Newsmada

Found 2665 news

  • Clowns Sans Frontières : hanao hetsika eny Antaninarenina
    Newsmada - 04:46 Nov 21, 2024
    Hanatanteraka atrikasa fampahafantarana ny mahakasika ny « Cirque » eny amin’ny Cités des Cultures Antanina­re­nina ny ONG Clowns Sans Frontières. Hetsika iarahan’izy ireo miasa amin’ny fikambanana Hetsika Madagasikara sy ny Aléas Circus. « Sacré numéro » no lohateny nampitondraina ny fampisehoana. Tanjona ao anatin’izany ny fampahafantarana ny « Cirque » amin’ny olona. Ankoatra ity hetsika ity, […]
  • Tsy mety mahaleo tena : Kolo saina miandry vahiny no misy eto
    Newsmada - 04:46 Nov 21, 2024
    Tsy mety afa-bela amin’ny vahiny ny Malagasy. Tratran’ io tranga io avokoa ny sehatra re­hetra (kolontsaina sy ny zavakanto, ny toekarena, ny politika, ny fiainam-piarahamonina amin’ny ankapobeny…). Miankin-doha amin-dry zareo hatrany ka tsy mety tonga eo amin’ny tena fahaleovantena. Ho an’ny kolontsaina sy ny zavakanto ary ny fanabeazana manokana, maro […]
  • « Mozika mari-peo » : Tsikombakomban’i Fanja A, Rija R sy i Silo
    Newsmada - 04:46 Nov 21, 2024
    Hetsika iray maro mpiandry amin’ity faramparan’ny taona ity. « Mozika mari-peo », iarahana mpanakanto telo samy nametraka ny anarany eo amin’ny tontolon’ny zavakanto malagasy. «Tsiro telo mifanojo». Mahafehy ny endri-tsehon’ilay « Mozika mari-peo », hotontosaina ny 1 desambra izao, etsy amin’ny CCI Ivato izy ity. Tsikombakomba anaty mozika, iarahan’i Fanja Andriama­nantena, i Silo ary […]
  • SOMBIM-BAOVAO
    Newsmada - 04:45 Nov 21, 2024
    Tafita hiatrika ny famaranana amin’ny fiadian-toerana «Top 8», taranja rugby, ny Makis de Madagascar lehilahy. Omaly tany Maroc, lavon’izy ireo tamin’ny isa 33 no ho 7 ny liona tsy voafolak’i Cameroun. Hifandona amin’i Maroc, mpampiantrano ny Makis ny alahady ho avy izao. Mieritreritra ny hanao tolotra iraisam-pirenena, hitadiavana mpanazatra hitantana […]
  • Vehivavy mandraharaha : mitaky ezaka ny fitadiavana lalam-barotra
    Newsmada - 04:47 Nov 20, 2024
    Manaraka fiofanana ho fampivoarana ny lalam-barotra eto an-toerana sy any Afrika ary eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ireo vehivavy mpandraharaha miisa 20 avy amina faritra fito eto Ma­dagasikara. Fiofanana atao eny amin’ny Nexius Andra­nobevava, mandritra ny herinandro. Tanjona ny hanomezana ireo torolalana amin’ny fitadiavana lalam-barotra eto Afrika, hanatsarana ny kalitaon’ny vokatra. […]
  • VAOVAO TAMBATRA
    Newsmada - 04:46 Nov 20, 2024
    Manomboka miakatra ireo vidin’entana ilaina amin’ny fiainana andavanandro eny an-tsena. Voa­kasik’izany ny menaka, ny siramamy, ny entona fandrehitra ary ny arina. Mampitandrina ireo mpivarotra minia manararaotra mampiakatra ny vidin’entana tafahoatra sy ny fivarotana entana lany daty ny minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra. Velon-taraina manoloana ny zava-misy sahady ny […]
