Newsmada

Found 2905 news

  • Fadintseranana : Mirindra ny Drafitra stratejika 2025-2029
    Newsmada - 04:41 Aug 13, 2025
    Mitondra fanazavana ny Fitantanana foibe ny fadintseranana mahakasika ny fandrindrana ny asa eo amin’ireo andrimpanjakana voakasika eny amin’ny seranan-tsambo sy ny seranam-piaramanidina. Manana ny lanjany amin’ny lafiny toekarena sy ny fiarovana ny Drafitra stratejika vaovao mandritra ny 5 taona manaraka, ho an’ny taom-piasana 2025 hatramin’ny taona 2029, napetraky ny Fadintse­ra­nana […]
    Tags: Drafitra
  • Tsenam-paritra Sadc: Ifantohana ny vola sy ny fampiasam-bola
    Newsmada - 04:41 Aug 13, 2025
    Misy ny fanomanana atao, mialoha ny Fihaonamben’ny Sadc, hatao ny 16 sy ny 17 aogositra ho avy izao. Tafiditra ao anatin’izany ny fivoriana iarahana amin’ireo mpiara-miombon’antoka, ny fivorian’ny vovonana Troika, izay rafitra misahana ny raharaha politika, ny fiarovana ary ny filaminana. Eo koa ny Kaomitin’ny fitantanam-bola sy ny fampiasam-bola, ka […]
  • Handball – Mada Jeunes : Nanao pao-droa ny HC Est Atsimo Andrefana
    Newsmada - 04:46 Aug 12, 2025
    Tontosa ny sabotsy 9 aogositra lasa teo, tany Tsiroanomandidy, ny fifaninanam-pirenena ho an’ny sokajy zandriny, taranja handball. Nisongadina ny HC Est Atsimo Andrefana. Nanao pao-droa mantsy ity ekipa ity, teo amin’ny Cadet sy ny Junior, lehilahy. Tsy nisy naharesy mihitsy izy ireo nanomboka tamin’ny fifanin­tsanana ka hatreo amin’ny famaranana. Teo […]
  • Théophile, mpivarotra, manan-talenta : Maniry ny hahay mamaky teny sy manoratra
    Newsmada - 04:45 Aug 12, 2025
    Mpivarotra iray tsy vahiny etsy Ana­lakely i Théophile. Manana olana ara-pahasalamana izy, saingy manana ta­lenta hafakely, izay efa voajanahary ta­min’ny tenany. Ma­nana faniriana ny hahafehy ny famakiana teny sy ny fanoratana izy. Manan-talenta! Lehilahy iray efa 40 taona i Théophile na i Théo. Mivarotra fitoerana fera sy vilany ary fametrahana […]
  • «Marathon de Tana» : Hatao ny 12 oktobra izao
    Newsmada - 04:44 Aug 12, 2025
    Anisan’ireo fifaninanana tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoanan’ny Federasio­nina malagasin’ny atletisma (FMA), amin’ity taom-pilalaovana 2025 ity, ny «Marathon de Tana». Raha tsy misy ny fiovana, hotanterahina ny 12 oktobra ho avy izao izany, araka ny fanazavana nomen’ny tomponandraikitra. Raha tsiahivina, efa tany amin’ny taona 2019 no nisian’ity fifaninanana ity farany. Hiverina indray, […]
  • SOMBIM-BAOVAO
    Newsmada - 04:44 Aug 12, 2025
    Hiakatra an-tsehatra, anio, ny Malagasy, Nambininjanahary Mostepha, hiatrika ny fifaninanana “Word Games”, taranja kick-boxing, tontosaina any Chine. Eo amin’ny taranja K1 Rules, sokajy latsaky ny 63,5 kg, no hifaninanany ary efa tena vonona tanteraka ity Malagasy mpikatroka ity hiaro ny voninahi-pirenena sy ny voninahitr’i Afrika. Tontosa ny faran’ny herinandro teo, […]
  • Echecs Analamanga : Tsy maintsy hatao amin’ity taona ity ny fifidianana
    Newsmada - 04:44 Aug 12, 2025
    Nanamafy ny tsy maintsy hanaovana ny fifidianana eo anivon’ny ligin’Analamanga, taranja Echecs, ny mpikambana eo anivony, ny sabotsy lasa teo, teny Analakely. Nisy ihany koa ny fanovana ny sata nataon’izy ireo. Nanatanteraka fivoriambe tsy ara-potoana ny ligin’Analamanga, taranja Echecs, ny faran’ny herinandro teo, tetsy Anala­kely. Fijerena sy fandaniana ny fanovana […]
