Newsmada

Found 2195 news

  • Tsipy kanetibe: lasan’i Lesakely ny amboara
    Newsmada - 07:40 Aug 14, 2024
    Norombahin-dRatsimbazafy Hajatiana (Lesakely) ny am­boara tamin’ny fifaninanana ho an’olon-tokana, taranja tsipy kanetibe, natao tany Romans-sur-Isère, ny alatsinainy lasa teo. Fihaonana nahavory mpandray anjara miisa 300 mahery, manerana an’i Frantsa. Resin’i Lesakely teo amin’ny famaranana, tamin’ny isa 13 no ho 8, i Marzouk. Teo amin’ny “mène”, roa voalohany ihany no nitarika […]
    Tags: Lesakely
  • Rugby : Zarasoa, Malagasy milalao ao amin’ny XV de France
    Newsmada - 07:39 Aug 14, 2024
    Mandalo eto an-tanindrazana i Zarasoa (Zarah), ilay tovovavy malagasy milalao rugby, mandrafitra ny XV de France. Nohararaotina ny fahitana azy, ka nitantarany ny fiainany sy ny fahitany ny baolina lavalava malagasy. Malagasy voalohany mandrafitra ny XV de France, amin’ny taranja rugby, i Macquart Zarasoa (Zarah). Mizaka zom-pirenena roa ny tovovavy […]
  • Mitaky fitandremana : maro ny mandiso tantara
    Newsmada - 07:38 Aug 14, 2024
    Manomboka liana ny Mala­gasy! Tao anatin’ny dimy taona, nitombo sy nivelatra be ny sehatra ahafahana milaza hevitra sy maneho momba ny tantara. Nitombo nanaraka izany ihany koa ny isan’ireo mpampahafantatra (mpika­roka, mpampianatra, olona tsotra, mpahay tantara…) tantara. Tranga mitaky fitandremana fatratra, satria, mety hitarika any amin’ny fahadisoana goavana any aoriana. […]
  • Muay Thaï -“Gildas Fight Night”: fankalazana ny faha-60 taonan’ny Maître Gildas
    Newsmada - 06:37 Aug 13, 2024
    Mankalaza ny faha-60 taonany ny Maître Razanajatovo Gildas. Ho fankalazana sy ho fanamarihana izany, hisy ny ady eo amin’ny taranja Muay Thaï, hatao ny sabotsy 17 aogositra ho avy izao. Ady 16 no hitranga amin’io fotoana io, eny amin’ny Henri Fraise An­ko­rondrano. Hiavaka sy ho avo lenta tanteraka ireo ady […]
    Tags: Muay
  • SOMBIM-BAOVAO
    Newsmada - 06:37 Aug 13, 2024
    Norombahin’ny ekipa malagasy, nahitana an’i Hery Morondava, Sedrick ary i Donald indray ny Supra National Top 1 000, Le Puy en Velay, taranja tsipy kanetibe. Fihaonana, natao tany France, afakomaly. Tsiahivina fa tafiditra ao anatin’ny «Tournée Estivale 2024» izao lalao izao. Resin’ny Rosa Club de l’Imerina, tamin’ny isa 18 no ho […]
  • Handball – sokajy zandriny : nanao pao-droa ny HCEST
    Newsmada - 06:37 Aug 13, 2024
    Tontosa ny sabotsy lasa teo, teny amin’ny Kianja mitafon’Ankorondrano, ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, taranja handball, sokajy Minimes sy Cadets ary Juniors. Nanao pao-droa ny ekipan’ny HCEST (Handball club espoir sportif de Tuléar). Samy norombahiny avokoa ny teo amin’ny sokajy roa, Minimes sy Cadets. Nandresy ny ekipan’ny Solidaire Boeny ny […]
  • Baolina kitra – Amboaran’i Afrika : hanainga amin’ny alahady izao ny Elgeco Plus
    Newsmada - 06:37 Aug 13, 2024
