Newsmada

Found 2410 news

  • Tana Water Front: Hiverina hisokatra ny Cinépax
    Newsmada - 04:52 Oct 31, 2025
      Vaovao lehibe ho an’ny mpankafy ny sarimihetsika anaty efitrano! Niarina tamin’ny fahavoazany ny Cinépax Madagascar etsy amin’ny Tana Water Front Ambodivona. Hiverina handefa sarimihetsika, manomboka anio. Tsy mbola toa ny teo aloha, saingy efa vaovao mahafaly ny fisokafan’ireo efitrano fijerena sarimihetsika roa, izay efa nandramana ny alarobia lasa teo. […]
    Tags: Hiverina
  • Tsipy kanetibe – «Mada sénior»: Hiatrika ny ho tompondakan’i Afrika izay voalohany
    Newsmada - 04:47 Oct 30, 2025
    Hotanterahina eny Maiba­hoaka Ivato, ny 7 ka hatramin’ny 9 novambra ho avy izao, ny ho tompondakan’i Madaga­sikara, taranja tsipy kanetibe, sokajy Senior, lehilahy, olon-telo miaraka. Fifaninanana karakarain’ny federation sport-boule malagasy (FSBM). Hanana ny lanjany goavana ity fifaninanam-pirenena ity satria hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, hatao any Mauritanie, ny […]
    Tags: Afrika
  • SOMBIM-BAOVAO
    Newsmada - 04:47 Oct 30, 2025
    Nanainga ny talata lasa teo, nihazo an’i Tunisie, ilay Malagasy mpitsara basikety, Maminiaina Sylvain Pierrot. Hiatrika fiofanana any an-toerana ny tenany manomboka anio hatramin’ny 2 novambra ho avy izao. Fiofanana karakarain’ny Federsionina iraisam-pirenena (Fiba) izy ity, hanamafisam-pahaizana. Handray anjara amin’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, amin’ny hazakazaka fiarakodia “Coupe du […]
  • Karate : Atleta 450 hifanintsana any Antsirabe
    Newsmada - 04:46 Oct 30, 2025
    Hotanterahina ao amin’ny Gymnase Vatofotsy Antsirabe, ny 31 oktobra hatramin’ny 2 novambra ho avy izao, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, an’olon-tokana, taranja Karate do, ho an’ny sokajy Cadet, Junior ary ny Senior. Atleta miisa 450 mianadahy, avy amin’ny ligy 20, no hifanandrina amin’izany. Amin’ity fifanintsanana nasionaly ity, hisy ny […]
  • minisitry ny fantanjahantena: Hanohy ny fanatsarana ireo fotodra­fitrasa
    Newsmada - 04:46 Oct 30, 2025
    Tontosa omaly, teny amin’ny QG Tanora Ankorondrano, ny famindram-pahefana teo amin’ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena (MJS) teo aloha, Moustapha Abdulah Marson, sy ny minisitra vao voatendry, Rasambany Alain Désiré. «Firahalahiana tanteraka! ». Io ny teny namaritra ny famindram-pitantanana teo amin’ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena teo aloha, Moustapha […]
  • Tsy fandriampahalemana ao Toamasina : Nampiaka-peo ny mpirakidraharaha
    Newsmada - 04:45 Oct 30, 2025
    Tsy takona hafenina intsony ny firaviravian-tanan’ny mpitandro filaminana, hany ka zary lasa mampirongatra ny tsy fandriampahalemana iza­ny. Efa mihatra isam-baravarana, manerana ny fokotany 138, anivon’ny kominina ambonivohitr’i Toamasina iza­ny. Vokany, tsy naharitra ka niloa-bava sy nampiaka-peo no sady nikiakiaka ny mpirakidraharaha eo anivon’ny Fi­tsarana ambaratonga voalohany sy ny Fitsarana ambony […]
