Newsmada

Found 3510 news

  • Delta United Madagascar: Mifantina sy mitily ankizy mahay baolina
    Newsmada - 04:42 Aug 11, 2026
    Miara-miasa amin’ny “agents recruteurs” any andafy ny Delta United Madagascar, taranja baolina kitra. Ankehitriny, manao fifantenana sy mitily ankizy mahay baolina izy ireo, halefa ho anaty ivontoeram-piofanana sy klioba any Eoropa. Nanomboka ny sabotsy lasa teo, teny amin’ny kianja Esca Antanime­na ny fitiliana sy fifantenana ataon’ny ivontoeram-piofanana Delta United Madagascar, […]
  • Fanohanana ny mpitondra : Mijoro ny Vovonana ho an’ny fanavaozana
    Newsmada - 04:42 Aug 11, 2026
    Nampahafantarina omaly ny fijoroan’ny Vovonana ho an’ny fanavaozana an’i Mada­gasikara (VFM). Natao hanamafy ny fiaraha-miasa sy ny fanohanana ny ezaka fanavaozana tarihin’ny filohan’ny Fanavaozana, Kly Randria­nirina Michaël, araka ny fanazavan’izy ireo. Mikendry ny hampivondrona ireo hery velona samihafa ny vovonana, ahitana ireo olom-boafidy am-perinasa sy teo aloha, ireo olobe, tangalamena, […]
    Tags: Vovonana
  • Kaonseritra Asandrato: Antoko mpihira telo hidera an’Andriamanitra
    Newsmada - 04:37 Aug 10, 2026
    Fankalazana telo sosona no hotanterahina ny sabotsy 15 aogositra ho avy izao, ao amin’ny efitrano Havoria Ano­sy. Eo ny taon-jobily volafotsy (50 taona) ny Sampana Ta­nora Kristianina (STK) Tia FJKM Andraisoro Kristy Fe­hizoro. Ny faha-35 taona namoronan’Atoa Razafindra­zaka Handrisoa, hira fiderana tao amin’ny antoko mpihira Anjomaran’ny Fitiavana, FJKM Tranovato Fitiavana […]
  • Jazz@Tohatohabato: Nanana ny lazany i Madagasikara sy ny kantony
    Newsmada - 04:36 Aug 10, 2026
    Efa tazana hatry ny ela ? Hanana ny hoaviny mamiratra ny tontolon’ny jazz eto Madagasikara. Nientana ny teny an-tsehatra. Tahaka izany ihany koa ny mpijery. Maro ny feo re fa niavaka ny… «… Mahay ianareo Ma­lagasy, indrindra fa ny tanora. Manan-talenta ianareo… », hoy ireo vahiny tonga teny amin’ny famaranana ny fampisehoana an-tsehatra […]
  • INDRAY MIJERY
    Newsmada - 04:32 Aug 10, 2026
    75 ny distrika nahitana trangana Mpox hatramin’ny faran’ny herinandro teo, 34 no manana marary amin’izao fotoana izao, araka ny fanambaran’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, omaly. Nanomboka ny 18 desambra ka hatramin’ny 8 aogositra, nahatratra 3272 ny tranga voamarina, 22 no maty ary 2342 ireo sitrana. Misy fampitandremana noho ny hamafin’ny rivotra any […]
  • Autisme Madagascar : Manan-danja ny fiatoana ny ray aman-dreny
    Newsmada - 04:32 Aug 10, 2026
    Manao hetsika ho an’ny ray aman-dreny manana za­naka hafakely ny Autisme Madagascar. Tanterahina amin’ny faritra 10 manerana ny Nosy izany. Mihaino sy manampy azy ireo amin’ny fitaizana ny zaza izany. Miara-miasa amin’ny manam-pahaizana manokana toy ny Dokotera sy mpandinika ny saina ny fikambanana. Tanjona ny fanohanana ho enti-manampy ny ray […]
  • Ankadinanahary Ambositra : Hanorenana “Campus universitaire”
    Newsmada - 04:32 Aug 10, 2026
