Newsmada

Found 3510 news

  • Amboditandrohoroho-Toamasina II : Trano 84 ravan’ny tadio, 13 niendaka tafo
    Newsmada - 11:51 Feb 05, 2026
    Tokantrano miisa 84 rava tanteraka raha 13 hafa kosa simba ny tafo. Omby sy biby fiompy anjatony maty, hazo fihinam-boa sy voly fanon­drana fohitra tanteraka, toy ny letisia, jirofo. Ireo ny takaitran’ ny fandalovan’ny rambonda­nitra na tadio (tornade) ny sabotsy 31 janoary teo, to­kony ho tamin’y 7 ora hariva ary […]
  • Toekarena malagasy : Dinika fanaingana ho fitadiavam-bahaolana
    Newsmada - 11:50 Feb 05, 2026
    Notanterahina tao amin’ny efitrano malalaky ny Pact (Port academy center Toamasina),  Ambodimanga-Toamasina, ny atrikasa fakan-kevitra ho fitadiavam-bahaolana momba ny toekarena malagasy, ny zoma 29 janoary lasa teo. Nitarika izany ny minisitry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny fampivelarana ny sehatra tsy miankina. Nandraisan’ireo sam­pandraharaham-pan­ja­ka­na mandrafitra ny faritra Atsi­nanana, ireo mpandraharaha, mpitantana […]
  • Farakely: Hanamarika ny 15 taona an-tsehatra
    Newsmada - 11:50 Feb 05, 2026
    Toy ny vao omaly, kanefa efa lava dia lava ny lalan’i Fara­kely nandritra izay 15 taona izay. Noho ilay fifamatorana akaiky nisy teo aminy sy ny mpankafy no antony, ary mbola mihamafy izany amin’ izao. Antony nisafidianan’i Farakely ny hoe “Satria tiako ianareo…”, ho lohatenin’ny fam­pisehoana izay hotontosainy ny 1 […]
    Tags: Farakely
  • Tontolon’ny hira : Hivondrona ireo mpitendry zavamaneno
    Newsmada - 11:49 Feb 05, 2026
    Nihaona omaly, tao amin’ny Ivokolo Analakely, ireo mpitendry zavamaneno. Nisongadina, tamin’izany, ny antso ho an’ny firaisankinan’ny mpitendry manerana an’i Madagasikara hivondrona ao anaty fikambanana « Mpitendry malagasy ofisialy » iray. Avy amin’io sehatra mi­sokatra io no hitondrana ny feon’ny mpitendry. Hiaro ny zony, hanatsara ireo fepetra iasany. Hampirobo­robo ihany koa ny tontolon’ny […]
  • INDRAY MIJERY
    Newsmada - 11:48 Feb 05, 2026
    Nanao tombana ny minisiteran’ny Fampia­nara­na ambony mahakasika ny hetsika « Fosika » nandritra ny volana janoary. Fantatra fa nahatratra 37 ireo fitarainana voaray ka diplaoma sandoka ny 5 tamin’ireo, dimy hafa kolikoly ary tolotra fiofanana tsy ara-dalàna ny 2. Fandraisana mpiasa tsy ara-dalàna ny 5 ary herisetra ny 5 hafa. […]
  • Federasionina malagasin’ny Tenisy: Hatao ny 14 febroary ny fifidianana filoha
    Newsmada - 04:47 Feb 04, 2026
    Raha tsy misy ny fiovana, hotanterahina ny sabotsy 14 febroary ho avy izao, etsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny fifidianana izay ho filohan’ny Federasionina malagasin’ny tenisy (FMT). Io ny tetiandro navoakan’ny vaomiera mahaleo tena misahana ny fifidianana (Ceni). Araka izany, efa nanomboka omaly ny fametrahana ny taratasy filatsahan-kofidina ho an’ireo […]
  • SOMBIM-BAOVAO
    Newsmada - 04:47 Feb 04, 2026
