Newsmada

Found 3510 news

  • Fizahantany : Haseho etsy Antaninarerina i Menabe
    Newsmada - 04:54 Apr 24, 2026
    Mbola ampahany ihany fa tsy Menabe manontolo. Ha­nao hetsika « Busness day » fampahafantarana ny tontolon’ny fizahantany amin’iny faritra iny ny eo anivon’ny Groupe Kimony amin’ny alalan’ireo « Centre ecoutouristique du Me­nabe ». Hanomboka anio, hatramin’ny rahampitso, etsy amin’ny zaridain’Anta­ninare­nina izany. Ahitana ireo tranoheva momba ny hotely fandraisam-bahiny, ny tontolon’ny fizahantany, ny sakafo sy […]
    Tags: Menabe
  • Takaitran’i Gezani : Sahirana ny mponin’i Toamasina
    Newsmada - 04:53 Apr 24, 2026
    Tsy mipaka eny anivon’ny tokantrano sahirana ny fanitso na sakafo, eny hatramin’ny lamba fitafy na fitaovam-pianarana ho an’ny ankizy, na eo aza ny ezaka ataon’ireo mpitsinjo ny vahoaka tra-doza noho ny rivodoza Gezani. Manao antso avo amin’ny solontenam-panjakana sy ny BNGRC ny mpanao gazety sy tambajotran-tserasera. Aiza avokoa ireo fanampiana […]
    Tags: Gezani
  • SOMBIM-BAOVAO
    Newsmada - 04:53 Apr 24, 2026
    Nanatanteraka fivoriana mahakasika ny fandraisana ny « Can 2027 », atsy Kampala, ny 22 hatramin’ny 23 avrily teo, ny Caf sy ny filohan’ireo firenena telo mampiantrano izany, dia i Kenya, Tanzanie ary Ouganda. Raha tsy misy ny fiovana farany, hiakatra ho 28 ny isan’ireo firenena handray anjara amin’ity fiadiana ny amboaran’i Afrika […]
  • « PFL »- Tsaramandroso Boeny: Tsy manaiky hilalao etsy Iavoloha
    Newsmada - 04:52 Apr 24, 2026
    Mandeha ny siosion-dresaka, afakomaly, fa tsy hanaiky ny handray ny lalaony amin’ny Ajesaia, etsy Iavoloha, ny talata ho avy izao, ny Tsara­mandroso Formation FC (TFFC), avy atsy Boeny. Nam­baran’ny loharanom-baovao iray eo anivon’ity klioba ity fa tokony ho izy ireo no hampiantrano ny fihaonana, izay tokony hatao any Mahajanga, ny […]
    Tags: Iavoloha
  • Lutte – Afrique 2026 : Atleta efatra hiaro ny voninahi-pirenena
    Newsmada - 04:52 Apr 24, 2026
    Araka ny vaovao avy amin-dRaveloson Mamitiana, filohan’ny Federasionina malagasin’ny Tolona (FML), omaly, fantatra fa handray anjara amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika amin’ny «lutte olympique», sokajy zandriny, i Mada­gasikara. Fifaninanana hatao any Alexandrie, Egypte, ny 27 avrily ka hatramin’ny 5 mey ho avy izao. Manana solontena efatra mianadahy ny federasionina […]
  • Fahaleovantenan’i Etazonia : Nahaliana tanora maro ny « Freedom 250 »
    Newsmada - 04:40 Apr 23, 2026
    Nanao fizarana momba ny tantaran’i Etazonia sy ny maodelin’ny demokrasia amerikanina tetsy amin’ny ENS Am­pefiloha ny mpanolotsaina lefitra misahana ny serasera sy ny kolontsaina ao amin’ny masoivoho Amerikanina, i Alex Burns. Fitohizan’ny fiaraha-miasa eo amin’ny ENS amin’ny fanamafisana ny fampianarana ny teny anglisy sy ny fifanakalozana ara-kolontsaina izao hetsika izao. […]
    Tags: Etazonia
  • ESPA : Afaka miasa amin’ny sehatra maro ny injeniera