    Vonona ny Elgeco Plus hiatrika ny fiadiana ny amboaran’i Afrika, taranja baolina kitra. Lalao hifanandrinana amin’ ny Club Desportivo Da Lunda Sul. Miisa 28 ireo handrafitra ny delegasiona malagasy, hanafika atsy Angola. Ao anatin’ny tsipika ma­hitsy farany amin’ny fanomanana ny dingana savaranonando hiadiana ny amboaran’ny Kaonfedera­si­o­na, ankehitriny, ny Elgeco Plus […]
  • INDRAY MIJERY
    Newsmada - 06:36 Aug 13, 2024
    Mitohy hatrany ny fanomezana fiofanana ataon’ny Fitaleavana misahana ny fampiofanana sy ny fanamafisana ny fahaiza-manao eo anivon’ny Fitaleavana ankapoben’ny fampiroboroboana ny fampananana asa. Manomboka ny tapaky ny volana septambra no hanatontosana izany ho an’ireo izay liana . Tafiditra amin’ny tetikasa «Vinanasa mendrika» ny fanomezana fiofanana. Nanamafy ny fahalalana mahakasika ny […]
  • Tetikasa Volobe: tafapetraka ny vato fehizoro
    Newsmada - 07:07 Aug 12, 2024
    Napetraka ao amin’ny fokontany Ambodimanga, kao­minina Ambodilazana, distrikan’i Toamasina II, ny zoma teo, ny vato fehizoro hanombohana ny tetikasa Volobe. Toerana hananganana sy hametrahana ireo fotodrafitrasa hanatanterahina ny tetikasa. Nitarika izany ny minisitry ny Angovo sy ny akoranafo, Jean-Baptiste Olivier, sy ny tale jeneralin’ny CGHV, Remy Huber. Marihina fa hananganana […]
  • VAOVAO TAMBATRA
    Newsmada - 07:07 Aug 12, 2024
    Handray anjara amin’ny fihaonana antampony momba ny fiaraha-miasa eo amin’i Sina sy Afrika (Focac) atao any Beijing, ny 4-6 septambra, i Madagasikara. Lohahevitra ny hoe « Miara-miasa amin’ny fampiroboroboana ny fanavaozana sy fananganana vondrona Chine-Afrika avo lenta ho an’ny hoavy iombonana ». Laharaham-pahamehan’ny fanjakana ny “Medium Ring Tana”. Tetikasa hananganana zotra fitaterana […]
  • Fifanakalozana ara-barotra: hitohy 10 taona manaraka ny Agoa
    Newsmada - 07:06 Aug 12, 2024
    Tsara ny vokatra. Resy lahatra ny hanohizana indray ny fahafaha-manondrana eo amin’ny tsenam-barotra African Growth and Opportunity Act (Agoa) ny kongresy amerikana, nandritra ny fivoriambe faha-21 natao tany Washington DC. Andrasana ny fotoana hanavaozana ny lalàna amerikana momba ny fifanakalozam-barotra ho an’ny 10 taona manaraka na mihoatra, amin’ity taona ity. […]
    Tags: AGOA
  • Tsena iraisam-pirenena: hanondrana vary isika amin’ ny taona 2027
    Newsmada - 07:06 Aug 12, 2024
    Mikasa hanondrana vary mainty sy mena eo amin’ny tsena iraisam-pirenena i Madagasikara manomboka ny taona 2027 rehefa tratra ny fahavitan-tena ara-tsakafo. Tafiditra ao anatin’ny paikady nasionalin’ny fampiroboroboana ny vary, SNDR3, ny tetikasa fanondranam-bary ataon’i Mada­gasikara ny taona 2027 raha vao tratra ny fahaleovan-tena ara-tsakafo. Maharitra taona maro ny fanomanana ny […]
  • INDRAY MIJERY
    Newsmada - 07:05 Aug 12, 2024
    Hisy ny hetsika fandidiana maimaimpoana ataon’ny CHU Andohatapenaka, ho fanamarihana ny faha-10 taonan’ny hopitaly, ny volana septambra ho avy izao. Hanomboka anio ny fizahana mialoha hahafahana manatanteraka izany. Iarahana amin’ireo vahiny avy any Turquie, mpitsabo, ny fandidiana ny aretin’ny sofina, ny orona, ny nify ary ny aty vava. Manomana hetsika […]