    Hotontosaina, anio, ireo lalao efatra nahemotra, tafiditra anatin’ny andro fahefatry ny fiadiana ny ho tompondandakan’i Madagasikara, PFL. Anisan’ny fihaonana andrasan’ny maro, amin’izany, ny fifanandrinan’ny Uscafoot sy ny AS Ste Anne, etsy amin’ny Kianja Alarobia. Marihina fa mbola tsy resy mihitsy ny Ste Anne raha toa ka mikendry ny haka fandresena […]
  • Karate – 80 taona: Vavolombelon’ny tantara i Hanshi Hugues
    Newsmada - 04:47 Feb 04, 2026
    Nankalazaina ny sabotsy 31 janoary lasa teo ny faha-80 taonan’i Hanshi Raharimanantsoa Hugues. Fifampizarana sy fampiofanana teny amin’ny Kianja mitafon’Ankatso no nanamarihana izany. Tonga marobe namaly ny antso ireo mpikatroka amin’ireo haiady 4 nataony dia ny Karate-do, Yoseikan Budō, Tai-chi-chuan ary ny Iaidō. Vavolombelon’ny tantara tamin’ireo haiady karazany 4 ireo […]
  • Sekolin’ny baolina kitra : Mandray ireo manam-pahaizana Portugais
    Newsmada - 04:47 Feb 04, 2026
    Ho avy eto Madagasikara, hizara fahaizana sy hampitombo traikefa ho an’ireo mpanazatra sy ny mpilalao, i Rui Fernandes sy i Guilherme Farinha, avy any Portugal. Hanomboka ny 12-21 febroary, etsy Betongolo sy Ambatolampy Tsimahafotsy, ny hetsika. Mikarakara hetsika fampiofanana mpanazatra sy mpilalao ny sekolin’ny baolina kitra Dream Team. Araka ny […]
  • Échecs-Analamanga : Nahomby ny lalao fanokafana ny taona
    Newsmada - 04:54 Feb 03, 2026
    Tontosa ny faran’ny herinandro teo ny fifaninanana fanokafana ny taom-pikatrohana 2026, ho an’ny ligin’Ana­lamanga, taranja échecs. Teny amin’ny Akademia na­sionalin’ny fanatanjahantena Ampefiloha no nanatantera­hana izany. Nahomby tante­raka satria tonga marobe, namaly ny antso, ireo mpilalao izay tafakatra 135. Na dia teo aza ny andro ratsy, tsy nahasakana ireo mpandray anjara […]
    Tags: Nahomby
  • SOMBIM-BAOVAO
    Newsmada - 04:54 Feb 03, 2026
    Notontosaina teny amin’ny Akademia nasionalin’ny Fanatanjahantena Ampefiloha, ny 31 janoary hatramin’ny 1 volana febroary teo, ny fampiofanana ny mpitsara mahakasika ny fihetsika mirindra « Pomsae » sy ny adin’olon-droa « Kyorugi » amin’ny taranja Taek­wondo WT. Nanatrika izany ny tale teknika nasionalin’ny Federasionina malagasin’ny Taekwondo WT (FMTKD). Hotanterahina, anio, amin’ny 10 ora maraina, eny […]
  • Rugby – XXL Top 12 : “Tsy hisy ho dinganina”, hoy ny federasionina
    Newsmada - 04:54 Feb 03, 2026
    Taorian’ny tsy fahatanterahan’ny andro fahadimy amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja rugby “XXL Top 12”, tokony ho natao ny alahady 1 febroary lasa teo, nilaza ny tomponandraikitra eo anivon’ny Malagasy Rugby fa tsy dinganina akory ny kalandrie. Betsaka ireo mpankafy nihevitra fa avy hatrany dia hotanterahina ny andro fahenina […]
  • Corentin Martins- Mpanazatra ny Barea : Hita ny marimaritra iraisana, andrasana ny fanambarana ofisialy
    Newsmada - 04:53 Feb 03, 2026
    Nifarana ny 31 janoary teo, ny fifanarahan’ny fanjakana malagasy sy ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF) amin’ilay frantsay mpanazatra ny Barea, Corentin Martins. Fantatra, omaly, fa mbola hanohy i Corentin Martins ary andrasana ny fanambarana ofisialy mahakasika izany. Araka ny filazan’ny lohara­nom-baovao iray, omaly, efa naverin’i Corentin Martins, aty Madagasikara, […]
