Newsmada

Found 3510 news

  • Ady amin’ny kitrotro sy ny poliomelita : Hisy ny fanaovam-baksiny faobe manerana ny Nosy
    Newsmada - 04:40 Sep 22, 2026
    Anisan’ny ezaka hanatsarana ny kalitaon’ny tolotra ara-pahasalamana sy miantoka ny fahafahan’ny ankizy mahazo vaksiny eny amin’ny toerana akaiky azy ny fanamafisana ny fanaovam-baksiny andavanandro. Hanatanteraka hetsika fanaovam-baksiny faobe hiadiana amin’ny kitrotro sy ny poliomelita, miaraka amin’ny fizarana vitamine A, ny minisiteran’ny Fahasala­mam-bahoaka. Hotanterahina ny 5 hatramin’ny 9 oktobra izany, eny […]
  • Echecs – Olympiade 2026: Nahazo fandresena 3 ny ekipa lahy sy vavy miaraka
    Newsmada - 04:39 Sep 22, 2026
    Mbola mitohy any Sa­marcande, Ouzbekistan, ny “Olympiades” eo amin’ny lalaon-tsaina Echec. Anisan’ ireo firenena mandray anjara amin’izany i Madagasikara ary miatrika ny fifaninanana eo amin’ireo sokajy roa handraisana anjara. Raha ho an’ny vokatra, tsy mitsanga-menatra ny zava-bitan’ny ekipa iarahan’ny lahy sy vavy “mixte”. Tao anatin’ireo fihodinana dimy “round 5” efa […]
  • Tsipy kanetibe : Nisongadina i Mbolanamana sy i Lam
    Newsmada - 05:29 Sep 21, 2026
    Tontosa teny amin’ny kianja Ankatso, ny sabotsy lasa teo, ny “Grand Open” taranja Tsipy kanetibe nokarakarain’ny ligy Analamanga. Nanohana ny lalao ary nanolotra ny amboara sy ny fanomezana rehetra tamin’ity, i Kawindre Tsakou, teratany karana. Nisongadina teo amin’ny veterans, i Lam sy i Mbola­namana izay nandresy an’i Hery sy i […]
  • Karate – Tompondakan’Analamanga : Nisavoritaka fa nisy seksiona roa Antananarivo
    Newsmada - 05:29 Sep 21, 2026
    Nisy disadisa ny fiadiana ny ho tompondakan’ny ligin’ Analamanga, taranja karate ny sabotsy lasa teo, teny amin’ ny kianja mitafon’Ankatso. Nanana seksiona roa mantsy Antananarivo Renivohitra tonga teny an-toerana ka izay no nisian’ny olana. «Nahavita ny fiadiana ny ho tompondakan’ny seksiona izahay ny 22 aogositra lasa teo. Nahazo tapakila hiatrehana […]
  • Barean’i Madagasikara : Nesorina tanaty lisitra i Zacharie Boucher
    Newsmada - 05:29 Sep 21, 2026
    Taorian’ny kiana sy fanehoan-kevitra isan-karazany, nalana tao anatin’ny lisitry ny Barea i Zacharie Boucher. Nitsipaka ny fanapahan-kevitry ny mpanazatra ny federasionina. Nikoropaka ny Federa­sionina malagasin’ny baolina kitra (FMF) manoloana ny fanehoan-kevitry ny mpankafy baolina kitra. Ireto farany izay tsy manka­sitraka ny fanendrena an’i Zacharie Boucher ho mpiandry tsatoby ny Barea. […]
  • Fitsarana ny fifidianana : Mitaky fomba fitoriana tsotra ireo ben’ny Tanàna
    Newsmada - 05:28 Sep 21, 2026
    Anisan’ny tolokevitr’ireo ben’ny Tanàna, natolotra teny Iavoloha ny momba ny fitsarana sy fitarainana eo anivon’ny HCC. Tokony ho antoka iray lehibe amin’ny demokrasia ny zo hanao fitarainana. Navoi­tran’ireo ben’ny Tanàna amin’izany tolokevitra ho fanatsarana ny fifidianana izany ny fitsipika momba ny fitoriana eo anivon’ny HCC. « Tokony ha­zava tsara ny antony […]
  • Ralaiseheno Guy Maxime : « Tokony hiaiky ny fahadisoany ireo depiote »