  • Diosezy Fenoarivo Antsinanana : Tontosa ny famehatrahana ny Mgr Marek Ochlak, Eveka vaovao
    Newsmada - 04:52 Aug 11, 2025
    Tontosa, omaly, tao amin’ny kianja manara-penitra fanaovana baolina kitra Sahavola, ny fametrahana amin’ny fomba ofisialy ny Eveka vaovao hitantana ny diosezin’i Fenoarivo Atsi­nanana. Ny Mgr Marek Ochlak no voafidin’ny Pa­pa Fransoa hitantana io diosezy io.  Nomarihana tamin’ny alalan’ny Sorona Ma­sina izay notarihin’ny Nonce Apostolique miaraka amin’ny Kardinaly Arsevekan’i Toamasina izany. […]
  • VAOVAO TAMBATRA
    Newsmada - 04:51 Aug 11, 2025
    Hatao ny 14 aogositra ho avy izao ny famelabelaran-kevitra, eny amin’ny efitrano Grand Amphi Fac EGS Ankatso. Mahakasika ny fampiasana angovo azo havaozina sy ny fanovana ny rafi-pambolena amin’ ireo firenena mpikambana ao amin’ny Sadc ny lohahevitra. Izany dia tafiditra ao anatin’ny hetsika mandrafitra ny fihaonana an-tampon’ny Sadc atao eto […]
  • Menabe Antimena : Toerana 4 nahitana doro ala
    Newsmada - 04:50 Aug 11, 2025
    Nisy afo nirehitra tao anatin’ny Faritra Arovana Menabe Antimena (Apma), ny alatsinainy 4 aogositra 2025 teo. Toerana miisa efatra no voakasiky ny afo, ny any Anke­trevo, Mandrotra, Tsarataona ary Kibo. Araka ny tatitra azo, sarotra ny nifehezana ny afo satria tsy nisy ny lalana nahafahana namonjy ny toerana nisy ny […]
    Tags: Toerana
  • Morafenobe : Mivelona amin’ny jono an-tanety ny mponina
    Newsmada - 04:50 Aug 11, 2025
    Lavitra sady saro-dalana ny any Ankilandilana, 70 km miala ny distrika Morafenobe, faritra Melaky. Na izany aza, miezaka manakaiky ny vahoaka eny ifotony ny minisiteran’ny Jono sy ny Toekarena manga (MPEB), entina hampiroboroboana ny sehatry ny jono. Tonga tany an-toerana ny minisitra Mahantante Paubert sy ny mpiara-miasa, ny herinandro lasa […]
  • Fanondranan’entana mankany Etazonia: Nihatra nanomboka ny 7 aogositra ny haba 15%
    Newsmada - 04:50 Aug 11, 2025
    Tsy tataovana ilay haba vaovao 15% fanampiny, napetrak’i Etazonia, ny harena an-kibon’ny tany, ny fitaovam-pianarana sy ny sosialy. Anisan’ny iharany kosa ny lavanila. Nanome fanazavana mi­simisy kokoa ho an’ny Fadintseranana mala­gasy, mahakasika ilay haba vaovao, tataovana 15%, ny rafitra amerikana Customs and Border Protection (CBP). Ampiharina ho fanampin’ireo haba efa […]
    Tags: Etazonia
  • CJSOI – medalin’ny Malagasy : Niampy volamena iray sy volafotsy roa
    Newsmada - 05:39 Aug 09, 2025
    Nitombo indray! Nahazo medaly volamena iray sy volafotsy roa ny Malagasy atleta, omaly nandritra ity andro mialoha ny famaranana ny fifanintsanana CJSOI, izay tontosaina any Seychelles ity. Mitotaly 48 indray izany ny medaly azon’ny Malagasy amin’ity lalao ho an’ny tanora aty amin’ny ranomasimbe Indianina ity. Namiratra tanteraka tamin’ny taranja basikety […]
  • SOMBIM-BAOVAO
    Newsmada - 05:38 Aug 09, 2025
