Newsmada

Found 3510 news

  • Lutte sy ny MJS : Vonona hiaro ny tombontsoan’ ireo atleta ny minisitra
    Newsmada - 05:28 Jan 31, 2026
    Ny alakamisy lasa teo, tonga nitsidika ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena (MJS), Rasambany Alain Désiré, tetsy Ambohijatovo, ny Fe­derasionina malagasin’ny taranja tolona(FML), tarihan’ny filohany, Raveloson Ma­mitiana. Nisongadina nandritra ny fihaonana ny filazan’ireo Malagasy atleta ny tena hetahetany sy ny fanamby apetrak’izy ireo amin’ity taranja ity. Nanamafy ny minisitra […]
  • TARATRY ny KANTO
    Newsmada - 05:28 Jan 31, 2026
    Mbola miteraka resabe ny tetivintana. Samy manana ny ambarany avokoa ireo rehetra mitonona sy milaza fa mahay mitety vintana. Tsy mitovy amin’ny fanisana andro na vahiny mantsy ny tetivintana malagasy. Io no hamantarana ny mombamomba ny zaza teraka iray. Amin’izao vanim-potoana izao, be loatra ny fahasamihafana. Indraindray aza, mifanohitra tanteraka […]
  • INDRAY MIJERY
    Newsmada - 05:27 Jan 31, 2026
    Notanterahina tamin’ity herinandro ity, tao amin’ny Oniversiten’i Toamasina, ny fametrahana amin’ny fomba ofisialy ny filohany, Pr Razanakolona Diny, sy ireo Sojabe ary talen’ny sekoly doktoraly. Mifototra amin’ny fitantanana mangarahara ho tombontsoa maharitra ny Oniversite, fanatsarana ny kalitaon’ny fampianarana, ny fanatsarana sy fanavaozana ny fotodrafitrasa, ary fametrahana ho laharam-pahamehana ny fiaraha-miasa […]
  • CENHOSOA Soavinandriana : Am-polony ireo ankizy nodidiana fo maimaimpoana
    Newsmada - 05:27 Jan 31, 2026
    Hopitaly hany tokana mi­sahana ny fitsaboana ireo zazakely manana fahasarotana ao amin’ny fo ny hopitaly miaramila (CenHoSoa) eny Soavinandriana. Omaly, nitsidika tamin’ny fomba ofisialy ity sampam-pitsaboana zazakely manana olana amin’ny fo ity ny minisitry ny Foaloalindahy (MFA), ny Jly Razafitombo Ely. Niaraka taminy tamin’izany ny masoivoho frantsay, Arnaud Guillois, ny […]
  • Basikety-Ratianarivo Livio: “Mila tanjaka ara-batana raha te hahomby”
    Newsmada - 06:28 Jan 30, 2026
    Miditra amin’ny andro fa­ha­dimy, anio, ny fampivondronana ny Malagasy mpilalao, Ankoay, taranja basikety, ha­no­manana ny fifanintsanana amin’ny fiadiana ny amboara maneran-tany, hatao any Da­kar, amin’ny faran’ny volana febroary. Herinandro izay no vita, nanaovana ny fanamafisana ny tanjaka ara-batana. Nambaran-dRatianarivo Livio, Malagasy mpilalao, fa “io tanjaka ara-batana io no tena ilaina. […]
  • SOMBIM-BAOVAO
    Newsmada - 06:27 Jan 30, 2026
    Fantatra omaly avokoa ireo klioba tsy hiatrika ny lalao sakana amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa, « Ligue des Champions LDC 2026 ». Anisan’ ireo ekipa tsy maintsy hiatrika izany kosa ny Real Madrid, espaniola, ny Paris Saint Germain FC, frantsay, izay tompondakan’ny LDC farany teo. Tsiahivina fa resin’ny Benifica tamin’ny isa […]
