Newsmada

Found 3510 news

  • Karate-Afrika Atsinanana : Nahazo Medaly volamena 1 sy alimo 2 ny Malagasy
    Newsmada - 04:46 Jun 01, 2026
    Tontosa ny 28 hatramin’ny 30 mey lasa teo, tany Nairobi Kenya, ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, faritra Atsi­nanana, taranja karate. Tsy nitsanga-menatra ny Mala­gasy fa na dia vitsy aza ny nisolo tena an’i Madagasikara, vokatra tsara no azo. Medaly volamena 1 sy alimo 1 no no­rombahan’ny karatekas mala­gasy. Tamin’ny alalan-dRave­lonarivo […]
  • Rugby vehivavy – CAN 2026: Gisitra sady mivarina sokajy ny Makis Ladies
    Newsmada - 04:46 Jun 01, 2026
    Tena ratsy ny vokatra azon’ny Makis Ladies, nandritra ny Can 2026 taranja rugby ho an’olona 15. Faharesena intelo, tamin’ireo lalao telo nataony no vitan-dry zareo. Gisitra ny Malagasy ary mivarina any amin’ny sokajy ambany, amin’ny taona 2027. Tontosa omaly, tany Nai­robi Kenya ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja rugby […]
  • INDRAY MIJERY
    Newsmada - 04:45 Jun 01, 2026
    Tontosa ny famaranana ny ampahibemaso ho fandraisana ireo mopampianatra ho mpiasam-panjakana, eo anivon’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa. Mpiasa tsy raikitra miisa 250 izay efa niasa eo anivon’ny minisitera sy ireo toeram-pampianarana no voakasik’ity dingana notanterahina amin’ny fomba mangarahara ity. Nanomboka ny 11 mey lasa teo, nitety ireo […]
  • Fananahana ara-pahasalamana : Nitafa niaraka ny ray aman-dreny sy ny zanaka
    Newsmada - 04:45 Jun 01, 2026
    Nikarakara adihevitra ho an’ny fianakaviana mahakasika ny fananahana ara-pahasalamana sy ny fandrindrana fiterahana ho an’ny fianakaviana ny fikambanana Fiana­kaviana Sambatra, ny faran’ny herinandro teo ,teny Ambato­mi­tsangana. Lohahevitra nio­mpanan’ny dinidinika ny hoe : « Tanora tompon’andraikitra sy fianakaviana voaaro manorina fiarahamonina sambatra ». Fianakaviana efatra, nahitana ray aman-dreny sy ny zanany no nifanakalo hevitra […]
  • Herinandron’ny Fianakaviana Sambatra : Hisy tolotra fandrindram-piterahana maimaimpoana
    Newsmada - 05:47 May 30, 2026
    Hosantarina ny alatsinainy ho avy izao ny “Herinandron’ny Fianakaviana Sambatra” eto Antananarivo sy any amin’ ny faritra rehetra misy ny fikambanana. Hanamarika izany ny he­tsika ofisialy eny amin’ ny foiben-toeran’ny fikambanana eny Ambatomi­tsangana. Eo koa ny fanadiovana faobe ataon’ny tanora avy amin’ny Centre des jeunes Andoharanofotsy eny amin’ny CSB II […]
  • VAOVAO TAMBATRA
    Newsmada - 05:01 May 30, 2026
    Mpampiasa vola sy mpandraharaha maorisianina hatrany amin’ny 50 no ho tonga eto Madagasikara mandritra ny “Moris-Mada Business”. Hetsika ara-toekarena atao ny 2 ka hatramin’ny 5 jolay. Tanjona ny hanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’i Madagasikara sy Maorisy amin’ny alalan’ny fampifandraisana ireo mpandraharaha, mpampiasa vola ary sehatra samihafa. Hampahafantarana an’ireo mpandraharaha maorisianina […]
