Newsmada

Found 3510 news

  • Fanampiana ny traboina: Napetraka ny Vovonana handrindra ny fitsinjarana
    Newsmada - 04:52 Feb 20, 2026
    Taorian’ny antso voim-pirenena nataon’ny fitondram-panjakana, betsaka ireo mpiray ombon’antoka sy firenena vahiny naneho fahavononana hanampy amin’ny fanarenana rehefa nitranga ny voina. Misy ny dingana tsy maintsy arahina mialoha ny famoahana vola sy izay voafaritry ny lalàna malagasy mifehy ny fitantanambolam-panjakana amin’ ny fampidirana izany anatin’ny kitapom-bolam-panjakana sy ny kaontin’ny BNGRC. […]
  • Miaina anaty herisetra mangina ny vehivavy : Tsy salama, mihena ny vola miditra noho ny tsy fisitrahana rano
    Newsmada - 04:51 Feb 20, 2026
    Naranty an-tsary, omaly, teny Antanimena, ny zavatra iainan’ny vehivavy momba ny fahasarotana misitraka rano madio amin’ny andavanandro. Nampahafantarina niaraka tamin’izay koa ny valin’ny fanadihadiana momba ny fisitrahana rano, indrindra ho an’ny vehivavy eto Antananarivo. Manaiky miaina ao anatin’ny tsy fisitrahana rano izy ireo noho ny zava-misy. Misy fiantraikany amin’ny asa […]
  • Badminton – Afrique 2026: Tsy namokatra ny Malagasy
    Newsmada - 04:51 Feb 20, 2026
    Notontosaina tany Gaborone, Botswana, ny 9 hatramin’ny 12 febroary lasa teo, ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, taranja badminton, sokajy Senior. Nandray anjara teo amin’ny lehilahy i Madagasikara ka niray vondrona tamin’i Algerie sy i Zambie. Ratsy ny vokatra, satria tsy nivoaka vondrona ireo mpilalao niatrika izany. Teo amin’ny lalao voalohany, […]
  • Barean’i Madagasikara : Hilalao any amin’ny firenena eoropeanina sy afrikanina
    Newsmada - 04:51 Feb 20, 2026
    Raha tsy misy ny fiovana farany, hiatrika lalao ara-pirahalahiana roa ny ekipam-pirenena Barean’i Madagasikara. Tafiditra amin’ny “Fenêtre Fifa” hatao ny volana marsa ho avy izao. Hiatrika lalao ara-pirahalahiana roa ny Barea, mandritra ny “Fenêtre Fifa” amin’ny volana marsa ho avy izao. Araka ny siosion-dresaka mandeha sy ny filazan’ny loharanom-baovao iray […]
  • Volley-« CAVB Zone 7 »: Ekipa 4 hihazo an’i Seychelles
    Newsmada - 04:50 Feb 20, 2026
    Hotanterahina any Seychelles, ny 27 febroary hatramin’ny 7 marsa izao, ny fiadiana ny amboaran’ny klioba tompondaka, aty amin’ny faritra faha-7, eo anivon’ny CAVB, taranja volley-ball. Tsy ho diso anjara amin’izany i Madagasikara fa hanana solontena. Ahitana ekipa 4 (2 lahy sy 2 vavy) izy ireo. Ny GNVB, lahy sy vavy, […]
  • Karate-“Inter Makawa” : Nahatratra 215 ny mpandray anjara
    Newsmada - 04:39 Feb 19, 2026
    Tontosa ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny Es­pace Queen Fanomezan­tsoa Ambohimangakely, ny fifaninanana “inter Makawa”, ta­ranja karate. Fifaninanana andiany faharoa, izay efa natomboka tamin’ny herintaona, ity fifaninanana ity. Nisy ny fitokanana ny Seiko No kai Kama nandritra izany, ankoatra ny fifaninanana sy seho Body karate izay nampiavaka ny hetsika. Natao […]
  • «Journée de l’UJSM» : Hatao ny 14 sy 21 marsa ho avy izao
    Newsmada - 04:39 Feb 19, 2026
