Newsmada

Found 3510 news

  • Pureplay Football League (PFL) : Mitarika ny Disciples FC, faharoa ny Elgeco Plus
    Newsmada - 04:46 Feb 10, 2026
    Mbola mitana ny laharana voalohany ao amin’ny kaonferansy atsimo, amin’ny fifaninanana “Pureplay Football League” (PFL), ny Disciples Fc Vakinankaratra. Nahazo isa telo indray izy ireo, tamin’ity andro fahadimin’ny fifaninanam-pirenena ity, rehefa nandavo ny AS Ste Anne, tamin’ny isa mavesatra 5 no ho 0, afakomaly, tetsy amin’ny Kianjan’ny CFFA Iavolo­ha. Manana […]
  • SOMBIM-BAOVAO
    Newsmada - 04:46 Feb 10, 2026
    Efa aty amin’ny faha-10 andron’ny volana febroary, mbola tsy fantatra mazava ny hoavin’ny mpanazatra ny Barea. Raha ny resaka farany, efa mandroso ny fifampiresahana eo amin’i Corentin Martins sy ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF) ary ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena (MJS). Nivoaka ny alahady teo, teny Bemasoandro Akamasoa, […]
  • Handball – CCCOI : Resin’ny TMI Ihosy ny AJM Tsimkoura
    Newsmada - 04:46 Feb 10, 2026
    Niditra tamin’ny andro faharoa, omaly, ny fiadiana ny ho tompondakan’ny ranomasimbe Indianina ho an’ny ekipa tompondaka, taranja handball (CCCOI 2025). Fifaninanana tanterahina any amin’ny Kianja mitafo Toamasina. Nisantatra ny fihaonana ny lalao teo amin’ny sokajy vehivavy. Nivoaka ho mpandresy tamin’ny isa 37 no ho 32 ny TMI Ihosy nanoloana ny […]
  • Karate-DAF : 14 mianadahy miofana eny Ampefiloha
    Newsmada - 04:45 Feb 10, 2026
    Miditra amin’ny andiany fahatelo ny fiofanana hahazoana ny “Diplôme d’animateur fédéral” na ny DAF karakarain’ny Federasionin’ny Karate-do malagasy. 14 mianadahy no manaraka izany. Nanomboka ny sabotsy 7 febroary lasa teo, eny Ampefiloha, ny fiofanana andiany fahatelo amin’ny DAF. Fiofanana hiarahan’ny fe­derasionin’ny Karate-do Ma­lagasy amin’ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena ary […]
  • Oniversite : Toamasina Ilàna fitantanana mangarahara
    Newsmada - 04:45 Feb 10, 2026
    Tafapetraka tamin’ny fi­tantanana ny Oniversi­ten’i Toamasina, ny Dr Razanakolona Diny, ny alakamisy 29 janoary 2026 lasa teo. « Ilàna fitantanana mangarahara mifototra amin’ny fanajana ny maha olona, ny mpianatra sy ny mpanabe ary ireo mpikaroka ny fitantanana ny oniversite eto Madagasi­kara », hoy ny filohan’ny Oni­versiten’i Toamasina. Namba­rany fa ilàna fanoloran-tena sy fahafoizan-tena, […]
  • Rakikira vaovao : Nafana ny famoahana ny « Za » Nate Tex
    Newsmada - 04:54 Feb 09, 2026
    Na, ho an’i Nate Tex, na ho an’ny mpijery sy mpankafy ny sanganasany. Andro lehibe ho azy ireo ny andro omaly, nivoahan’ny rakikira « Za » Nate Tex. Tao anatin’ny hafanana tanteraka ny seho. «Tena zava-dehibe loatra amiko ity. Mi­tantara fiainana be ilay rakikira…», hoy i Nate Tex nandritra ny fampahafanta­rana ny […]
    Tags: Nate
  • TARATRY ny KANTO
    Newsmada - 04:54 Feb 09, 2026
