Newsmada

Found 2905 news

  • « Grand Trail de la Réunion » ; Hifaninana amin’ireo atleta 300 i Sidonie
    Newsmada - 05:18 Oct 11, 2025
    Hanana solontena amin’ny « Grand Trail de la Réunion » i Madagasikara. Hiaro ny voninahi-pirenena amin’izany Randrianarivelo Sidonie, atletan’ny AS Fanalamanga. Nanome fankaherezana sy tohana ho azy ny orinasa hoentin’ny miatrika izany fifaninanana goavana izany. Hanainga anio, hiatrika ny « Grand Trail de la Réunion » hatao ny 16 oktobra ho avy izao Ran­drianarivelo […]
  • Fifanintsanana Mondial : Efa any Mali ny Barean’i Madagasikara
    Newsmada - 04:55 Oct 10, 2025
    « Tonga sahady! Vonona izahay! » Araka ny loharanom-baovao voaray, omaly, efa any Bamako, Mali, ny ekipam-pirenen’i Madagasikara, amin’izao fotoana izao. Na­nainga omaly maraina, tany Côte d’Ivoire, ny Barea. Raha ny fampitam-baovao, salama tsara avokoa ireo mpilalao rehetra ary vonona ny haka fandresena eo anatrehan’i Mali, ny 12 oktobra ho avy […]
  • SOMBIM-BAOVAO
    Newsmada - 04:55 Oct 10, 2025
    Araka ny fikarohana natao, maratra tsy afaka hiakatra eny ambony kianja indray i Paul Pogba, frantsay mpilalao baolina kitra ao amin’ny klioban’ny AS Monaco. Tsiahivina fa taorian’ny sazy nahazo azy, mbola tsy niakatra an-kianja mihitsy ny tenany, ary tsy mbola niatrika lalao ofisialy. Tafita hiatrika ny “Mondial 2026”, any Mexique […]
  • Taranja mekanika : Foana ny fifaninanana
    Newsmada - 04:54 Oct 10, 2025
    Noho ny toe-draharaha misy eto amin’ny firenena, man­dalo fotoan-tsarotra koa ny taranja mekanika. Araka izany, nanambara tao amin’ny tambanjotran-tseraserany ny Fede­rasionina malagasin’ny sport automobile (FSam) sy ireo klioba mpikarakara fa tsy misy ny fifaninanana ho an’ity volana oktobra ity. Efa nofoanana ny “Grand Prix karting”, tokony ho natao ny 5 […]
  • Basikety : Hifindra ao amin’ny Tamponnaise REU i Muriel sy i Christiane
    Newsmada - 04:54 Oct 10, 2025
    Vaovao tsara eo amin’ny taranja basikety malagasy, hilalao ofisialy ao amin’ny ekipan’ny Tamponnaise, ao La Réunion, ny Malagasy mpilalao basikety roa vavy, i Hajanirina Muriel sy Jaofera Harisoa Christiane. Nambaran’ny klioban’ny MB2All Analamanga, omaly, fa hikopak’elatra ka tsy ho anisan’ny mpilalaon’ izy ireo intsony i Muriel sy i Christiane. Namaly […]
  • Fitohanana sy fahatapahan-dalana: Efatra sisa ny « tours » vitan’ny taxi-be ao anatin’ny iray andro
    Newsmada - 04:53 Oct 10, 2025
    Misy fiantraikany goavana eo amin’ny fidiram-bolan’ny fiara fitateram-bahoaka (taxi-be) ny fahatapahan-dalana maro eto an-dRenivohitra. Mihena ny isan’ny fihodinana vitan’izy ireo ao anatin’iray andro. Fitaovam-pitaterana misedra olana ny fiara fitateram-bahoaka (taxi-be), nanomboka tamin’ny fisian’ny fihetsiketsehana ataon’ny tanora mpitolona eo anivon’ny Gen Z, raha ny fanadihadiana natao. Olana sedrain’izy ireo ny fahatapahan-dalana […]
  • Filoha Rajoelina Andry : “Hiala aho raha mbola misy delestazy afaka herintaona”
    Newsmada - 04:39 Oct 09, 2025
