Newsmada

Found 3510 news

  • Minisiteran’ny Jono: mihitsoka ny fandehan’ ny raharaham-panjakana
    Newsmada - 11:11 May 26, 2026
    Mbola mitohy ny tsy fitoviam-pijery eo amin’ny minisitry ny Jono, ny Pr Maharavo Jean sy ny sekeretra jeneraly vaovao, Ra­ve­lo­manantsoa Be-Rija. Mihi­satra ny asam-panjakana noho ny hambompo manokana. Tsy mbola mankasitraka ny fanendrena ny sekretera jeneraly ny minisitra, tsy ma­naiky ny fiaraha-miasa hatramin’izao. Manomboka ny fa­nangonan-tsonia hataony, ha­nesorana ny olona […]
    Tags: Jono
  • Alatsinain’ny Pantekoty: hipoka avokoa ireo toeram-pialamboly
    Newsmada - 11:07 May 26, 2026
    Raha tarafina amin’ny isan’ny mpijery, fahombiazana avokoa ireo fampisehoana maromaro teto Antananarivo sy ny manodidina, omaly. Singanina indrindra amin’izany ny « Mi’sôma total » tetsy amin’ny Coliseum. Goavana indrindra na tamin’ny toerana, ny isan’ny mpijery, fa indrindra ny isan’ny tarika nifandimby an-tsehatra. Nosafidian’ny mpi­karakara manokana ireo mpanakanto be mpankafy amin’izao fotoana izao. […]
  • Tsiakoraka: mbola am-pon’ny mpankafy, 40 taona aty aoriana
    Newsmada - 11:01 May 26, 2026
    Io i Fidy, Guerd, Liva… Tarehy nanamarika izany Tsiakoraka izany hatramin’ny nanombohany. Fihaonana na­hafaly ireo efa zokinjokiny toa azy ireo, ny seho nataon’ny tarika, ny sabotsy lasa teo, tetsy amin’ny CCEsca Anta­nimena. Fotoana namerina indray ny taloha, tsy ireo hira ihany fa indrindra ireo fahatsiarovana nentiny. Notsaroana manokana ireo mpikambana […]
  • Pureplay Football League: namory maika ny mpitsara ny federasionina
    Newsmada - 10:57 May 26, 2026
    Nanatanteraka fivoriana maika tetsy Isoraka ny Fede­rasionina malagasin’ny baolina kitra sy ireo mpitsara ary ny mpiantsehatra amin’ny fifaninanana “PFL”, ny asabotsy lasa teo. Antony: tsy nety hitsara ny lalao ny mpitsara manoloana ireny zava-nitranga nahitana fitoriana mpitsara ireny. Raha ny filazan’ny loharanom-baovao iray, efa niravona ny disadisa, saingy hahemotra avokoa […]
  • Rugby sokajy vehivavy – Can 2026: nomontsanin’ny Spring­boks ny Makis Ladies
    Newsmada - 10:55 May 26, 2026
    Voahaja ny lojika teo amin’ny lalaon’ny Makis Ladies sy ny Springboks Afrika Atsimo. Mbola maozatra ho an’ny tovovavy malagasy ny mifandona amin’izy ireo. Porofon’izany, nomontsaniny, tamin’ny isa mavesatra 62 no ho 5, ny ekipam-pirenena malagasy. Tsy mbola afa-bela tamin’ny Springboks Afrika Atsimo ny Makis Ladies, nandritra ny fiadiana ny ho […]
  • Mahatazana – Andilamena: Telo lahy nahatrarana taolam-paty 20 gony
    Newsmada - 04:40 May 23, 2026
    Taolan-dava miisa 822 be izao no saron’ny polisim-pirenena tao amin’ny tanàna Mahatazana kaominina ambonivohitr’ Andilamena, ny alin’ny alatsinainy 18 mey hifoha talata teo. Tratra niaraka tamin’ny andian-jiolahy mpamaky fasana, telo lahy, izany. Raha ny angom-baovao, araka ny fanambarana nataon’ny lehiben’ny komiseran’ny polisy ao an-toerana, misahana ny filaminana anatiny, Randria Albert. […]
  • KMF/Cnoe: “Be dia be tsy mazava momba ny fikaonandoha”
    Newsmada - 04:39 May 23, 2026
