Newsmada

Found 2905 news

  • Vaky trano teny Antanetibe : Olon-dratsy efatra voasambotra
    Newsmada - 06:42 Oct 02, 2025
    Nisehoana fanafihana sy vaky trano tetsy amin’ny fokon­tany Antanetibe sy Ambohija­nahary, kaominina Antehi­roka, ny talata hifoha ny alarobia lasa teo. Nikasa hanao vaky trano sy hala-boty teny Antanetibe ireo olon-dratsy maromaro. Nirotsaka nanenjika sy nisambotra azy ireo ny andrimasom-pokonolona teny an-toerana. Voasambotra ny efatra tamin’izy ireo ary nen­tina eny anivon’ny […]
  • Mampangorintsina ny mpankafy : Mitendry angorodao sy vatamaroafitsoka i Jean Piso
    Newsmada - 06:46 Oct 01, 2025
    Manan-talenta ma­no­kana amin’ny fi­tendrena angorodao sy fiantsana ny gadon-kira tsapiky i Rebily Jean na i Jean Piso. Avy any An­dranokototo, Be­tio­­ky, faritra Atsi­mo Andrefana ny fiaviany. Anisan’ny namorona ny feonkira mitondra ny lohateny hoe: « Andra­nokototo » izy. Ampiasain’ny onjampeo maro ho feon-kira hanombohana fandaharana. Efa mpanakanto avokoa ny ankamaroan’ny fianakaviany, raha […]
  • Maka Alphonse : “Tsy midika seza ny fifampiresahana”
    Newsmada - 06:45 Oct 01, 2025
    ”Tsy midika hoe rehefa mifampiresaka dia mizara seza. Tsy izay no izy”, hoy ny fanehoan-kevitry ny filohan’ny Conseil du fampihavanana malagasy (CFM) teo aloha, i Maka Alphonse. Raha misy ny finiavana: aoka re mba tsy hisy in­tsony ny korontana fa tsy ahitam-bokatsoa. Na inona tetikasa tsara amin’ny fampandrosoana ka mikorontana […]
  • Fikasihan-tanana… : Tsy faly amin’ny Emmo/Reg ny mpanao gazety
    Newsmada - 06:44 Oct 01, 2025
    Naneho ny alahelony sy ny hatezerany ireo mpanao gazety teny an-kianja, omaly. Anisan’ny tsy nahafaly azy ireo ny fihetsiky ny mpitandro filaminana teny Ambohijatovo «Fanompana sy fakana an-keriny telefaonina ary felaka tehamaina. Mbola niampy fandefasana baomba mandatsa-dranomaso inefatra. Nihatra tamin’ny mpanao gazety ireo», hoy ny solontenan’ny mpanao gazety, nitatitra ny […]
  • VAOVAO TAMBATRA
    Newsmada - 06:44 Oct 01, 2025
    Nisokatra kely ny tranombarotra vitsy teny Behoririka sy Andravoahangy, omaly. Nambaran’izy ireo fa tena tsy misy mihitsy ny fidiram-bolan’izy ireo nefa ny fandaniana isan’andro tsy maintsy aloa. Anisan’izany ny hofan-trano amin’ny toerana ivarotana, ny karaman’ny mpiasa, ny filana andavanandro ao an-tokantrano ho an’ny fianakaviana, sns. Nikatona indray izy ireo ny […]
  • Mpanazatra Corentin Martins:  Ahemotra ny fifampizarana
    Newsmada - 05:24 Sep 27, 2025
    Araka ny vaovao hita omaly tao anaty tambajotran-tserasera, ahemotra amin’ny fotoana manaraka ny fifampizarana izay tokony hotontosaina anio, any Mahajanga, miaraka amin’i Corentin Martins, mpanazatra Barea. Noho ny toe-draharaha misy eto amin’ny firenena ny anton’izany. Tsara ny mampahatsiahy fa efa nisy ny fitetezam-paritra nataon’ity frantsay teknisianina mitondra ny ekipa nasionaly […]
  • SOMBIM-BAOVAO
    Newsmada - 05:24 Sep 27, 2025