    Hanomboka ny 12 hatramin’ny 24 aogositra ho avy izao, atsy Angola, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, amin’ny taranja basikety « Afrobasket 2025 ». Anisan’ireo handray anjara amin’izany ny Ankoay Madagasikara, ary hifanandrina amin’izy ireo voalohany i Nigeria, ny 13 aogositra. Taranja iray misy sy mijoro ara-dalàna eto Madagasikara ny taranja bisikileta. […]
  • Asief 2025 – Filoha Jhone Love : Miantso fifandeferana sy fifanajana
    Newsmada - 05:38 Aug 09, 2025
    Na misy aza ny olana, miezaka mitady vahaolana hatrany ny mpitantana. Efa miditra amin’ny dingana famaranana avokoa ny fifaninanana nasionaly Asief (Association sportive interministérielle pour l’entretien des fonctionnaires), eo amin’ny taranja iraisana, androany sy rahampitso alahady, any Mahajanga. Manoloana izany, nanao antso avo ny filohan’ny Asief, Andrianarison Jean Aimé (Jhone […]
    Tags: Asief
  • Baolina kitra – « CHAN 2025 » : Vonona handresy an’i Tanzanie ny Barea de Madagascar
    Newsmada - 05:38 Aug 09, 2025
    Hitana ny sain’ny mpankafy baolina kitra amin’ity sabotsy ity, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika ho an’ireo mpilalao tsy matihanina (Chan 2025). Hiatrika ny lalao faharoa ho azy mantsy ny Barea de Madagascar izay hidona amin’i Tanzanie, mitarika vonjimaika amin’ny filaharana. Hotanterahina ao amin’ny Kianja Benjamin Mkapa Stadium, anio sabotsy […]
  • Akademia Malagasy Rugby: Hisy fiofanana arakasa ho an’ireo voafantina
    Newsmada - 05:37 Aug 09, 2025
    Hanangana ivontoeram-piofanana Akademia Mala­gasy Rugby, ny Fe­de­rasionina eto an-toerana. Hatao etsy amin’ny Kianja Ma­kis Andohata­pe­naka izany tetikasa vaovao izany. Nambaran-dRakoto­malala Marcel, filohan’ny Malagasy Rugby (MR), omaly, tetsy Ankoron­drano, fa efa ao anatin’ny tetikasa amin’ilay fananganana ny Akademia Malagasy ny taranja Rugby ny Federasio­nina amin’izao fotoana. Tan­jona amin’izany ny hisian’ny fiofanana […]
  • Zava-mahadomelina : 8 tapitrisa isan-taona ny maty vokatry ny fifohana sigara
    Newsmada - 04:50 Aug 08, 2025
    Miha mahazo vahana eto amin’ny firenena ny fivarotana sigara sy paraky. Ankoatra ny sigara fahita andavanandro, maka laka tsikelikely ihany koa ny sigara elektronika. Loza ho an’ny firenena sy ny fahasalam-bahoaka nefa izy ireny. Mahatratra hatramin’ny 1,3 miliara ny olona he­verina ho mpifoka sigara maneran-tany, raha ny antontanisa farany navoakan’ […]
  • Base Toliara : Miisa 650 ireo nisitraka ny «Asa Tagnamaro»
    Newsmada - 04:49 Aug 08, 2025
    Nanao hetsika goavana ny orinasa Base, tany Mangily, ny 5 sy 6 aogositra teo. Nitotaly 650 ny olona nanatanteraka « Asa Tagnamaro » tany an-toerana. Fanadiovana faobe nandraisan’ny olona mahatratra 200 anjara, tany amin’ny morontsiraka Man­gily, ary 200 hafa tany Ifaty. Nesorina ny fako plastika teny amorontsiraka. Notsipihin-dRtoa Ravaoarisoa Tahina, tomponandraikitry ny […]
  • Asa tanana : Maro ny manjifa ny vokatra sokitra
    Newsmada - 04:49 Aug 08, 2025
    Anisan’ny taozavatra malagasy miavaka ny sokitra. Miha maro ny olona liana sy manjifa ny vokatra mandritra ny tsenabe « Fier-Mada 2025 » andiany faha-26, etsy amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka, nanomboka ny 6 aogositra ary hifarana ny 10 aogositra 2025. Mikendry ny hampifanakaiky sy hampihaonana mivantana ny mpamokatra sy ny mpanjifa mba hampiroboroboana ny […]

2905 items