Newsmada

Found 3510 news

  • France sy Irak: naharitra ora 3 mahery ny lalaon’ny roa tonta
    Newsmada - 07:55 Jun 24, 2026
    Nitrangana zavatra tsy mbola fahita hatramin’izay nisiany ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany “Mondial 2026”. Tao anatin’izay andiany 23 izay, tamin’ity vao nisy lalao natsahatra nandritra ny 131 minitra be izao. Tsy fahadisoan’ny mpikarakara fa noho ny hetraketraky ny natiora. Niato nandritra ny 131 mn na adiny roa sy 11 […]
  • Fitoriana an-kira ny evanjely : 10 taona ny Chapelle musicale Voix du Carmel
    Newsmada - 07:52 Jun 24, 2026
    10 taona nitoriana an-kira ny evanjely sy nampahafantarana ny aim-panahy karmelita ny eo anivon’ny Chapelle musicale Voix du Carmel. Hanamarika izany izy ireo amin’ity taona ity. Anisan’ny fikambanana Masina iray ao anatin’ny fianakaviamben’ny karmely, manaja manokana an’i Masina Maria mpanjakavavin’ny karmely izy ireo. Antom-pisiany ny fitoriana an-kira ny evanjely sy […]
  • Feno ny mpanjifa: laharana fanampiny Airtel ny 035
    Newsmada - 07:47 Jun 24, 2026
    Manodidina ny 5 tapitrisa isam-bolana ny mpanjifan’ny Airtel Madagasikara. Miditra amin’ny dingana vaovao indray, noho izany, ity orinasa tambajotram-pifandraisana ity. Fiantombohan’ny laharana hampiasain’ny Airtel vaovao ny 035, manampy ny 033 namantarana azy hatramin’izay. Nihatra nanomboka ny alatsinainy 22 jona teo io laharana io, manerana an’i Madagasikara. Mitovy tanteraka amin’ny fiasan’ny […]
    Tags: Airtel
  • Orange Madagasikara: tafapetraka ny tetikasa «Manamaitso Sekoly»
    Newsmada - 07:46 Jun 24, 2026
    Ankoatra ny maha orinasa misehatra amin’ny fifandraisan-davitra azy, manana drafitrasa manokana ny Orange Madagasikara, amin’ny fandraisana andraikitra eo amin’ny fiarahamonina (RSE). No­santarina teny amin’ny EPP niomerika Masindray, omaly, ny tetikasa “Manamaitso Sekoly”. Nambaran’ny filohan’ny Orange Solidarité, Benja Arson, fa atao ity tetikasa ity hiampitana any amin’ny fametrahana tontolo maitso voajanahary. […]
  • Seranan-tsambon’i Toamasina: apetraka tsy ho ela ny “Plateforme multimodale”
    Newsmada - 07:44 Jun 24, 2026
    Hapetraky ny Société du port à gestion autonome de Toamasina (Spat) ao Tsarakofafa ny “Plateforme multimodale logistique et portuaire” (PMLP). Tetikasa tafiditra ao anatin’ny fananganana ny “Port Sec III” izany. Hapetraka any amin’ny 8 km miala ny seranan-tsambon’i Toamasina ny tetikasa. Toerana hametrahana vonjimaika ireo kaontenera alohan’ny handefasana azy any […]
  • Basikety: miakatra N1A ny klioban’ny Lucadro
    Newsmada - 10:03 Jun 23, 2026
    Sambany eo amin’ny tantaran’ny Lucadro (Lutte contre l’analphabète et de la drogue) Analamanga no tafakatra N1A ity klioba ity. Fantatra iza­ny taorian’ny fifaninanana nasionaly N1B, natao tany Moramanga,  ny faran’ny herinandro teo. Tafapetraka eo amin’ny laharana faharoa ny Lucadro, eo amin’ny sokajy vehivavy, rehefa resin’ny Pin­tade Amoron’i Mania,  tamin’ny isa 80 no ho […]