    Tsy raikitra indray ilay seminera iarahana amin’ilay Frantsay mpanazatra, i Anthony Masblanc, eo amin’ny taranja Jiu-jitsu brezilianina. Tsiahivina fa efa ny 25 septambra ny daty voatondro. Nahemotra ho omaly izany ary izao mbola tsy tanteraka izao no ho ny toe-javamisy eto amin’ny firenena. Hotanterahina ny 4 sy 5 oktobra izao […]
  • Volley-Mada 1D: Tafakatra famaranana ny GNVB sy ny Squad
    Newsmada - 05:24 Sep 27, 2025
    Nisafidy ny tsy hampitsahatra ny lalao manasa-dalana, omaly, ny Federasionina malagasin’ny volley-ball, na teo aza ny korontana nisy teto an-dRenivohitra. Araka izany, tontosa ny lalao manasa-dalana teny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina. Teo amin’ny sokajy vehivavy, nilaza mialoha ny tsy handray anjara ny ekipan’ny AMVB noho ny toe-javamisy, ka tafakatra avy […]
  • Baolina kitra afrikanina : Vonona handresy ny Silver Strikers ny Elgeco Plus
    Newsmada - 05:24 Sep 27, 2025
    Hitana ny sain’ny rehetra amin’ity anio ity, ny lalao miverina eo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika “Ligue des champions”, taranja baolina kitra. Hifanandrina amin’izany ny Elgeco Plus sy ny Silver Strikers an’i Malawi. Vonona handresy hiakarana amin’ny dingana manaraka ny Malagasy. Hotanterahina anio, ao amin’ny Kianja Bingu National Stadium, […]
  • Noho ny zava-misy… : Miato aloha ny “Madajazzcar Festival”
    Newsmada - 05:23 Sep 27, 2025
    Na tafiditra tao anatin’ny fivelarana lehibe aza…, noho ny zava-misy eto amin’ny firenena, miato aloha ny “Madajazzcar Festival”, raha ny fanazavan’ny mpikarakara. Tsy eto an-dRenivo­hitra ihany fa ireo toerana rehetra hanatanterahana ny hetsika, miato avokoa. Nam­pa­nantena kosa ny hivere­nan’ny fandaharam-potoana amin’­ny laoniny izy ireo amin’ny fotoana maha mety izany. Marihina […]
  • GNVB, Squad, AMVB ary ny Asi : Tafakatra manasa-dalana
    Newsmada - 04:54 Sep 26, 2025
    Hiditra amin’ny dingana manasa-dalana, anio, eny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny fiadiana ny tompondakan’i Mada­gasikara, taranja volley-ball “1ère division”. Ho an’ny sokajy vehivavy, tafakatra amin’izao manasa-dalana izao ny ekipan’ny GNVB, Squad, AMVB ary ny Asi. Raha hiverenana ny ampahefa-dalana omaly, lalao tena niady ny teo amin’ny Bi’As sy ny AMVB, […]
  • Tenisy – ITF Tour Juniors J30: Hatao eto Antananarivo ny lalao
    Newsmada - 04:54 Sep 26, 2025
    Hampiantrano fihaonana iraisam-pirenena ny Fede­rasionina malagasin’ny tenisy (FMT), manomboka ny talata 30 septambra ho avy izao. Hotanterahina eto Antananarivo, eny amin’ny Kianja COT Ilafy izany. Hizara roa miavaka tsara izany fifaninanana izany. Ny andiany voalohany, hotantera­hina ny 30 septambra ka hatramin’ny 4 oktobra ary ny an­diany faharoa kosa ny 7 […]
  • Rugby – Top 12 Mada: Hanohitra ny TFA Anatihazo ny Besetroka
    Newsmada - 04:53 Sep 26, 2025