    Tags: Barea
  • Ampitatafika : Hotolorana vary ny traboina sy ny sahirana
    Newsmada - 04:53 Feb 03, 2026
    Toerana iray anisan’ny misedra olana amin’ny fiakaran’ny rano ny manamorona iny reniranon’i Sisaony iny. « Tafakatra any an-trano ambany rihana sy ny tokotany ary ny faritry ny toeram-pivoahana mihitsy ny rano », hoy ireo olona monina eny Anja­namaitso, fokontany Ampita­tafika Vaovao. Efa tratran’ny rano niakatra intelo nifanesy ny ankamaroan’ny tranon’ olona eny. […]
  • Havatsa –Upem : Nankasitrahina ireo mpanoratra nahavita be
    Newsmada - 04:48 Feb 02, 2026
    Fikambanana zokiny indrindra. Notanterahina afakomaly, tetsy amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy, ny lanonana fanolorana ny mariboninahitry ny kanto, ny soratra ary ny ko­lontsaina, ho an’ireo mpikambana ao amin’ny Havatsa-Upem. Nisitraka izany ny mpanoratra miisa 28. Nakarina ho laharam-boninahitry ny kanto «Commandeur», izay fara-tampony ny 11. Mpanoratra efatra nosalorana ny «Offi­cier», 13 nahazo […]
  • Rasazy Ramarojaona Rindra: “Fahafaham-po rehefa mahatafita ny ain’izy mianaka”
    Newsmada - 04:48 Feb 02, 2026
    “Rasazy Rindra no hahafantaran’ny olona ahy fa Ramarojaona Rindra no anarako, efa niasa nandritra ny 12 taona tamin’ny CSBII teto Antsirabe. Tena tiako ny mikarakara ny reny sy ny zaza, manampy sy manome torohevitra amin’ny lafiny maro.” Maro ny sedra nolalovana tamin’ny asa ary tena mafy amiko ny mahita ny […]
  • Handball malagasy: Hampiantrano lalao iraisam-pirenena roa
    Newsmada - 04:47 Feb 02, 2026
    Nambaran’ny filohan’ny Federasiona malagasin’ny Handball, Ratsimandao Andriamanga Herilovasoa, ny zoma teo, tetsy Ampefiloha, fa hampiantrano lalao iraisam-pirenena roa ny Malagasy, amin’ity taona ity. Anisan’izany ny fifaninanana ho an’ny ranomasimbe Indianina, CCOI, izay hotanterahina any Toamasina, ny 8 hatramin’ny 15 febroary ho avy izao. Hatreto, mbola firenena roa ihany no fantatra […]
    Tags: Handball
  • Pureplay Football League : Mbola manjaka ny Disciples FC
    Newsmada - 04:47 Feb 02, 2026
    Fandresena hatrany! Na­hita fahombiazana indray ny ekipan’ny Disciples FC Vaki­nankaratra, ny faran’ny herinandro teo. Resin’izy ireo, tamin’ny isa 1 no ho 0, ny Elgeco Plus Analamanga, tao amin’ny Kianjan’ny Vélodrome Antsirabe. Fandresena fahefatra tamin’ny lalao efatra vita izany izao no azon’ny ekipan’i Vakinankaratra, manana isa 12 izy ireo. Iny kosa […]
  • Lomano: Hamoaka mpilomano sangany ny ligin’Analamanga
    Newsmada - 04:47 Feb 02, 2026
    Nanokatra ny taom-pikatrohana 2026, ny faran’ny herinandro teo, ny ligin’Analamanga, taranja lomano. Mpilomano 154 no nifaninana teny amin’ny ANS Ampefiloha. Tanjon’ny ligin’Anala­ma­nga, taranja lomano, amin’ny fifaninanana karakarainy ny hamoaka mpilomano sangany afaka hisolo tena ny faritra, araka ny nambaran’ny filohany, Razafindra­mahatra Harijesy. Fifanina­nana anisan’ny lehibe sy naha­fahana namoaka ireo “Top […]

3510 items