Newsmada

Found 1643 news

  • Mpilalao tantara an’onjampeo: Nodimandry i Saholy Rakotonanahary
    Newsmada - 05:01 May 12, 2025
    Nanana ilay feo miavaka, nahay niangaly izay toerana notazoniny tao anatin’ireo tantara fihaino rehetra nandraisany anjara i Saholy Rakotonanahary. Maty namela mamy izy. Misaona indray ny kanto malagasy. “Lasa i Saholy Rakoto­na­nahary ry zareo. Namoy namana iray isika… Efa ela ihany no tsy nandrenesanareo ny feony niaraka taminay. Efa tao […]
  • Antenimierandoholona : Hojerena ny haha marin-toerana ireo ben’ny Tanàna
    Newsmada - 05:40 May 10, 2025
    Nandray ireo ben’ny Tanàna miisa valo avy amin’ny “Association des grande villes de Madagascar – AGVM” ny filohan’ny Antenimierandoholona, ny Jly Ravalomanana Richard, omaly. Nisy ny hafatrafatra nampitainy tamin’izany. Natsidiny fa ho avy ny tolo-dalàna maromaro atolotr’ireo loholona ka tafiditra ao anatin’izany ny momba ny fahamarinan-toeran’ireo ben’ny Tanàna amin’ny fanatanterahana […]
  • VAOVAO TAMBATRA
    Newsmada - 05:40 May 10, 2025
    Nampakatra 12% ny taham-bola fototra manoloana ny fiakaran’ny vidim-piainana 8,4% ny Banky foiben’i Madagasikara. Fepetra noraisiny noho ny tsy fahamarinan-toeran’ny toekarena maneran-tany sy ny olana ara-barotra misy amin’izao fotoana. Mampirisika ny fanitsiana ny Tahirimbola iraisam-pirenena sy ny Banky iraisam-pirenena. Lasa fitaovana fampiasa amin’ny politikam-bola ny taham-bola fototra. Tsy hisy ny […]
  • 30 taona ny Paositra rapida: Hanome tolotra tsara kalitao nefa mora
    Newsmada - 05:39 May 10, 2025
    Nosokafanana tamin’ny alakamisy ny fankalazana ny faha-30 taona ny Paositra Rapida. Vanim-potoana ha­metrahany ireo fanamby vaovao sy goavana ary tolotra tsara kalitao ho an’ny mpanjifa. «Mivoitra manaraka ny toetrandro ny Paositra Rapida amin’ny alalan’ny fampiasana ny teknolojia sy ny haitao ara-kajy mirindra hamantaran’ny mpanjifa ny fotoana ahatongavan’ny entany amin’ny sarany […]
  • Fifanarahana Bâle: Dinihina ny akora sy ny fako simika
    Newsmada - 05:39 May 10, 2025
    Nisokatra ny 28 avrily teo, ary mifarana anio 9 mey, any Genève Soisa, ny fihaonamben’ny Fifanarahana iraisam-pirenena na « Conférence des Parties » (COP), andiany faha-17, mahakasika ny Fifanarahana Bâle, Rotterdam ary Stockholm (BRS). Lohahevitra dinihina ny « Fitantanana ara-drariny ny akora simika sy ny fako ». Nodinihina ny fiantraikan’ny akora simika sy ny […]
  • Andrianiaina Miranto: Faniriany efa hatry ny fony kely ilay hilalao sarimihetsika
    Newsmada - 04:55 May 09, 2025
    Vehivavy tanora fantatry ny maro amin’ny tontolon’ny sarimihetsika malagasy Andria­niaina Miranto. Na­naovana fanadihadiana manokana ny tenany. Gazety Taratra (*): Oviana ianao no nanomboka nilalao sarimehitsika voalohany? Miranto (-): Andrianiaina Miranto ny anarako, 22 taona aho amin’izao fotoana izao. Ny taona 2021 aho no nanomboka niditra tamin’ny sehatry ny horonantsarimihetsika, ary […]
