Newsmada

Found 2665 news

  • Fibatana fonjamby-Mada 2024: Atleta mendrika indrindra i Rosina sy i Tojo
    Newsmada - 04:59 Dec 19, 2024
    Nifarana, omaly, teny amin’ny kianja mitafon’Ankoron­drano, ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, taranja fibatana fonjamby, ho an’ny taom-pikatrohana 2024. Nizo­tra araka ny tokony ho izy ny fifaninanana, araka ny nambaran’ny filohan’ny federasiona, Andriamanarivo Harinelina. Manodidina ny 100 ny mpifaninana izay nahitana solontena avokoa ny ligy rehetra. Teo amin’ny vokatra kosa, mbola […]
  • SOMBIM-BAOVAO
    Newsmada - 04:59 Dec 19, 2024
    Tontosa omaly, tetsy Ankorondrano, ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, taranja Bras de fer. Taranja iray tafiditra ao anatin’ireo taranja zandriny kanefa efa manana haavo teknika ambony eto Madagasikara. Mbola mitohy hatrany ny fampiofanana sy fizarana traikefa omen’ny manam-pahaizana vahiny, ho an’ny taranja Escrime. Tsiahivina fa efa nisy ity fiofanana ity […]
  • Barea de Madagascar : Mpilalao 25 hiatrika an’i Eswantini
    Newsmada - 04:58 Dec 19, 2024
    Ny talata lasa teo no nihazo an’i Afrika Atsimo ny Barea de Madagascar, hiatrika ny lalao mandroso hifanandrinana amin’ i Eswantini, eo amin’ny fiadiana toerana amin’ny « Chan 2025 ». Mpilalao 25 no nantsoin’ny coach Rôrô, mpanazatra. Ankoatra ireo mpilalao efa mahazatra toa an’i Nina, mpiandry tsatoby sy i Dadafara ary Tony […]
  • Fahazoana fankasitrahana : miandrandra ny anjarany ireo atleta sasany
    Newsmada - 04:58 Dec 19, 2024
    Faly sy nitotorebika ireo atleta malagasy, nampihantain’ny filoham-pirenena noho ny anaram-boninahitra azony. Misy koa ireo mpanao fanatanjahantena sasany nahavita vokatra tsara saingy tsy mbola nahazo ny anjarany. Tsy ireo atleta 35 mianadahy mianaka niaraka tamin’ny mpanazatrany ihany ny hany nisongadina tamin’ity taona 2024 ity, fa nisy hafa saingy tsy mbola […]
  • « Point focal Jeritany» : Hanangona ny vaovao momba ny fananantany
    Newsmada - 04:47 Dec 18, 2024
    «Hikirakira ireo antontam-baovao mahakasika ny fananantany rehetra eto Mada­gasi­kara ny Point focal Jeri­tany», hoy i Soavinalahatra Nasolo­arijery, mpandrindra nasionalin’ny Sehatra iombonana ho an’ny fananantany (Sif), omaly, nandritra ny fampiofanana natao teny Faravohitra. Aorian’ izay, hohalalinina sy hofakafakaina, hoy izy, ny antontan-kevitra voaray ary hanaovana adisisika eo anivon’ny firaisamonimpirenena. Noho izany, […]
    Tags: Point
  • VAOVAO TAMBATRA
    Newsmada - 04:47 Dec 18, 2024
    Ambany ny tohodrano mpamokatra herinaratra ka mitarika amin’ny tsy fahampian’ny vokatra tsinjaraina eo amin’ny tambajotra iraisan’Antananarivo (RIA). Voatery mampihatra ny fahatapahan-jiro mifandimby ny Jirama. Mampimenomenona ny olona anefa ny fahatapahan-jiro amin’ny alina noho ny olan’ny tsy fandriampahalemana Mitotaly 35 600 ireo mpizahatany tonga nitsidika ny tahirin-javaboahary Analamazaotra, Andasibe, nanomboka ny volana […]