    Tags: Lucadro
  • “Circuit Training”: hahazo vola 2 tapitrisa Ariary ny voalohany
    Newsmada - 10:01 Jun 23, 2026
    Hotanterahina ao amin’ny Kianja Mitafo Mahamasina, ny 4 jolay ho avy izao, ny fifaninanana ara-batana “Circuit Training à Madagascar”, andiany voalohany. Hetsika ara-panatanjahantena karakarain’ny Zaka Rise Mada, tohanan’ny orinasa Yas Madagas­car. Hotolorana vola 2 tapitrisa Ariary izay mahazo ny laharana voalohany amin’izany, raha ny fanazavan’ny tomponandraikitra omaly, teny Andra­haro. Natokana […]
  • Vondrona «I»: tsy manan-tsafidy fa mila mandresy i Sénégal, anio
    Newsmada - 09:59 Jun 23, 2026
    Anisan’ny lalao andrasan’ny maro, indrindra ny vahoaka afrikanina, ny lalao hikatrohan’ny Lions de la Teranga, Sénégal sy Norvège ho an’ny vondrona “I”. Fihaonana hotanterahina ao amin’ny Kianja New-York/New Jersey, East Rutherford. Tsy manan-tsafidy afa-tsy ny fandresena ihany ry zareo sénégalais amin’ity. Raha tsiahivina, tsy mbola manana isa ary farany ny […]
  • Indray mijery
    Newsmada - 09:53 Jun 23, 2026
     Hisy fidinana misongadina ny maripana any amin’ny ilany atsinanan’ny Nosy, manomboka ny faran’ny herinandro. Manodidina ny -1 hatramin’ny 26 °C ny maripana ny maraina ary eo anelanelan’ny 22 – 35 °C ny tolakandro. Ny varatraza no handrafitra ny toetry ny andro mandritra ity herinandro ity. Misy ny fampitandremana mahakasika ny alondrano […]
  • Kly Rampanarivo: « Mila madio koa ny toe-tsaina »
    Newsmada - 09:49 Jun 23, 2026
    Anisan’ireo niatrika sy nitarika ny hetsika fanadiovana faobe tao an-drenivohitry ny Faritra Vakinankaratra, Antsi­rabe, ny Mpanolotsaina avon’ny Fanaovana ny Re­poblika, ny Kly Rampanarivo Thierry sy ny minisitry ny Rano, ny fidiovana sy ny fanadiovana, ary ny lehiben’ny Faritra Vakinan­karatra, Ravaonirina Nathalie Sébastienne. Namba­ran’ity manamboninahitra ambony eo anivon’ny Fanaovana ny Repoblika […]
  • Baolina kitra – Pureplay football league (PFL) Hanao famaranana ny Ajesaia sy ny CFFA
    Newsmada - 10:10 Jun 22, 2026
    Hiatrika ny famaranana hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra, Pureplay football league (PFL), ny Ajesaia sy ny CFFA Andoharano­fotsy. Tontosa ny faran’ny he­rinandro lasa teo, teny amin’ny kianja By-Pass ny lalao manasa-dalana miverina. Ny sabotsy lasa teo, la­von’ny Ajesaia tamin’ny fandakana ny “tirs au but” 6 no ho […]
  • Rugby – TOP 20: tsy tontosa hatramin’ny farany ny famaranana
    Newsmada - 10:10 Jun 22, 2026
    Haverina amin’ny fotoana manaraka ny famaranana, hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja rugby sokajy Top 20, hikatrohan’ny RCSA Anosibe sy ny Rosa Club de l’Imerina. Tsy tanteraka izany noho ny hamaizin’ny andro. Tapitra teo amin’ny minitra faha-65, ny famaranana niadiana ny ho tom­pon­da­kan’i Madagasikara taranja rugby (TOP 20). Fi­hao­nana, nikatrohan’ny […]
