Newsmada

Found 2195 news

  • Mgr Randriamamonjy Marcellin: voatendry ho evekan’ny diosezin’i Farafangana
    Newsmada - 08:11 Jan 07, 2025
    Tafapetraka tamin’ny fom­ba ofisialy ny alahady lasa teo ny eveka, ny Mgr Randriamamonjy Mar­cellin. Voatendrin’ny papa ray masina hiasa sy hitantana ny diosezin’i Farafangana, raha toa ka niasa teo anivon’ny diosezin’i Fenoarivo Atsinanana, teo aloha. Noraisina tamin’ny fomba ofisialy tamin’ny alalan’ny fotoam-pivavahana, tany an-toerana, izy, nandritra izany. Fotoana nanatanterahany ny […]
  • Newsmada - 08:06 Jan 07, 2025
    Vitan-dratsy ho an’ilay mpanamory frantsay, i Sebastien Loeb, ny andiany faha-17 amin’ny Rally Dakar. Tojo olana elektronika ny fiara nentiny ka voatery miato hatrany izy nandritra ireo dingana notanterahina ny alahady sy omaly. Tsiahivina fa nanomboka ny 3 janoary teo ity fifaninanana ity ary hifarana ny faha-17 n’ity volana ity. […]
  • Taekwondo WT: hatao any Vakinankaratra ny fifaninanana nasionaly
    Newsmada - 08:04 Jan 07, 2025
    Raha ny fanadihadiana natao omaly, teo anivon’ny Federasiona malagasin’ny taranja Taekwondo WT (FMTKD), hatao any Antsirabe, ny volana aogositra ho avy io, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara. Hanana ny lanjany tanteraka ity fifaninanam-pirenena ity. Ny efatra voalohany isan-tsokajy ihany no afaka miatrika ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, izay hotontosaina […]
  • Baolina kitra – «Chan 2025»: hatao amin’ny 15 janoary ny antsapaka
    Newsmada - 08:02 Jan 07, 2025
    Izay vao raikitra. Hatao ny alarobia 15 janoary ho avy izao, ny antsapaka hahalalana izay iray vondrona amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja baolina kitra ho an’ny ekipam-pirenena tsy misy mpilalao matihanina «Chan 2025». Nampahafan­tatra izany, omaly, tao amin’ny tranokalam-pifandraisany ny Kaonfederasiona afrikanina baolina kitra (Caf). Ny lanonana dia […]
    Tags: Chan
  • Taolagnaro: nirehitra ny valan-javaboahary Andranara
    Newsmada - 07:52 Jan 06, 2025
    Nitrangana firehetana tao amin’ny valan-javaboahary Andranara Ambinanibe, Taola­gnaro, ny sabotsy tolakandro teo. Araka ny loharanom-baovao voaray avy any an-toerana, ny ampahany manamorona ny seranam-piaramanidina ao Taolagnaro sy ny ampahany ao Antany Menabe no nirehitra tamin’io fotoana io. Nanamafy izany rahateo koa ny minisitra iray eo anivon’ny governemanta tompon’ny ampahany nirehitra […]
  • Farafangana: mpanapa-doha telo lahy notanana am-ponja
    Newsmada - 07:51 Jan 06, 2025
    Niakatra fitsarana ny 3 janoary teo, niara-notanana am-ponja ireo telo lahy tompon’ antoka tamin’ny fanapahan-doha tao Farafangana. Dahalo telo lahy, nisandoka ho jama tao amin’ny tanànan’Anam­ba­kaka Iabohazo, distrikan’i Fara­fangana, ny 18 desambra 2024 lasa teo. Nalain’izy ireo an-keriny, tamin’izany, ny lehilahy iray fantatra amin’ny anarana hoe Dao. Notapahin’ireo tsy valahara […]
  • Taratry ny kanto
    Newsmada - 07:49 Jan 06, 2025