  • StarTimes : Fitantarana lalao amin’ny teny malagasy
    Newsmada - 06:27 Jan 30, 2026
    Tolotra manakaiky vahoaka, natao ho an’ny Malagasy rehe­tra. Mitohy ny fitantarana amin’ny teny malagasy, ao amin’ny rohim-pandaharana fahitalavitra avoakan’ny Star­Times, ireo fifaninanana baolina kitra iraisam-pirenena, toy ny fifaninanana espaniola Laliga. Manatanteraka izany ny mpitantara matihanina, i Daniel Randriamaro sy i Edouard Rato­voson, fantatry ny maro hoe Rayest. Efa nanomboka tamin’ […]
  • Pureplay Football League : Tsy mandray lalao ny Kianja Rabemananjara
    Newsmada - 06:27 Jan 30, 2026
    Tsy afaka hampiantrano lalao amin’ny fifaninanam-pirenena “Pureplay Football League (PFL)” ny Kianja Rabemananjara Mahajanga noho ny fisian’ny korontana ataon’ny mpitsara vitsivitsy, izay mikomy any an-toerana. Nanapa-kevitra ny tomponandraikitra eo anivon’ny CFEM ny tsy hanisy fihaonana any an-toerana mandra-pahatonga ny lamina vaovao. Tapaky ny mpikambana eo anivon’ny Kaomisio­nina hikambanan’ireo klio­ba elita […]
  • INDRAY MIJERY
    Newsmada - 06:26 Jan 30, 2026
    Araka ny vinavina, hitombo hery miandalana ilay andro ratsy ao amin’ny Lakandranon’i Mozambika ary tomombana amin’ny ankapobeny ny tontolo ivoarany. Mety ho lasa rivodoza izy, anio. Araka ny antontan-kevitra voaray, manambana mivantana ny faritra Ava­ratra Andrefana iny ity andro ratsy ity, rahampitso maraina. Entanina sahady ny mponina amin’ny faritra Boeny […]
  • Kolontsaina sy zavakanto: Mbola vitsy ireo sahy mamatsy tetikasa
    Newsmada - 06:08 Jan 29, 2026
    Hatramin’izao, mbola ny tontolon’ny hira ihany no ma­hi­ta hirika. Manome na mampiasa vola hanatanterahina ny famerenan-kira sy ny fiakarana an-tsehatra ny mpandraharaha, rehefa avy nanao kajy fa ho voaverina ny volany. Ha­hazo tombony izy. Tsy ny hira irery, anefa, no zavakanto. Ani­san’ny manana tetikasa goavam-be, ohatra, ry zareo mpanao tantara […]
  • Tarika AmbondronA : Hiaraha-mankalaza amin’ ny mpankafy ny 25 taona
    Newsmada - 06:08 Jan 29, 2026
    Tsy iadian-kevitra intsony fa anisan’ireo tarika malaza indrindra eto Madagasikara ny tarika AmbondronA. Naharitra tao anatin’izay laza izay koa, satria efa 25 taona nisiana. 2001-2026. Feno 25 taona amin’ity ny nisian’ny tarika AmbondronA. Nandalo sedra maro vao tonga amin’izao lazany izao ny tarika tao anatin’izay fotoana izay. Noho ireo mpankafy […]
  • SOMBIM-BAOVAO
    Newsmada - 06:07 Jan 29, 2026
    Namoaka tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny pejy Facekookny, afakomaly, ny Disciples FC fa mpilalaon’izy ireo, ankehitriny, i Fely sy i Radokely. Tsiahivina fa ireto mpilalao roa ireo izay efa nandrafitra ny Barean’i Madagasikara nandritra ny fifanintsanana Chan, ny taona 2023 teo i Radokely, nitondra avo ny ekipa nasionaly malagasy tamin’izany […]
  • Pentathlon Moderne Malagasy: Lasa fa namela mamy ny Maitre Faly
    Newsmada - 06:07 Jan 29, 2026
