Newsmada

Found 2905 news

  • Amboditsiry: Nametra-pialana ny sefo fokontany
    Newsmada - 04:43 Oct 16, 2025
    Tonga teo anoloan’ny bi­raon’ny fokontany Am­boditsiry ny andian’olona vitsivitsy, ny marain’ny talata 14 oktobra 2025 teo. No­takin’izy ireo ny hialan’ny sefo fokontany. Ny tolakandron’iny ihany, fantatra fa nametra-pialana ramatoa Sefo fokon­tany. Tsy mazava hatreto ny tena antony nialany. Fa misy kosa ny loharanom-baovao milaza fa nisy tokantrano vitsivitsy nahitana entana […]
  • Barea U17- Cosafa: Mandiso ireo vaovao miely ny Coach Yvon
    Newsmada - 04:44 Oct 15, 2025
    Manoloana ny vaovao navoakan’ny Sport News Africa, omaly, izay milaza fa mandalo fanadihadiana eny amin’ny fitsarana ny mpanazatra Barea U17, Randria­narisoa Yvon, noho ny fakana vola tamin’ireo ray aman-dreny mba hanatsofohana azy anaty ekipam-pirenena. Na­namafy ity teknisianina malagasy ity, omaly, fa tsy marina velively ny voalazan’io mpanao gazety any ivelany […]
  • SOMBIM-BAOVAO
    Newsmada - 04:43 Oct 15, 2025
    Anisan’ny mpikatroka hifanandrina mandritra ny fifaninanana “Muay Thai Tournament 3”, hotanterahina ny 23 novambra izao, any Toamasina, i Tiavina avy amin’ny Gasy Pro sy i Tsididy, avy amin’ny Le Roi Tiger’s. Hiady ny amboara eo amin’ny sokajy latsaky ny 54 kg Junior izy roa lahy ireo, amin’ity fifaninanana ity. Tsiahivina […]
  • MIT : Nofoanana ny fifaninanana
    Newsmada - 04:43 Oct 15, 2025
    Nambaran’ny talen’ny Marathon international de Tana (MIT), tamin’ny alalan’ny taratasy fampahafantarana ny herinandro lasa teo fa foana ny andiany faha-20 amin’ity fifaninanana hazakazaka lavitra ezaka ity. Fihaonana tokony hotanterahina ny sabotsy 18 sy ny alahady 19 oktobra ho avy izao. Nomarihin’ny filazana fa tsy hoe tsy hisy intsony akory ity […]
  • Beach Volley Zone 7 « Round 2 »: Ekipa malagasy roa handray anjara
    Newsmada - 04:43 Oct 15, 2025
    Hotanterahina any Kaomoro, ny 29 oktobra hatramin’ny 2 novambra 2025 izao, ny fiadiana ny ho tompondakan’ny faritra fahafito, eo amin’ny taranja beach-volley, fihodinana faharoa. Ekipa malagasy roa no hifaninana amin’izany. Tsy diso anjara amin’ity “beach-volley zone 7, Round 2” ity i Madaga­sikara, fifaninanana hatao ao amin’ny torapasik’i Itsandra, Kaomoro. Ekipa […]
  • Fifanintsanana Mondial 2026: Andrasana anio ny fanapahan-kevitry ny Caf
    Newsmada - 04:57 Oct 14, 2025
    Manify tanteraka ny fanantenana, raha tsy misy ny fiovana farany. Andrasana anio ny vaovao ofisialy avoakan’ny Caf mahakasika ilay tranga milaza fa mety hihena ny isan’ ny Barean’i Madagasikara sy ireo firenena hafa, manana vondrona enina, amin’ity fifanintsanana Mondial 2026 ity. Tsy ambony intsony moa ny herijika ho an’ny ekipa […]
  • SOMBIM-BAOVAO
    Newsmada - 04:56 Oct 14, 2025
    Ilay mpilalao basikety fahiny tao amin’ny ekipa frantsay, i Isabelle Yacoubou, no ambasadaoron’ny fiofanana “Fiba Africa Regional Youth Camp 2025”, sokajy vehivavy, tontosaina any Le Caire, Egypte. Fiofanana nanomboka ny 12 oktobra teo ary hifarana ny 15 oktobra izao. Any an-toerana ny Malagasy mpilalao Andrian­tsiavonan­tsoa Onisoa Fanasina avy amin’ny klioban’ny […]
  • Volley-ball malagasy : Hampitombo traikefa amin’ny fiofanana
    Newsmada - 04:56 Oct 14, 2025
    Hisy ny fampiofanana natokana ho an’ny Malagasy mise­hatra amin’ny taranja volley-ball, ny 18 hatramin’ny 21 no­vambra izao. Fampiofanana ho mpanazatra izay eo ambany fiahian’ny Federasionina iraisam-pirenen’ny volley-ball sy ny Federasionina malagasy ary ny ligy Matsiatra Ambony no hotanterahina any Fianarantsoa. Tanjona ny hampandroso io taranja io ao amin’ny faritra Matsiatra […]
  • Rugby sokajy vehivavy – CAN 2025: Mila 7500 euros ho fandraisana anjara
    Newsmada - 04:56 Oct 14, 2025
    Hiditra an-tsehatra, hiady ny ho tompondakan’i Afrika, ho an’ny rugby lalaovin’olona 7 (Can 2025) indray ny Makis Ladies. Misedra olana anefa izy ireo satria tsy mbola voaloa ny saran’ny fandraisana anjara, mitentina 7500 euros. Ankoatra izay, nidera ny fandrosoan’ny rugby sokajy vehivavy eto amintsika ny World Rugby. Hotanterahina any Kenya, […]
  • FMMM : Manameloka ny jadona sy ny herisetra
    Newsmada - 04:55 Oct 14, 2025