    Nafana ny fifanakalozan-kevitra natao teny Iavoloha, omaly. Maro ireo olona nandray fitenenana ary tsy nihafahafa izy ireo naneho hevitra. Afaka taona iray, hiala tsy ho filoha izy raha mbola misy ny delestazy. Notontosaina, omaly, teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha, ny fifanakalozan-kevitra nasionaly, izay nokarakarain’ny filo­han’ny Repoblika malagasy, Rajoelina Andry. Nisongadina nandritra […]
  • Fihetsiketsehana sy fitakiana lavareny : Mahazo vahana ny gaboraraka
    Newsmada - 04:39 Oct 09, 2025
    Efa ahitana tanora maro manao fihetsiketsehana sy fitokonana manerana ny Nosy. Anisan’­izany ny any Toa­masina.  Amin’ny an­­kapobeny, ma­hatonga karazana ga­boraraka isan-karazany izany, ra­ha ny zava-misy. Mbola milamina sy tsy ahitana fitokonana ny any amin’ny disitrikan’i Fenoarivo Atsinanana hatrany Vavatenina. Amin’ny ankapobeny, lasa matahotra hankany Toamasina ny mponina any an-toerana noho ny […]
  • SOMBIM-BAOVAO
    Newsmada - 04:37 Oct 09, 2025
    Nofoanana ny fifaninanana “Fit Game”, taranja Bodybuilding, karakarain’ny Federasionina malagasy sy ny “Fit Game”. Fifaninanana kasaina hatao ny 8 sy 9 novambra izao, eny amin’ny Kianja mitafo Ankoay Ankorondrano. Nohamafisin’ny mpikarakara fa haverina avokoa ny saram-pisoratana anarana ho an’ireo izay efa nanatanteraka izany. Mbola tsy fantatra kosa ny daty vaovao […]
  • Tsipy kanetibe vehivavy : Vonona ny ekipa malagasy
    Newsmada - 04:37 Oct 09, 2025
    Hanomboka amin’ny fom­ba ofisialy anio alakamisy, ao amin’ny Kianja Douaisis France, ny andiany faha-20 amin’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, taranja tsipy kanetibe, sokajy vehivavy. Firenena hatrany amin’ny 50 no hiady izay ho lohany amin’ity ka anisan’izany i Madagasikara. Efa any an-toerana ny ekipa malagasy ary vonona tanteraka hiatrika izany. […]
  • Muay Thai Tournament 3 : Hifandona i Sandra sy i Katy
    Newsmada - 04:37 Oct 09, 2025
    Hafana tanteraka ny fifaninanana “Muay Thai Tournament 3”, hatao any Toamasina, ao amin’ny Kianja mitafo Arena, ny 23 novambra izao. Anisan’ny ady andrasana ny eo amin’ny “Main Évent”, sokajy vehivavy, hifanandrinan’i Sandra, avy amin’ny Phoenix ao Antsirabe, sy i Katy, avy amin’ny Tiger’s eto Antananarivo. Sokajin-danja latsaky ny 48 kg […]
  • Judo-“Tournoi du Hainaut”: Nahazo medaly volamena 2 sy alimo 2 ny Malagasy
    Newsmada - 04:37 Oct 08, 2025
    Tsy nitsanga-menatra ny solontena malagasy niatrika ny fifaninanana “Tournoi de Hainaut”, taranja Judo, notontosaina tany Bélgique, ny fa­ran’ny herinandro teo. Medaly volamena 2 sy alimo 2 no no­rombahin’ny Malagasy nandritra izany. Teo amin’izay vokatra izay, Andriamitandrina Fe­hizoro, sokajy latsaky ny 13 taona, nahazo medaly volamena iray. nahazo fandresena 3 izy […]
  • SOMBIM-BAOVAO
    Newsmada - 04:37 Oct 08, 2025
    Resy tamin’ny fihodinana voalohany ny solontena malagasy, i Nathanael, nandritra ny fiadiana ny tompondaka maneran-tany, taranja Judo, sokajy Juniors, notontosaina tany Lima, Pérou, ny faran’ny herinandro teo. Tamin’ny alalan’ny Ippon no nandavoan’ilay teratany Libanais, i Yoshido El Saikaly, azy. 30 ny isan’ny mpifaninana teo amin’ny sokajin-danja latsaky ny 81 kg […]
