Newsmada

Found 2665 news

  • MFA : Nandray ny toerany ny tale misahana ny lalàna
    Newsmada - 04:45 Dec 04, 2024
    Notontosaina teny amin’ny minisiteran’ny Foaloalindahy (MFA) Ampahibe, omaly, ny fandraisan-draharaha nataon’ny tale misahana ny raharaha momba ny lalàna eo anivon’ny MFA, Rakotobe Nivonirina Noferana. Ny filankevitry ny minisitra, ny 27 novambra 2024 lasa teo, no nanendry azy ho amin’io toerany io. Naneho ny fahavononany hanohy ny raharaha nataon’ny teo aloha […]
  • FAHAVITAN’ny lalana : Manatsara ny fari-piainan’ny olona
    Newsmada - 04:44 Dec 04, 2024
    Vita soa aman-tsara ny 2 novambra teo ny lalana mampitohy an’Antanambao Mana­m­potsy sy Ilaka Est. Nahafaly ny mponina any an-toerana izany satria nampidina ny saran-dalana sy ny vidin’entana ilain’ny mponina andavanandro. 60 000 Ariary ny saran’ny taksiborosy teo aloha, lasa 10 000 Ariary izany amin’izao. Mankasitraka ny fitondram-panjakana, araka izany, […]
  • Zotram-pifidianana : Tanora mpianatra 58 nahazo fiofanana
    Newsmada - 04:44 Dec 04, 2024
    Nanomboka ny 16 septambra ka hatramin’ny 28 novambra teo no nametrahan’ny Friedrich-Ebert-Stiftung Madagascar ny tetikasa “Jeunes reporters francophones 2024”. Tetikasa fanofanana ho an’ny mpianatra amin’ny asa fanaovan-gazety sy serasera amin’ny fandrakofana ny zotram-pifidianana izy ity. Ny Organisation internationale francophone (OIF) no manohana azy. Mpianatra 58 avy amin’ny oniversitem-panjakana sy tsy […]
  • Fampananana asa : Vitsy ny orinasa mandray olona manana fahasembanana
    Newsmada - 04:43 Dec 04, 2024
    Mbola ambany ny tahan’ny olona manana fahasembanana tafiditra eo amin’ny sehatry ny asa sy miasa amina orinasa eto Madagasikara. Sakana mahatonga izany ny toe-tsain’ny fiarahamonina manilika ireo olona sembana ka manakana azy hiaina toy ny olon-drehetra. Eo koa ny olana amin’ny fandresen-dahatra ny mpampiasa hanehoana fa mahavita ny asa ilay […]
  • Vaomiera fiampanga amin’ny HCJ : Voafidy ho filoha ny depiote Resampa Haja
    Newsmada - 04:56 Dec 03, 2024
    Voafidy teny Tsimbazaza, omaly, ho filohan’ny vaomiera eny anivon’ny Antenimierampirenena, mpandinika ny antontan-taratasy fiampangana ireo olom-panjakana ambony amin’ny Fitsarana avo (HCJ) ny depiote voafidy tany Morondava, Resampa Hajaharimalala. “Hotanterahina ao anatin’ny fanajana tanteraka ny lalàna mifehy ny HCJ ny andraikitra”, hoy izy tamin’ny mpanao gazety. Hiaraha-midinika amin’ireo depiote ao anatin’ny […]
    Tags: Voafidy
  • TARATRY ny KANTO
    Newsmada - 04:55 Dec 03, 2024
    Hiaka-tsehatra eny amin’ny CCI Ivato, ny 13 desambra 2024, i Amine Radi. Izy izay mpanao ha­tsikana teratany Marokanina. Manana ny maha izy azy eo anivon’izao tontolo izao. Seho manodidina ny 150 000 no efa vitany ary ampolony ireo firenena efa nanaovany fampisehoana. Mialoha ny hahatongavany eto Madagasikara. Hisy ny seho […]
  • “Intelligence artificielle” : hitondra aina vao sa hanimba ny saripika ?