  • VAOVAO TAMBATRA
    Newsmada - 04:53 May 09, 2025
    Miompana amin’ny fanabeazana, ny fambolena, ny fotodrafitrasa, ny fahasalamana sy ny fitantanana ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny Mada­gasikara sy ny « Agence française de Développement » (AFD). Ho faritana ny tetiandro sy ny fampianarana ireo fifanarahana. Tanjona ny hampiroboroboana ireo sehatra voalaza etsy ambony ho an’ny fampandrosoana ny toekarena sy ny firenena […]
  • Toekarena: 8,4% ny vidim-piainana eto Madagasikara
    Newsmada - 04:53 May 09, 2025
    Tao anatin’ny herintaona (teo anelanelan’ny volana mar­sa 2024 sy ny volana marsa 2025), nisondrotra 8,4% ny vidim-piainana teto Madagasikara, araka ny fanadihadiana ara-toekarena na­voakan’ny Banky foiben’i Madagasikara (BFM). Izany hoe, nahitam-piakarany 1,2% izany tao anatin’ny 12 volana. Anisan’ny nisondrotra 12,7% ny vidim-bary, niakatra 4,5% ihany koa ny sehatry ny angovo. […]
  • Tondrozotra Task Force Riz : Napetraka ireo paikady
    Newsmada - 04:53 May 09, 2025
    Nozaraina andraikitra mazava ireo sehatra rehetra mandrafitra ny Task Force Riz. Hifandray bebe kokoa amin’ny rehetra ny avy amin’ny foibem-pitondrana misahana ny varotra anatiny (DCI) eo anivon’ny minisiteran’ny Fampiroboro­boana ny indostria sy ny varotra hanamafisana ny andraikitry ny tsirairay mpikambana. Nisongadina ireo nandritra ny fivorian’ireo ankolafy samihafa voakasiky ny raharaham-bary, […]
  • Fambolena sy fiompiana : Fanoitra amin’ny fampandrosoana ny toekarena
    Newsmada - 04:53 May 09, 2025
    Anisan’ireo sehatra miantoka ny fampandrosoana maharitra ny fiompiana sy ny fambolena. Iankinan’ny fampiroboroboana ny toekarena sy manampy amin’ny fahatrarana ny fahaleovan-tena ara-tsakafo ireo seha-pihariana ireo. Manana anjara toerana goavana amin’ny fampandrosoana ny sehatry ny fambolena sy ny fiompiana, eto Madagasikara. Soa fanararaotra ny fananantsika malagasy 80% misehatra amin’ireo rafi-pihariana ireo […]
  • «Ligue des champions d’Europe»: Nosakanan’ny Inter de Milan ny lalan’ny FC Barcelone
    Newsmada - 04:52 May 08, 2025
    Lavo ny FC Barcelone, andrarezina amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa (Ligue des champions), taranja baolina kitra. Nosakanan’ny Inter de Milan teo amin’ny manasa-dalana ny lalan-dry zalahy. Resin’ny Italianina, ta­min’ny isa 4 no ho 3, nandritra ny lalao miverina notanterahina tao San Siro Milan, ny talata lasa teo. Niady hatramin’ny […]
  • SOMBIM-BAOVAO
    Newsmada - 04:51 May 08, 2025
    Tsy anisan’ireo ekipa hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, sokajy vehivavy, U17, ny Yfomac. Araka ny fanazavana nataon’izy ireo afakomaly. Maro amin’ireo mpilalaony no tsy maintsy mifantoka tsara amin’ny fianarana, ka voatery nandray fanapahan-kevitra toy izao ny tomponandraikitry ny klioba. Notanterahina omaly, teny amin’ny Fede­rasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF), […]
