Newsmada

Found 2245 news

  • Lomano-“Meeting de l’Océan Indien” : Nandrombaka medaly 6 i Koty Glorio
    Newsmada - 04:48 Nov 27, 2025
    Namirapiratra indray ny Ma­lagasy mpilomano, ny faran’ny herinandro teo, nandritra ny fifaninanana “Meeting de l’Océan Indien”, taranja lo­mano, natao tany La Réunion. Medaly 6 be izao no norombahin’i Koty Sampaniaina Glorio, teo amin’ny sokajy 12 taona. Volamena ny roa tamin’izany, izay azony teo amin’ny 100m nage libre sy teo amin’ny […]
  • SOMBIM-BAOVAO
    Newsmada - 04:48 Nov 27, 2025
    Notohizana teny amin’ny Kianjan’­Am­bohi­dra­trimo, nanomboka omaly, ny lalao divizionina faharoa nasionaly, taranja baolina kitra. Araka ny fanadihadiana natao, nisy savorovoro indray teo am-panombohana ny lalao, saingy nezahin’ny eo anivon’ny Fede­ra­sionina nalamina izany. Marihina fa raha tsy misy ny fiovana farany, hatao eo amin’io kianja io ihany koa ny tohin’ny « Poule […]
  • Barea A – Corentin Martins : Mbola hodinihina ny fanavaozana ny asany
    Newsmada - 04:48 Nov 27, 2025
    Nanatanteraka fitsidihana ny Kianja Barea Mahamasina ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena (MJS), notarihin’ny minisitra Rasambany Alain Désiré, omaly. Nanatrika izany koa ny filohan’ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF), Randriamanampisoa Alfred. Nohararaotina tamin’io ny resaka mahakasika ny fitohizan’ny asa ho an’ny mpanazatra ny Barea A, i Corentin Martins. Nilaza izy […]
  • Filohan’ny FMA : «Tsy manan-jo haka tapakilan’ny atleta ny federasionina»
    Newsmada - 04:47 Nov 27, 2025
    Haratsiam-panahin’ireo mitonona ho mpikarakara ve sa fahadisoana tsy nahy avy any La Réunion no tsy nahalasa an-dRalisinirina Marthe, tokony hiatrika ny “Meeting de La Réunion”. Nisy olona tsy fanta-piaviana mantsy tafiditra tao anaty lisitra izay tsy nahazo alalana ka miteraka ny ahiahy. Niteraka resabe teo anivon’ny tontolon’ny fanatanjahantena sy fanehoan-kevitra […]
  • Birao politika, Ratiankavana Benjamin : « Tsy manana olana amin’ny Tim ny MMM »
    Newsmada - 04:47 Nov 27, 2025
    Namaly ireo fanaratsiana samihafa, indrindra avy amin’ ny antoko Tim, ny eo anivon’ ny MMM, amin’ny alalan’ny birao politika, Ratiankavana Benjamin. Nambarany fa mi­roso ny fanovana eto amin’ny firenena na eo aza ireo mpanaratsy. « Tsy manana olana amin’ ny Tim na ny depiote Razara Pierre Fidèle izahay. Samy manohana ny […]
  • Asa fiomanana mialoha hitantanana ny loza : Hamoaka tondrozotra iraisana ny firenena ao amin’ny Sadc
    Newsmada - 04:43 Nov 26, 2025
    Nanomboka omaly, eto Madagasikara, ny fivorian’ny firenena afrikanina mivondrona ao amin’ny Sadc, miasa amin’ny fitantanana ny loza sy ny tandindon-doza. Haharitra hateloana ny fifampizarana ho an’ny firenena mpandray anjara, eny Alarobia. Hivoaka aorian’ny fihaonana ny lesoka sy ny vokatra tsara ary ny fa­nararaotra hamolavola tondrozotra iraisan’ny firenena rehetra mpandray anjara […]
    Tags: SADC
  • Drafitrasa Asecna : Mitaky ny fitsinjarana ara-bola ara-drariny i Madagasikara
    Newsmada - 04:42 Nov 26, 2025
