Newsmada

Found 2245 news

  • Lake Village : Nomena an’ireo mpianatry ny Oniversite
    Newsmada - 05:30 Nov 08, 2025
    Natolotry ny Fiadi­dian’ ny Fanavaozan’ny Re­po­b­likan’i Madagasi­kara, izay tarihan’ny Filoha Kolonely Randrianirina Mic­haël, sy ny misiteran’ny Fa­na­jariana ny Tany ho an’ny minisiteran’ny Fampianarana am­bony sy ny fikarohana ara-tsiansa tamin’ny alalan’ny Filohan’ny Oniverisiten’ An­tana­narivo omaly, ireo trano “Lake Village Ivato”, etsy Tsa­rasaotra. Mpianatry ny Oni­verisite miisa 700 mahery eo no hapetraka […]
  • SOMBIM-BAOVAO
    Newsmada - 05:28 Nov 08, 2025
    Araka ny vaovao hita omaly, hahemotra amin’ny fotoana tsy mbola voafaritra indray ny fanombohan’ny lalao ho an’ny ligin’Analamanga, taranja baolina kitra. Tsy nanome ny antony mazava amin’izay mety nampihemotra izany moa ny eo anivon’ny ligy. Marihina fa tokony natomboka anio izany fifaninanana eto an-dRenivohitra izany. Anatin’ny fiomanana tanteraka ny mpikarakara […]
  • Rugby – “XXL Top 12”: Donan’ny samy kartie ny an’ny CEA sy TFA
    Newsmada - 05:28 Nov 08, 2025
    Hiditra amin’ny andro fa­ha­roa ny fiadiana ny ho tompondakam-pirenena taranja rugby D1 “XXL Top 12”. Fi­hao­nana hatao etsy amin’ny Kianja Makis Andohatape­naka, rahampitso 9 novambra. Lalao andrasan’ny rehetra ny fifanandrinan’ny CEA Andra­no­manalina sy ny TFA Anati­hazo. Donan’ny samy kartie ary heverina ho toy ny famarananakely mihitsy. Tsy hifampikoso-maso ny roa […]
    Tags: Donan
  • Herinandron’ny karate : Hatao eto Analamanga ny “Mada isan-tarika”
    Newsmada - 05:27 Nov 08, 2025
    Hotanterahina ao amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny 15 hatramin’ny 20 desambra izao, ny herinandron’ny Karate-do eto Madagasikara. Hizara roa mazava tsara ny fandaharam-potoana amin’izany ka, ny 15 hatramin’ny 17 desambra no nanatontosana ilay Gashuku nasionaly, izay hanomezana fiofanana ho an’ny mpanazatra sy mpitsara ary mpandraharaha nasionaly eo anivon’ny taranja karate. […]
  • Baolina kitra : Hisedra an’i Guinée Equatoriale ny Barea
    Newsmada - 05:01 Nov 07, 2025
    Na tsy manana lalao ha­trehina intsony aza ny Barean’ i Madagasikara, hiatrika fihaonana ara-pirahalahiana sady fitsapana izy ireo. Io no fantatra raha ny fampitam-baovao tao amin’ny tambajotran-tseraseran’n  Federa­sionina mala­gasin’ny baolina kitra (FMF), nivoaka omaly. Hifanandrina amin’i Gui­née­ Equatoriale ny Barea ny alatsinainy 17 novambra ho avy izao. Lalao hotanterahina ao Antalya, […]
  • SOMBIM-BAOVAO
    Newsmada - 05:01 Nov 07, 2025
    Hifarana anio ny fihaonamben’ny fanatanjahantena maneran-tany. Fihaonana notanterahina tany Rosia, nanomboka ny 5 novambra lasa teo. Niatrika izany ny filohan’ny Komity olympika malagasy sy ny sekretera jeneraliny. Lohahevitra maro no nodinihina nandritry ny hateloana nanatanterahana ny hetsika. Notontosaina nanomboka ny 3 novambra lasa teo hatramin’ny anio, ny fiadiana ny tompondaka […]
