Newsmada

Found 3510 news

  • Faribolana Sandratra : Hanatontosa ny “Hadimiana Sandratra”
    Newsmada - 04:42 Jun 05, 2026
    Tsy ataon’ny Faribolana Sandratra mandalo fotsiny ny Iray volan’ny teny malagasy. Hitondra ny anjara birikiny amin’ny fanandratana ny literatiora malagasy ry zareo, mandritra ny dimy andro, etsy amin’ny Efitrano Dox, Trano­mbokim-pirenena Anosy, ny 8 ka hatramin’ny 12 jona izao. “Hadimiana Sandratra” rahateo ny anarana nampisalorana ny hetsika hatao amin’ireo fotoana […]
  • Sehatra bagasy: Hisesy ny « Atrikefa » sy ny « Zarasehatra »
    Newsmada - 04:42 Jun 05, 2026
    Hametraka tantara lehibe ho an’ny taranaka any aoriana ny Sehatra bagasy, amin’ity volana jona ity. Araka ny fandaharam-potoana nampitaina, rahampitso manomboka amin’ny 2 ora sy sasany tolakandro no hanatanterahina, ao amin’ny efitrano malalaky ny Trano fiantohana Aro, An­tsahavola, ny “Atrikefa bagasy”. Hiarahana amin’i Salomon (Kintana Telo) izany. Fotoana hamaliana ireo […]
  • CHUJRB : 100 taona nitsaboana
    Newsmada - 04:41 Jun 05, 2026
    Mitohy anio ny varavarana misokatra ho an’ny daholobe karakarain’ny hopitaly CHUJRB na Befelatanana ambony. Mana­marika ny faha-100 taona nijoroany ity hopitaly ity ary manome tolotra ara-pahasalamana maimaimpoana ho an’ny rehetra. 100 taona nitsaboana sy nanasitranana, 100 taona nijoroana sy nanangonana traikefa ny hopitaly. “Traikefa 100 taona, fitsaboana azo antoka” no […]
    Tags: CHUJRB
  • Teny anglisy : Hirosoana ny fanavaozana ny fandaharam-pianarana
    Newsmada - 04:41 Jun 05, 2026
    Taranja tian’ny ankizy ny teny anglisy. Maro ireo misafidy izany taranja izany eny amin’ny Lycée. Hirosoana ny fanavaozana ny fandaharam-pianarana teny anglisy iarahana amin’ny amerikanina. Niresaka momba ny fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny fampianarana teny anglisy, omaly, ny minisitry ny Fana­bea­zam-pirenena, Rajao­na­rison Sendra Nirina sy ny mpanolotsaina momba ny serasera […]
  • SOMBIM-BAOVAO
    Newsmada - 04:40 Jun 05, 2026
    Tafita hiatrika ny lalao manasa-dalan’ny Pureplay Football League (PFL), ny ekipan’ny CFFA Andoharanofotsy sy ny Ajesaia. Raha tsy misy ny fiovana farany, ny ekipan’ny Elgeco Plus, tompondaka farany teo, no hihaona amin’ny CFFA ary ny Ajesaia hifanandrina amin’ny Disciples FC Vakinankaratra. Hotanterahina manomboka anio, etsy amin’ ny « Boulodrome Ankatso », ny […]
  • Taranja tenisy – Billie Jean King Cup: Fantatra ireo mpilalao hiaro ny voninahi-pirenena
    Newsmada - 04:46 Jun 04, 2026
    Afaka iray volana, hiatrika ny fifaninanana afrikanina eo amin’ny taranja tenisy, sokajy vehivavy, «Billie Jean King Cup», ho an’ny vondrona fa­hatelo i Madagasikara. Araka ny fikarohana natao, hotanterahina atsy Gaborone Botswa­na, ny 13 hatramin’ny 18 jolay ho avy izao izany. Nampafan­tarin’ny Federasionina malagasin’ny tenisy (FMT), oma­ly, tetsy Andraharo, ny anaran’ireo […]
  • SOMBIM-BAOVAO
    Newsmada - 04:46 Jun 04, 2026
