Newsmada

Found 2665 news

  • Yas : Tohana ho an’ny fananan’asa
    Newsmada - 04:52 Jul 25, 2025
    Manohana mivantana ny hetsika Fihaonamben’ny fampiofanana, ny asa ary ny fampananasan’asa (CFME) ny orinasa Yas. Hatao etsy amin’ny Alliance Française Andava­mam­ba (AFT), ny 28 jolay hatramin’ny 2 aogositra ho avy izao, ny andiany faha-9. Fotoana hihaonan’ny matihanina mi­vantana amin’ny fampidirana mpiasa, ny mpianatra ary ireo mitady asa. Eo koa ireo […]
  • 50 taona ny Aro : Mitentina 194 miliara Ar ny vola kirakiraina
    Newsmada - 04:52 Jul 25, 2025
    Tranom-piantohana lehibe indrindra eto Madagasikara ny Assurance Aro. Tanjony ny hidiran’ny Malagasy amin’ny sehatry ny fiantohana isan-karazany. Niorina ny taona 1935 ny orinasa fiantohana « La Préservatrice », niova ho «Préservatrice Madaga­sikara» ny taona 1974. Tao­rian’ny nandraisan’ny fanjakana ny orinasa vahiny, lasa Aro (Assurances Réassurances Omnibranches) ny anarany, ny taona 1975. Maro […]
  • Tsipy kanetibe – «Masters 2025»  : Tsy hiatrika ny dingana fahatelo i Zigle
    Newsmada - 04:44 Jul 24, 2025
    Hatao anio, any Cluses, ny dingana fahatelo amin’ny fiadiana ny “Masters 2025”, ta­ranja tsipy kanetibe. Niova ny firafitry ny ekipam-pirenena malagasy amin’ity. Najanona ary nosoloina an’i Yves i Zigle. Noho ny vokatra tsy dia nahafa-po loatra nasehon’ity tompondaka maneran-tany amin’ ny “tir de précision” ity, no an­ton’ izany, raha ny […]
  • SOMBIM-BAOVAO
    Newsmada - 04:44 Jul 24, 2025
    Tsy afaka handray anjara amin’ny “Grand Slam”hatao any Mongolie manomboka ny 25 jolay izao, ny malagasy mpikatroka, Rasoanaivo Razafy Laura. Nambarany fa noho ny olana eo amin’ny sidina no anton’izao tsy fahafahany mihazo an’i Mongolie izao. Tsy afaka miatrika ilay fiofanana ny 28,29,30 jolay izao ihany koa izy. Milamina ny […]
  • Coach John Douaglin : “Nijerena ny lesoka ny lalao tamin’i Côte d’Ivoire”
    Newsmada - 04:43 Jul 24, 2025
    Naneho ny heviny ny mpanazatra ny Ankoay, taorian’ny lalao nifandonan’i Madagasikara tamin’ny ekipan’i Côte d’Ivoire, ny talata lasa teo. Fifaninanana tafiditra anatin’ny fanomanan-tenan’ny ekipa malagasy ho fiatrehana ny « Afrobasket 2025 » hatao any Angola, ny volana aogositra izao. “Lalao natao indrindra hijerena ny hanohizana ny lalana iny lalao iny”, hoy […]
    Tags: Ivoire
  • Barea Chan : Mbola baraingo amin’ny maro ny tsy fivoahan’ny lisitra
    Newsmada - 04:43 Jul 24, 2025
    Efa dila ny fe-potoana. Omaly no fotoana farany nomen’ny Kaonfederasionina afrikanina handefasana ny lisitry ny Barea A’, izay hiatrika ny “Chan 2024”. Hatramin’ny omaly, ora nanoratanay, tsy mbola nivoaka izany. Raha tsy misy indray ny fiovana farany, hivoaka anio. Afaka sivy andro eo sisa, hiatrika ny “Chan 2024”, izay hotontosaina […]
  • Minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena : Manatanteraka ny asa ao anatin’ny ara-dalàna sy mangarahara
    Newsmada - 04:42 Jul 24, 2025
