Miofana momba ny fitantanana sy fikojakojana ny fitaovana fitarafana, “radiographie”, ny mpikirakira izany, iarahana amin’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ireo mpiara-miombon’antoka. Mifandraika amin’ireo fitaovana “radiographie” miisa 50, novatsiana sy napetraka any amin’ireo hopitaly (CHU-CHRR-CHRD) manerana ny Nosy, ny fiofanana. Tafiditra ao anatin’ny tetikasa « PPSB ». Laharam-pahamehana ny hanamafisana ny traikefan’ireo tomponandraikitra amin’ny …
Tontosa teny amin’ny Kianja Ankatso, ny alahady lasa teo, ny fiadiana ny ho tompondakam-pirenena amin’ny taranja tsipy kanetibe ho an’olon-droa. Nisongadina ny Cecam Bouliste Club (CBC), nahitana an’i Hariliva (Ram’s) sy i Tendry teo amin’ny “senior”, lehilahy, izay nandrombaka ny anaram-boninahitra. Nandrasan’ny rehetra fatratra ny famaranana, nikatrohan’izy ireo tamin’i CBN, …
Fahombiazana ny hetsika fankalazana ny Andro maneran-tany ho an’ny tontolo iainana nokarakarain’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa. Nisy ny fifaninanana basikety 3×3 izay niarahana nisalahy tamin’ny Federasionina malagasin’ny basikety. Fifaninanana natokana ho an’ny Oniversite ka nahatratra 91 ny ekipa nandray anjara tamin’izany. Ny ekipan’ny Uprim no nibata ny amboara …
Hotanterahina ny faran’ny herinandro ho avy izao, etsy amin’ny Kianjan’ny CFFA Iavoloha, ny lalao mandroson’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra, “Pureplay Football League (PFL)”. Adin’ny samy henjana ny fifanandrinan’ny Ajesaia sy ny Disciples FC Vakinankaratra, lalao hanokafana ny manasa-dalan’ny fifaninanam-pirenena PFL, ny sabotsy ho avy izao, eny …
Nanambara ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika, ny kolonely Randrianirina Michaël, ny alahady 7 jona teo, fa misy ny ezaka ataon’ny fitondram-panjakana mahakasika ny hetra amin’ny famokarana ataon’ny orinasa Star. Araka izany, ao anatin’ny volavolan-dalàna mifehy ny Tetibolam-panjakana nasiam-panitsiana “LFR 2026”, nampidinina ho 750 Ar isaky ny litatra ny hetra « Droit …
Nangoro-mainty ny lapa… Mpankafy rock, fa indrindra mpiondana ny tarika Kiaka ireo nameno azy, omaly. Mbola mitoetra ny lazan’ny tarika. Niteny ny traikefa. Traikefa niampy talenta. Talenta be mpankafy ka hipoka ny Lapan’ny Fanatanjahantena Mahamasina, omaly. Tao ny lava volo, mitafy mainty ny ankabeazany, misalotra hoditra hatrany am-paladia… Tsy tanora …
Hotontosaina ao amin’ny UCM Ambatoroka ny Forum de la Psychologie izay karakarain’ny Association Arche ny 12 sy 13 jona ho avy izao. Hetsika maro no hatolotra ny mpanotrona izay mifototra amin’ny fahasalaman’ny saina. « De moi à l’autre : comprendre le conflit pour mieux vivre ensemble » ny lohahevitra ifantohana. Mandritra ny …
Ho fanamafisana ny ezaka ataon’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka amin’ny fampanatonana ny tolotra ara-pahasalamana ho an’ny vahoaka, notanterahina tao amin’ny CHRR Ambositra ny hetsika fitiliana maimaimpoana ny areti-maso katarakta arahin’ny fandidiana, naharitra telo andro, tao amin’ny CHRR Ambositra. Hetsika mitondra fanantenana sy fahasitranana mivantana ho an’ireo marary indrindra ireo efa niaina fahasahiranana …
Mandritra ny herinandro (15 ka hatramin’ny 21 jona 2026 ho avy izao) ny hetsika ho fanamarihana ny fankalazana ny faha-65 taona niorenan’ny Oniversite eto Antananarivo Araka ny fanazavan’ny filohan’ny mpikarakara, i Nantenaina Rabetokotany, ny 15 jona ho avy izao ny fanokafana ny hetsika, miaraka amin’ny tranoheva iarahana amin’ireo toeram-pampianarana valo …
Ao anatin’ny fankalazana ny faha-100 taonan’ny CHU-JRB, ny Sampana “Hépato-Gastroentérologie” dia manatanteraka fitiliana maimaimpoana ny aretina Hépatite B sy C ho an’ny daholobe. Mbola anisan’ireo aretina mahafaty olona maro maneran-tany ny Hépatite B sy C, ary mbola ahitana tranga maro eto Madagasikara. Notanterahina ny alakamisy teo ny fanaovan-tsonia ofisialy ny …
Hametraka tantara lehibe ho an’ny taranaka any aoriana ny Sehatra bagasy, amin’ity volana jona ity. Araka ny fandaharam-potoana nampitaina, rahampitso manomboka amin’ny 2 ora sy sasany tolakandro no hanatanterahina, ao amin’ny efitrano malalaky ny Trano fiantohana Aro, Antsahavola, ny “Atrikefa bagasy”. Hiarahana amin’i Salomon (Kintana Telo) izany. Fotoana hamaliana ireo …
Taranja tian’ny ankizy ny teny anglisy. Maro ireo misafidy izany taranja izany eny amin’ny Lycée. Hirosoana ny fanavaozana ny fandaharam-pianarana teny anglisy iarahana amin’ny amerikanina. Niresaka momba ny fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny fampianarana teny anglisy, omaly, ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena, Rajaonarison Sendra Nirina sy ny mpanolotsaina momba ny serasera …