Newsmada

Found 3510 news

  • 15 taona an-tsehatra: Feno fihetseham-po ny sehon’i Farakely
    Newsmada - 04:48 Mar 02, 2026
    Dingana iray tsy nandalo fotsiny fa nipetraka ho tantara ny seho nanamarihin’i Farakely sy ny tariny ny faha-15 taona. «Rotsirotsy». Feon-kira nambabo ny iray efitrano no nanombohany ny sehon’i Fa­ra­kely, nanome ny endriky ny tohiny… Tsara petraka, voaomana, nirindra, manaporofo ny traikefa nivangongo nandritra ny 15 taona niakaran’i Farakely an-tsehatra […]
    Tags: Farakely
  • TARATRY ny KANTO
    Newsmada - 04:48 Mar 02, 2026
    Revy Mahaleo, nampiditra ny fankalazana ny faha-55 taona. Mazava loatra, feno ny efitranon’ny CCI Ivato, omaly. Mpijery amin’ny sokajin-taona rehetra, nahitana ireo raiamandreny mitovy amin-dry Dama sy Bekoto, ireo zokinjokiny, ireo mitovy taona amin’ny Mahaleo Taranaka ary ireo mbola zandry fa mpankafy ireo tonga nianoka ireo hira tsy tontan’ny ela. […]
  • Famelomana aina-CHU JRA : Olona 2 000 isan-taona karakaraina ao
    Newsmada - 04:47 Mar 02, 2026
    Nitondra fanazavana mo­mba ny sampandraharaha famelomana aina, ao amin’ny rihana voalohany, ao amin’ny CHU JRA, ny profesora Rajaonera Andriambelo Tovo­hery, lehiben’ity sampandraharaha ity. Isan-taona, manodidina ny 2 000 ireo olona avy nodidiana sahanin’ny sampandraharaha. Manodidina ny 2 500 kosa ireo olona atao fizahana mialoha ny handidina azy. Mandray ireo olona […]
  • INDRAY MIJERY
    Newsmada - 04:47 Mar 02, 2026
    Nitsidika ny CTI (Centre de traitement et d’isolement) etsy Andohatapenaka, niaraka tamin’ireo teknisianina ao amin’ny Cousp (Centre des opérations d’urgence de santé publique), ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, ny faran’ny herinandro teo. Nitondra vahaolana haingana hahatomombana ny fandraisana ireo marary ny tenany. 12 ireo marary voamarina ary 4 ahina tsaboina eny […]
  • Mesupres : Laharam-pahamehana ny digitalisation
    Newsmada - 04:46 Mar 02, 2026
    Nifantoka tamin’ny fomba hanatsarana sy hanavaozana ny fomba fiasa eo amin’ny sehatry ny fampianarana ambony sy ny asa atolotra ireo rehetra manan-draharaha ao anivon’ny minisitera ny fihaonan’ireo tomponandraikitra ny faran’ny herinandro teo. Mifanaraka amin’ny tanjon’ny minisitera ho fanatsarana ny kalitaon’ny asa izany. Laharam-pahamehana napetraka ny firosoana amin’ny «digitalisation». Kendrena ny […]
  • Mila fantarina ny maika : Diso lalana indray ny tontolon’ny teny malagasy
    Newsmada - 05:30 Feb 28, 2026
    Manana ny mampiavaka azy ny Malagasy. Iray amin’ireny ny teny. Niharan’ny olana lehibe rehefa tafiditra tao anaty fanjanahantany… Ezahina harenina ankehitriny… Niara-nisy tamin’ny fisian’ity Nosy ity ny teny. Faritra maromaro eto Madagasikara no mbola nahatahiry io teny fototra io amin’ny ampahany lehibe tokoa. Ny hafa, nanafangaro izany tamin’ny fitenin’ireo mpihavy […]
  • “Festival du Film Francophone” : Halefa ireo sarimihetsika manasongadina ny vehivavy
    Newsmada - 05:30 Feb 28, 2026