  • Rallye – Filaharana vonjimaika : Mifanakaiky i Mathieu sy i Faniry
    Newsmada - 04:37 Oct 08, 2025
    Taorian’ny fahavitan’ny dingana efatra ho fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara amin’ny Rallye, mpanamory roa no tena misongadina eo amin’ny filaharana. Mitarika i Faniry, avy amin’ny klioba TMF, arahin’i Mathieu Asacm. Mifanakaiky mantsy izy mirahalahy ireo amin’ny isa azo. Nahazo 126, 5 i Faniry, raha 103 ny an’i Mathieu. Mbola tena […]
  • Fifanintsanana “Mondial 2026” : Dingana iray ny fifanandrinana amin’i Comores
    Newsmada - 04:37 Oct 08, 2025
    Hatao anio, any Côte d’Ivoire, ny lalao hihaonan’ny Coalacanthes Comores sy ny Barean’i Madagasikara. Fifanintsanana tafiditra anatin’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany 2026. Hotanterahina anio, ao amin’ny Kianja Félix Houphouët-Boigny, any Côte d’Ivoire, ny fifandonan’ny ekipam-pirenena malagasy, Barea, sy ny ekipan’i Como­res, Coelacanthes, amin’ny andro faha-9, fifaninanana hiadin-toerana ho amin’ny […]
  • Fihezama : Mitaiza ny tanora amin’ny fanatanjahantena
    Newsmada - 04:38 Oct 07, 2025
    Nitondra fanazavana ma­ha­kasika ny zava-misy eto amin’ny firenena ny eo anivon’ny Fihezama (Fitaizana ny herin’ny zatovo malagasy). Nohamafisin’ny filohany, Ra­ko­tovao Jacky Raymond, fa mitaiza sy manabe ny zatovo sy tanora malagasy amin’ny alalan’ny fanatanjahantena sy ny kolontsaina ity fikambanana ity. Tsy manao politika sy tsy miandany na amin’iza na iza […]
    Tags: Fihezama
  • SOMBIM-BAOVAO
    Newsmada - 04:38 Oct 07, 2025
    Tanterahina any Lima, Pérou, nanomboka ny 5 oktobra teo, ary haharitra hatramin’ny 8 oktobra izao, ny fiadiana ny tompondaka maneran-tany taranja Judo, ho an’ny sokajy Juniors. Tsy diso anjara amin’izany i Madagasikara fa manana solontena, dia i Nathanael Cressonnier, sokajy latsaky ny 81 kg. Judokas afrikanina 19, avy amin’ny firenena […]
  • Badminton – “Mada 2025” : Hifaninana ny Senior
    Newsmada - 04:38 Oct 07, 2025
    Araka ny fandaharam-potoana eo anivon’ny Federasionina malagasin’ny Badminton, hotanterahina ny 11 sy 12, hitohy ny 18 sy 19 oktobra ho avy izao, ny fifaninanam-pirenena ho an’ny sokajy Senior, lahy sy vavy. Hotanterahina eny amin’ny Kianja mitafon’Ankorondrano ny hetsika. Ligim-paritra telo dia Analamanga, Vakinankaratra ary Atsinanana no hiady ho lohany amin’ity. […]
  • Baolina kitra : Hanazatra ny Young Africans Tanzanie ny Coach Rôrô
    Newsmada - 04:38 Oct 07, 2025
    Toy ireo mpilalaon’ny Barea Chan milaravinahitra any ivelany, handeha hikopak’elatra ihany koa ny Coach Rôrô. Hanazatra ny Young Africans Sports Club an’i Tanizanie ny lehilahy. Famaraparanana ny pitsopitsony eo aminy sy ny Federasionina malagasy (FMF) ary ny Yas Madagasikara sisa dia hanainga izy. Tsy honohono fa tena izy. Nambaran-dRakoton­drabe Romuald […]

2905 items