    Manohy sy miezaka manatanteraka ny asany, araka ny vi­nan’ ny filoham-pirenena, Rajoelina An­dry, ny minisiteran’ny Tanora sy ny fana­tanjahan­tena amin’izao fotoana izao. Notanterahina tetsy Am­bohijatovo, omaly, ny fandraisan’ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena (MJS), Moustapha Marson Abdulah, an’ireo atleta mal­a­gasy mpilomano. Hiatrika ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, izay […]
    Tags: Tanora
  • Tsenan’ny ririnina: Mandeha ny fivarotana silamangany, saingy sahirana ireo mpivarotra lasopy
    Newsmada - 04:49 Jul 23, 2025
    Rehefa ao anatin’ny hatsiaka tahaka izao, hitan’ny olona tena mandeha ny lasopy, toy ny silamangany. Mifanohitra amin’izany anefa ny avalin’ireo mpivarotra izany. Anisan’ny ankafizin’ny olona amin’ny resaka lasopy ny silamangany. Araka ny fanadihadiana natao teny amin’ireo mpivarotra eny Analakely, omaly, hita ho man­deha tokoa ny silamangany, saingy somary sahirana ireo […]
  • VAOVAO TAMBATRA
    Newsmada - 04:48 Jul 23, 2025
    Tafakatra 5t/ha ny voka-bary azon’ny tantsaha nampihatra ny teknika Papriz. Nampidi-bola 300 000 Ar ny velaran-tany 10 ara, raha 80 000 Ar ho an’ireo nampihatra ny fambolena nentin-drazana. Tanteraka izany vokatry ny fiaraha-miasan’ny CFFAMMA sy ny Fofifa. Miisa 153 ny teknisianin’ny minisitera Minae nahazo fiofanana hampiofana ho an’ny tantsaha 3 966. Atao any […]
  • Tetikasa Kopakelatra : Aina vaovao ho an’ny tavoahangy plastika
    Newsmada - 04:48 Jul 23, 2025
    Manana ny andraikitra raisin’ny orinasa eo amin’ny so­sialy ny orinasa Star, ankoatra ny maha orinasa ara-toekarena sy indostrialy azy. Napetra­ka ny tetikasa Kopakelatra mi­fantoka amin’ny fitsinjovana ny tontolo iainana. Angonina ny tavoahangy plastika efa ni­asa, tsy anavahana marika, avadika ho vokatra vaovao azo ampiasaina indray amin’ny fiainana andavanandro. Mi­isa 133 […]
  • Jirama : Mitohy ny dinika amin’ny mpiasa
    Newsmada - 04:48 Jul 23, 2025
    Nisy ny fihaonana teny amin’ny Lapan’Ambohitsirohitra, omaly, mahakasika ny raharaha Jirama. Nanatanteraka izany, andaniny, ny solontena avy amin’ny fanjakana, nahitana ny ao amin’ny Holafitry ny prezidansa (ny talen’ny Kabi­netra sy ny Sekretera jeneraly), ny avy amin’ny minisitera voakasika, minisiteran’ny Fitsarana (Minjus), ny Toeka­rena sy ny fitantanam-bola (MEF), ny Tahirimbolam-panjakana, ny […]
    Tags: Jirama
  • Judo: Nahazo tsodrano tamin’ny MJS i Laura
    Newsmada - 05:01 Jul 22, 2025
    Toy ny taranja hafa, anisan’ny nisitraka fanohanana avy amin’ny fitondram-panjakana ihany koa ny taranja Judo, tamin’ny alalan-dRasoanaivo Razafy Aina Laura, izay hiatrika ny fifaninanana “Grand Slam d’Oulanbator” any Mongolie, ny 26 jolay ho avy izao. Hisy ihany koa ny fiofanana mandritra ny hateloana ataon’i Laura aorian’ny fifaninanana, ny 28, 29 […]
  • SOMBIM-BAOVAO
    Newsmada - 05:01 Jul 22, 2025
    Hotanterahina ny 23 jolay izao, any Nizeria, mandritra ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja karate, ny fivoriambe arahina fifidianana, eo anivon’ny Ufak (Union Federation African of Karate). Anisan’ny handray anjara amin’ny fifidianana ny filo­han’ny federasionina ny Karate-do Malagasy, Rate­finanahary Emile, izay efa any an-toerana. Nahita fahombiazana nandritra ny lalao […]