  • alan’i Makira : Vola 16 tapitrisa dolara hiarovana azy
    Newsmada - 04:46 Nov 20, 2024
    Hanokana 16 tapitrisa dolara ny orinasa iraisam-pirenena Rio Tinto, ao anatin’ny tetikasa Redd+. Entina hitantanana sy hiarovana ny valanjavaboaharin’i Makira, any avaratr’i Mada­gasikara, io fampiasam-bola io, iarahana amin’ny fikambanana Wildlife Conservation Society (WCS), ny Everland ary ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra (Medd). Anisan’ny ala mando mikitroka, hany […]
    Tags: Makira
  • Fifanakalozana : hiara-hiasa ny CCIFM sy ny Nosy Mayotte
    Newsmada - 04:46 Nov 20, 2024
    Vita sonia, omaly, teny amin’ny Antenimieran’ny varotra sy ny indostria France Madagascar (CCIFM) Androhibe, ny fifanaraham-piaraha-miasan’i Madagasikara sy ny Nosy Mayotte. Tanjona ny hampiroboroboana ireo tetikasa ara-toekarena iombonana, hisarihana ny fampiasam-bola ho an’ny fampandrosoana ny nosy roa tonta. Hitondra tombontsoa betsaka ho an’ny sehatry ny fizahantany, ny fambolena, ny jono […]
  • Kianja mitafo Arena Toamasina : nanolotra seho miavaka ny mpanao karate
    Newsmada - 04:52 Nov 19, 2024
    Anisan’ny nanatrika sy na­nome voninahitra ny fitokanana ny kianja mitafo Arena Toa­masina, ny teo anivon’ny Federasion’ny karate-do malagasy, ny faran’ny herinandro teo. Tsy nanotrona fotsiny ane­fa izy ireo fa nanolotra se­ho Kihon sy kata izay notari­hin’ny filoha sy ny Tale Teknika nasionalin’ny FKM. Voninahi­tra lehibe ho an’ny karate ma­lagasy ny […]
  • SOMBIM-BAOVAO
    Newsmada - 04:52 Nov 19, 2024
    Nanainga omaly, hihazo an’i Maroc, hiatrika ny fifaninanana hahazoana ny tapakila hiakarana ao amin’ ny Top 8 eto Afrika, ny XV Makis, lehilahy. Nilaza moa ireo mpilalao fa efa fotoana maro izay izy ireo no nanomana ary vonona ny hanome ny tsara indrindra avy aminy. Hotontosaina any Maputo, ny 5 […]
  • “Trail UCTS” – fahadimy : hizara fito ny sokajin-dalao amin’ity
    Newsmada - 04:51 Nov 19, 2024
    Hotanterahina ny 22, 23, 24 novambra ho avy izao, eto Antananarivo, ny andiany fahadimy amin’ny hazakazaka mitety vohitra sy natiora na ny “Trail UCTS”. Araka ny fanazavana nataon-dRazafinavalona Harimisa, talen’ny Ortana sady mpikarakara, miisa fito ny sokajin-dalao hatao amin’ity hetsika ity. Anisan’izany ny hazakazaka tsotra amin’ny halavirana mirefy 18 km, […]
  • Jeux vidéo eto Madagasikara : nosokafana tamin’ny fomba ofisialy ny Ligue PUGB mobile 
    Newsmada - 04:51 Nov 19, 2024
    Manomboka izao, hatao manara-drafitra sy matihanina ny «jeux vidéo» eto Madagasikara. Araka izany, napetraka ny Ligue PUGB mobile hikarakara ireo fifaninanana sy ny mpilalao. Hisokatra amin’ny sehatra iraisam-pirenena ihany koa ny fihaonana rehetra. Nampahafantarina ny zo­ma lasa teo, tetsy amin’ny IFM Analakely, ny fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny Ligue PUBG […]
  • Fitsinjovana fahasalamana : tsara ny manatona farmasia rehefa hividy fanafody
    Newsmada - 04:50 Nov 19, 2024
