Newsmada

Found 2250 news

  • VAOVAO TAMBATRA
    Newsmada - 06:26 Oct 03, 2025
    Mampandre ny vahiny mitsidika eto Mada­gasikara ny minisiteran’ny Fizahantany (MTA), fa misy ny laharana finday azo antsoina, hanomezana torolalana azy ireo, manoloana ny toe-draharaha eto amintsika. Ireto avy izany: 034 02 661 13, 038 48 568 65, 038 60 024 36 ary ny 038 51 599 51. Azo atao koa […]
  • Tsipy kanetibe-Mondial 2025 : Vonona ny ekipam-pirenena malagasy
    Newsmada - 06:43 Oct 02, 2025
    J-9 amin’ny fanombohan’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, taranja tsipy kanetibe, sokajy vehivavy, anio. Fihaonana hotantera­hina any Douaisis, France, ny 9 hatramin’ny 12 oktobra ho avy izao. Vonona hiatrika izany ny ekipam-pirenena malagasy izay efa any an-toerana rahateo, amin’izao fotoana izao. Ao anatin’ny fanitsiana farany ireo pitsompitsony madinidi­nika sisa ny […]
    Tags: Vonona
  • SOMBIM-BAOVAO
    Newsmada - 06:43 Oct 02, 2025
    Hotanterahina ao amin’ny Kianja monisipaly Manakara ny basikety lalaovin’olona 3, “3×3 Panga­lanes”. Fifaninanana hotontosaina ny 4 sy 5 oktobra izao. Ny sokajy latsaky ny 13 taona, latsaky ny 15 taona, latsaky ny 17 taona ary ny Open lahy sy vavy, no hatao mandritra io roa andro io. Ny ligin’ny basikety […]
  • Muay Thai-Afrika : Hisolo tena ny Malagasy i Olga
    Newsmada - 06:43 Oct 02, 2025
    Anisan’ny mitondra fampandrosoana ho an’ny taranja Muay Thai eto Madagasikara ny fanatanterahana fifaninanana matihanina. Nisy ny “Muay Thai Tournament 2” farany teo, izay natao teny amin’ny Kianja Mitafon’i Mahamasina, ka nahitana ny fahaiza-manaon’ireo Malagasy mpikatroka. Noho io fahaiza-manao mihatsara io, voaantso handray anjara amin’ny fiadiana izay ho tompondakan’i Afrika, hatao […]
    Tags: Malagasy
  • Barean’i Madagasikara : Tsy ao anaty lisitra i Hakim sy i Marcellin
    Newsmada - 06:43 Oct 02, 2025
    Namoaka ny anaran’ireo mpilalao handrafitra ny Barean’i Madagasikara i Corentin Martins, mpanazatra. Maromaro ireo mpilalao teo aloha no tsy tazana ao anaty lisitra. Anisan’izany i Hakim Abdallah sy i Jean Marcellin ary i Van Boto. 4 ihany ireo mpilalao avy eto an-toerana. Noho ny toe-draharaha misy eto an-toerana, tao amin’ny […]
  • Vaky trano teny Antanetibe : Olon-dratsy efatra voasambotra
    Newsmada - 06:42 Oct 02, 2025
    Nisehoana fanafihana sy vaky trano tetsy amin’ny fokon­tany Antanetibe sy Ambohija­nahary, kaominina Antehi­roka, ny talata hifoha ny alarobia lasa teo. Nikasa hanao vaky trano sy hala-boty teny Antanetibe ireo olon-dratsy maromaro. Nirotsaka nanenjika sy nisambotra azy ireo ny andrimasom-pokonolona teny an-toerana. Voasambotra ny efatra tamin’izy ireo ary nen­tina eny anivon’ny […]
  • Mampangorintsina ny mpankafy : Mitendry angorodao sy vatamaroafitsoka i Jean Piso
    Newsmada - 06:46 Oct 01, 2025