    “Nanapa-kevitra hanara-maso ny fikaonandohan’ny olom-pirenena ny KMF/Cnoe. Ny fahitanay azy, mbola misy zavatra be dia be manjavozavo amin’ny olom-pirenena. Mila fanazavana”. Io ny fanehoan-kevitry ny filoha nasionalin’ny KMF/ Cnoe Fanabeazana olom-pirenena, i Namearison Robert, tany Morondava, omaly, ny amin’ny fikaonandohan’ny olom-pirenena. Firy andro, ohatra, ny fikaonandoha eny anivon’ny fokontany, ahoana […]
    Tags: Cnoe
  • SOMBIM-BAOVAO
    Newsmada - 04:38 May 23, 2026
    Hotontosaina ao amin’ny Kianja Velodrome Antsirabe ny fihaonana miverina eo Disciples FC Vaki­nankaratra sy ny Fosa Juniors Boeny. Fifanandrinana tafiditra anatin’ny ampahefa-dalana, “Pureplay Football League (PFL)”. Mbola manala vela moa ry zareo Fosa Juniors. Resin’ny Disciples 4 no ho 0 izy ireo, nandritra ny lalao mandroso. Voahosotra ho tompondakan’i Arabia […]
  • Rugby, vehivavy – CAN 2026 : Hanala vela amin’i Springboks ny Makis Ladies
    Newsmada - 04:38 May 23, 2026
    Hotanterahina ao Nairobi Kenya, manomboka anio, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika (Can 2026), taranja rugby, vehivavy, ho an’ny sokajy «Performance division». Firenena efatra no hiady izay ho lohany amin’izany dia i Kenya, mpampiantrano, miampy ny Springboks, tompondaka farany, miaraka amin’ny Makis Ladies Mada­gascar ary ny The Cranes Ouganda, ekipa […]
  • Fampiakarana lenta-Tantara an’onjampeo: Hanatanteraka atrikasa ny V.M.T
    Newsmada - 04:41 May 22, 2026
    Tafiditra ao anatin’ny se­hatrasa sy vina tanterahin’ny Vondron’ny mpiangaly Tan­tara (V.M.T) ny hampiakatra hatrany ny lentan’ny tontolon’ny tantara fandefa amin’ny Radio na ny tantara an’onjampeo. Ho fiatrehana izany, hisy ny atrikasa fanoratana tantara fihaino hotanterahina ny alarobia 27 mey izao, manomboka amin’ny 2 ora tolakandro, ao amin’ny Lycée JJ Rabearivelo […]
  • Malagasy mpianatra any France : Mangataka ivontoerana ara-kolontsaina
    Newsmada - 04:41 May 22, 2026
    Hanabevoho ny teny sy ny kolontsaina malagasy, na lavitra ny tanindrazana aza. Izay no anisan’ny tanjon’ireo mpianatra teratany malagasy any France, izay nampitain’izy ireo nandritra ny fihaonany tamin’ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina, Mandrindrarivony Ogascar, omaly. Tao amin’ny Foyer universitaire malagasy na Fum ao Paris no natao ny fihaonana, […]
    Tags: France
  • tazomoka – Antananarivo Avaradrano : Niakatra be ny trangan’aretina
    Newsmada - 04:40 May 22, 2026
    Nahafaty olona ny aretina tazomoka tao amin’ny distrika Antananarivo Avaradrano. Niakatra be ny olona marary ka mila fanaraha-maso akaiky ny fifehezana ny aretina. Nidina teny an-toerana ireo mpiasan’ny fahasalamana sy ny mpandrindra nasionaly ny ady amin’ny tazomoka, ny alahady 17 mey 2026 teo nanamarina ny zava-misy eo anivon’ny hopitaly Anosy […]
  • Finoana silamo : 74 hamonjy Hajj any La Mècque
    Newsmada - 04:40 May 22, 2026
    Toy ny fanao isan-taona, manao fivahinianana masina na ny Hajj any La Mècque ny mpino silamo maneran-tany. Ho an’ny eto Madagasikara, samy manao izay tratry ny heriny ny antokom-pinoana na fikambanana isanisany. Anisan’ireny ny eo anivon’ny Amana group. Nandefa olona 74 mianadahy izy ireo. Maharitra dimy andro izany. Natao ho […]