    Newsmada - 05:27 Sep 21, 2026
    Nohamafisin’ny mpanolotsaina manokan’ny Filohan’ny Fanavaozana, Ralaiseheno Guy Maxime, fa anisan’ny manana fahadisoana amin’ny zava-miseho ankehitriny ny depiote. Tokony hiaiky heloka izy ireo, hoy izy. Naneho ny heviny manolona ny toe-draharaham-pirenena ny mpanolotsain’ny filohan’ny fanavaozana sady mpitarika ny vondrona Komity ho an’ny fanorenana ifotony (KFIM), Ralaiseheno Guy Maxime. Tsy nitsitsy fitenena […]
  • FOCUS TOJONIAINA
    Newsmada - 14:33 Sep 19, 2026
  • Karate – Fifaninanana maneran-tany : Miantso fanampiana ireo ray aman-dreny
    Newsmada - 06:28 Sep 19, 2026
    Hiatrika ny fiadiana ny amboara maneran-tany amin’ny taranja karate, ny 14 -18 oktobra ho avy izao, any Pologne, sokajy lahy sy vavy, ireo mpikatroka malagasy efatra mianadahy, i Ornella Irian­tsoa, Ayrton, Tiary, ary Mathieu. Manoloana izany, manao antso avo amin’ny fanjakana ny ray aman-drenin’izy ireo. Raha ny fanazavana nataon’izy ireo, […]
  • World Tae-kwon-do Poomsae : Raraka sahady i Nicolas de Gonzague
    Newsmada - 06:28 Sep 19, 2026
    Nifarana sahady ny lalan-dRandria­miandrisoa Nicolas de Gon­zague, nandritra ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany eo amin’ny taranja tae-kwon-do WT ho an’ny fihetsika mirindra (Poomsae). Fihaonana tanterahina any Chuncheon, Korea atsimo. Omaly, lavon’ilay teratany Bulgare i Biser.Hristov izy ho an’ny sokajy latsaky ny 60 taona. Poomsae roa no nifanintsanan’izy mirahalahy dia […]
    Tags: Nicolas
  • SOMBIM-BAOVAO
    Newsmada - 06:27 Sep 19, 2026
    Miaraka amin’i Tchécoslovaquie sy i Espagne ary Etats-Unis, ao amin’ny vondrona «B», ny Makis Ladies, mandritra ny lalao Olympika ho an’ny tanora (JOJ 2026). Ao amin’ny sokajy «A» kosa i Senegal, Australie, Chine ary i Kenya. Fihaonana tanterahina any Dakar Senegal, ny 31 oktobra ka hatramin’ny 13 novambra ho avy […]
  • Handball – Tompondakan’i Afrika : Tsy nahita mangirana ny Akio Madagasikara
    Newsmada - 06:27 Sep 19, 2026
    Ratsy ny vokatra azon’ny Malagasy tamin’ity fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, sokajy “cadets”, izay tontosaina atsy Côte d’Ivoire, ny 15- 22 septambra ho avy izao, ity. Faharesena fahatelo in­dray no nahazo ny Akio Madagasikara, omaly, ao anatin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, sokajy “cadets”, atao ao Côte d’Ivoi­re, nandritra ny […]
  • INDRAY MIJERY
    Newsmada - 06:26 Sep 19, 2026
    Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ ny distrikan’Amboasary Atsimo, faritra Anôsy, ny atri­kasa fanombohana ny tetikasa “First Food”. Natao indrindra hanatsarana ny sakafo ara-pahasalamana sy manan-karena otrikaina ho an’ny zaza 6 ka hatramin’ ny 23 volana izay anisan’ny ezaka natao hiadiana amin’ny tsy fanjarian-tsakafo, izany. Tafiditra anatin’ny fiomanana amin’ny fotoam-pahavaratra […]
  • Basikety U23 – Fiba 3 x 3, World Cup: Nandresy an’i Tonga fa resin’i Espagne ny Ankoay
    Newsmada - 05:40 Sep 18, 2026
