Newsmada

Found 2245 news

  • « Match de Défi » : Hitsapa ny heriny amin’ny Barea ny Disciples FC
    Newsmada - 04:43 Nov 13, 2025
    Ho fiatrehana sahady ny fifaninanam-pirenena “Pure­play Football League (PFL)”, hanatanteraka lalao ara-pirahalahiana any amin’ny faritr’i Toamasina, ny Disciples FC Vakinankaratra. Araka ny vaovao efa miely, manerana ny tambajotran-tserasera, hifandona amin’ireo mpilalao milaravinahitra sy ireo nandrafitra ny Barea Chan farany teo ity klioba avy atsy Vakinanka­ratra ity, ny 28 desambra ho […]
  • SOMBIM-BAOVAO
    Newsmada - 04:42 Nov 13, 2025
    Araka ny loharanom-baovao voaray omaly, avy eo anivon’ny tomponandraikitry ny CFEM, fantatra fa nisy ny fivoriana teny anivon’ny Federasionina malaga­sin’ny baolina kitra (FMF), omaly, mahakasika ny fitohizan’ny fifaninanam-pirenena « Pureplay Football League », sy ny fifanintsanana D2 nasionaly. Andrasana, araka izany, ny vokatr’izany fivoriana notontosaina omaly izany. Nikatona omaly ny fifidianana ny […]
  • JJB-“Monde Amateur” : Resy tamin’ny “soumi­s­sion ” i Nomasy
    Newsmada - 04:42 Nov 13, 2025
    Ny sokajy Amateur no nisantatra ny fifaninanana ho an’ny fiadiana ny tompondaka maneran-tany, taranja Jiu-jitsu Bre­ziliana, tanterahina any Abu Dhabi. Nanana solontena tamin’ izany i Madagasikara, izay ahitana an’i Nomasy. Resin’i Oliver Gahrmaker, tamin’ny alalan’ny “soumission”, izy. Anisan’ny nandray anjara teo amin’ity sokajy Amateur ity ihany koa i Bryan, lavon’i […]
    Tags: Nomasy
  • Baolina kitra : Niova ananara ho Ufia ny UFFOI
    Newsmada - 04:42 Nov 13, 2025
    Hiverina ny fifaninanana ho an’ireo ekipa tompondaka, taranja baolina kitra, aty amin’ny ranomasimbe Indianina. Hiova anarana izy amin’ity ka ho lasa Ufia (Union du football des îles et archipels), raha UFFOI teo aloha. Hitantana izany mandritra ny efa-taona ny filohan’ny Mauritius Football Association (MFA). Hisy indray ny fiadiana ny ho […]
  • CA- ORT : Fifanakalozana traikefa tany Alsace
    Newsmada - 04:41 Nov 13, 2025
    Miara-miombon’antoka ny Ofisim-pirenena ho an’ny fizahantany eto Madagasikara (ONTM), ny fikambanana Tourisme sans frontière (TSF) ary ny Alsace Destination Tourisme (ADT). Tany Colmar, Alsace, Frantsa, ny 10 sy 11 novambra, ireo mpikambana ao anatin’ny filankevi-pitantanana (CA) ny Ofisim-paritry ny fizahantany (ORT) Boeny, Betsiboka, Sava ary Isalo, Ihorombe. Fanohizana ny nandraisan’izy […]
    Tags: Alsace
  • Bisikileta- Ligin’Analamanga : Nosongonan’i Eric ny laharan’i Houlder
    Newsmada - 04:29 Nov 12, 2025
    Notontosaina ny faran’ny herinandro teo ny fiadiana ny ho tompondakan’ny ligin’Ana­lamanga, taranja bisikileta. Nandrombaka ny medaly vo­lamena, tamin’izany, i Eric, mpilalaon’ny Lalamby. No­son­gonan’ity mpanamory bisikileta, ekipan’ny Lalamby ity, izany, i Mohamed Houlder, CosPN, izay nandrombaka ny medaly volafotsy tamin’izany. Tsiahivina fa efa indroa nandrombaka medaly volamena izay i Mohamed, hatra­min’izay […]
    Tags: Eric
  • SOMBIM-BAOVAO
    Newsmada - 04:28 Nov 12, 2025