    Maro sy mitobaka eny an-tsena sy an’elanelan-trano eny ireo sehatra fivarotana fanafody amin’ny endriny maro, tsy ara-dalàna. Mety hitarika voka-dratsy eo amin’ny fahasalaman’ny olona mihinana azy izany, raha ny fanazavana nataon’ny mpitsabo, Dr Rabetsaroana Vololona. Tsara ny manatona tobim-pahasalamana sy tomponandraikitra eny anivon’ny fivarotam-panafody ary farmasia alohan’ny hividianana fanafody, mba […]
  • Olona iray maty : moto nifandona tamin’ny taxi-be
    Newsmada - 04:48 Nov 18, 2024
    Moto iray nitondra olona roa no nifandona tamina taxi-be iray mampitohy an’Anosy sy Imerintsiatosika. Nampivarahan­tsona ny zava-nisy teny an-toerana. Satria, maty tsy tra-drano ny lehilahy iray nitondra ilay moto raha nipitika mihitsy ny tongotr’ilay tovovavy sakaizany nipetraka tao aoriany. Voalazan’ ireo olona nanatri-maso ny fitrangan’ny loza teny an-toerana, nandeha mafy […]
  • Fanotofana tany tsy ara-dalàna : hatsangana ny vondrona manokana miady amin’izany
    Newsmada - 04:48 Nov 18, 2024
    Naaton’ny fanjakana ny fanotorana tany noho ny antony maro samihafa. Mbola misy anefa ireo manao izany ankehitriny ka handraisan’ny fanjakana sy ny tomponandraikitra fepetra. Ao anatin’ny ezaka rehetra hamongorana sy hiadina amin’ireo tambajotra sy vondron’olona manao fanotorana tany tsy ara-dalàna ny fitondram-panjakana amin’izao, amin’ny alalan’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy fanajariana ny […]
  • VAOVAO TAMBATRA
    Newsmada - 04:47 Nov 18, 2024
    Vinavinaina hanomboka amin’ity herinandro ity ny asa fanamboarana ireo lavadrano (forage) miisa 35 eto Antananarivo. Hatao eto an-dRenivohitra ny 7 amin’ireo lavadrano, raha miisa 14 ho an’Anta­nanarivo Atsimondrano, 7 ho an’Avaradrano ary 7 ao Ambohidratrimo. Hamokatra rano 700m3 isan’andro ireo lavadrano ireo ka miisa 24 500 ireo hisitraka izany. Marihina fa […]
  • « Fahaizana ho an’ny rehetra » : miara-miasa ny fitondram-panjakana sy ny UE
    Newsmada - 04:46 Nov 18, 2024
    Vita sonia ny zoma teo, ny fifanaraham-piaraha-miasan’ny governemanta malagasy sy ny Vondrona eoropeanina (UE) mahakasika ny fampiofanana arakasa ny tanora sy ny vehivavy. Mitentina 35,5 tapitrisa euros ny famatsiam-bola entina hanatanterahana ny fandaharanasa. Haharitra enin-taona izany ka hampiofana ireo tanora amina sehatra miisa efatra hananana hoavy mamiratra. Ao anatin’izany ny […]
  • Madagascar Airlines : miverina amin’ny laoniny ny sidina anatiny
    Newsmada - 04:46 Nov 18, 2024
    « Voavaha tanteraka ireo olan’ny Magacscar Airlines izay niantraika tamin’ny sidina anatiny nataony ny herinandro teo », hoy ny fanambarana nataon’ny kaompania. Niato tamin’ny asany avokoa ireo fiaramanidina miisa telo ka nahatonga fikorontanana teo amin’ny sidina. Noho izany, nitondra vahaolana vonjimaika ireo tomponandraikitra. “Niverina amin’ny laoniny nanomboka ny sabotsy teo ny toe-draharaha […]

2665 items