    Nandefa taratasy fampahafantarana ny Federasionina maraokanina, ny baolina kitra, fa noho ny valanaretina misy any an-toerana dia foana avokoa ireo lalao ara-pirahalahiana rehetra tokony hatao any an-toerana. Tafiditra ao anatin’izany ny fihaonan’ny Barea sy i Ouganda, tokony hatao ny alatsinainy ho avy izao. Notanterahina afakomaly, tao amin’ny Faritra Amba­tosoa, ny […]
  • Judo: Top 50 maneran-tany i Zo Hajanirina
    Newsmada - 04:46 Jun 04, 2026
    Laharana faha-49 maneran-tany, eo amin’ny sokajy latsaky ny 78 kg, ny Malagasy mpikatroka eo amin’ny taranja Judo, Andriambololona Zo Hajanirina, manana isa 614. Io no filaharana navoakan’ny eo anivon’ny Federasionina iraisam-pirenan’ny judo (FIJ), ny 1 jona lasa teo. Voninahitra lehibe ho an’i Madagasikara sy ny taranja judo izao satria i Zo no Malagasy […]
  • Barean’i Madagasikara : Tsy te hiresaka amin’ny mpanao gazety ny FMF sy ny mpanazatra
    Newsmada - 04:46 Jun 04, 2026
    Hatramin’ny omaly, tsy nandrenesam-peo ny mpanazatra ny Barean’i Madagasikara sy ny Federasionina malagasy, nanoloana ireny faharesena mihoapampana sy mahamenatra ireny. Tsy misy fanazavana ny amin’ilay fanamiana sy ny tsy fahasahian’i Corentin Martins miatrika ny mpanao gazety malagasy. Tsy takona afenina intsony ny olan’ny baolina kitra eto Madagasikara. Manaporofo izany ny […]
  • TARATRY ny KANTO
    Newsmada - 04:45 Jun 04, 2026
    Nahaliana ny mpianatra sy ireo mpandala ny teny malagasy ny « Takalo am-pamoloana » notontosaina tetsy amin’ny Tranombokim-pirenena, omaly. « Ny voambolana malagasy mahasadaikatra : fady sa azo tenenina ? » no novoaboasan’ Ny Mpanabe Tsara. Lohahevitra tsara safidy, satria efa ela no nanitikitika ny rehetra ny fampiasana ny teny malagasy tena izy, kanefa voalaza fa […]
  • GOGUETTE du 03 06 2026
    Newsmada - 06:21 Jun 03, 2026
  • Lalao ara-pirahalahiana :  Resin’i Maroc tamin’ny isa 4 no ho 0 ny Barea
    Newsmada - 04:44 Jun 03, 2026
    Voahaja ny lojika! Tsy nahatohitra ny ekipan’ny Lion de l’Atlas Maroc ny Barean’i Madagasikara, omaly, tao amin’ny Kianjan’i Moulay Ab­dellah, Rabat Maroc. Nomo­ntsanin’ny ekipa nasionaly maraokanina, tamin’ny isa 4 no ho 0, ny Barea. Raha hiverenana kely ny fifanandrinana, nanindry tanteraka tamin’ny lafiny rehetra ny Maraokanina, na teo amin’ny fanafihana […]
    Tags: Barea
  • SOMBIM-BAOVAO
    Newsmada - 04:44 Jun 03, 2026
    Hotanterahina anio, eny amin’ny Kianjan’ny Elgeco Plus, By-pass, ny lalao ampahefa-dalana miverina amin’ny PFL, hihaonan’ny Ajesaia sy ny AS Ste Anne. Mbola manala vela amin’ity fifanandrinana ity ny Ste Anne, izay resy tamin’ny isa 2 no ho 1, tany amin’ny fihaonana mandroso. Mbola mipetraka eo amin’ny laharana fahatelo, eto Madagasikara, […]
  • Basikety-Analamanga : Tompondakan’ny N1B ny ASA sy Fandrefiala
    Newsmada - 04:44 Jun 03, 2026
    Tontosa ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny Kianja mitafon’Ankorondrano, ny famaranana teo amin’ny sokajy N1B, ho an’ny fiadiana ny tompondakan’Analamanga,  taranja basikety. Voahosotra ho tompondaka, tamin’izany, ny ASA, teo amin’ny sokajy vehivavy rehefa nandavo ny Lucadro, tamin’ny isa 62 no ho 52. Tetsy ankilany, ny ekipan’ny Fandrefiala kosa no nandrombaka ny fandresena,  teo amin’ny sokajy […]