  • Handball – « Mada sénior» : Nihintsana ny THBC Analamanga
    Newsmada - 05:01 Nov 07, 2025
    Notanterahina, omaly, tao amin’ny Kianja mitafo Arena Toamasina, ny dingana ampahefa-dalana amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara taranja handball, sokajy Sénior. Nitranga ny tsy nampoizina teo amin’ny sokajy vehivavy, satria lavon’ny Sifaka Amoron’i Mania ny THBC Anala­manga, anisan’ny ekipa goavana eto Madagasikara. Nion­drika tamin’ny isa tery, 21 no ho 20, […]
  • “Africa Cup 3×3” : Ekipa afrikanina 24 hiady ny amboara
    Newsmada - 05:01 Nov 07, 2025
    Iray volana mialoha ny fifaninanana, nanamafy ny filohan’ny Federasionina malagasin’ny basikety, Ramaroson Jean Michel, fa efa mandroso ny fikarakarana ny fandraisan’i Madagasikara ity fifaninanana ity. Fanambarana nataony teny amin’ny biraon’ny FMBB 67 Ha, omaly. Hotanterahina eto Mada­gasikara, ny 5 hatra­min’ny 7 desambra izao, eny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny fiadiana […]
  • VAOVAO TAMBATRA
    Newsmada - 05:00 Nov 07, 2025
    Mamokatra taretra 17 578 taonina isan-taona i Madagasikara, ka mametraka ny firenena eo amin’ny laharana fahefatra maneran-tany amin’ny famokarana izany, aorian’i Brésil, Tanzanie ary Kenya. Na izany aza, tsy ampy ny tohana ara-bola sy ny fotodrafitrasa ho an’ny mpamokatra ka mampananosarotra ny hidirantsika eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Mila ma­nana paikady mazava […]
  • Baolina kitra U15 : Ekipa 32 nifantenana Barea
    Newsmada - 04:42 Nov 06, 2025
    Notanterahina teny amin’ny Kianja Elgeco Plus Sta­dium, ny alahady teo, ny fifaninanana baolina kitra sokajy zandriny, U15. Fihaonana no­karakarain’ny Association des jeunes entraineurs actifs (AJEA). Tanjona ny hifantenana mpilalao handrafitra ny Barea U15, hiatrika «Tournoi» tanterahina atsy Maurice, ny volana desambra ho avy izao. Nahatratra 32 ireo ekipa nifaninana tamin’ity ka […]
    Tags: Barea
  • SOMBIM-BAOVAO
    Newsmada - 04:42 Nov 06, 2025
    Hotanterahina anio, ao amin’ny Kianja mitafo Arena Toamasina, ireo lalao ampahefa-dalana hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja handball, sokajy Senior, lehilahy. Hifandona ny HC Est Atsi­mo Andrefana sy ny Vasia Ihorombe, ny HBC Cut sy ny Masôva ary ny ASRB sy ASSM. Eo koa ny Littoral SC sy ny HTHB. […]
  • “Ankizy milalao”: Hisy sokajy vehivavy
    Newsmada - 04:42 Nov 06, 2025
    Hotontosaina ny 8-9 novambra 2025, etsy amin’ny Kianja Betongolo, ny fifaninanana baolina kitra ho an’ny kilonga, “Ankizy milalao”. Hetsika natao hanomezana sehatra ho an’ny ankizy mpankafy ny baolina kitra ary hahafahan’izy ireo mampiseho ny talentany. Hifanintsanana amin’izany ireo sokajy: U7, U9, U11, U13. Hampiavaka azy ny fisian’ ny sokajy vehivavy. […]
    Tags: Ankizy
  • Judo-Maitre Arsène: Nahazo mari-pankasitrahana avy amin’ny IJF Academy
    Newsmada - 04:41 Nov 06, 2025