  • Vaovao tambatra
    Newsmada - 06:31 Aug 10, 2024
     Plastika ny 10% ny fako eto Madagasikara, izay mahatratra 68 985 taonina. Natao ny 8 aogositra teo ny fifanarahana eo amin’ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fikambanana Fakotory. Tanjona ny hanodinana ny fako plastika, vita amin’ny akora vinyl, ho lasa kitapo fiantsenana ho solon’ny harona plastika.  Simba ny fitaovana fampiakaran-tosika […]
  • Lalam-pirenena RN7: arahi-maso ny orinasa manarina ny lalana
    Newsmada - 06:30 Aug 10, 2024
    Nijery ifotony tany Ambositra ny ekipan’ny minisiteran’ny Asa vaventy (MTP), ny 3 aogositra teo. Nanatanteraka izany ny Fitantanana ny fotodrafitrasa (Dinfra) ao amin’ny minisitera foibe, niaraka tamin’ny Fitantanam-paritry ny Asa vaventy (DRTP) Amoron’i Mania. Nojerena ny fivoaran’ny asa efa mandeha amin’ny lalam-pirenena fahafito, RN7, eo amin’ny halaviran-dalana, PK 258, eo […]
  • Famatsiam-bola Exim Bank: hatsaraina ny tambajotra herinaratra RIA
    Newsmada - 06:29 Aug 10, 2024
    Misy ny tetikasa goavana, hitaterana herinaratra hanatsarana ny Tambajotra irai­san’Antananarivo (RIA), ho an’ny faritra Analamanga, Vaki­nankaratra ary Itasy. Ta­fiditra ao anatin’ny tetikasa « Tana Medium Ring » (TMR) ity asa ity, vatsian’ny banky sinoa Exim Bank. Tanjona ny hampitomboana ny tahan’ny mpanjifa misitraka herinaratra, araka ny voasoritra ao anatin’ny Politika ankapoben’ny fanjakana […]
  • Karama ambony indrindra: mijanona ho 20 % ny tahan’ny Hetra alaina amin’ny karama (Irsa)
    Newsmada - 06:26 Aug 10, 2024
    Tsy mitovy avokoa ny hetra alaina amin’ny karaman’ny tsirairay. Mijanona ho 20 % ihany kosa ny tahan’ny Irsa alaina amin’ny ampahan-karama ambony indrindra. Manamafy ny Foibem-pitondrana ankapobeny ny hetra (DGI) fa mijanona ho 20% ny tahan’ny hetra alaina amin’ny ampahan-karama ambony indrindra taorian’ny filazana niparitaka fa hiakatra ho 25 % […]
    Tags: Irsa
  • Sombim-baovao
    Newsmada - 06:20 Aug 10, 2024
    Nanadio ny Kianja Barikadimy ao Toamasina avokoa ireo klioba sy olon-tsotra ao an-toerana, omaly. Ity fotodrafitrasa ity izay efa nahitana fahasimbana amin’ny toerana sasany. Nitarika ny hetsika ny ligim-paritra Atsinanana izay nanentana mba hikajiana io kianja io, izay hany mampiavaka ny faritra. Nifarana omaly, ny fisoratana anarana amin’ny Mobil Rally […]
  • IO VACANCES MAHAJANGA 4
    Newsmada - 13:25 Aug 09, 2024
    Servir, service, serviable, le quotidien d’un métier;
  • Kianja Barea: 40 nisitraka fiofanana tamin’ny Caf
    Newsmada - 11:47 Aug 09, 2024
    Nofaranana tamin’ny fomba ofisialy omaly, teny amin’ny Kianja Barea Mahamasina, ny fampiofanana eo amin’ny lafiny fandriampahalemana, izay karakarain’ny Caf. Miisa 40 ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny nahazo fiofanana tamin’izany. Anisany ny teo anivon’ny Federasiona malaga­sin’ny baolina kitra (FMF) sy ireo tomponandraikitra ao amin’ ny klioba 16 mandrafitra ny Cfem ary ny zandary […]

2195 items