    Hanamarihana ny iray vo­lan’ny Frankôfônia ny “Festi­val du Film Francpophone”. Ho an’ny eto Madagasikara, ho­tontosaina ny alarobia 4 marsa sy ny sabotsy 7 marsa izany, etsy amin’ny IFM Ana­la­kely. Nosafidiana manokana ireo sarimihetsika manasongadina ny vehivavy amin’ity. Tsy miala amin’ny lalantsaina novoizina hatramin’izay anefa, dia ny sarimihetsika amin’ny teny frantsay, […]
  • INDRAY MIJERY
    Newsmada - 05:29 Feb 28, 2026
    Vokatry ny fiaraha-miasa eo amin’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa sy ny fikambanana EauSoleil Paca, notokanana ny tambajotra famatsiana rano fisotro madio amin’ny alalan’ny paompy mandeha amin’ny herin’ny masoandro. Nisy koa ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny minisitera sy ny EauSoleil Paca amin’ny fampiofanana, andiany faharoa, mahakasika ny fametrahana tambajotran-drano […]
  • Fanavaozana ny fampianarana: Haharitra efa-taona ny fandaharanasa Pitaf
    Newsmada - 05:29 Feb 28, 2026
    Natomboka tamin’ny fom­ba ofisialy, omaly, teny Anta­ni­narenina, ny fandaharanasa ho fanatsarana ny kalitaon’ny fanabeazana. Tohanan’ny Partenaire mondial pour l’éducation (GPE) sy ny mpiray ombon’antoka telo dia ny AFD, Unicef ary ny Banky iraisam-pirenena izy ity. Efa nosantarina ny taona 2025 ny asa ary hitohy hatramin’ny taona 2029. Ho fanavaozana ny […]
  • Comores Saïd Ahmed Saïd Abdillah : « Parler d’élections tant que le colonel Azali Assoumani est au pouvoir, relève de l’illusion »
    Newsmada - 11:13 Feb 27, 2026
    Saïd Ahmed Saïd Abdillah, président du Parti Comores Alternatives (PCA) au Comores et fervent opposant au président actuel, Azali Assoumani, est sorti de son silence, à l’occasion de la commémoration de l’Accord-cadre de Fomboni le 17 février. Interview. *Les Nouvelles : En tant que Comorien et président du Parti Comores Alternatives […]
  • Poopy : « Samy ankafiziko ny feon-dry zalahy ireo… »
    Newsmada - 04:57 Feb 27, 2026
    D-Lain, Ken ary Tanjona Randrianarivelo no nambara voalohany. Fantatra ihany koa izao fa anisan’ny vahinin’i Poopy i Fy Rasolofoniaina. «Izy manana ny style dia mety be amiko. Toy ny mahazo aina vaovao ilay hira… », hoy i Poopy nandritra ny famerenana niarahany tamin’i Fy Rasolofoniaina. Mbola nohamafisiny izany, nandritra ny fihaonana […]
    Tags: Poopy
  • Dika vilana : Mila ovaina ny « kolontsaina »
    Newsmada - 04:57 Feb 27, 2026
    Mifangaro voraka ? Re­hefa inona no antsoina na sokajiana ho « kolontsaina » ? Mikolo ny saina tokoa ve ilay hitan’ny maso, ren’ny sofina, sns ? Manampy trotraka ny fampifangaroana azy io amin-javatra hafa toy ny zavakanto. Amin’izao vanim-potoana izao vao tazana mazava fa hamehana sy manana endrika petatoko ihany ny nametrahana ny anarana « kolontsaina », […]
  • INDRAY MIJERY
    Newsmada - 04:56 Feb 27, 2026
    Nampahafantatra ny minisiteran’ny Faha­salamam-bahoaka fa efa tonga ny vaksiny BCG ary efa ao anatin’ny fitsinjarana azy ny ekipan’ny minisitera mpiahy. Hiparitaka amin’ireo tobim-pahasalamana mahazatra izany mba hisitrahan’ireo zaza ny fatram-baksiny ilainy. Natao ho an’ny zaza vao teraka hatramin’ny 11 volana ity vaksiny ity. Fampahafantarana ho an’ireo mpampanofa fahafinaretana ara-nofo momba […]