    Misongadina eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena indray ny Malagasy mpisehatra amin’ny judo. Mpanazatra iray no nahazo mari-pankasitrahana avy amin’ny Federasionina iraisam-pirenen’ny judo (IJF Academy), ny herinandro teo, dia ny Maître Randrianitovina Arsène Nambinina. Mpanazatra nasionaly eo anivon’ny Federa­sionina malagasin’ny Judo Randrianitovina Arsène Nambinina. Niatrika fiofanana nampitain-davitra nandritra ny 18 herinandro, niampy […]
  • Oniversiten’Antananarivo: Panneau miisa 1 092 hanazavana ny tanàna
    Newsmada - 04:41 Nov 06, 2025
    Nitondra vahaolana mom­ba ny herinaratra avy hatrany ny fanjakana, amin’ny alalan’ny minisiteran’ny Fampianara­na ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa. Nitondra panneaux solaires miisa 1 092 izy ireo hanazavana ny tanàna. Ny 804 amin’ireo dia manana tanjaka 590W ary ny 288 kosa 720W. Misy ihany koa ny fitaovana hafa miaraka aminy, toy […]
  • Ravinala Airports : Fiatrehana loza eny amin’ny seranam-piaramanidina
    Newsmada - 04:36 Nov 05, 2025
    Nisy hetsika, andrana, natao ho fiatrehana raha sendra misy loza mitranga eny amin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Antana­narivo Ivato, ny 31 oktobra teo. Natao araka ny fitsipika ana habakabaka eto Madaga­si­kara, apetraky ny Antokon­draharaha misahana ny fitaterana ana habakabaka sivily eto Madagasikara (ACM) sy ny Vondrona misahana ny fitaterana ana habakabaka sivily […]
  • Tao anatin’ny telo taona : 734 tapitrisa Ar ny fatiantoky ny Jirama
    Newsmada - 04:36 Nov 05, 2025
    Manjaka ny kolikoly eo anivon’ny orinasa Jirama. Tsy mazava ny fitantanana sy ny fandrindrana ny tahirin-tsolika ampiasaina sy ny vokatra nafarana. Tafakatra hatrany amin’ny 734 tapitrisa Ar ny fatiantoky ny Jirama nanomboka ny taona 2020 ka hatramin’ny 2023, vokatry ny kolikoly sy ny tsy fisian’ny fanaraha-maso hentitra amin’ny fitantanana ny […]
    Tags: Jirama
  • Karate-« Mada 2025 »: Nanjaka ny ligin’Analamanga
    Newsmada - 04:35 Nov 05, 2025
    Tontosa ny faran’ny herinandro teo, tany Antsirabe, ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, taranja karate ho an’olon-tokana, teo amin’ ny sokajy Cadet, Junior ary Senior. Nanjaka ny mpika­troka avy eto amin’ny ligin’ Ana­lamanga, raha ny vokatra, satria norombahin’izy ireo ny medaly volamena 19 tamin’ ireo 23 niadiana. Anisan’ny nisongadina i Rija, […]
    Tags: Nanjaka
  • Ho fampandrosoana ny firenena: Hisy ny fikaonandoham-pirenena kristianina
    Newsmada - 04:35 Nov 05, 2025
    Hotanterahina ny 19 ha­tramin’ny 21 novambra, etsy amin’ny ISTS Mandrimena Iavo­loha, ny fikaonandoham-pirenena kristianina. Hetsika karakarain’ny Fikambanana mampiely Baiboly eto Mada­ga­sikara. “Manana anjara biriky entina hampandrosoana sy hanarenana ny firenena ny kristianina”, hoy Rabenifara Désiré, filohan’ny filankevi-pitantanan’ny fikambanana FMBM. Mahatratra 10 ny lohahevitra hodinihina eny an-toerana, mandritra ny herinandro. Anisan’izany, […]

2245 items