  • Rugby – “XXL Top 12” : Hanohitra ny FTM ny 3FB Fahasalamana
    Newsmada - 04:48 Oct 29, 2025
    Hitohy amin’ny alahady 2 novambra ho avy izao ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, “XXL Top 12”, taranja rugby, rehefa niato nandritra ny telo herinandro. Fihaonana miisa telo no voalahatra amin’izany. Anisan’ny lalao andrasan’ny rehetra ny fifanandrinan’ny FTM Manja­ka­ray (Dakar) sy ny 3FB Fahasalamana. Raha ny fifanandrinana teo amin’ny roa […]
  • SOMBIM-BAOVAO
    Newsmada - 04:47 Oct 29, 2025
    Hotanterahina ny sabotsy sy ny alahady ho avy izao, eny amin’ny Kianja Elgeco Plus Stadium By-Pass, ny fifaninanana baolina kitra ho an’ny sokajy zandriny U15. Fihaonana karakarain’ny Associations des jeunes entraineurs actifs (AJEA). Ireo klioba manana ny taratasy fanamarinana fijoroana sy ara-dalàna ihany no afaka handray anjara amin’izany. Raha ny […]
  • Barea Chan : Nilamina ny resaka « Prize Money »
    Newsmada - 04:47 Oct 29, 2025
    Tsy niandry an’ilay 72 ora akory, nandray andraikitra ny eo anivon’ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF), omaly. Araka ny tapaka tao anatin’ny fivoriana nikaton-trano, izay nataon’ny Barea Chan sy ny mpitantana ny FMF, tetsy Isoraka, afakomaly, nanapa-kevitra ny Federasionina, izay tarihin’ny filohany, Randriamanampisoa Alfred, fa hanefa ilay vola ambininy an’ny […]
  • Fitantanana ny fanatanjahantena ; Adidy maro no miandry ny minisitra Rasambany Alain Désiré
    Newsmada - 04:47 Oct 29, 2025
    Roa volana ihany no hitsarana ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena vaovao anatin’ny governemanta vaovao. Andraikitra maro sy azo lazaina ho mazana ny miandry azy amin’izany. “Arahabaina eh! Na­hazo minisitra”. Voa­tendry hitantana ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena (MJS), Ra­sambany Alain Désiré. Izy indray izany no hisolo ny toeran’i […]
  • Fanonganana ny FMF : Tsy manaiky ny AJEA sy ny Anciennes Gloires
    Newsmada - 04:26 Oct 28, 2025
    Tapitra anio ny 72 ora, fe-potoana farany nomen’i Boli­da, Faneva Ima, Abel Anicet, Voavy Paulin, mpilalao fahiny tao amin’ny Barea (Les 4 mousquetaires an’ny baolina kitra malagasy) ny tomponandraikitry ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF). Ny hanomezana ny ambim-bolan’ireo mpilalaon’ny Barea (Prize money), niatrika ny Chan 2024 no anton’izany. Filazana […]
  • SOMBIM-BAOVAO
    Newsmada - 04:25 Oct 28, 2025
    Hotanterahina ao amin’ny Kianja mitafo Vatofotsy Antsirabe, ny 6 sy 7 ary ny 22 sy 23 desambra ho avy izao, ny andiany voalohany amin’ny « Kids Game One ». Fifaninanana basikety ho an’olon-telo, sokajy U8 sy U10 ary ho an’olona dimy, sokajy U12 izy ity. Ankoatra izay, hisy koa ny fiofanana ho […]
  • Baolina kitra any Algerie : Nisongadina i Lalaina
    Newsmada - 04:25 Oct 28, 2025
    Nivoaka ho mpandresy ny Paradou AC, ekipa ilalaovan’i Lalaina, Malagasy mpilalao baolina kitra, nandritra ny andro faha-9 hiadina ny ho tompondakan’i Algerie, D1. Resin’izy ireo, tamin’ny isa 1 no ho 0, ny Mostaganem. Fihaonana notanterahina ny alahady lasa teo, tao Paradou Stadium. Baolina tokana matin’i Mohamed Abdelkader, teo amin’ny minitra […]