    “Sandra-kalo, Zara fanahy” hetsika tanterahin’ ny avy eo anivon’ny Faribolana Sandratra ho fankalazana ny famaranana ny faha-35 taona nijoroany. Eny amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy, ny zoma 10 janoary, no hanatanterahina ny hetsika. Aorian’izay, hitohy hatrany ireo hetsika samihafa nahafantarana ity faribolana ity. Hisy ny atrikasa mahakasika ny sokajina hatsikana Stand Up […]
  • Musée de la Photographie: mandravaka ny toerana ny momban-dRamilijaona
    Newsmada - 07:46 Jan 06, 2025
    Anisan’ireo hetsika hita eny amn’ny Musée de la Photographie Anjohy ny fampirantiana ny sanganasa sy ny momban-dRamilijaona. Izy izay sokajian’ny rehetra ho Rain’ny Sary pika malagasy. Fampirantiana izay nanomboka ny volana desambra 2024 hatramin’izao. Tanjona ny hampahafantra ny taranaka aty aoriana ny olona nanana ny naha izy azy fahiny. Tamin’ny […]
  • “Prix Paritana” andiany fahasivy: efa nisokatra ny fandraisana anjara
    Newsmada - 07:45 Jan 06, 2025
    Misokatra ny 3 janoary hatramin’ny 23 febroary 2025 ny fandraisana ny tetikasan’ireo mpanakanto maniry ny handray anjara amin’ny fifaninanana “Prix Paritana” andiany fahasivy. Eo anivon’ny tranokalan’ny Fondation H no ahafahana manao izany fisoratana anarana izany. Mala­gasy mpanakanto na mpanakanto monina eto Mada­gasikara no afaka mandray anjara amin’izany. Tohana amin’ny lafiny […]
  • Ao anatin’ny telo andro ho avy : Ho maina ny andro amin’ny ankapobeny
    Newsmada - 05:04 Jan 04, 2025
    Mbola hitohy hatrany ny orana tandrifin-drahona ho an’ny faritra afovoany andrefana sy avaratra andrefan’ny Nosy, manomboka androany hatramin’ny alatsinainy ho avy izao, raha ny fampahafantarana navoakan’ny foibe famantarana ny toetr’andro. Ho maina kosa ny any amin’ny faritra ambiny re­hetra, raha ny vinan’izy ireo hatrany. Ho an’ny toetr’andro, anio manokana, hisy […]
  • TARATRY ny KANTO
    Newsmada - 05:04 Jan 04, 2025
    Hitondra atrikasa mahakasika ny fanaovana petakofehy eny amin’ny Fondation H Ambatomena i Carine Ratovonarivo, anio. Ho hita mandritra izany avokoa ny antsipiriany amin’ny fanaovana petakofehy, miantomboka amin’ny fifidianana kofehy ka miafara any amin’ ny fanaingoana ny asa vita. Ilay atao fitaratra mihitsy no tsy hita. Endriky ny kolontsaina ankehitriny io? […]
  • «Le Meilleur Patissier» : Tafita amin’ny famaranana Razafinimanana Tsiory
    Newsmada - 05:03 Jan 04, 2025
    Tontosa ny alakamisy teo, tany Frantsa, ny dingan’ny manasa-dalana amin’ny fifaninanana “Le Meilleur Patis­sier”. Tafakatra amin’ny din­gan’ny famaranana i Tsiory Razafinimanana. Ny Televi­ziona M26 ao Frantsa no nikarakara ny fifaninanana izay efa miditra eo amin’ny andiany faha-13. Haify sy nahandro no tsaraina sy hasongadina ao anatin’izany. Ankoatra ny fitrandrahana ireo […]
  • Tsanganafo: Efa nivoaka ny laharana faha-11
    Newsmada - 05:03 Jan 04, 2025
    Azon’ny rehetra jifaina nanomboka ny fiandohan’ny volana janoary ny Tsanganafo, laharana faha-11. Revio niomerika ahitana lahatsoratra maro samihafa momba ny tantaran’i Madagasikara, ny fomba amam-panao malagasy, teny, literatiora, ireo karazana kabary. Hita ao anatin’ny koa ny momba ireo harena voajanahary eto Madagasikara sy ny zavakanto. Tomponandraikitra amin’ny famolavolana sy fanatontosana […]