    Voatohintohina ny kolontsaina sy ny soatoavina malagasy. Tsy mpamono olona ny Malagasy. Tsy mpanao sorona olona ny Malagasy. Soatoavina malagasy hi­ta manerana an’i Madagasikara ireo. Amin’izao fotoana, anefa, mivaha izany. Sahin’ny Malagasy ny mandatsak’aina. Toa tsy atahorany intsony ny tody izay tsy azo hialana. Nisesisesy tato ho ato ny tranga […]
  • Atsimo Atsinanana: Miroso ny fametrahana ny “Dina tsy mavandy”
    Newsmada - 04:53 Feb 09, 2026
    “Dina tsy mavandy” no anaran’ny dina ho an’ny faritra Atsimo Atsinanana. Efa na­hazo fankatoavana tamin’ny fitsarana ambaratonga voalohany ao Farafangana izy io, tamin’ny volana desambra 2025. Miroso ny fanaparita­hana sy fampiharana azy amin’ izao fotoana izao. Izay no an­ton’ny atrikasa niantsoana ireo mpitondra eto amin’ny faritra nahitana ny prefektora, mpiandraiktra […]
  • INDRAY MIJERY
    Newsmada - 04:53 Feb 09, 2026
    Nitombo ho 14 ny isan’ny olona namoy ny ainy vokatry ny fandalovan’ny rivodoza Fytia tamin’ny faritra sivy. 38 ny distrika voakasika. 85 642 ny tra­boina (tokantrano 20 898) ; 26 959 ny olona nafindra toerana (6 450 tokantrano) ka ny 16 605 raisina an-tanana eny amin’ny toeram-pandraisana 48. Ho fampiakarana ny lentan’ny fampianarana eny anivon’ ny […]
  • Rivodoza Gezani: Hiditra an-tanety rahampitso
    Newsmada - 04:53 Feb 09, 2026
    Omaly tolakandro, tany amin’ny manodidina ny 796 km atsinanan’i Toamasina no nisy ny foiben’ilay rivodoza Gezani. 65 km isan’ora ny rivotra miaraka aminy, arahina tafiotra 90 km isan’ora ao anaty oram-baratra. Nikisaka miadana niakandrefana izy tato anatin’ny adiny enina farany ka nahafaka 5 km isan’ora. Tomombana ny tontolo ivoarany ka […]
  • « Spass Gasy 2026 » : Fihaonamben’ny Mala­gasy any Allemagne
    Newsmada - 05:05 Feb 07, 2026
    Raha manana ny « RNS » ny ao France, efa hiditra amin’ny andiany fahefatra ihany koa ny « Spass Gass » amin’ity. Fihaonamben’ireo Malagasy any Allemagne ity hetsika ity, izay hotontosaina ny 23 sy 24 mey izao, any Bonn. Fihaonana ara-kolontsaina sy fanantanjahantena no hatao mandritra izany, raha ny nambaran-dry zareo avy ao amin’ny […]
  • Madagascar Mozarteum: Ho sarotra hadinoina ny « Concert Lyrique »
    Newsmada - 05:05 Feb 07, 2026
    Tafiditra ao anatin’ny andiany faha-166 ny « Concert classique de midi ». Hanana ny hampiavaka azy ny « Concert Lyrique ». Tanora manan-talenta amin’ny fihirana no hiakatra ny sehatra. « Con­cert Lyrique », fampisehoana fahaiza-mihira. Fanam­poro­foana ny fahaizana « milalao » feo eo amin’ny olombelona. Ho tazana avokoa ireo mandritra ny andiany faha-166 amin’ny « Concert classique de midi » […]
  • INDRAY MIJERY
    Newsmada - 05:04 Feb 07, 2026
    Anisan’ny olona marefo sy mila fiarovana manokana amin’ny valanaretina Mpox ny voafonja. Nidina ifotony nanao fanentanana ny mpiasan’ny fahasalamana eo anivon’ny DRSP Anôsy, tamin’ity heri­nandro ity. Nitondra teny fankaherezana sy torolalana momba ny fomba fiarovan-tena amin’ny nendran-drajako ho an’ny voafonja izy ireo, hahafahana mandray an-tanana ny fahasalaman’izy ireo. Ho an’ny […]