  • Famokarana : Hampandroso ny Rafitra ara-tsakafo
    Newsmada - 04:47 Dec 18, 2024
    Atao eto Antananarivo, ny 17 sy 18 desambra, ny atrikasam-pirenena stratejika momba ny Rafitra ara-tsakafo. Miompana amin’ny hitondrana fampandrosoana ara-toekarena eto Madagasikara ny lahadinika, araka ny fanamby natao nandritra ny Fivoriana an-tampon’ny Rafitra ara-tsakafon’ny Firenena mikambana (FAO), ny taona 2021. « Ataon’i Madagasikara laharam -pahamehana ny rafitra ara-tsakafo, hanatsarana ny fahasalamana, […]
    Tags: Rafitra
  • Fiakaran’ny vidim-bary : Miato ny fitateram-bokatra avy any Toamasina
    Newsmada - 04:47 Dec 18, 2024
    Tsy mitsaha-miakatra ny vidim-bary amin’izao fotoana. Tsy mitovy avokoa ny vidiny isaky ny tsena, indrindra ny vary gasy. «Niato kely ny fitaterana avy any Toa­masina saingy efa am-pandinihana izany ny minisitera. Hapetraka ihany koa ny paikady handrindrana ny vidiny, hamaliana ny hetahetan’ny Malagasy ka halamina mialoha ny fety izany», hoy ny […]
  • Mariboninahitry ny kanto : Nasongadina Randrianaivoravelona
    Newsmada - 04:49 Dec 17, 2024
    Andrarezina ka mendrika. Nisy ny lanonanana manokana, nentina nanasongadinana sy nanomezam-boninahitra an-dRandrianaivoravelona, ny faran’ny herinandro teo, tany Antsirabe. Nampiakarina eo amin’ny laharan’ny “Com­mandeur” izy, ho an’ny mariboninahitry ny kanto, ny soratra ary ny kolontsaina. Tonga manokana tany an-toerana, nanolotra izany, ny Sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina, Rakotondrasoava Fetra. […]
  • Nisandoka ho zandary : Tratra ireo jiolahy nitifitra olona teo amin’ny lohany
    Newsmada - 04:48 Dec 17, 2024
    Natolotra ny fampanoavana ka naiditra vonjimaika am-ponja, omaly, ireo jiolahy enina voarohirohy ho tompon’antoka tamina fanafihana narahina vonoan’olona tao Analalava. Ny alin’ny 31 jolay 2024, nisy jiolahy roa nanao fanamiana zandary nitondra basy vita tanana iray tonga tao amin’ny fokontany Andavaravina, kaominina sy ditrikan’Analalava. Rehefa tonga tao ireo olona ireo, […]
  • Badminton – «Mada jeune»: Nisongadina ny CBFJ sy ny MB2 All
    Newsmada - 04:47 Dec 17, 2024
    Notanterahina teny amin’ny Kianja mitafo ANS Ampe­filo­ha, ny sabotsy 14 sy ny alahady 15 desambra lasa teo, ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara taranja badminton, ho an’ny sokajy zandriny. Nisongadina tamin’ny fandrombahana ny amboara ny MB2 All sy ny CBFJ Ambohitrimanjaka, izay samy avy amin’ny ligin’Analamanga. Samy nahazo anaram-boninahitra roa avy […]
  • SOMBIM-BAOVAO
    Newsmada - 04:47 Dec 17, 2024
    Mitohy hatrany ny fahombiazana ho an’ny klioban’ny Fosa Juniors FC Boeny. Resin’izy ireo, 2 no ho 1, ny TFFC Boeny, ny alahady lasa teo, tany Mahajanga. Tsiahivina fa ity no fifanandrinana miverina ho an’ny roa tonta, amin’ity fifanintsanam-pirenena”Pureplay Football League (PFL)”. Mety hisy moa ny fanovana ny rafi-pifanintsanana amin’ny PFL. […]