    Tags: Hajj
  • EPP sy CEG Nanisana: Mpianatra 3 900 hikirakira tablette avy amin’ny Orange
    Newsmada - 04:40 May 22, 2026
    Sekoly maromaro eto Antananarivo no hisitraka fampitaovana avy amin’ny Orange Madagasikara, ao anatin’ny fandaharanasa sekoly niomerika ho an’ny taom-pianarana 2025-2026. Nahazo ny anjarany ny EPP sy CEG Nanisana, omaly. Nitombo isa ny sekoly manome fanabeazana niomerika eto Mada­gasikara. Nanomboka omaly, niditra amin’ny fikirakirana fitaovana niomerika avy amin’ ny orinasa Orange […]
  • Olona manana toe-tena varira: Matimaty foana, tsy manana ianteherana
    Newsmada - 04:41 May 21, 2026
    Mikiakiaka anaty antso vonjy ireo olona manana toe-tena varira manoloana ny fa­miravirana ny ain’izy ireo. “Te­na tsisy vidiny ny aina ary tsy misy hasiny ny maha olona raha ny tranga famonoana mi­seho sy iainanay”, hoy ny filohan’ny fikambanana varira eto Madagasikara, Soja Fulgence. Tranga roa nisesy, tamin’ity volana ity, ny […]
  • Minisiteran’ny Fampianarana teknika : Mitohy ny « recrutement ampahibemaso »
    Newsmada - 04:40 May 21, 2026
    Nanomboka ny 11 mey hatramin’ny 28 mey ho avy izao ny fandraisana mpiasam-panjakana raikitra ampahibemaso manerana ny faritra rehetra ho an’ireo mpampianatra “vacataire” eo anivon’ny Fampianarana teknika sy fampiofanana arakasa. Notanterahina tamin’ity herinandro ity ny fandraisana mpiasam-panjakana ampahibemaso raikitra an’ireo mpampianatra “vacataire” eo anivon’ny sekoly fampianarana teknika sy fampiofanana arakasa […]
  • Tarika Manan’Ara : Hanamarika ny faha-10 taona
    Newsmada - 04:40 May 21, 2026
    Tarika manome lanja ny mozika misy fanahy. Iray tamin’ireo nisafidy ny hivoy ny mozika arahin-gitara sy ireo zavamaneno mifameno aminy ny Manan’Ara. 10 taona izay no nisian’ny tarika, ka homarihina izany. Ho fanokafana azy, hisy ny seho hotonto­sain’ny Manan’Ara ny zoma 22 mey izao, eny amin’ny Pho Resto Ivato. «Ho […]
  • Havàtsa-Upem – Atrikasa 2026: Omen-danja ny fama­kafakana asa soratra
    Newsmada - 04:39 May 21, 2026
    Tafiditra ao anatin’ny Iray volana anandratana ny teny malagasy. Mandritra ny volana jona, isaky ny sabotsy, hanatanteraka « Atrikasa 2026 fanoratana » ny fikamba­nan’ny poety sy ny mpanoratra malagasy Havàtsa-Upem. Homen-danja ny famakafakana asa soratra (essai littéraire). «Atrikasa 2026 fanoratana». Hetsika hotontosaina mandritra io volana jona io, isaky ny sabotsy, […]
  • Handball : Hiara-kiasa ny Federasionina sy ny Yas Madagasikara
    Newsmada - 04:39 May 21, 2026
    Nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy omaly, tetsy Andraharo, ny fiaraha-miasa eo amin’ny Federasionina ma­lagasin’ny handball (FMHB) sy ny Yas Madagasikara. Nambaran-dRatsimandao Andriamanga Herilovasoa, filohan’ny Federasionina, fa 110 andro izay no nitondrany izany ary efa ela no naniriany hiaraka amin’ny Yas ka izao tafahoana izao. “Santatra izao fa irina ny hitohizany hatrany. […]

3510 items