    Newsmada - 04:55 Dec 03, 2024
    Seha-kanto maro no hozongozonin’ny fivoaran’ny teknolojia amin’izao. Tsy afa-bela ny saripika. Efa mahazo vahana ny fampiasana ny «intelligence artificielle» na IA, izay mampitolagaga ny zava-bita aminy ankehitriny. Nisy ny ady hevitra mahakasika izay ny faran’ny herinandro lasa teo tetsy amin’ny AFT Anda­vamamba. Tafiditra anatin’ny hetsika «Sar’nao», namaranana ihany koa ny […]
  • « L’enfant et le tambour de nuit » : hiaka-tsehatra eny amin’ny Aft Andavamamba
    Newsmada - 04:55 Dec 03, 2024
    Anisan’ny mendrika hisitraka sy hianoka ny zavakanto miavaka ny Malagasy, indrindra ny ankizy. Izany no anton’ny hetsika fampahafantarana ny « L’enfant et le tambour de nuit ». Taorian’ny fitetezana faritra maro. Anjaran’ny eto Antananarivo indray izao no handray ny compagnie Miangaly theatre, miaraka amin’ny piesy teatraly «L’en­fant et le tambour […]
  • SOMBIM-BAOVAO
    Newsmada - 04:54 Dec 03, 2024
    Nivarina any amin’ny laharana fahadimy ny ekipan’ny Manchester City, amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Angleterre “Premier League”, taranja baolina kitra. Tsiahivina fa resin’ny Liverpool tamin’ny isa 2 no ho 0 izy ireo, omaly. Ny ekipan’ny Liverpool izay mitana ny laharana voalohany amin’ity fifanintsanana ity. Nahazo fandresena tamin’ny isa 1 no […]
  • Biby tratra tany Thaïlande : Tafaverina an-tanindrazana ireo varika 16
    Newsmada - 04:51 Dec 02, 2024
    Tafaverina soa aman-tsara tetsy Ivato, omaly atoandro, ireo varika 16 tamin’ireo 48 tratra tany Thaï­lande. Naka izany tany an-toerana ny minisitry ny Tontolo iainana sy ny fandrosoana lovainjafy, Andonirina Max Fontaine, taorian’ny fifampiresahana tamin’ireo manam-pahefana eto an-toerana sy any an-toerana. Nanainga omaly hariva, nihazo ny faritra Atsimon’ny Nosy ireo varika […]
  • Fampiroboroboana ny indostria : hiara-kiasa ny Sim sy ny CCIFM
    Newsmada - 04:50 Dec 02, 2024
    Vita sonia ny herinandro teo ny fifanaraham-piaraha-miasan’ny Sendikan’ny indostria eto Madagasikara (Sim) sy ny Antenimieran’ny varotra sy ny indostria Frantsa-Mada­gasikara (CCIFM). Tanjona ny hisian’ny fifaninanana eo amin’ny samy indostria ho an’ny fampiroboroboana ny toekarena malagasy. Hisy, araka izany, ny tetikasa iraisan’ny roa tonta toy ny fifanakalozana, ny fizarana traikefa, Tafi­ditra […]
    Tags: CCIFM
  • VAOVAO TAMBATRA
    Newsmada - 04:50 Dec 02, 2024
    Manana hatramin’ny 10 desambra izay liana ho tomponandraikitra amin’ny fifaninanana sy fanatanterahana ny fifanarahana ara-barotra ny tetikasa PTASO. Afaka mametraka ny antontan-taratasiny ao amin’ny Immeuble Saifee, akaikin’ny hotel Saifee rihana voalohany, ao Toliara, na mandefa izany amin’ny adiresy mailaka coordonnateur@ptaso.mg sy dika mitovy ao amin’ny ptasocgp@ptaso.mg ireo liana handray ny […]
  • ZLECAF : Hampiroborobo ny fifanakalozana
    Newsmada - 04:50 Dec 02, 2024
    Antoka ho an’ny fampandrosoana ny toekarena sy hampiroborobo ny tontolon’ny fandraharahana ny fidirantsika ao amin’ny faritra malalaka ara-barotry ny kaontinanta afrikanina (Zlecaf). Hanamora ny fifanakalozana ara-barotra eo amin’ ireo firenena samy afrikanina, amin’ny alalan’ny fanesorana ireo mety ho sakana rehetra, izany. Hanamaivana ihany koa ireo dingana samihafa amin’ny fanondranana. Ankoatra […]