  • Famoahana boky : Ho maro saingy anatin’ny tsy fanarahana lamina
    Newsmada - 05:03 Jan 04, 2025
    Manomboka mampahafantatra ny vina 2025 ny mpanakanto. Anisan’ny misongadina amin’izany ny famoahana boky sy ny sanganasan’izy ireo. Tsy ny mpanoratra ihany fa saika ahitana an’io avokoa ny kanto ankapobeny. Hamoaka boky izahay! Io ny ankamaroan’ny vina na dingana hotantera­hin’ny tontolon’ny kolontsaina amin’ity taona 2025 ity. Ireo mpanoratra hamoaka ny sanganasany […]
  • Raharaha 60 tapitrisa Ariary: Ramatoa iray niakatra fampanoavana
    Newsmada - 06:19 Jan 03, 2025
    Natolotra ny fampanoavana, omaly, ny renim-pianakaviana misahana ny fandoavam-bolan’ny hopitaly iray ao Toamasina. Niaraka tamin’ireo vavolombelona roa samihafa miasa ao an-toerana. Raha tsiahivina, nisy jiolahy roa lahy niditra an-keriny tao anivon’ny hopitaly Be Toamasina. Intelo niditra varavarana izy ireo vao tonga tany amin’ny caisse. Nisy nahatsikaritra ny fidiran’izy ireo tao […]
  • Depiote “Del kely”: “Mila vola sy maka ny fon’ireo mahantra isika”
    Newsmada - 06:18 Jan 03, 2025
    Anisan’ireo nandaha-teny tamin’ny fiarahabana ny fianakaviana Ravalomanana teny Faravohitra, omaly, ny depiote “Del kely”. Nambarany tamin’izany ny paikady fisokafana. “Tsy hijanona ato anatiny eo amin’ny samy Tim intsony isika manomboka izao fa andao resena lahatra ireo mahantra sy ireo sahirana ary ireo tsy miraika amin’ny politika hanampy antsika hanao ny […]
  • 10 taona ny Oniversiten’Itasy: 20 ny lalam-piofanana amin’ny sekoly ambony
    Newsmada - 06:17 Jan 03, 2025
    10 taona niorenana ny Oniversite any Itasy, natao ho fanitarana ny Oniversite eto Antananarivo, handray ireo mpianatra monina anatin’ny faritra sy ny manodidina. 20 amin’izao fotoana izao ny lalam-piofanana (parcours) azon’ny mpianatra hisafidianana amin’ny ivontoeram-pampianarana dimy misy ao an-toerana. Ecole supérieure de l’ingénierie, Ecole supérieure de l’économie, de droits et […]
    Tags: Itasy
  • INDRAY MIJERY
    Newsmada - 06:16 Jan 03, 2025
    Miantso ny infirmier rehetra ny filohan’ny Conseil de l’ordre national des infirmiers de Madagascar (Conim) hisoratra anarana anatin’ny holafitra satria tsy maintsy atao izany. Matetika efa manana olana ireo infirmier vao mihazakazaka mangataka ny fanampian’ny holafitra. Ahitana orana tandrifin-drahona hatrany any amin’ny faritra avaratra sy avaratra atsinanana ary ny morontsiraka […]
  • Famaranana ny taona : Tratra ny tanjona napetraka ho an’ny mpikarakara
    Newsmada - 06:27 Jan 02, 2025
    Anisan’ny fety manan-danja ho an’ny sarambabem-bahoaka ny famaranana ny taona sy ny fitsenana ny taona vaovao. Nahafa-po ny hetsika ho an’ny teny anivon’ny trano filanonana, raha ny fanazavan’ny mpikarakara. Maro ny fikarakarana fety faran’ny taona teny anivon’ny trano filanonana ho an’ny teto Antananarivo. Anisan’ny nahitana izany ny tetsy anivon’ny Pk […]

2195 items