    Manan-talenta ma­no­kana amin’ny fi­tendrena angorodao sy fiantsana ny gadon-kira tsapiky i Rebily Jean na i Jean Piso. Avy any An­dranokototo, Be­tio­­ky, faritra Atsi­mo Andrefana ny fiaviany. Anisan’ny namorona ny feonkira mitondra ny lohateny hoe: « Andra­nokototo » izy. Ampiasain’ny onjampeo maro ho feon-kira hanombohana fandaharana. Efa mpanakanto avokoa ny ankamaroan’ny fianakaviany, raha […]
  • Maka Alphonse : “Tsy midika seza ny fifampiresahana”
    Newsmada - 06:45 Oct 01, 2025
    ”Tsy midika hoe rehefa mifampiresaka dia mizara seza. Tsy izay no izy”, hoy ny fanehoan-kevitry ny filohan’ny Conseil du fampihavanana malagasy (CFM) teo aloha, i Maka Alphonse. Raha misy ny finiavana: aoka re mba tsy hisy in­tsony ny korontana fa tsy ahitam-bokatsoa. Na inona tetikasa tsara amin’ny fampandrosoana ka mikorontana […]
  • Fikasihan-tanana… : Tsy faly amin’ny Emmo/Reg ny mpanao gazety
    Newsmada - 06:44 Oct 01, 2025
    Naneho ny alahelony sy ny hatezerany ireo mpanao gazety teny an-kianja, omaly. Anisan’ny tsy nahafaly azy ireo ny fihetsiky ny mpitandro filaminana teny Ambohijatovo «Fanompana sy fakana an-keriny telefaonina ary felaka tehamaina. Mbola niampy fandefasana baomba mandatsa-dranomaso inefatra. Nihatra tamin’ny mpanao gazety ireo», hoy ny solontenan’ny mpanao gazety, nitatitra ny […]
  • VAOVAO TAMBATRA
    Newsmada - 06:44 Oct 01, 2025
    Nisokatra kely ny tranombarotra vitsy teny Behoririka sy Andravoahangy, omaly. Nambaran’izy ireo fa tena tsy misy mihitsy ny fidiram-bolan’izy ireo nefa ny fandaniana isan’andro tsy maintsy aloa. Anisan’izany ny hofan-trano amin’ny toerana ivarotana, ny karaman’ny mpiasa, ny filana andavanandro ao an-tokantrano ho an’ny fianakaviana, sns. Nikatona indray izy ireo ny […]
  • Mpanazatra Corentin Martins:  Ahemotra ny fifampizarana
    Newsmada - 05:24 Sep 27, 2025
    Araka ny vaovao hita omaly tao anaty tambajotran-tserasera, ahemotra amin’ny fotoana manaraka ny fifampizarana izay tokony hotontosaina anio, any Mahajanga, miaraka amin’i Corentin Martins, mpanazatra Barea. Noho ny toe-draharaha misy eto amin’ny firenena ny anton’izany. Tsara ny mampahatsiahy fa efa nisy ny fitetezam-paritra nataon’ity frantsay teknisianina mitondra ny ekipa nasionaly […]
  • SOMBIM-BAOVAO
    Newsmada - 05:24 Sep 27, 2025
    Tsy raikitra indray ilay seminera iarahana amin’ilay Frantsay mpanazatra, i Anthony Masblanc, eo amin’ny taranja Jiu-jitsu brezilianina. Tsiahivina fa efa ny 25 septambra ny daty voatondro. Nahemotra ho omaly izany ary izao mbola tsy tanteraka izao no ho ny toe-javamisy eto amin’ny firenena. Hotanterahina ny 4 sy 5 oktobra izao […]
  • Volley-Mada 1D: Tafakatra famaranana ny GNVB sy ny Squad
    Newsmada - 05:24 Sep 27, 2025
    Nisafidy ny tsy hampitsahatra ny lalao manasa-dalana, omaly, ny Federasionina malagasin’ny volley-ball, na teo aza ny korontana nisy teto an-dRenivohitra. Araka izany, tontosa ny lalao manasa-dalana teny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina. Teo amin’ny sokajy vehivavy, nilaza mialoha ny tsy handray anjara ny ekipan’ny AMVB noho ny toe-javamisy, ka tafakatra avy […]
