Newsmada

Found 2665 news

  • Ampahefa-dalan’ny GTA : hidona ny Avenir Ste Anne sy ny AS Fanalamanga
    Newsmada - 04:48 Oct 29, 2024
    Tontosa omaly, teny An­doharanofotsy, ny fivoriana mahakasika ny tohin’ny fifaninanana “Grand Tournoi An­tananarivo (GTA)”. Tapaka ary fa hatao ny sabotsy sy alahady ho avy izao, etsy amin’ ny Kianjan’ny CFFA Iavoloha, ny ampahefa-dalan’ny fifanintsanana. Anisan’ireo fifanandrinana tena andrasan’ny maro, ny lalao hihaonan’ny AS Fanalamanga sy ny Avenir Ste Anne. Fihaonana […]
  • SOMBIM-BAOVAO
    Newsmada - 04:47 Oct 29, 2024
    Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy, omaly, tetsy amin’ny Kianja mitafo Mahamasina, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra anaty efi-trano «Futsal 2024». Tsara fanombohana ny ekipan’ny Tac Pro Kids, U13, sy ny CUA ,U15.Tsiahivina fa misy lalao ihany koa eny Ankorondrano. Voahosotra ho tompondakan’ny “Tournoi Intercall”, andiany faharoa, taranja […]
  • Volley-U23 : tsara fanombohana ny GNVB
    Newsmada - 04:47 Oct 29, 2024
    Hiditra amin’ny andro fahatelo, anio, ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, taranja volley-ball, ho an’ny sokajy latsaky ny 23 taona, lahy sy vavy. Fifaninanana nanomboka ny 27 oktobra teo ary hitohy hatramin’ny 3 novambra izao, any Fianarantsoa, tohanan’ny Telma Madagascar. Ho an’ny ekipan’ny GNVB, manana solontena avokoa ny sokajy lahy sy […]
    Tags: GNVB
  • “Cosafa cup 2024” sokajy vehivavy: nihintsana ny Barea de Madagascar
    Newsmada - 04:47 Oct 29, 2024
    Tapitra teo amin’ny fifanintsanana isam-bondrona ny dian’ny Barea de Madagascar, sokajy vehivavy, ho an’ny fiadiana ny ho tompondakan’ireo firenena aty amin’ny tapany atsimon’i Afrika “Cosafa cup 2024”. Faharesena iray, ady sahala iray ary fandresena iray. Io no vokatra azon’ny Barea de Mada­gascar, sokajy vehivavy, teo amin’ny fiadiana ny ho tompondaka […]
  • Tarika Rossy : tontosa ny seho nandritra ny telo andro
    Newsmada - 05:10 Oct 28, 2024
    Nifarana omaly, teny amin’ ny Kianjan’ny Kanto Maha­ma­sina, ny fampisehoan’ny tarika Rossy. Fampisehoana natao nandritra ny telo andro, na­nomboka ny zoma 25 oktobra 2024 hatramin’ny omaly. Tan­jon’ny fampisehoana ny fampahafantarana ny rakikiran’ny tarika, izay azo jifaina eo anivon’ny Moozik. Tonga maro niaraka nitapolaka tamin’ny tarika Rossy ny mpankafy azy. Seho […]
  • Antsirabe : tambajotra mpangalatra moto ravan’ny UIR
    Newsmada - 05:10 Oct 28, 2024
    Notanana am-ponja ireo telo lahy anaty tambajotra mpangalatra moto tao Antsirabe, ny zoma 25 oktobra teo. Naharay fitarainana avy amin’ny olon-tsotra ny mpitandro filaminana momba ny fisiana tranga halatra moto miseholany ao an-toerana. Nanao fikarohana ny mpitandro filaminana eo anivon’ny UIR. Fantatra tamin’ny alalan’ ny fanadihadiana ny toerana misy ireo […]
  • VAOVAO TAMBATRA
    Newsmada - 05:09 Oct 28, 2024
    Vonona hamokatra angovo avy amin’ny fanodinana fako ny orinasa Cambridge Industries. Manodidina ny 150 tapitrisa dolara ny fampiasam-bola hataony, hamokarana angovo 50 MW, ka avy amin’ny fako eny Andralanitra ny 20 MW, raha avy amin’ny masoandro ny 30 MW. Mahatratra 7 500 ny asa hiforona amin’izany. Nisy ny fihaonan’ny mpitantana […]
  • Tranoben’ny Tantsaha : fanamafisana ny fiofanana ho an’ny mpikambana
    Newsmada - 05:09 Oct 28, 2024
    Nihaona tamin’ny minisitry ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae), Hajarison François, ny delegasiona notarihin’ny fi­lo­han’ny Tranoben’ny tantsaha mpamokatra, Razafim­bololona Angeline, ny 23 oktobra teo. Nangataka fiaraha-miasa sy tohana avy amin’ny minisitera ity fikambanana ity hanamafisana ny fampiofanana ny mpikambana, entina hampitomboana ny vokatra. Nambaran’ ny minisitra fa hisy ny fihaonambe […]
    Tags: Tranoben
  • Hazandrano : tilapia 25 000 narotsaka ao Andranotapahana
    Newsmada - 05:09 Oct 28, 2024
    Anisan’ny foto-piveloman’ny mponina ny jono ao amin’ny farihin’Andranotapahana Ambohidratrimo. Mamatsy hazandrano an’i Talatamaty sy Ambohidratrimo ary indrindra ny aty an-dRenivohitra. Nandrotsahana zana-trondro tilapia miisa 25 000 tao amin’ny farihy, ny 23 oktobra teo, avy amin’ny fikambanana Fanilon’i Marovatana sy ny fikambanana Ezaka Firaisankina. Natao ity hetsika ity mba hiteraka tombontsoa […]