  • Ady amin’ny tazomoka : Hahitsy ny paikady nasionaly PSN 2023-2027
    Newsmada - 04:56 Feb 27, 2026
    Manatanteraka atrikasa ho fanitsiana ny Paikady nasionaly hiadina amin’ny valanaretina tazomoka ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka. Pai­ka­dy enti-miasa ao anatin’ny efa-taona, 2023-2027, ity asiam-­panovana ity. Tanjona ny hanamafisana ireo asa tsara nahazoana vokatra sy hanitsiana ny tanjona ho tratrarina hatramin’ny 2030. Entina hanatsarana ireo lesoka hita ihany koa izany. Ankoatra izay, hamaritana […]
  • Fanampiana traboina ao Toamasina: Maro ny misafidy tsy handalo BNGRC
    Newsmada - 04:47 Feb 26, 2026
    Manoloana ny fahataran’ny fitsinjarana ireo fanampiana voaangona eo anivon’ny BNGRC, betsaka ireo misafidy ny hivantana avy hatrany eny anivon’ny rafi-piarahamonina, araka ny fitsirihana na­taon’ireo vondrona tsara sitrapo. Ho an’ny 974, Gasy Mira­ry, avy antsy amin’ny Nosy rahavavy, La Réunion, nisafidy an’i Kalajila, mpanakanto, izy ireo hitarika ekipa manao fitsirihana isam-pokontany […]
    Tags: BNGRC
  • Kardinaly Tsarahazana Désiré : “Tokony ho ao anatin’ny BNGRC ny fiangonana”
    Newsmada - 04:47 Feb 26, 2026
    Hampirisihina ny fampidirana ofisialy ireo tomponandraiki-pivavahana ho anisan’ny mpiantsehatra ao amin’ny Ivontoeram-pandrindran’ny BNGRC ao Toamasina. Nisongadina izany ta­min’ ny fihaonan’ny arsevekan’ny diosezin’i Toa­ma­sina, ny kardinaly Tsa­ra­hazana Désiré, taorian’ny fi­haonany tamin’ny Praimi­ni­sitra Rajaonarivelo Herintsa­lama, teny amin’ny Lapam-panjakana Mahazoarivo, afakomaly, araka ny fampitam-baovao voaray omaly. Mba hanatevenana ny fiaraha-mi­asa amin’ny fanarenana ny […]
    Tags: BNGRC
  • TARATRY ny KANTO
    Newsmada - 04:46 Feb 26, 2026
    Nahemotra ny “Tsapiky Festivaly”, izay tokony ho notontosaina amin’ity faran’ny herinandro ity, any Toliara. Noho ny tsy fahatomombanan’ny fikarakarana ny antony hanemorana izany amin’io volana marsa io. Manampy izany ny fiombonam-po amin’ireo traboina any amin’ny faritra Atsinanana, vokatry ny fandalovan’ny rivodoza, raha ny fanazavana avy amin’ny minisiteran’ny Serasera sy ny […]
  • CCI Ivato : Hanokafana ny faha-55 taonan’ ny tarika Mahaleo
    Newsmada - 04:46 Feb 26, 2026
    “Fihavanana tsy ravan’ny taona” ihany no lohahevitra hanamarihana ny faha-55 taonan’ny tarika Mahaleo. Hatomboka ny 1 marsa izao izany ka hitohy amin’io taona ho avy io. “Tadidiko ry zalahy, tamin’ny 72…”, hoy ny tononkiran’i Dama. Hira nataony kokoa ho an’ireo namany, ho an’ny fiarahana, ho an’ny tarika Mahaleo iny. 54 […]
    Tags: Mahaleo
  • Hiatrehina ny fiovan’ny toetr’andro : Nofanina ny teknisianina sy ny mpiray ombon’antoka
    Newsmada - 04:45 Feb 26, 2026
    Notontosaina teto Antana­narivo ny fampahafantarana ny Climate Risk Informed Decision Analysis (Crida) sy ny fampiofanana ireo teknisianin’ny minisitera sy ireo mpiray ombon’antoka rehetra. Momba ny teknika sy fomba entina hiatrehana ny fiovan’ny toetr’andro sy ny fiantraikany, indrindra amin’ny tahirin-drano eto Madagasikara izany, araka ny fanazavan’ny talen’ny Andea, Rasoamiara­manana Ngolatiana Hobinan­tenaina. […]

3510 items