  • Baolina kitra afrikanina : Vonona handresy ny Silver Strikers ny Elgeco Plus
    Newsmada - 05:24 Sep 27, 2025
    Hitana ny sain’ny rehetra amin’ity anio ity, ny lalao miverina eo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika “Ligue des champions”, taranja baolina kitra. Hifanandrina amin’izany ny Elgeco Plus sy ny Silver Strikers an’i Malawi. Vonona handresy hiakarana amin’ny dingana manaraka ny Malagasy. Hotanterahina anio, ao amin’ny Kianja Bingu National Stadium, […]
  • Noho ny zava-misy… : Miato aloha ny “Madajazzcar Festival”
    Newsmada - 05:23 Sep 27, 2025
    Na tafiditra tao anatin’ny fivelarana lehibe aza…, noho ny zava-misy eto amin’ny firenena, miato aloha ny “Madajazzcar Festival”, raha ny fanazavan’ny mpikarakara. Tsy eto an-dRenivo­hitra ihany fa ireo toerana rehetra hanatanterahana ny hetsika, miato avokoa. Nam­pa­nantena kosa ny hivere­nan’ny fandaharam-potoana amin’­ny laoniny izy ireo amin’ny fotoana maha mety izany. Marihina […]
  • GNVB, Squad, AMVB ary ny Asi : Tafakatra manasa-dalana
    Newsmada - 04:54 Sep 26, 2025
    Hiditra amin’ny dingana manasa-dalana, anio, eny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny fiadiana ny tompondakan’i Mada­gasikara, taranja volley-ball “1ère division”. Ho an’ny sokajy vehivavy, tafakatra amin’izao manasa-dalana izao ny ekipan’ny GNVB, Squad, AMVB ary ny Asi. Raha hiverenana ny ampahefa-dalana omaly, lalao tena niady ny teo amin’ny Bi’As sy ny AMVB, […]
  • Tenisy – ITF Tour Juniors J30: Hatao eto Antananarivo ny lalao
    Newsmada - 04:54 Sep 26, 2025
    Hampiantrano fihaonana iraisam-pirenena ny Fede­rasionina malagasin’ny tenisy (FMT), manomboka ny talata 30 septambra ho avy izao. Hotanterahina eto Antananarivo, eny amin’ny Kianja COT Ilafy izany. Hizara roa miavaka tsara izany fifaninanana izany. Ny andiany voalohany, hotantera­hina ny 30 septambra ka hatramin’ny 4 oktobra ary ny an­diany faharoa kosa ny 7 […]
  • Rugby – Top 12 Mada: Hanohitra ny TFA Anatihazo ny Besetroka
    Newsmada - 04:53 Sep 26, 2025
    Hiditra an-tsehatra manomboka amin’ny alahady ho avy izao ireo ekipa 12 hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja rugby “XXL Top 12”. Lalao telo no voalahatra amin’izany ka anisan’ny andrasan’ny rehetra ny fifandonana eo amin’ny TFA Anatihazo sy ny UASC Cheminots. Hotanterahina ny alahady 28 septambra ho avy izao […]
  • VAOVAO TAMBATRA
    Newsmada - 04:51 Sep 26, 2025
    Niova ho adiny 3, indroa miantaona, ny delestazy ao amin’ny tambajotra Antananarivo sy ny manodidina (RIA). Izany hoe, tafakatra adiny 6 ny adiny 4 ora sy sasany, teo aloha. Vao manomboka anefa ny haintany, ary azo antoka, fa ho mafy kokoa hatrany ny fanapahana ny herinaratra. Anisan’ny antony mahatonga ny […]

2250 items