  • Jiu-jitsu-« World Championship » : 16 mianadahy hisolo tena ny Malagasy
    Newsmada - 05:32 Oct 26, 2024
    Voafantina tamin’ity herinandro ity ireo Malagasy mpikatroka ny taranja Jiu-jitsu Breziliana, hiatrika ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, hatao any Abu Dhabi, ny 6 hatramin’ny 16 novambra ho avy izao. Araka ny vaovao nampitain’ny Federasiona mala­gasin’ny JJB, 24 miandahy izy ireo no niatrika fampivondronana ary 15 amin’izy ireo no voafantina. […]
    Tags: Malagasy
  • SOMBIM-BAOVAO
    Newsmada - 05:31 Oct 26, 2024
    Tafiditra ao anatin’ny «All Star» i Tantely sy Tiffany, nandritra ny fiofanana «Fiba Africa Regional Youth Camp», natao tany Abidjan, Côte d’Ivoire. Fiofanana ny 21 hatramin’ny 24 oktobra lasa teo, natokana ho an’ny mpilalao mendrika voafantina avy amin’ny firenena afrikanina 22 izy ity. Mizara ny traikefany ho an’ireo judokas malagasy, […]
  • Fifindrana klioba : nalain’ny Enppi Club, Egypte, i Tendry
    Newsmada - 05:31 Oct 26, 2024
    Nambaran’ny filohan’ny Disciples FC Vakinankaratra, Johny Rijaniaina, omaly, fa nalain’ny Enppi Club avy atsy Egypte ny lohalaharan’izy ireo, Randrianarijaona Tendry Mataniah. Maharitra taona iray eo ny fifanarahan’ny roa tonta ary azo havaozina izany. Tsara marihina fa mitana ny laharana fahasivy amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Egypte, diviziona voalohany, ny Enppi […]
  • Baolina kitra, vehivavy – “Cosafa cup”: hidona amin’i Malawi tompondaka ny Barea, anio
    Newsmada - 05:31 Oct 26, 2024
    Hifantoka atsy Afrika Atsimo indray ny sain’ny mpitia baolina kitra, amin’ity faran’ny herinandro ity. Hiaka-tsehatra mantsy, anio, ny Barea, vehivavy, eo amin’ny fiadiana ny “Cosafa cup”. Hidona amin’i Malawi izy ireo, anatin’ny vondrona “B”. Hiatrika ny andro faharoa amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’ireo firenena aty amin’ny tapany atsimon’i Afrika, taranja […]
  • Grand Tournoi d’Antananarivo : manohitra ny ekipa vaventy ny klioba zandriny
    Newsmada - 04:47 Oct 25, 2024
    Notontosaina, ny alarobia sy ny alakamisy lasa teo, teny amin’ny Kianja CFFA Andoharanofotsy Ia­vo­loha, ny andro faharoa ny fiadiana ny amboaran’ny « Grand Tournoi d’Antananarivo (GTA) ». Tsy nampoizin’ny rehetra ha­trany ny vokatra teny an-toe­rana. Anisan’izany, ny fandresen’ny AS Ste Anne Espoir, 1 no ho 0, ny FC Rouge, izay klioba mifanintsana […]
  • VAOVAO TAMBATRA
    Newsmada - 04:47 Oct 25, 2024
    Hafindra eny Bongatsara, atsimondrano, ny toby fitahirizan-tsolika etsy Ankorondrano. Hatao izany, noho ny fananamboarana lalana vaovao eny Anko­rondrano mankeny amin’ny kianja Maki Andohatape­naka. Etsy ankilany, miisa 65 ny ampahatany hananganana ny fitahirizan-tsolika eny Bongatsara. Hiantohan’ny orinasa Logistique Petrolière ny fanonerana ny tompon-tany. Tanterahana ao Mahajanga ny 24 ka hatramin’ ny […]
  • Taom-pamokarana letisia 2024 : hihena ny vokatra, lasa aloha ny fiotazana
    Newsmada - 04:46 Oct 25, 2024
    Toy ny tamin’ny taona 2016, hotazana mialoha ny letisia any amin’ny faritra atsinanana ho an’ity taona ity. Vinavinaina ho eo anelanelan’ny 11 sy 14 novambra izany, hoy ny ivontoerana teknika mpanara-maso ny famokarana ao Toa­masina (CTHT). Hihena ihany koa ny vokatra noho ny habe­tsaky ny orana hatramin’ny niandohan’ny volana oktobra, […]
  • Salon international de l’habitat : Omen-danja ny tontolo iainana
    Newsmada - 04:46 Oct 25, 2024
    Miavaka ny « Salon internationale de l’habitat » andiany faha-26 atao eny amin’ny Forello Expos Tanjombato, nanomboka ny 24 ka hatramin’ny 27 oktobra. « Omen-danja manokana ny tontolo iainana sy ny fikarohana mifandray aminy », hoy ny sekreteram-panjakana misahana ny Tanàna vaovao sy toeram-ponenana, Andriamanohisoa Gerard, omaly, nandritra ny fanokafana ny hetsika. Mivoatra, hoy […]
  • Tout mon savoir faire pour mes enfants
    Newsmada - 11:19 Oct 24, 2024
    Jeune mère aux responsabilités fortes , elle assure le quotidien de son foyer grâce à l’artisanat

2665 items