    Newsmada - 04:40 Apr 23, 2026
    Iray amin’ny sampana 16 eo anivon’ny sekoly ambony politeknika Antananarivo, eny Vontovorona, ny Ingenierie minière, izay mamoaka injeniera mahafehy ny fitrandrahana, nanomboka ny taona 1976. Miavaka ny injeniera nahavita fianarana te­ny amin’ny sekoly am­bony politeknika satria afaka misehatra amin’ny lafin’asa maro aorian’ny fahazoana diplaoma. Tafiditra ao ny fitrandrahana harena an-kibon’ny […]
  • Asa tanana sy kolontsaina: 40 taona nanamboarana zavamaneno i Hery Valiha
    Newsmada - 04:39 Apr 23, 2026
    Teo amin’ny fahafolo taonany, fony teny am-piandrasan’omby, no efa nahay nandrafitra zavamaneno toy ny valiha sy kabosy vita amin’ny tanimanga i Hery Valiha. Ankehi­triny, 40 taona nanamboarana izany izy. Mampiavaka ny valiha arafiny ny fisian’ny asa fikarohana mitohy hita sy heno ao aminy (valiha). Na­tambany, ohatra, ny kesika sy ny […]
  • Babai Lugu sy Alala Katsakatsa : Hizara « Nofy adala » etsy Antsahamanitra
    Newsmada - 04:39 Apr 23, 2026
    Mozika mikoriana avy any anaty, manatona ny fototra aty an-tanindrazana. Nofy hotanterahina miaraka amin’i Bolo sy ireo mpankafy an’i Babai Lugu sy ny tariny. «Faly be foana mandalo an-tanindrazana». Naverimberin’i Babai Lugu io, omaly, nandritra ny fi­haonany tamin’ny mpanao ga­zety tetsy amin’ny Yas Anala­kely. Efa andro ma­romaro no eto ity […]
  • Course de côte : Hatao eny Mahitsy ny dingana voalohany
    Newsmada - 04:38 Apr 23, 2026
    Hotanterahina ny alahady ho avy izao, eny Mahitsy, ny dingana voalohany amin’ny fifaninanam-pirenena amin’ny «course de côte», andiany fahatelo, iarahana amin’ny Liquimoly, amin’ny taranja mekanika. Fifaninanana karakarain’ny klioba MSA, eo ambany fiahian’ny Federation sport-automobile de Mada­gascar (FSAM). Tanterahina amin’ny fiakarana miainga eo Mahitsy mihazo an’Antanetibe Mahazaza izany. Mirefy 2,3 km […]
    Tags: Mahitsy
  • Fanatanjahantena : Homarihina ny Andro iraisam-pirenena
    Newsmada - 04:44 Apr 22, 2026
    Toy ny isan-taona, hanamarika ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny fanatanjahantena i Madagasikara. Hotonto­saina ny 24 – 26 avrily izao, izany. Maro ny hetsika karakarain’ny minisiteran’ny Fana­tanjahantena, toy ny hazakazaka firaisankina, hiainga eny amin’ny Parvis Analakely ka hatreo amin’ny kianja Barea, ny alahady izao. Ny basikety 3 x 3 ary ny […]
    Tags: Andro
  • SOMBIM-BAOVAO
    Newsmada - 04:44 Apr 22, 2026
    Namoaka ny anaran’ireo teknisianina sy mpanazatra, mandrafitra ny ekipany ny tale teknika nasionaly ny Federasionina malagasin’ny tenisy (FMT), tao amin’ny tambanjotra seraserany, omaly. Ireo mpilalao fahiny manana traikefa sy efa tompondaka ny ankamaroany. Eo koa ireo mbola tanora mifaninana amin’izao fotoana izao. Misaona ny tontolon’ny tenisy ambony latabatra malagasy. Nodimandry […]
  • Lucadro : Manana tanjona hiakatra N1A
    Newsmada - 04:44 Apr 22, 2026