    Natao tany Dakar Se­né­gal, ny 21 novambra 2025 teo, ny fivoriambe tsy ara-potoan’ny Vaomieran’ny minisitra ao anivon’ny Asecna, Fikamba­nana iraisam-pirenena misahana ny fitaterana ana habakabaka sivily aty Afrika. Nan­katoavina ny drafitrasa stratejika (POS) ho an’ny taona 2026-2035, ny drafitrasam-pitantanana sy ny fampitaovana (PSE) 2026-2030 sy ny drafitrasa famatsiam-bola azy. Nitarika […]
  • PLFI 2026 : Lany nasiam-panitsiana teny Tsimbazaza
    Newsmada - 04:42 Nov 26, 2025
    Aroso eny amin’ny Antenimierandoholona, anio, ny volavolan-dalàna mifehy ny tetibola (PLFI) 2026 izay lany teny amin’ny Antenimierampirenena omaly. Izy ireo indray no hidinika ny fanovana napetraka. Hatolotra ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) ny PLFI raha toa ka tsy misy ny fanovana entin’ny Antenimieran­doholona. Hivoaka aorian’izay ny didim-panjakana ho […]
    Tags: PLFI
  • INDRAY MIJERY
    Newsmada - 04:41 Nov 26, 2025
    Hankalaza ny faha-100 taona nijoroany ny valan-javaboahary Tsimbazaza (PBZT), iray amin’ireo ivontoeram-pikarohana eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa. Ho fanomanana izany, mitohy ny asa ataon’ireo komitin’ny fanarenana, ahitana minisitera maromaro, ny Fanabeazam-pirenena, ny Serasera sy ny kolontsaina, ny Toekarena sy ny fitantanam-bola. Nijery ny zava-misy tao […]
  • Rugby Club Tanora Soavimasoandro (RCTS) : Hanangana efitrano fatoriana sy fiofanana
    Newsmada - 04:34 Nov 25, 2025
    Toy ny isan-taona, notanterahina ny sabotsy lasa teo, teny Imamba Soavima­so­andro, ny fankalazana ny An­dron’ireo mpiara-miombon’antoka sy ny Rugby club tanora Soavimasoandro (RC­TS). No­tsiahivin’­Andrianarisoa Avotra, filohan’ity fileovana ity fa efa miditra amin’ny andiany faha-13 izany amin’izao fotoana. Dingana manaraka ny fananganana efitrano fatoriana sy fiofanana. Tanjona ny hahamora ny fampivondronana […]
  • SOMBIM-BAOVAO
    Newsmada - 04:33 Nov 25, 2025
    Mandeha ny resaka fa hatao aty Antananarivo ny fihodinanana faharoa ho an’ireo ekipa nifanintsana tany Mahajanga. Araka ny vaovao voaray omaly, efa nanome toky ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra fa hanome ilay vola 43 tapitrisa Ariary ho an’ireo mpitsara. Tsy manaiky ny hitsara ireo mpitsara any Maha­­janga raha tsy voarain’izy […]
  • Federasionina Muay thai : Mampirisika ny klioba hikarakara fifaninanana
    Newsmada - 04:33 Nov 25, 2025
    Tonga nanotrona ny “Muay Thai Tournament 3”, natao tany Toamasina, ny alahady lasa teo, ny filohan’ny Federa­sionina malagasin’ny Muay Thai, Rakotoalizao Hainatiana Gervais. Nidera sy nankasitraka ity fifaninanana ity izy ary nilaza fa fampiroboroboana ny taranja no atao ka mendrika halain-tahaka. Nampirisika ihany koa ireo klioba hafa hikarakara fifaninanana toy […]
  • Tsipy kanetibe – Tompondakan’i Afrika : Hiatrika ny ampahefa-dalana «tir de précision» i Mamy
    Newsmada - 04:33 Nov 25, 2025
    Mametraka ny anarany atsy Afrika ny ekipa malagasy miatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja tsipy kanetibe, sokajy lehilahy. Porofon’izany, tafita hiatrika ny lalao ampahefa-dalana eo amin’ny fifaninanana mitifitra «tir de précision» i Mamy Ronaldinho. Omaly vao niditra an-tsehatra ny ekipa mala­gasy eo amin’ny fia­diana ny ho tompondakan’i Afrika, […]