  • Fanatanjahantena : Asa maro ny miandry ny minisitra vaovao
    Newsmada - 04:25 Oct 28, 2025
    Mora ny mahazo ny seza fa sarotra ny mitazona azy. Andraikitra maro no miandry ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena vaovao, aorian’ny fanendrena azy. Raha tsy misy ny fiovana farany, hampahafantarina anio ireo mpikambana mandrafitra ny governemanta vaovao tarihan’ny praiminisitra, Rajaonarivelo He­rintsalama. Mbola baraingo amin’ny maro nefa ny anaran’ny […]
  • Jirama: Hihamafy ny fitokonana
    Newsmada - 04:24 Oct 28, 2025
    Mitohy anio ny fitokonan’ny sendikàn’ny mpiasan’ny Jirama, izay mikendry ny fialan’ny tale jeneralin’ny orinasa, Ron Weiss. Miray hina manao ny tolona ny mpiasa manerana ny faritra. Araka izany, mikatona ny ankamaroan’ny masoivohon’ny Jirama. Man­ga­taka ihany koa ny hanafoanana ny fampiharana ny sata vaovao izy ireo. Na izany aza, mbola hisy […]
    Tags: Jirama
  • Sakafo ara-pahasalamana : Manana ny lanjany eo amin’ny vatan’olombelona ny manga
    Newsmada - 05:11 Oct 27, 2025
    Ny manga dia iray amin’ireo voankazo malaza sy tian’ny olona maneran-tany. Noho ny tsirony mamy, ny hanitra manintona ary ny tombontsoa ara-pahasalamana maro ao aminy no anton’izany. Eto Madagasikara, iray amin’ireo voankazo tena maro mpamboly sy be mpihinana ny manga, satria tsy mitaky fikarakarana sarotra, ary manome vokatra be rehefa […]
  • VAOVAO TAMBATRA
    Newsmada - 05:10 Oct 27, 2025
    Hisehatra any Brooklyn, New York, i Soa Ratsifandrihana. Haneho ilay soradihy « Fampitaha, fampita, fampitana » izy, ny 28 hatramin’ny 30 oktobra izao, mandritra ny « Powerhouse International Festival ». Mifototra amin’ny soradihy mazava loatra, saingy miharo mozika miaraka amin’ilay mpitendry gitara, Joël Rabesolo izany. Niaharan’izy ireo niasa rahateo tamin’ireo […]
  • « Tolo-tanana ho an’i Kolibera »: Naneho firaisankina ny samy mpanakanto
    Newsmada - 05:08 Oct 27, 2025
    Tsy sambany ny fiaraha-mientan’ny samy mpanakanto. Nanoloana ny tsy fahasalamana nahazo an’i Kolibera, nisy ny hetsika izay notontosaina ny sabotsy lasa teo, teny Anat’Sah, sampanan’ Am­bohi­trimanjaka. Natao ho fitadiavam-bola hanampiana an’ity andrarezin’ny tendry gasy an-gitara ity izany, hiatrehany ny tohin’ny fitsaboana. Maro dia maro ireo namaly ny antso na dia […]
    Tags: Kolibera
  • Nentim-paharazana: Natsangana ny Vovonana mpitankasina mijoro
    Newsmada - 05:08 Oct 27, 2025
    Ho tany repoblikanina, miorina amin’ny fomba nentim-paharazana i Madagasikara. Izay no tanjon’ny Vovonana mpitankasina mijoro izay nampahafantarina voalohany ny zoma 25 oktobra teo, tetsy amin’ny IKM Antsahavola. Ivondronan’ireo mpandala ny fomban-drazana malagasy, tsy anavahana foko sy firazanana izany. Mahatsapa izy ireo fa manana adidy goavana amin’izao toe-draharaha lalovan’ny firenena izao […]
    Tags: Vovonana

2410 items