  • GetHumancall: Hanohana ny mpianatry ny EPP
    Newsmada - 05:00 May 30, 2026
    Nitondra fanantenana vaovao ho an’ny Sekolim-panjakana ambaratonga fototra (EPP) ao Ambodiafontsy Am­pitatafika, ny hetsika nataon’ny GetHumanCall, amin’ny alalan’ny tetikasa Fandraisan’ an­draikitra ara-tsosialy sy ara-tontolo iainana (RSE) nataony. Mandray mpianatra miisa 288, ampianarina mpampianatra valo, ny sekoly. “Avy amina fianakaviana sahirana avokoa ny ankamaroan’ny mpianatra, misy amin’izy ireo no kamboty”, hoy […]
  • Ben’ny Tanàna Manandriana : Tokony hifampiresaka ny fanjakana sy ny Star 
    Newsmada - 05:00 May 30, 2026
    Sahirana ny tantsaha mpamboly orge any amin’ny distrika Manandriana, faritra Amoron’i Mania. Antony, tsy mitsahatra mihena ny velaran-tany azo hambolena ity akora fototra ity, izay ilain’ny orinasa Star amin’ny fanamboarana zava-pisotro labiera. Mahatsapa izany ny ben’ny Tanàn’Ambatomarina, distrika Manandriana, Rianamboariny Jean Pierre. Namba­rany fa mitaraina ireo tantsaha satria mihena ny […]
  • Angovo maitso: Volavolaina ny fenitra mahakasika ny biogaz
    Newsmada - 05:00 May 30, 2026
    Natao omaly, ny atrikasa fanombohana ny famolavolana ny fenitra nasionaly momba ny biogaz. Tanjona ny hampanaraham-penitra ity seha-pihariana ity, hiarovana ny mpampiasa ny angovo madio maharitra sady miaro ny tontolo iainana. Mikarakara ny atrikasa ny minisiteran’ny Ton­tolo iainana sy ny fampandrosoana lovainjafy (Medd) sy ny minisiteran’ny Angovo sy ny akoranafo […]
    Tags: Angovo
  • Observateur de la jeunesse : Tokony hamoraina ny fandovana tany
    Newsmada - 04:48 May 29, 2026
    Naneho hevitra ny Obser­vateur de la jeunesse fa tena ady sarotra ny resaka fandovana tanin-drazana eto Mada­gasikara. Maro ny fianakaviana mitaraina satria sarotra ny manatanteraka ny pitsompi­tsony amin’izany. Mifampian­kina nefa ny fampandovana sy ny fampandrosoana ny tanora. Ny 80% ny Malagasy dia mpamboly, kanefa tsy mizaka ny fananany madiodio ny […]
  • Hamadihana ny fikarohana ho lasa asa: Notokanana omaly ny UniPod, misokatra ho an’ny rehetra
    Newsmada - 04:48 May 29, 2026
    Notokanana tamin’ny fomba ofisialy, omaly, tetsy amin’ny CIDST Tsimbazaza, ny Université d’innovation Pod (UniPod). Teny an-toerana ny filohan’ny Fanavaozana, ny kolonely Randrianirina Michaël sy ny eo anivon’ny Pnud. Toerana iray hitrandrahana sy hampivelarana ireo tetikasa sy asa fikarohana ho lasa asa iarahana amin’ny sehatra tsy miankina ny UniPod. Hahafahana mamadika […]
  • SOMBIM-BAOVAO
    Newsmada - 04:47 May 29, 2026
    Tafita hiatrika ny lalao ampahavalon-dalan’ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, taranja baolina kitra, ny Fosa Juniors Boeny. Tafiditra amin’ny fifaninanam-pirenena «PFL». Lavon’izy ireo tamin’ny isa 3 no ho 1, omaly, ny klioban’ny FC Soleil. Tsiahivina fa mbola miatrika ny ampaha-16n-dalan’ity fifanintsanana ity ny Fosa Juniors sokajy zandriny.