    Hiditra an-tsehatra manomboka amin’ny alahady ho avy izao ireo ekipa 12 hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja rugby “XXL Top 12”. Lalao telo no voalahatra amin’izany ka anisan’ny andrasan’ny rehetra ny fifandonana eo amin’ny TFA Anatihazo sy ny UASC Cheminots. Hotanterahina ny alahady 28 septambra ho avy izao […]
  • VAOVAO TAMBATRA
    Newsmada - 04:51 Sep 26, 2025
    Niova ho adiny 3, indroa miantaona, ny delestazy ao amin’ny tambajotra Antananarivo sy ny manodidina (RIA). Izany hoe, tafakatra adiny 6 ny adiny 4 ora sy sasany, teo aloha. Vao manomboka anefa ny haintany, ary azo antoka, fa ho mafy kokoa hatrany ny fanapahana ny herinaratra. Anisan’ny antony mahatonga ny […]
  • Fanimbana ny tontolo iainana : Fototry ny doro tanety sy ny doro ala ny fambolena
    Newsmada - 04:51 Sep 26, 2025
    Tsy andraikitry ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra (Medd) irery ny fiarovana ny tontolo iainana. Iarahan’ny rehetra mifarimbona ny ady amin’ny fanimbana azy, satria, anisan’ny antony mahatonga ny doro ala sy ny doro tanety, ny fambolena ataon’ny olona. Mora mahazo vahana anefa ny afo amin’izao vanim-potoan’ ny maintany […]
  • Tsipy kanetibe : Tafaverina omaly ny ekipam-pirenena malagasy
    Newsmada - 04:50 Sep 25, 2025
    Omaly no nigadona an-tanindrazana ny ekipam-pirenena malagasy, sokajy lehilahy, taranja tsipy kanetibe. Raha tsiahivina, niatrika fifaninanana maro tany Eoropa izy ireo, nandritra ny telo volana ka anisan’izany ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, notontosaina tany Italie, ny faran’ny herinandro teo. Tsy nitsanga-menatra ny firenena tamin’izany satria nitondra vokatra maro ka […]
  • SOMBIM-BAOVAO
    Newsmada - 04:49 Sep 25, 2025
    Araka ny fikarohana natao, omaly, efa niditra sahady amin’ny fampivondronana voalohany ny ekipam-pirenena Makis de Madagascar, izay hiaro ny voninahi-pirenena amin’ny lalao Rugby, lalaovin’olona fito. Tsiahivina fa efa manana ny lazany anatin’ity sehatra ity ny ekipa nasionaly malagasy, ka izay no hanamafisana sahady ny fampivondronana amin’ny fiatrehana ny fifanintsanana iraisam-pirenena […]
  • Baolina kitra : Hilalao ao amin’ny Al Merrikh SC i Fenohasina
    Newsmada - 04:49 Sep 25, 2025
    Nambaran’ny klioba Al Merrikh SC avy atsy Soudan, omaly, tao amin’ny tambajotran-tseraseran’izy ireo, fa lasany tanteraka i Fenohasina Gilles, Malagasy lohalaharana. Naharesy lahatra azy ireo haka an’ity mpilalao ity ny zava-bitany nandritra ny fifanintsanana Chan 2024 farany teo iny. Araka ny fikarohana natao, haharitra efa-taona eo ny fifanarahan’ny roa tonta. […]
    Tags: Merrikh
  • Échecs-“Mondial Jeunes” : 6 mianadahy hisolo tena an’i Madagasikara
    Newsmada - 04:49 Sep 25, 2025
    Hotontosaina ny 3 hatramin’ny 16 oktobra izao, any Albanie, ny fiadiana ny tompondaka maneran-tany taranja Échecs, sokajy Jeunes. Hanana solontena i Madagasikara. 6 mianadahy no hiaro ny voninahi-pirenena amin’ity fiadiana ny tompondaka maneran-tany taranja Échecs, sokajy Jeunes ity. Ny sokajy latsaky ny 14 taona, 16 taona ary 18 taona no […]

2905 items