    Hatramin’ny nanoratanay omaly, tsy mbola tazana tao amin’ny pejin’ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF), ny resaka mahakasika ny tohin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, diviziona faharoa na­sionaly. Marihina fa tsy maintsy miandry an’io fifaninanana io, vao fantatra ireo ekipa roa tafakatra ao amin’ny diviziona voalohany, « Pureplay Football League (PFL) ». Hotanterahina […]
  • Barean’i Madagasikara : Nanainga omaly ireo mpilalao avy eto an-toerana
    Newsmada - 04:28 Nov 12, 2025
    Araka ny fampitam-baovao avy amin’ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF), nanainga omaly talata ireo mpilalao mandrafitra ny Barean’i Madagasikara avy eto an-toerana. Efatra mirahalahy izy ireo, ahitana an’i Rado sy i Mamisoa ary i Toldo, miampy an’i Nicolas. Ankoatra azy ireo, ny mpanazatra mpanampy, i Hildecoeur. Hihazo avy hatrany an’i […]
  • Kung-Fu Wisa : Ligim-paritra 13 tonga nanatrika ny atrikasa nasionaly
    Newsmada - 04:28 Nov 12, 2025
    Tontosa ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny foibeny, eny 67ha, ny atrikasa nasionaly ho an’ny kung-fu Wisa. Ligim-paritra 13 no tonga nanatrika izany. Fahombiazana no azo nandritra ny atrikasa na­sionaly notanterahina teto Antananarivo, ho an’ny taranja kung-fu Wisa. Filo­ha­na ligim-paritra 13 no tonga nanatrika izany, nahitana ny avy any Atsinanana, […]
  • Tsipy kanetibe – Afrique 2025 : Ho any Mauritanie ny ekipan’ny Pac
    Newsmada - 04:49 Nov 11, 2025
    Tontosa ny alahady lasa teo, teny amin’ny Kianja Mai­bahoaka Ivato, ny fiadiana ny tompondakan’i Madaga­sikara, taranja tsipy kanetibe olon-telo miaraka. Nandrom­baka ny anaram-boninahitra ny ekipan’ny Pac Ampitata­fika, nahitana an’i Balôty sy i Salohy ary i Mamy Ronal­dinho, rehefa nandresy ny APM Boeny, nisy an’i Jean-Marc sy i Sitraka ary i […]
  • SOMBIM-BAOVAO
    Newsmada - 04:49 Nov 11, 2025
    Mialoha ny handehanan’ny Makis Ladies ho any Kenya, noraisin’ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena (MJS), Rasambany Alain Désiré, ny zoma teo, tetsy Ambohijatovo, ny vehivavy malagasy mpilalao Rugby. Notoloran’ny minisitra vatsin-dalana izy ireo tamin’io fihaonana io, ary nanolotra tsodrano ho an’ireto ekipam-pirenena malagasy hitondra avo ny voninahim-pirenena ireto izy. […]
  • « Mada sénior 2025» : Rava tsy lera ny lalao
    Newsmada - 04:49 Nov 11, 2025
    Ratsy fiafara ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madaga­si­kara, taranja handball, sokajy Sénior 2025. Fifaninanana notanterahina tao amin’ny Kianja mitafo Arena Toamasina, ny ala­hady 9 novambra lasa teo. Tsy tontosa hatramin’ny farany man­tsy ny fihaonana teo amin’ny sokajy lehilahy, nikatrohan’ny Littoral SC Atsinanana sy ny HBC Cut Atsimo Andrefana. Niala an-daharana […]
  • Lalao ara-pirahalahiana : Raikitra ihany ny fihaonan’ny Barea sy i Guinée Equatoriale
    Newsmada - 04:49 Nov 11, 2025
    Na dia teo aza ny vaovao naelin’ny Federasionina gineanina (FeGuiFut), ny zoma lasa teo, fa tsy ao anatin’ny fandaharam-potoan’izy ireo ny hifandona amin’ny Barea. Fantatra omaly ihany, fa i Madagasikara sy i Kenya, no hifanandrina aminy. “Saika ratsy”! Nanitsy ny vaovao navoakany tao anatin’ny tambajotran-tseraseran’izy ireo ihany, ny Federasiona gineanina […]