    Manoloana ny toe-draharaham-pirenena ankehitriny, mijoro ny firaisan’ny mpandinika miozolomanina eto Madagasikara (FMMM) ka namoaka fanambarana. Voalazan’izy ireo fa rehefa ny tsy fahamarinana sy ny tsy rariny ary ny tsindrihazolena no mahazo vahana eo amin’ny fiarahamonina na firenena dia tsy maintsy miafara amin’ny korontana izany. Lalàna voajanahary tsy azo ihodivirana izany, […]
    Tags: FMMM
  • Revy Mahaleo : Nahazo ny anjarany Antanetibe Mahazaza
    Newsmada - 04:56 Oct 13, 2025
    Lalan’ny atody, mpamatsy atody manerana ny Nosy. Izay no tena hahafantarana sy mampalaza ny kaominina Antanetibe Mahazaza. Noho izay indrindra no antony hi­sian’ny hetsika «Fetiben’ny atody», izay niditra tamin’ny andiany fahefatra, ny faran’ny heriandro lasa teo. Na teo aza ny toe-draharaham-pirenena nafana, nafana toy izany koa ny sehon’ny Mahaleo sy […]
  • TARATRY ny KANTO
    Newsmada - 04:55 Oct 13, 2025
    Nifamotoana ireo teratany malagasy monina any Paris, France, ny asabotsy teo. Nanatontosa ny «Takariva soatoavina malagasy» izy ireo. Izay nifandimbiasan’ny fampianarana ny fototry ny kabary malagasy am-panambadiana, narahin’ny fampisehoana nataon’i Justin Vali. Nampahafantarina nandritra izany ilay boky fianarana kabary malagasy, nosoratana amin’ny teny frantsay, notontosain’i Henriette Razanamalala sy i Dera […]
  • Marion : Tsy maintsy ahemotra ny seho
    Newsmada - 04:55 Oct 13, 2025
    Fotoam-bita tsy mahaleo ny sampona! Niezaka ihany hitazona ny fampisehoana izay tokony hotontosaina ny 26 oktobra izao i Marion sy ry zareo avy ao amin’ny SR Event, saingy noho ny fihazakazahan’ny toe-draharaham-pirenena, tsy maintsy nandray fanapahan-kevitra izy ireo. «Somary vahotra ny lela hanambara eto ry zareo fa saingy misy ny […]
    Tags: Marion
  • « Our Generation 2025 »: Lasan’ny Malagasy ny voalohany, tany Russie !
    Newsmada - 04:55 Oct 13, 2025
    Pao-droa! Manaiky ny Malagasy izao tontolo izao, eo amin’ny tontolon’ny hira. Lasantsika indray ny voalohany teo amin’ny sokajy rehetra, nandritra ilay fifaninanan-kira « Our Generation 2025 ». Voalohany tamin’ny fifaninanana ankapobeny. Voalohany koa teo amin’ny fifidianan’ny mpankafy ny ekipa malagasy! Nibata ny amboara, tany Russie, i Bren­da, Mandresy ary i […]
  • VAOVAO TAMBATRA
    Newsmada - 04:54 Oct 13, 2025
    Nanao ny asany mahazatra ny mpivarotra, omaly maraina. Nikatona avokoa izy ireo nanomboka ny atoandro mandra-pahariva ny andro noho ny korontana. Toraka izany koa ny tsena, toy ny teny Anosibe sy Anosy Mahamasina. Nizotra toy ny mahazatra kosa ny fiainana andavanandro teny amin’ny manodidina ny Renivohitra. Nozaraina zana-trondro miisa 10 000 […]
  • SERAPHIN BRUITISTE
    Newsmada - 14:18 Oct 11, 2025
  • Tsipy kanetibe – «Mondiaux 2025»: Tafita amin’ny fihodinana fahefatra ny Malagasy
    Newsmada - 05:18 Oct 11, 2025
    Nitohy omaly, tao amin’ny Kianja mitafo Douaisis, Fran­ce, ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, taranja tsipy kanetibe, sokajy vehivavy. Ny fiatrehana ny fifanintsanana isam-bondrona ho an’olon-telo miaraka no natrehin’ireo mpifaninana rehetra. Anisan’ireo mandray anjara amin’izany ny Malagasy izay tafita amin’ny fihodinana fahefatra. Raha tsiahivina ny lalao vitany, resin’i Belgique teo […]
    Tags: Malagasy
  • SOMBIM-BAOVAO
    Newsmada - 05:18 Oct 11, 2025
    Efa manomboka fantatra ireo mpikatroka handray anjara amin’ny “Muay Thai Tournament 3″ hatao ao amin’ny Arena Toamasina, ny 23 novambra izao. Anisan’ny hifaninana, mandritra izany, eo amin’ny sokajy vehivavy, i Lova, latsaky ny 54 kg, i Eulalie latsaky ny 58 kg ary i Miora, latsaky ny 60 kg. Hisy ny”prize […]
  • Fiofanana Fiba Afrika: Malagasy mpitsara telo afa-panadinana
    Newsmada - 05:18 Oct 11, 2025
    Namoaka ny anaran’ireo mpitsara afrikanina nahomby tamin’ny fiofanana ny eo anivon’ny Fiba Afrika. Malagasy mpitsara telo, ahitana an-dRabemananjara Mbolamena, Son of Man Sunshine Cynthia Anastasie ary Rakotonirina Lantomananarivony Aina Redjany, no afaka tamin’ny fanadinana ka nahazo ny mari-pahaizana Niveau 1. Tsiahivina fa mpitsara efatra no niatrika ny fiofanana ho an’i […]
    Tags: Malagasy

2905 items