  • Tambajotrana asa tsy ara-dalàna : Maro ireo Malagasy voatazona atsy Maorisy
    Newsmada - 05:04 Feb 07, 2026
    Mametraka ho vaindohan-draharaha manoloana ny fama­rinan’olona sy ny fijerena manokana ireo mpifindra monina voatazona ao amin’ny « Centre de rétention » atsy Maorisy, ny fanjakana. Ani­san’ny anton-dian’ny minisitry ny Fitsarana, Fanirisoa Er­naivo, any an-toerana izany. Voalaza fa maro amin’ireo Malagasy nifindra any noho ny fampanantenana hahazo asa. Voatana amin’ny toerana manokana anefa […]
  • Ny diarin’i Anne Frank : Natolotry ny ViMa ny tranombokim-pirenena
    Newsmada - 04:47 Feb 06, 2026
    Voadika amin’ny teny malagasy ilay boky malaza maneran-tany “Le journal d’Anne Frank”. “Ny diarin’i Anne Frank” ihany no lohateniny, izay nadikan’i Michèle Rakotoson sy Riambola Mitia. Vita printy ary efa mivoaka amin’ny fomba ofisialy ihany koa ity boky vo­katry ny voan-kevitr’i Zouzar Bouka, filohan’ny Vision Ma­dagascar (ViMa) ity. Natolotra ny […]
  • Tontolon‘ny hira: Hanimba hira sy mpitendry ny teknolojia
    Newsmada - 04:47 Feb 06, 2026
    Fototra iray mampijoro ny hira ny fisian’ny mpitendry (mpitsoka, mpikapoka…) zavamaneno. Misedra olana maro, anefa, izy ireny… Zavamaneno iray mahatafavoaka feo maro… Hadinodino fa misy ny mpitendry. Havanana amin’ny zavamaneno tendreny na tsofiny na kapohany izy ireo. Miaina miaraka amin’ireo hira kaloin’ny mpihira, sns. Olana lehibe sedrain’ny mpitendry zavamaneno amin’izao […]
  • INDRAY MIJERY
    Newsmada - 04:46 Feb 06, 2026
    Noho ny fisian’ilay fikorontanana ao amin’ny ranomasimbe Indianina, tombanana hahazo vahana ny oram-baratra amin’ny morontsiraka atsinanan’ny Nosy ary hiitatra amin’ny ilany atsinan’ny afovoantany izany, manomboka ny talata ho avy izao. Hahery be koa ny ranomasina sady ho mafy ny fitsokan’ny rivotra any amin’ny morontsiraka atsinanan’ny Nosy, manomboka amin’ny alatsinainy. Nanome […]
  • Rasazy Valencia – Fandrindram-piterahana : “Fifaliako rehefa samy resy lahatra ny mpivady”
    Newsmada - 04:46 Feb 06, 2026
    Rasazy ao amin’ny CSB II Ambohimanarivo Antsirabe, nandritra ny 8 taona, Rafano­mezantsoa Lantonirina Valen­cia. Tomponandraikitry ny fandrindrana ny fiainam-pianakaviana ao an-toerana izy. Betsaka ireo vehivavy tsy avelan’ny vadiny hanao fanabeazana aizana tonga eto kanefa mahatsapa fa reraka amin’ny fiterahana lava. Resahina sy omena soso-kevitra izy ireo ary entiny eto ny […]
  • Oniversiten’Antananarivo : Hampianatra eny ny profesora Jasbir Chahal
    Newsmada - 04:45 Feb 06, 2026
    Tonga eto Madagasikara ny profesora Jasbir Chahal ary voafantina ho Fulbright US Scholar hisehatra eto an-toerana. Ato anatin’ny enim-bolana manaraka, hiara-miasa akaiky amin’ireo mpianatra ao amin’ny Ecole doctorale Mathématique et application (EDMA), anatin’ny departemantan’ny Siansa eny amin’ny oniversiten’Antananarivo, izy. Hitarika atrikasa sy fampianarana, hizara traikefa ho fanamafisana ny fampianarana matematika […]

3510 items