    Tags: Afrika
  • Lehiben’ny fonjan’i Mananara Avaratra : Naiditra vonjimaika am-ponja ao Maroantsetra
    Newsmada - 04:32 Nov 25, 2025
    Nipoitra ihany ny nafenina sy ny firaisana tsikombakomba amin’ny jiolahy mpamerin-keloka izay nahatonga ny fiakaran’ny tahan’ny tsy fandri­ampahalemana tao Ma­nanara Avaratra, faritra Am­batosoa. Nifarana amin’ny fampidirana vonjimaika am-ponja ny lehiben’ny fonjan’i Mananara Ava­ratra izany, dia i Boto Elvis. Raha tsiahivina, nisy fanafihana mitam-piadiana Cash point nitranga tao amin’ny fokontany Andraokaraoka, […]
  • Mobile banking : Hanara-maso ny olan’ny Mvola ny MNDPT
    Newsmada - 05:20 Nov 24, 2025
    Mitaky ny mangarahara tanteraka ny amin’izay mety ho anton’ny fikorontanana, mangataka tatitra ara-teknika ampa­hibemaso amin’ny Mvola ka ahitana ny antony mahatonga ny olana, ny fepetra fa­nitsiana sy fanarenana ary ny mba hisorohana ny fiverenan’ny olana. Ireo no fepetra nangatahin’ny minisitry ny Fampi­ro­boroboana ny haitao ara-ka­jy mirindra, ny paositra ary ny […]
    Tags: MVola
  • Fizarana « Kits solaires »: Iray vina ny Paositra Finances sy ny Mbalik
    Newsmada - 05:20 Nov 24, 2025
    Vita sonia ny zoma teo ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny Paositra Finances sy ny Mbalik hanamorana ny fisitrahan’ny tokantrano sy ny orinasa madinika ny angovo azo avy amin’ny herin’ny masoandro. Kendrena ny fampiatiana ara-angovo sy ara-bola amin’ny alalan’ireo vo­katra vaovao mifanaraka amin’ny fahafan’ny mpanjifa tsirairay. «Tanjona ny hampanakaiky ny tolotra ara-bola […]
  • VAOVAO TAMBATRA
    Newsmada - 05:19 Nov 24, 2025
    Tafakatra 646 miliara Ar ny tetibola natokana ho an’ny sehatry ny angovo. Niakatra maherin’ny 8,4 miliara Ar izany raha oharina ny tamin’ny taon-dasa izay mitentina 562 miliara Ar. Natao hanavaozana sy hanarenana ny orinasa Jirama io vola io, fa indrindra hanomezana vahana ny fironana mankany amin’ny fampiasana angovo azo havaozina. […]
  • Fampiroboroboana ny indostria: Hanamarin-toerana ny fandraharahana ny Cnim
    Newsmada - 05:18 Nov 24, 2025
    Andry iankinan’ny toekarena ny fampandrosoana ny indostria amin’ny alalan’ny fiaraha-miasan’ny rafi-panjakana sy ny sehatra tsy miankina. Hanara-maso ny fanatanterahana ny fifanarahan’ny roa tonta ny filankevi-pirenena ho an’ny fampiroboroboana ny indostria eto Madagasikara (Cnim). Fanoitry ny fampandrosoana ny toekarena ny indostria sy ny tontolon’ny fandraharahana. Manome vahana ny fampiasam-bola amin’ireo sehatra […]
    Tags: Cnim
  • Rugby – “XXL Top 12”: Nosahiranin’ny STM ny FTM
    Newsmada - 05:18 Nov 24, 2025
    Nitohy omaly, teny amin’ny Kianja Makis Andohatape­naka, ny andro fahatelo amin’ny fifaninanam-pirenena, taranja rugby “XXL Top 12”. Nosahiranin’ny STM, ny FTM Manja­karay. Na resy tamin’ny isa 43 no ho 33 aza ny Savony, nampiseho endri-dalao nahafinaritra, izay nanahirana an-dry zareo FTM, izy ireo. Nisy fotoana nahafahan’izy ireo namadika ny isa […]

2245 items