Inah, Nini Kiaka ary Mbola Talenta
    Newsmada - 04:44 Aug 14, 2025
    Mozika maroloko. Tsy hita hofaritana mialoha izay hitranga, raha ny mahakasika ny fiarahana an-tsehatra hotontosain’i Inah, Nini Kiaka ary i Mbola Talenta. Hatao anio amin’ny 8 ora alina io, eny amin’ny Résidence Sakay Rouge, Ambohimamory Avarabohitra. Ny azo antoka aloha dia hifototra amin’ny tendry gitara, izay hosahanin’i Mbola Talenta manokana izany. […]
  • Fifaninanana « Tafan-gilita » : Hiray sehatra amin’ny kalaza ireo 10 tafakatra
    Newsmada - 04:44 Aug 14, 2025
    Roa andro ho an’ny gitara fotsiny. Anisan’ny lokan’ireo mpifaninana ny hampiaraka talenta amin’ireo andrarezin’ny tendry gilita eto Madagasikara. Ankoatra ny gitara lafovidy miandry ireo voalohany izany. Willy, Hira, Jizry, Ra­mily, Ny aro, Mika, Joël, Dina, Fabio ary Mikajy. Ireo izy 10 lahy tafavoaka tamin’ny “Prime 4”, an’ilay fifaninanana “Tafan-gilita”. Izy […]
  • Fotoam-pialantsasatra 2025: Omena endrika vaovao handraisana mpizahatany i Toamasina
    Newsmada - 04:43 Aug 13, 2025
    Ao anatin’ny vanim-potoana fialantsasatra tanteraka isika izao. Maro ny fitsidihana ataon’ireo mpi­­zahatany, vahiny sy avy eto amin’ ny firenena, amin’ izao fotoana izao. Efa nivonona amin’i zany ny tom­po­nan­draikitra isan-tokony, solontenam-pan­jakana any amin’ny renivohitra ara-toekaren’ i Ma­da­gasikara. «Omena endrika vao­vao handraisana vahiny mpia­la sasatra sy mpizahatany ny renivohitr’ i Toamasina, […]
  • VAOVAO TAMBATRA
    Newsmada - 04:42 Aug 13, 2025
    Nahazo fitaovana avo lenta fanaraha-maso ny minisiteran’ny Jono sy ny toekarena manga. Tafiditra ao anatin’ny tetikasa « Ecofish », tohanan’ny Vondrona eoropeanina sy ny COI. Anisan’izany ny angovo azo avy amin’ny masoandro mahaleo tena, hampandehanana ny fanaraha-maso avy amin’ny zanabolana (VMS) ho an’ny sambo mpitsirika Telonify. Mahery vaika indray ny delestazy amin’ny […]

2905 items