    Ao anatin’ny fandaharana­san-dRabenaivo Alain, filohan’ny Union des journalistes sportifs de Mada­gascr (UJSM), ny fandraisan’ ny mpanao gazety mikirakira ny fanatanjahantena anjara amin’ireo taranja misy eto Madagasikara. Nambarany fa misy ny fiaraha-miasa amin’ ireo ligy sy federasionina ka ampidirina ao anatin’ny fan­daharam-potoanan’izy ireo ny andro ho an’ny UJSM na “Journée de […]
  • Federasionina malagasin’ny tenisy: Lany ho filoha Andriantefihasina Hary Manohisoa
    Newsmada - 04:38 Feb 19, 2026
    Vita omaly, tao amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny fivoriambe ara-potoana hifidianana izay ho filohan’ny Federasionina malagasin’ny tenisy. Hitondra izany mandritra ny efa-taona manaraka indray Andriantefihasina Hary Manohisoa. Nahazo filoha vaovao ny taranja tenisy. Voafidy hitondra sy hitantana ny Federasionina, mandritra ny efa-taona manaraka indray, Andriantefihasina Hary Ma­nohisoa. Nahazo vato 100 […]
  • SOMBIM-BAOVAO
    Newsmada - 04:38 Feb 19, 2026
    Nahazo isa telo indray ny CFFA Andoharano­fotsy, omaly, tetsy Iavoloha. Lavon’izy ireo tamin’ny isa 3 no ho 0, ny Antimo Record. Fifanandrinana izay tafiditra amin’ny andro fahatelo taraiky amin’ny fifanintsanana nasionaly, « Pureplay Football League (PFL) ». Ny sabotsy ho avy izao, hanafika ny Disciples FC, any Antsirabe, ny CFFA. Hotontosaina ny […]
  • INDRAY MIJERY
    Newsmada - 04:37 Feb 19, 2026
    Niara-nidinika tamin’ny ekipa teknika momba ny ranon’ny Jirama teny Mandroseza ny delegasionina mpikaroka avy amin’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa notarihin’ny tale jeneralin’ny fikarohana ara-tsiansa, niaraka tamin’ny tale sy mpikaroka avy amin’ny Ivontoeram-pikarohana sy avy ao amin’ny sekoly ambony Polytekinika Antananarivo (ESPA)-Vontovorona. Nojerena ifotony, nandritra izany, ny zava-misy […]
  • Baolina Kitra : Mitaky ny volany ireo mpandraharaha
    Newsmada - 04:46 Feb 18, 2026
    Telo volana aty aoriana vao milaza ireo mpandraha­raha, niara-niasa tamin’ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra fa tsy azo ny volany. Nihaona tamin’ny mpanao gazety, teny Am­banidia, ny solontenan’izy ireo, omaly. “Tsy mila korontana akory izahay fa mitaky ny rariny sy ny fanajana ny fifanarahana”, hoy i Andry Andriamalala. Nohamafisin’i Hajatiana Randrianantenaina […]
  • SOMBIM-BAOVAO
    Newsmada - 04:46 Feb 18, 2026
    Nivoaka afakomaly ny filaharana vonjimaika, fifaninanana nasionaly, taranja Rugby, «XXL Top 12». Mihazona ny laharana voalohany, taorian’ny andro fahadimy, ny Cosfa. Eo amin’ny faharoa kosa ny FTM Manjakaray ary any amin’ny laharana fahatelo ny CEA Andranomanalina. Hotontosaina, anio, eny amin’ny Kianjan’ny CFFA Iavoloha, ny lalao hihaonan’ny FC Rouge sy ny […]
  • Basikety-« Coupe du Monde » : 12 mirahalahy handrafitra ny lisitra farany
    Newsmada - 04:46 Feb 18, 2026
    Namoaka ny lisitra farany, mpilalao mandrafitra ny ekipam-pirenena hiatrika ny fifanintsanana amin’ny fiadiana ny amboara maneran-tany, taranja basikety Seniors 5×5, hatao any Sénégal, ny 26 febroary hatramin’ny 1 marsa izao, ny federasionina. 12 mirahalahy no mandrafitra ny ekipa malagasy. Mpilalao avy eto an-toerana ny 7 ary mpilaravinahitra ny 5. I […]
  • Corenin Martins: Ho avy eto Madagasikara hanazatra ny Barea
    Newsmada - 04:45 Feb 18, 2026