  • Indray mijery
    Newsmada - 10:08 Jun 22, 2026
    Nanomboka tamin’ny taona 1960 tany ho any no nipetrahan’ny ankamaroan’ireo mponina ao Anala­mahitsy Cité, nefa mbola maro no tsy nahazo Bokin-tany hatramin’izao. ‎ Ho fanamorana ny fikarakarana ny antontan-taratasy sy ny fanamarinana ny zo fitompoana ny tany, dia miezaka ny CUA, izay tompon’ny tany, mifandray akaiky amin’ny mponina mba hamahana […]
  • Fiangonana FVKFM: havan’ny voafonja 1 000 nahazo fanampiana
    Newsmada - 10:07 Jun 22, 2026
    Fianakavian’ireo olona voafonja eto Antananarivo, miisa 1 000 no nizarana fanampiana ny faran’ny herinandro teo, tetsy Ankorondrano. Vary milanja 4 taonina sy sasany, siramamy 1 taonina, menaka 22 daba na 1040 litatra, paty, baran-tsavony 1 000 isa, tsaramaso 1 taonina ary sira 500 fonosana no notsinjaraina ho azy ireo tamin’izany. […]
  • Baolina kitra –1/8 Yas Coupe 2026: Mbola hihaona indray ny Ajesaia sy ny Disciples FC
    Newsmada - 05:21 Jun 20, 2026
    Efa fantatra avokoa ireo ekipa mpifanandrina mandritra ny ampahavalon-dalan’ny amboaran’i Madagasikara, « Yas Coupe », taorian’ny antsapaka nataon’ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF) tao amin’ny pejiny, omaly. Mbola hihaona indray eo amin’ny ampahavalon-dalan’ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, ta­ranja baolina kitra, «Yas Cou­pe 2026», ny Ajesaia Bongo­lava sy ny Disciples FC Vaki­nankaratra. Tsiahivina […]
  • Ekipa afrikanina : Côte d’Ivoire sy i Ghana ihany no hany nahazo fandresena
    Newsmada - 05:21 Jun 20, 2026
    Eo ho eo ny vokatra azon’ireo ekipa afrikanina miisa 10 miatrika ny “Mondial 2026”. Ireo firenena efa kalaza no mihitsoka nandritra ny andro voalohany. Kely fa manahirana ireo “Goliata” eoropeanina kosa ry zalahy vao sambany miatrika ity fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany ity. Sady tsy ratsy no tsy tsara ny […]
  • Fiahiana ny fahasalaman’ny mpiasa: Nahazo fotodrafitrasa vaovao ny ESIA
    Newsmada - 05:19 Jun 20, 2026
    «Nifindra toerana eny Ambohidroa, Andranomena ny Ivontoerana mikarakara ny fahasalaman’ny mpiasa ESIA, hahafahana manatratra ny tanjona hanakaiky kokoa ny mpikambana ka tsy hanahirana ny mpiasa ao amin’ny orinasa ny hanatona ny fitsaboana», hoy ny mpitsabo mpandrindra ny ivontoerana, Rabetsoa Eddy, omaly. Eo koa ny fanatsarana, hanomezana tolotra mifanandrify amin’ny filan’ny […]
    Tags: ESIA
  • INDRAY MIJERY
    Newsmada - 05:19 Jun 20, 2026
    Araka ny didim-pitondrana laharana faha-195/mid/pref.pol.tana/osp.26 navoakan’ny prefektioran’ny polisy Antananarivo, ny 12 jona 2026, dia voarara tanteraka ny fampiasana tsipoapoaka sy « laser » rehetra. Toy izany koa, ny fanaovana na filalaovana fitaovana hafa mitovy endrika amin’ireo, indrindra eny Ivato izay manelingelina ireo mpanamory fiaramanidina. Ny fandikana ny fepetra voalazan’ity didim-pitondrana […]

3510 items