  • CUA : Hikarakara fialamboly ho an’ny ankizy
    Newsmada - 05:01 Jul 22, 2025
    Nambaran’ny ben’ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra (CUA), Ramanantsoa Harilala, tetsy amin’ny Lapan’ny tanàna Analakely, omaly, fa hanomboka amin’ny alarobia ho avy izao, etsy amin’ny Kianja Alarobia, ny hetsika « CUA mampilalao kilonga». Natokana ho an’ny ankizy rehetra, 4-17 taona. Taranja telo no hatao dia ny baolina kitra, Rugby ary ny atletisma. Tanjona […]
  • Tsipy kanetibe – «Mondiaux Jeunes» : Fantatra ireo 4 mianadahy hisolo tena an’i Madagasikara
    Newsmada - 05:00 Jul 22, 2025
    Navoakan’ny Federation Sport-boule malagasy (FSBM), ny faran’ny herinandro teo, ny anaran’ireo ankizy efatra mianadahy hiatrika ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, taranja tsipy kanetibe, sokajy zandriny Juniors. Sarotra ny fifantenana satria samy sangany ireo nitiliana. Nifarana ny alahady lasa teo, teto Antananarivo, ny fampivondronana nifantenana ireo mpilalao zandriny, tsipy kanetibe […]
  • Fiaraha-miasa amin’ny GIZ : Mitaky mangarahara hatrany
    Newsmada - 05:00 Jul 22, 2025
    Manamafy ny fitantanana mangarahara amin’ny fiaraha-miasa ny “Deutsche Gesellschaft für Internationale Zusam­menarbeit – GIZ”, Alemana, amin’i Madagasikara. Niompana amin’izany fangaraharana izany ny fampahafantarana ny GIZ tamina faritra maro teto Madagasikara notanterahina ny herinandro teo. Anisan’ny nasongadina tamin’izany ny fametrahana ny fitantanana mangarahara sy ara-drariny amin’ny fomba fanao. Tafiditra ao anatin’izany […]
  • Taom-piotazana lavanila 2025 : Nitotongana ny vidiny, sanganehana ny tantsaha
    Newsmada - 04:50 Jul 21, 2025
    Efa saika nivoaka avokoa ny taom-piotazana ny vokatra lavanila ho an’ ny faritra maro. Ny talata 15 jolay teo, nisy ny lanonana ho fanehoana izany fisokafany izany ho an’ny faritra Atsin­a­nana, tetsy amin’ny kaominina am­banivohitra Antete­zambaro. Velon-taraina ny tantsaha mpamboly nandritra ny lanonana fampahafantarana ny taom-piotazana ny vokatra lavanila, ny […]
  • Fotoam-pialantsasatra : Fanarenana ny lalam-pirenena faha-2 sy ny faha-5
    Newsmada - 04:49 Jul 21, 2025
    Lalam-pirenena anisan’ny be mpampiasa indrindra ny RN2. Toraka izany koa ny RN5, indrindra amin’izao fotoan’ny fialantsasatra izao. Mandeha ny fanarenana, toy ny miainga eto Antananarivo mankany Toamasina (RN2) sy ny Toamasina-Foulpointe-So­a­nierana Ivongo (RN5), hanamorana ny fivezivezen’ny olona sy ny vokatra. Ho an’ny RN2, mirefy 101 km (PK203-PK304) ny lalana arenin’ny […]
  • RSE : Nankalaza ny Mandela Day ny Airtel
    Newsmada - 04:48 Jul 21, 2025
    Ankoatra ny maha orinasa ara-toekarena azy, manana andraikitra amin’ny asa sosialy eo amin’ny fiarahamonina (RSE) koa ny Airtel. Niara-niombon’antoka ny orinasa sy ny masoivohon’i Afrika Atsimo, nankalaza ny Andro iraisam-pirenena Mandela, ny zoma 18 jolay teo. Nizarana boky ny zaza tsy ampy taona, tazonina eny amin’ny fonjan’Antanimora. Entina hanamafisana ny […]

2665 items