  • “Pureplay Football League (PFL)” : Tafita any amin’ny manasa-dalana ny Elgeco Plus
    Newsmada - 04:47 May 29, 2026
    Ekipa faharoa manaraka ny dian’ny Disciples FC Va­kinankaratra any amin’ny manasa-dalana amin’ny “Pu­re­­play Football League (PFL)”, ny Elgeco Plus. Resin’ izy ireo tamin’ny fandakana “tir au but”, 4 no ho 2, tetsy amin’ny Kianjan’ny Elgeco Plus By-Pass, omaly, ny FC Rouge. Nisaraka 1 no ho 0, nandritra ny fe-potoana ara-dalàna, […]
  • Komity olympika malagasy: Tontosa ny fivoriambe ara-potoana
    Newsmada - 04:46 May 29, 2026
    Notontosaina omaly, tetsy amin’ny Sky Blue Ankadindra­tombo, ny fivoriambe ara-potoana 2026 ho an’ny Komity olympika malagasy (Kom). Saika tao avokoa ny ankamaroan’ny Federasionina rehetra ary nandefa solontena sy niditra mivantana ireo tsy afaka nanatrika izany. Teboka maro no noresahina ka anisan’ny nisongadina ny mahakasika ny Lalao olympika ho an’ny tanora […]
    Tags: Komity
  • Tarika Iray Fy’Art : Hilalao tantara amin’onjampeo any Amparamanina
    Newsmada - 04:51 May 28, 2026
    Mitohy hatrany ny fitetezam-paritra amin’ny tantara an-tsehatra. Hihazo ny any Alaotra, Amparamanina Am­pa­rafaravola, ireo mpilalao tantara amin’ny onjampeo, ny tarika Iray Fy’Art, taorian’ny seho an-tsehatra tany Maha­janga, ny herinandro teo. Hihaona mivantana sy hifanakaiky kokoa amin’ireo mpankafy sy ireo vahoaka any an-toerana izy ireo ny alahady 7 jona ho avy […]
  • Fomba sy fanao: Tsy kolontsaina mala­gasy ny « Fetin’ny Reny »
    Newsmada - 04:51 May 28, 2026
    Andro vitsy sisa no isaina… Hankalaza ny « Fetin’ny Reny » ny Malagasy. Raha ilay anarany fotsiny no iaingana. Efa maneho sahady fa indrana ihany no ataon’ny Malagasy fa tsy tompony. Ny alahady 31 mey izao no hankalaza ny « Fe­tin’ny Reny » ny Mala­gasy. Na, tsy manontolo aza. Tao anatin’ny taona maro, mitombo […]
  • Faritra Normandia Frantsa: Nanangana ivontoerana ho an’ny tanora
    Newsmada - 04:50 May 28, 2026
    Notokanana ny alin’ny talata 20 mey teo, ny ivontoerana fanovozam-pahalalana etsy Ampasimazava izay najoron’ny faritra Normandia any Frantsa, ho mariky ny fiaraha-miombon’antoka amin’ny Faritra Atsinanana. Raha hiverenana, efa an-taonany maro ny fiarahan’ny faritra roa tonta : “Coopération décentralisée Normandie”. Nampitondraina ny anarana hoe “Atélier 501 centre de ressources” ity ivontoerana ity […]
  • Ady amin’ny kolikoly : Mihemotra ny laharan’i Madagasikara
    Newsmada - 04:50 May 28, 2026
    Nihemotra laharana valo i Madagasikara amin’ny ady amin’ny kolikoly, araka ny tatitry ny Transpa­rency international faha-31, ny fiandohan’ny herinandro teo, momba ny tondro andrefesana ny kolikoly, taona 2025. Laharana 148 amin’ny firenena 182 i Madagasikara tamin’ny 2025, amin’ny isa 25 amin’ny 100 na 25/100. Nefa tamin’ny taona 2024, 26/100 no […]
  • Lisitry ny Barean’i Madagasikara: Niantso mpiandry harato i Corentin Martins
    Newsmada - 04:49 May 28, 2026
    Nahazo mpilalao vaovao indray ny Barea! Nantsoin’i Corentin Martins handrafitra ny Barean’i Madagasikara, i Ilam Djaliane, mpiandry tsatoby mi­lalao ao amin’ny Blagnac FC, divizionina fahadimy (D5) any France. Araka ny fikarohana natao, nahatafidirana baolina 12 tamin’ireo lalao enina vitany ity mpiaro ny masonaraton’ny Barea vaovao ity. Efa nandalo niatrika fiofanana […]

3510 items