    Nitohy omaly, tao amin’ny Kianja Wuhan Shi, Hubei Chine, ny andro faharoa hiadiana ny ho tompondaka maneran-tany eo amin’ny taranja basikety lalaovin’olona 3 na “Fiba 3 X 3 World Cup”, sokajy U23. Izay vao nahazo fandresena ny Ankoay, vehivavy, ho an’ny sokajy “C”. Nandresy an’i Tonga tamin’ny isa 21 no […]
  • SOMBIM-BAOVAO
    Newsmada - 05:39 Sep 18, 2026
    Hotontosaina anio, any Côte d’Ivoire, ny fihaonan’i Madagasikara sy Nigeria, taranja handball. Lalao tafiditra anatin’ny andro fahatelo, fifanintsanana isam-bondrona ho an’ny sokajy “B”, amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, sokajy “cadets”. Tsiahivina fa hiaro voninahitra sisa ny Malagasy amin’io lalao io fa tsy ho tafakatra intsony. Hotanterahina ny 25 septambra […]
  • « Olympiades d’Echecs » : Nandresy an’i Curacao ny sokajy vehivavy
    Newsmada - 05:39 Sep 18, 2026
    Nitohy omaly, tany Samarcande Ouzbekistan, ny andiany faha-46 amin’ny «Olympiades», taranja lalaon-tsaina Echec. Taorian’ny fandresen’i Serbia, 4 no ho 0, an’i Madagasikara nandritra ny «Round 1», natao ny talata lasa teo, niharina tamin’ny fahavoazany ny Malagasy. Lavon’izy ireo tamin’ny fandresena 4 no ho 0 ny ekipam-pirenen’i Curacao ho an’ny «Round […]
  • Fifanintsanana Can 2027 : Resy lahatra amin’ny Barea i Zacharie Boucher
    Newsmada - 05:39 Sep 18, 2026
    Nantsoina hanatevina ny Barea i Zacharie Boucher, mpiandry harato, saingy nanda ny taona 2018. Valo taona aty aoriana, nanaiky ny handrafitra ny ekipa nasionaly malagasy izy rehefa nantsoin’i Corentin Martins, mpanazatra. Nivoaka tamin’ny fomba ofisialy, omaly ny mpilalao handrafitra ny ekipam-pirenena Malagasy, na ny Barea. Toy ny mahazatra, tamin’ny alalan’ny […]
  • TARATRY ny KANTO
    Newsmada - 05:38 Sep 18, 2026
    Maromaro ny seho hotontosain’ny Mahaleo taranaka miaraka amin’i Bekoto sy i Dama any Eoropa. Hisantatra izany ny any Belgique, ny 3 oktobra izao. Hitohy any Ita­lie, Allemagne ary France izay izany hanehoana seho maromaro. Hotontosaina anio ny seho famaranana mozika klasika eny amin’ny La Teinturerie Ampasanimalo. Hifandimby an-tsehatra amin’izany ireo […]
  • Jiu-jitsu Brezilianina : Malagasy 10 hiatrika ny amboara maneran-tany
    Newsmada - 04:58 Sep 17, 2026
    Efa ao anatin’ny fanomanana sahady ny fiadiana ny amboara maneran-tany amin’ ny taranja haiady Jiujitsu brezilianina hotanterahina any Dubaï, ny volana novambra ho avy izao, ny Malagasy. Mi­kasa ny handefa mpikatroka miisa folo ny rafitra federaly eto an-toerana, raha ny fanazavan-dRakotozafy Johary, filohan’ny Federasionina malagasin’ity taranja ity. Hanana solontena amin’ireo […]
    Tags: Malagasy
  • SOMBIM-BAOVAO
    Newsmada - 04:58 Sep 17, 2026
    Hivoaka anio, 17 septambra ao amin’ny pejin’ ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF), ny anaran’ireo mpilalao handrafitra ny ekipam-pirenena malagasy Barean’i Madagasikara, izay hifandona amin’i Nigeria sy Tanzania, mandritra ny fifanintsanana Can 2027. Andrasana amin’io fotoana io, ny anaran’ ireo mpilalao vaovao nantsoin’i Corentin Martins, mpanazatra. Efa mandeha ny fampivondronana […]

3510 items