    Misaona ny Federasionina malagasin’ny taranja Penta­thlon moderne (FMPM). Nodi­mandry teo amin’ny faha-51 taonany, afakomaly, Rafilipo­harijaona Faliharimanana na ny Maitre Faly, tale teknika na­sionalin’ny FMPM. Lasa ny Maitre Faly, saingy namela ny tsara ho an’ny taranja sy ireo zandry. Nilaza Randriamalala Nathalie, filohan’ny Federa­sionina Pentathlon moderne eto Madagasikara, fa izy no […]
  • Basikety-FMBB: Hatao ny 11 febroary ny fifidianana
    Newsmada - 06:07 Jan 29, 2026
    Tapitra amin’ity volana janoary ity ny fe-potoana itantanana ho an’ny eo anivon’ny Federasionina malagasin’ny basikety ankehitriny, izay tarihan’ny filohany, Ramaroson Jean Michel. Araka izany, nivoaka ny fampiantsoana fivoriambe sy fifidianana. Hatao ny alarobia 11 febroary izao, eto Antanana­rivo, saingy mbola tsy voafaritra mazava ny toerana hanaovana izany, hatreto. Ho an’ny […]
    Tags: Hatao
  • 1 000 andro eo amin’ny zaza: Hifanakalo ny zava-misy ireo mpisehatra
    Newsmada - 06:03 Jan 28, 2026
    Mivory mandritra ny hateloana, eny Anosy, ny mpisehatra amin’ny fahasalaman’ny reny sy zaza tarihin’ny mpi­tsabo manokana ny zaza (So­maped) sy ny fivondronan’ny mpitsabo ny vehivavy (gynécologue) Comago. Ilaina ny fanatsarana ny fandraisana an-tanana sy ny fomba fiasa ho an’ireo mpikarakara ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza. Miantoka ny fivoaran’ny zaza […]
  • Ostie : Sokajiana ireo mila fitsaboana maika
    Newsmada - 06:03 Jan 28, 2026
    Ampahafantarin’ny Ostie an’ireo tonga mitsabo tena ao aminy ny fisokajiana ireo marary mila vonjy aina na Cas urgent. Sokajiana ho ao anatin’io sokajy io ny olona iray raha toa ka tsy mahatsiaro tena na misy hafanana 38°5C no mihoatra. Torak’izany koa ireo maratra ka mety hiteraka fahaverezan-dra be loatra. Eo […]
  • Faritra Analamanga : Misokatra amin’ny loko rehetra ny fiaraha-miasa
    Newsmada - 06:03 Jan 28, 2026
    Manan-jara Ivato novangian’ny Lehiben’ny faritra Analamanga, omaly. Nitondra tantsoroka ho an’ny kaominina ny fitsidihana, hisian’ny fampandrosoana haingana. Nitsidika ny kaominina Ivato ny lehiben’ny faritra Analamanga, Raha­rinirina Clémence. Nandamina ny fiaraha-mi­asa tamin’ny kaominina ma­ro­maro tao amin’ny distri­kan’­Am­bohidratrimo izy tamin’izany. Nambarany fa misokatra ho an’ireo ben’ny Tanàna re­hetra, tsy mifidy loko ary […]
  • Fanabeazana sy fampianarana : Mbola misy diso fandray ny « fanagasiana »
    Newsmada - 06:01 Jan 28, 2026
    Taorian’ny taona 1972 na­naovan’ny mpianatra fihetsehana ho fanoherana ny fanjakazakana mivantana sy ankolaka nataon’ny Frantsay teo amin’ny tontolon’ny fanabeazana sy fampianarana, nipoitra tsikelikely ny « fanaga­siana ». Taona 2026, mbola misy diso fandray ihany ny tena raiketin’io teny io. Vohi­zina mafy indray ny fandikan-teny. Tafiditra ao anatin’izany rehefa mety ho voambolana vahiny. […]

3510 items