  • Padel : Mpanao gazety 9 nahazo fiofanana
    Newsmada - 04:44 Jun 03, 2026
    Tsy mijanona ho mpitatitra sy mpampita vaovao fotsiny ny mpanao gazety fa miditra an-tsehatra amin’ny taranja samihafa koa. Taorian’ny tsipy kanetibe, niditra tamin’ny Padel indray izy ireo, ka nandranto fahalalana mahakasika izany ary nanao fampiharana tamin’ny alalan’ny fifaninanana teo amin’ireo samy mpiofana. Mitohy hatrany ny hetsika fanomezana fahalalana ny mpanao […]
    Tags: Padel
  • Barean’i Madagasikara : Nantsoina tamin’ny ora farany i Andy sy i Mamisoa
    Newsmada - 04:46 Jun 02, 2026
    Hifantoka atsy Maroc avokoa ny sain’ny mpitia baolina kitra, anio. Hotanterahina ao amin’ny Kianja Moulay Abdellah – Rabat ny lalao ara-pirahalahiana hifanandrinan’ny Lions de l’Atlas Maroc sy ny Barean’i Madagasikara, hanomboka amin’ny 8 ora alina. Raha ny vaovao voaray avy any an-toerana, nisy fiovana ny firafitry ny ekipam-pirenena malagasy. Nan­tsoina […]
  • SOMBIM-BAOVAO
    Newsmada - 04:46 Jun 02, 2026
    Notsenaina tamin’ny fomba manetriketrika tao amin’ny Kianjan’ny Parc de Princes, ao Paris, renivohitr’i France, ny Paris Saint Germain(PSG), afakomaly. Nankalazaina tao amin’ity kianja ity ny fahombiazan’ny PSG, izay nibata amboara roa tamin’ny Ligue des Champions 2026. Tsiahivina fa tazana tao anatin’ny lanonana ilay Malagasy mpanazatra Barea fahiny, sady mpilalaon’ny PSG […]
  • Handball – “IHF Trophy” : Nanao pao-droa ny Akio
    Newsmada - 04:46 Jun 02, 2026
    “Pao-droa”! Lasan’ny Akio Madagasikara avokoa ny amboaran’ny “IHF Trophy”, faritra fahafito, ho an’ ny sokajy “cadet” sy “junior”, lehilahy. Fifaninanana notanterahina tao amin’ny Lapan’ny Fanatanjahantena Mahamasina, ny alarobia hatramin’ny alahady lasa teo. Norombahin’ny ekipam-pirenena Akio “cadet”, ny anaram-boninahitra rehefa nandresy ny Nosy La Réunion, tamin’ny isa 40 no ho 30, […]
  • JJB-AJP Tour Cape Town : Nahazo medaly volamena 4 sy alimo 2 ny Malagasy
    Newsmada - 04:46 Jun 02, 2026
    Namiratra indray ny Malagasy mpikatroka ny taranja Jiu-jitsu Breziliana tany Afrika Atsimo. Medaly 6 no norom­bahin’izy ireo. Malagasy mpikatroka Jiu-jitsu Breziliana 4 mianadahy no niatrika ny fifaninanana “AJP Tour Cape Town Championship”, tany Afrika Atsimo. Tsy nitsanga-menatra ireo solontena malagasy fa namiratra. Medaly volamena 4 sy alimo 2 no norombahan’i […]
    Tags: Malagasy
  • Auto-école-CUA : Tokony hamafisina ny kalitaon’ny fampianarana
    Newsmada - 04:45 Jun 02, 2026
    Manoloana ny goragora sy tandrevaka ataon’ireo mpitondra fiara, nanaitra ny sekoly mampianatra mamily fiarakodia rehetra ny Kaominina Antananarivo Renivohitra mba hanamafy hatrany ny kalitaon’ny fampianarana omena ireo mpianatra. Tsy mijanona amin’ny fahaizana mitondra fiara fotsiny ny fampianarana fa eo koa ny fanabeazana amin’ny andraikitra, ny fanajana lalàna ary ny fifampitsinjovana […]

3510 items