  • Basikety N1A-Vondrona A : Ekipa 6 lahy sy 6 vavy hifaninana
    Newsmada - 04:51 May 08, 2025
    Anjaran’ny vondrona A indray izao no hifaninana amin’ny dingana voalohany, amin’ny fiadiana ny tompondaka nasionaly N1A, taranja basikety, taorian’ny vondrona B tany Antsi­rabe. Ekipa 6 lahy sy 6 vavy no ao anatin’ity vondrona A ity, ka ao amin’ny Complexe sportif ao Mahajanga no hanatanterahina izany, ny 10 hatramin’ny 18 mey […]
    Tags: Ekipa
  • Rugby Africa Women’s Cup 2025: Mpifanandrina vaovao hihaona amin’ny Makis Ladies i Ouganda
    Newsmada - 04:51 May 08, 2025
    Hampiantrano fifaninanana goavana indray i Madagasikara, ny volana jona ho avy io. Hatao eto Antananarivo ny fifanintsanana “Rugby Africa Women’s Cup 2025”. Afaka hanohana ny Makis Ladies eto an-tanindrazana indray ny Malagasy mpankafy Rugby. Raikitra indray! Hotante­rahina ny 5 hatramin’ny 16 jona ho avy izao, eny amin’ny Kianja Makis Andoha­ta­penaka, […]
  • CenHoSoa – HIS Foundation: Maimaimpoana ny fandidiana ireo ankizy manana fahasembanana
    Newsmada - 04:50 May 08, 2025
    Nanomboka ny 5 mey hatramin’ny 17 mey 2025 ho avy izao, misy ny fandidiana maimaimpoana tontosain’ny HIS Foundation, fikambanana kristianina, sinoa, mpanao asa soa ao amin’ny CenHoSoa. Miompana amin’ny fandidiana ireo ankizy sahirana manana fa­ha­sembanana eo amin’ny molotra na ativava ny iraka ataon’izy ireo. Eo koa ireo manana fahavoazana sy […]
  • Rotorotom-piainana : Tsy ampy fialamboly ny vahoaka malagasy
    Newsmada - 04:53 May 07, 2025
    Anisan’ny olana iray mbola sedrain’ny vahoaka malagasy ny tsy fahafahany miala voly. Tena ilaina amin’ny fiainana anefa iza­ny. Matetika olana ny hoenti-manana. Betsaka anefa ny toerana azo hitsangantsanganana, sady tsara no mora. Fomba amam-panao tsy mahazatra ny Malagasy ny manokana fotoana hialana voly. Mionona amin’ny andro fety vao mba manao […]
  • VAOVAO TAMBATRA
    Newsmada - 04:52 May 07, 2025
    Tafakatra 3 000Ar ny kilaon’ny ovy eny amin’ ny tsenan’Andravoahangy raha novidiana 2 000 Ar teo aloha. Mananosarotra ihany koa ny fahitana ny vokatra amin’izao fotoana. Nilaza ireo mpivarotra fa vanim-potoana tsy fisian’ny ovy amin’izao, eo ihany koa ny rotsakorana tampoka any amin’ireo faritra mpamokatra izany ka mahatonga ny fiakaram-bidy […]
  • Fiatrehana ny loza voajanahary : Tafapetraka ny tetikasa IRFF
    Newsmada - 04:52 May 07, 2025
    Hanamafy ny fahaiza-manaon’ireo mpisehatra amin’ny fiantohana sy ara-bola, hitondra vahaolana ara-bola sy vokatra fiantohana mifanaraka amin’ny zava-misy eto an-toerana. Ireo ny tanjon’ny tetikasa fiarovana sy faharetana manoloana ny fiovaovan’ny toetr’andro (IRFF). Tetikasa iarahan’ny minisiteran’ny Toekarena sy ny fitantanam-bola (MEF) sy ny sampandraharahan’ny Firenena mikambana momba ny fampandrosoana (Pnud). « Hanamafy ny […]
    Tags: IRFF

1643 items