    Tags: Barea
  • BNGRC : Maika ny fiatrehana ny fahavaratra
    Newsmada - 04:48 Nov 11, 2025
    Natao omaly ny fifamindram-pahefana teo amin’ny tale jeneralin’ny birao nasionaly misahana ny fitantanana ny tandindon-doza sy ny loza (BNGRC). « Maika ny fiatrehana ny fahavaratra izay efa manomboka amin’izao fo­toana », hoy ny tele jeneraly vaovao, Ramanantsoa Gabriel. Heverina ho 3 ny rivodoza handalo eto Madagasikara ary efa miomana amin’izany ny BNGRC. […]
  • Sendikà Triade: Nivaly sahady ny fitakiana
    Newsmada - 04:46 Nov 10, 2025
    Taorian’ny fihaonambe na­taon’ny sendikàn’ny Triade (dokotera, paramedy, mpandraharaha), ny faran’ny herinandro teo, no nahafantarana fa efa nivaly ny ampahany amin’ny fitakiana ataon’izy ireo. Efa hiakatra 14% ny karaman’ny mpiasan’ny fahasalamana. Nahazo ny tambiny ho an’ny hofan-trano 200 000 Ar ihany koa izy ireo. Ankoatra izay, ny tambiny amin’ny risika eo […]
    Tags: Triade
  • Fomba fandrindram-piterahana: Mety tsy haharaka ny filàna
    Newsmada - 04:46 Nov 10, 2025
    Mampitaintaina ny maro ny mety tsy hisian’ireo fitaovana fandrindram-piterahana eny amin’ny tobim-pahasalamana… Mandalo krizy mihitsy izany noho ny fialan’ireo mpamatsy vola. Natao tany Bogota, renivohitr’i Colombie, tamin’iny herinandro iny, ny fihaonambe iraisam-pirenena momba ny fandrindrana ny fiai­nam-pianakaviana sy ny fahasalamana ara-pananahana (ICFP 2025) andiany fahafito. Mampivarahontsana ny mpizaika ny fahitana […]
  • Filoha Randrianirina Michael sy ny Sadc: « Hiezaka amin’ny dingan’ny fanavaozana izahay »
    Newsmada - 04:45 Nov 10, 2025
    Notanterahina ny faran’ny herinandro teo ny fivoriana tsy ara-potoana nampitain-davitra eo amin’ireo filoham-panjakana sy governemanta eo anivon’ny Sadc. Anisan’ny nandray anjara tamin’izany, sady sambany, ny filoha ny Kly Randrianirina Michael. Notsiahiviny tamin’izany ny fanapahan-kevitr’i Madaga­sikara amin’ny fialana tsy ho mpitantana ny Sadc. « Ezaka ataonay izao ny fifantohana ny fanatanterahana ny […]
    Tags: SADC
  • Raharaha Cnaps sy SMGD: Nosavaina ny tranon’ Andriantsitohaina Naina
    Newsmada - 04:45 Nov 10, 2025
    Nosavaina omaly ny tranon’ny minisitra teo aloha, Andriantsitohaina Naina, etsy Andranobevava. Nanatanteraka izany ireo mpitandro filaminana nanao fanamiana sivily. Voalazan’ny loharanom-baovao iray fa anisan’ny anton’izany ny «Raha­ra­ha Cnaps sy ny SMGD», orinasa eo anivon’ny kaominina Antanana­rivo Renivohitra. Tsy hita teny an-toerana, ta­min’ny fisavana anefa, ny mi­nisitra teo aloha, Andriantsitohaina Naina, […]
  • Baolina kitra : Mila maneho ohatra tsara ireo kalaza
    Newsmada - 04:44 Nov 10, 2025
    Nanao antso avo amin’ireo mpilalao kalaza teo aloha, miandrandra fandrosoana amin’ny baolina kitra, ny lehiben’ny klioba Ajesaia, Ravelonarivo Jasmina. “Atombohy aminareo aloha ny fampandrosoana ny baolina kitra. Jereo ny tany niaviana, jereo ny klioba namolavola anareo. Hatramin’izao aloha, tsy mbola misy hetsika fanampiana ho an’ny klioba niaviana,” hoy izy. Nilaza […]

2245 items