    Hametrahana “Campus Universitaire” ao Ankadinanahary, Ambositra. Nidina ifotony nijery ny ametrahana izany ny minisitry ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, Pr Ravonimanantsoa Ndaohialy Manda-Vy. Niara-dalana azy tamin’izany ireo manam-pahefana ao an-toerana, ny faran’ny herinandro teo. Tsy miandry ela, hapetraka amin’ny herinandro ho avy izao ny vato fototra. Tanjona […]
  • Kongresy tao Ambatondrazaka : Mitaky ny fahadiovan’ny fitantanana ny HVM
    Newsmada - 05:46 Aug 08, 2026
    Nifarana omaly ny kongresim-paritry ny antoko HVM, natao tany Ambatondrazaka. Anisan’ny nitondrana hevitra tamin’izany ny momba ny fiainam-pirenena. Nanao fitakiana maromaro ny ekipan-dRajaonarimampianina Hery. «Mitaky ny fahadi­von’­ny fitondrana izahay. Takinay koa ny fametrahana ny fanjakana tan-dalàna, ny fahadiovan’ny fifidianana, ny fahadiovan’ny fitantanana raharaham-pirenena », hoy ny filoha nasionaly, Rakotovao Rivo, tamin’ny […]
  • Volley-ball U18 vehivavy: Resin’i Mada 1 i Maurice
    Newsmada - 05:45 Aug 08, 2026
    Niditra tamin’ny andro fahatelo, ny fiadiana ny ho tompondakan’ny firenena na ny «Championnat des Nations», taranja volley-ball, sokajy U18, vehivavy sy lehilahy, ho an’ny faritra fahafito. Fihaonana notanterahina omaly, tetsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina. Teo amin’ny U18 vehivavy, resin’i Madagasikara 1 tamin’ny seta 3 no ho 0 (25/22 ; 25/17 ; 25/19), […]
  • Baolina kitra : Hanazatra ny Al Merrick U23 ny Coach Rôrô
    Newsmada - 05:45 Aug 08, 2026
    Hanazatra ny ekipa U23 an’ny Al Merrick Soudan, ny Coach Rakotondrabe Romuald (Rôrô), ho an’ny taom-pilalaovana 2026-2027. Hameno ny tsy ampy amin’ny mpilalao maratra na mihena fahaizana ao amin’ny D1 izy. Nitondra fanazavana mahakasika ny handehanany any Soudan, izay niteraka resabe tamin’ny tambajotran-tserasera, Rako­tondrabe Romuald (Coach Rôrô), omaly, teny amin’ny […]
  • INDRAY MIJERY
    Newsmada - 05:44 Aug 08, 2026
    Tokony hanatona tobim-pahasalamana avy hatrany raha misy tazo mahery, hoditra misy fery na mamorifotra, maso mena, kohaka na soritr’aretina hafa mampiahiahy fa mety ho kitrotro. Tokony hanaraka ny torohevitra omen’ny mpiasan’ny fahasalamana. Tokony ho antoka fa manaraka ny fandaharam-potoanan’ny vaksiny ny ankizy. Nandray fepetra avy hatrany ny tompon’andraikitry ny BNGRC […]
  • Foara Back to school expo Madagascar : Havondrona ny mpisehatra amin’ny fampianarana
    Newsmada - 05:44 Aug 08, 2026
    Misy foara lehibe « Back to school expo Madagascar », natokana ho an’ny fidiran’ny mpianatra sy fitarihana amin’ny safidy ho an’ny lalam-piofanana ary ny asa mifandraika. Hanomboka ny 3 ka hatramin’ny 6 septambra ho avy izao ao amin’ny Kianja Barea Mahamasina ny hetsika. Tanjona ny hampivondrona ireo mpisehatra rehetra manampy ny tanora […]
  • Tsipy kanetibe malagasy : «Misy minia manakoron-tana», hoy ny FSBM
    Newsmada - 04:42 Aug 07, 2026
    Tsy milamina mihitsy ny tontolon’ny taranja tsipy kanetibe na eo aza ny vokatra azon’ireo ekipam-pirenena ka nandrombahana ny “Mondial 2026”, sokajy “junior”. Mbola mifanolana hatrany amin’ny resaka fitsipika ny klioba sy ny Federasionina malagasy (FSBM). “Misy koa anefa ireo miezaka mandrehitra afo”, hoy ny tomponandraikitra. Raha jerena ivelany, mandeha sy […]
  • Rugby – Trophy Barthès: Tsy tonga ny Makis sy i Côte d’Ivoire