  • Pancrace-Mada : Nisongadina ny avy eto Analamanga
    Newsmada - 04:46 Dec 17, 2024
    Tontosa, ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny Kianja mitafon’Ankorondrano, ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, taranja haiady Pancrace. Ligy telo (Ana­lamanga, Toamasina, Mahajanga) no nanana solontena, ka nisongadina, nandritra izany, ny ligin’Analamanga. Klioba anisan’ny nahazo medaly maro indrindra ny mpikatroka avy eo anivon’ny Tsunami, izay nahazo fandresena dimy tamin’ireo famaranana 12. […]
  • Ankadilalana : Fiara nitrongy moto
    Newsmada - 04:40 Dec 16, 2024
    Zazakely iray nentina moto no naratra vokatry ny lozam-pifamoivoizana teny Ankadilalana, manoloana ny tobin’ny zandarimaria, ny zoma alina teo. Fiara kely iray nitrongy mpandeha moto iray tamin’io alina io. Araka ny fanazavana voaray avy amin’ny zandary, malalaka tsara ny lalana saingy tsy fantatra izay nahazo ilay fiara fa nifatratra tany […]
  • Safidy: “Ambany hatrany ny taham-pandraisana anjaran’ny mpifidy”
    Newsmada - 04:40 Dec 16, 2024
    “Mbola ambany hatrany ny taham-pandraisana anjaran’ny mpifidy tany amin’ireo biraom-pifidianana narahin’ny Safidy maso. Eny, na niakatra aza izany ampitahaina amin’ny fifidianana kaominaly 2019”. Io ny fanambaran’ ny Sam­pana anaraha-maso ny fifidianana, ivon’ny demokrasia ifarimbonana (Safidy), notarihin’ny mpitondra teniny, Razanamahefa Désirée Marie Stella, teny Ambatonakanga, afakomaly, momba ny fizotran’ny fifidianana kaominaly […]
    Tags: Safidy
  • TARATRY ny KANTO
    Newsmada - 04:39 Dec 16, 2024
    Samy manana ny kolontsainy ny Malagasy. Io fahasamihafana io, mbola nampian’ny kolontsaina nentin’ ny vahiny… Azo veroka amin’izany ny mety ho « endriky ny kolontsaina » malagasy ankehitriny. Na izany aza, « ao anaty ra ny kolontsaina », hoy ny mpandinika sasany. Izany hoe, sarotra ny manala azy tsy ho lova avy amin’ ny […]
  • Nahatarafana ny seho ho an’ny taona 2025 : nafana ny fiarahan’i Erick Manana sy i Dama
    Newsmada - 04:39 Dec 16, 2024
    Notanterahina tao amin’ny CCEsca Antanimena, ny faran’ ny herinandro teo, ilay seho an-tsehatra niarahan’i Erick Manana sy i Dama. Na tsy hipoka aza ny efitrano, tsapa hatrany ilay hafanana nampifamatotra azy mirahalahy sy ny mpijery teny an-toerana. Nasongadin’ny fizarana tsirairay izany. Na, i Erick Manana sy ny gitarany, na i […]
  • Mahamasina : nihaona tamin’ny mpankafy i Goulam
    Newsmada - 04:38 Dec 16, 2024
    Tontosa tetsy amin’ny Kianjan’ny fanatanjahantena Maha­masina, ny sabotsy teo, ny fampisehoana nataon’i Goulam, mpanakanto kaomorianina, tonga nanatanteraka seho eto Madagasikara. Nihemotra tamin’ny 6 ora hariva ny fanombohan’ny fampisehoana, raha toa ka tamin’ny 2 ora sy sasany tolakandro ny fotoana nifanomezana. Tsy niala fa teo hatrany ireo mpankafy tonga namaly ny […]
    Tags: Goulam
  • COACHING SELF DEFENSE
    Newsmada - 15:02 Dec 14, 2024

2665 items