  • PLFI 2025 : Miova ny kajy hitondrana ny haba alaina amin’ny fifanakalozam-bola
    Newsmada - 04:49 Dec 02, 2024
    Hakana haba 5% ny vola matin’ny orinasa (chiffre d’affaires) ho an’ny fifanakalozam-bola eo amin’ny finday, araka ny volavolan-dalàna mifehy ny tetibolam-panjakana (PLFI) 2025. Lany teny amin’ny Lapan’ ny Antenimieram­pirene­na Tsimbazaza, ny zoma teo, ny volavolan-dalàna laharana faha-022/2024 momba ny lalàna mifehy ny fitantanam-bolam-panjakana (PLFI) ho an’ny taona 2025. Voata­zona ny […]
    Tags: PLFI
  • Fatana vidange
    Newsmada - 15:10 Nov 30, 2024
  • Run Ama « Final Round » : hofantatra rahampitso izay ho tompondaka
    Newsmada - 05:10 Nov 30, 2024
    Hotanterahina rahampitso, eny amin’ny Base 213 Arivo­nimamo, ny dingana farany amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, ta­ranja fiarakodia mandeha amin’ny halaviran-dalana 400 metatra, «Run Ama Final Round». Hofantatra amin’io fotoana io, ny anaran’ny tompondaka amin’izany. Marihina fa hiady izay ho lohany amin’ity i Herizo Boarilaza na i Bobo sy Rasolojaona Tahiana […]
  • SOMBIM-BAOVAO
    Newsmada - 05:10 Nov 30, 2024
    Tazana nitaky ny fanampiana teny Ivandry, ny alakamisy lasa teo, ny lehiben’ny Federasiona malagasin’ny bisikileta. Ity farany izay mitaky tsy misy farany ny hampiana, nefa tsy mbola manisy feo amin’ny fikarakarana ny fifaninanam-pirenena. Ny taona 2025, handray ny fifaninanan’ny Nosy eto amin’ny ranomasimbe Indianina i Madagasikara. Hotontosaina anio, eny amin’ny […]
  • Rugby – « XXL Top 12» : hifampitana ny Tam sy ny TFMA
    Newsmada - 05:09 Nov 30, 2024
    Hiditra amin’ny andro faha-10 ny fifaninanam-pirenena “XXL Top 12”, taranja rugby. Fihaonana hotanterahina rahampitso, eny amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka. Hanamarika izany ny fihaonan’ny Tam Anosibe sy ny TFMA Ankasina (Boaikely manohitra). Adin’ny samy kartie ny lalaon’ny roa tonta. Hanala vela amin’ity ny Boaikelin’Ankasina. Samy manana ny fomba filalaony ny andaniny […]
  • « Africa Cup 3×3 » :Tsara fanombohana ny Malagasy
    Newsmada - 05:09 Nov 30, 2024
    Nanomboka, omaly, tetsy amin’ny Kianja mitafon’i Mahamasina, ny fiadiana ny amboaran’i Afrika, taranja basikety 3×3. Tsara fanombohana ny Malagasy Fandresena avy hatrany no nisantaran’ny ekipam-pirenena malagasy ny andro voalohany, amin’ny « Fiba 3X3 Africa Cup », izay nanomboka omaly. Samy nahomby avokoa na ny Ankoay lehilahy na ny vehivavy. Teo amin’ny sokajy […]
  • FSM-50 taona : nampiray ny mpino silamo sy ny fanjakana
    Newsmada - 04:47 Nov 26, 2024
    Tontosa tetsy amin’ny CCI Ivato, ny alahady teo, ny fankalazana ny faha-50 taonan’ny Fikambanan’ny silamo malagasy (FSM). Tonga maro nanatrika izany ireo mpino silamo sy ny olo-manan-kaja maro avy eto an-toerana. Fotoana nifanomezan-tanana teo amin’ny mpino silamo sy ny fanjakana malagasy. Antenaina ny hitohizan’izany ho fampandrosoana ny firenena. « Mafy orina […]

2665 items