    Nambaran’ny loharanom-baovao iray fa nahita marimaritra iraisana ihany i Corentin Martins sy ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF) ary ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena. Andrasana ny fanambarana ofisialy. Raha tsy misy indray ny fiovana, ho avy eto Madagasikara, ny fa­ran’ny herinandro izao, i Corentin Martins. Araka ny filazan’ilay loharanom-baovao […]
  • Takaitran’ny rivodoza : Nitondra fanampiana ho an’ny traboina ny MMM
    Newsmada - 04:45 Feb 18, 2026
    Nanainga omaly nihazo an’i Toamasina ny avy amin’ny antoko Malagasy miara-miainga. Tafiditra amin’ny hetsika ho fanohanana ireo havana traboina any amin’ny faritra Atsinanana iny izany. Niainga amin’ny fifanomezan-tanan’ny mpikambana MMM rehetra manerana ny Nosy no nahafahana nanangona ireo fanampiana ireo. Ampahany voalohany ihany amin’ireo fitaovana sy kojakoja ilaina andavanandro no […]
  • Lalao Olympika amin’ny ririnina : Faha-50 i Mialitina Clerc
    Newsmada - 04:53 Feb 17, 2026
    Niditra an-tsehatra ny alahady lasa teo i Mialitina Clerc, teo amin’ny fifaninanana fikorisana amin’ny ranomandry, lalao Olympika fanao amin’ny andro ririnina. Fifaninanana notanterahina tany Milan-Cortina, Italie. Nitana ny laharana faha-50 tamin’ireo mpandray anjara 76 niatrika ny Ski, ho an’ny Slalom géant ny tovovavy. 2 mn 31, 99 s ny fe-potoanany […]
  • SOMBIM-BAOVAO
    Newsmada - 04:52 Feb 17, 2026
    Notanterahina ny sabotsy lasa teo ny fifaninanana “inter établissement”, andro faharoa, teo anivon’ny klioban’ny Makawa (Madagascar Karate-do Wado), taranja karate. Ankoatra ny fifaninanana, nisy ny fitokanana Seiko No Kai KaMa sy Body karate, nandritra izany. Tonga nanotrona izany, teny amin’ny Espace Queens Fanomezantsoa By-Pass, ny eo anivon’ny federasionina. Niditra tamin’ny […]
  • Seksiona Ambohidratrimo : Nanokatra ny taom-pikatrohana 2026
    Newsmada - 04:52 Feb 17, 2026
    Nanokatra tamin’ny fomba ofisialy ny taom-pikatrohana 2026 ny eo anivon’ny seksiona Ambohidratrimo, taranja basikety, ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny Para Ivato. Fanamarihana ny taona amin’ny fahombiazana no tanjona ho an’ny seksiona, araka ny nambaran’ny filohany, Rakotondrabe Rija, nandritra ny lahateny nataony. Nohamafisiny fa fanamby no apetraka amin’ity taona ity […]
  • “Pureplay Football League” (PFL) : Cosfa sy Disciples, tsy mbola resy hatreto
    Newsmada - 04:52 Feb 17, 2026
    Mizotra miandalana ny fifaninanam-pirenena amin’ny baolina kitra, “Pureplay Football League (PFL)”. Samy tsy mbola resy hatramin’ny nanombohan’ny fifaninanana ny Cosfa sy ny FC Disciples. Tontosa ny faran’ny herinandro lasa teo, ny andro fahenina amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra (Pureplay Football League). Ekipa roa no misongadina amin’izao […]
  • Vondrona Filatex : Fanampiana ho an’ny traboina any Toamasina
    Newsmada - 04:52 Feb 17, 2026
    Tsy niandry ela, nitondra fanampiana ho an’ireo mponina traboina vokatry ny rivodoza Gezani farany teo, any Toamasina, ny vondrona orinasa Filatex. Tena nifantohana ny fanarenana ireo trano sekoly sy tobim-pahasalamana, ny famatsiana herinaratra mba hiverenan’ny fiainana ara-tsosialin’ny mponina amin’ny laoniny. Nova­tsiana fitaovana sy kojakoja ara-pahasalamana ny hopitaly Be sy ny […]

3510 items