    Newsmada - 04:42 Aug 07, 2026
    Hanomboka anio, any Kampala Ouganda, ny fiadiana ny Trophy Barthès, taranja rugby, sokajy “junior”. Tsy anisan’ireo handray anjara amin’izany ny Makis Madagasikara sy ny Elefantan’i Côte d’Ivoire, izay ao anatin’ny “First division” (D1). Raha ho an’ny Malagasy, ny tsy fisian’ny saran-dalana, ny antony tsy nahafahana nandeha. Araka ny fanadihadiana natao, […]
  • Baolina kitra – Fifaninanana afrikanina : Fc Rouge vs Arrows FC Zambie, CFFA vs Lijabatho FC Lesotho
    Newsmada - 04:41 Aug 07, 2026
    Fantatra avokoa ireo ekipa hifanandrina amin’ireo solontena malagasy eo amin’ny fifaninanana afrikanina, taranja baolina kitra. Ny Arrows FC Zambie ny an’ny FC Rouge ary ny Lijabatho FC Lesotho, hifanandrina amin’ny CFFA. Tontosa omaly, tany Le Caire Egypte, ny antsapaka nahalalana izay ekipa hifanandrina eo amin’ny fiadiana ny ho tompondaka sy […]
  • INDRAY MIJERY
    Newsmada - 04:41 Aug 07, 2026
    Nidina ifotony teny amin’ny fokontany Ankorondrano Andranomahery ny tomponandraikitry ny boriborintany Tana III sy ireo mpiara-miasa aminy. Nijery akaiky ny olana momba ny fahatapahan-jiro miverimberina eny an-toerana izy ireo. Hita fa tsy mahazaka intsony ny isan’ireo tokantrano mampiasa herinaratra ny transformateur eo amin’ilay andrin-jiro. Nandritra ny varavarana misokatra natao tao […]
  • METFP : Mila ainga vao ny fampianarana teknika
    Newsmada - 04:40 Aug 07, 2026
    Hotanterahina any Maha­janga, ny 11 aogositra, ny fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny fihaonambe ho fanavaozana ny fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa. Sehatra iray hifanakalozan’ny mpampianatra sy orinasa ary mpandraharaha indrindra ny mpianatra izany. Tanjona ny iarahana manorina ny ho avy mivoatra kokoa amin’ny sehatry ny ara-teknika sy fanofanana arakasa […]
  • Championnat des Nations U18 : Lavon’i Madagasikara 2 ny Club M Maurice
    Newsmada - 04:37 Aug 06, 2026
    Tsara fiditra ny ekipam-pirenena Madagasikara 2, teo amin’ny fanombohan’ny fiadiana ny ho tompondakan’ny firenena “championnat des nations”, taranja volley-ball, sokajy U18, vehivavy. Fihao­nana notanterahina omaly, tetsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina. Resin’izy ireo tamin’ny seta 3 no ho 2 ny Club M Maurice. Sahirana ny tovovavy malagasy vao nibata ny fandresena […]
  • SOMBIM-BAOVAO
    Newsmada - 04:37 Aug 06, 2026
    Hatao anio any amin’ny foiben’ny Caf ao Egypte, ny antsapaka hahalalana izay ekipa hifanandrina eo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika “ligue des champions” sy ny amboaran’ny kaonfederasiona “coupe de la Caf”, taranja baolina kitra. Ho fantatra eo izany izay ho mpifanandrina amin’ny CFFA sy ny FC Rouge. Misongadina ny […]
  • Baolina kitra : Naka «renfort» 6 ny CFFA
    Newsmada - 04:36 Aug 06, 2026
    Ho fiatrehana ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja baolina kitra, naka mpilalao miisa 6 hanatevina azy ireo ny CFFA Andoharanofotsy, tompondakan’i Madagasi­kara. Mpilalao efatra avy amin’ny Disciples FC Vakinankaratra dia i Rado sy i Fabrice miampy an’i Tendry sy i Andy. Roa avy amin’ny Elgeco Plus dia i Fitahiana […]

3510 items