    Ekipa anisan’ny sangany eto Analamanga, ny Lucadro (Lutte Contre l’Analphabétique et la Drogue), ekipa malagasy eo amin’ny taranja basikety. Vao avy nandrombaka ny tompondakan’ny Seksiona Antananarivo, ity ekipa ity, ka miatrika ny N1B eo anivon’ny ligin’Analamanga amin’izao fotoana izao. Tanjona ho azy ireo ny hiakatra N1A, araka ny nambaran’ny filohany, […]
    Tags: Lucadro
  • Baolina kitra – Carion : Mety hatao kianja fandraisana lalao iraisam-pirenena
    Newsmada - 04:44 Apr 22, 2026
    Manana vina, ny hanao ny ivontoerana ao Carion ho kianja azo hampiantranoana lalao iraisam-pirenena ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra, araka ny fanadihadiana natao. Tsy maintsy hanaovana fangatahana amin’ny federasionina iraisam-pirenena (Fifa) anefa ny fahazoana izany. Manoloana ny olana ara-kianja mbola se­drain’ny ekipam-pirenena malagasy, amin’ny taranja baolina kitra, manana vina ny […]
    Tags: Carion
  • Padel  : Manome tanana ny MPPTour ny Yas Madagasikara
    Newsmada - 04:44 Apr 21, 2026
    Notanterahina, omaly teny Andraharo, ny fifanaovan-tsonia eo amin’ny Padel MPPT Tour sy ny Yas Madagasikara. Nanatanteraka izany, i Garry Ah-Waye, tomponandraikitry ny MPPTour sy i Benoit Janin, tale jeneralin’ny Yas Madaga­sikara. Notsiahivin’ny mpitantana ny Padel MPPTour fa mifantoka amin’ny fampivoarana ny taranja amin’ny ala­lan’ny fahaiza-manao sy ny fahavitrihan’ity orinasan-tserasera ity […]
  • SOMBIM-BAOVAO
    Newsmada - 04:43 Apr 21, 2026
    Hotanterahina eny amin’ny kianjan’ny Elgeco Plus By pass, ny 21 sy 22 avrily ho avy izao, ny atrikasa famelabelarana momba ny baolina kitra tsy matihanina. Ao anatin’ny fandaharanasan’ny Fifa ho fampandrosoana ny baolina kitra “amateur” ity atrikasa ity, ka hampivondrona ireo mpisehatra amin’ny baolina kitra eto Madagasikara. Hitarika izany i […]
  • Basikety N1A “Zone Centre” : Tompon’amboara ny JEA sy ny GNBC
    Newsmada - 04:43 Apr 21, 2026
    Tontosa ny alahady lasa teo, tany Antsirabe, ny dingana voalohany tamin’ny fifaninanana nasionaly, taranja basikety, N1A, ho an’ny faritra afovoany. Voahosotra ho tompon’amboara ny ekipan’ny JEA Vakinankaratra, teo amin’ny vehivavy ary ny GNBC Analamanga kosa teo amin’ny sokajy lehilahy. Raha hiverenana ny lalao famaranana izay niadiana ny amboaran’ny ligy, nahazo […]
  • Tsipy kanetibe – Amboaran’i Madagasikara: Lasan’ny UBMT ny lelavola 3 tapitrisa Ar
    Newsmada - 04:43 Apr 21, 2026
    Norombahin’ny ekipan’ny UBM Tokana, ny amboaran’i Madagasikara teo amin’ny taranja tsipy kanetibe, olon-telo miaraka lehilahy. Lasan’izy ireo ny vola 3 tapitrisa Ariary sy ny amboara ho an’ny ekipa. Nandrombaka izany kosa ny FAM ho an’ny vehivavy. Tanteraka tany amin’ny kianja Vakinankaratra, ny fiadiana ny amboa­ran’i Madagasikara, amin’ny taranja tsipy kanetibe […]
  • Fanafihana mitam-piadiana : Moto iray sy vola 17 tapitrisa Ariary voaroba
    Newsmada - 04:42 Apr 21, 2026
    Raha halatra sy fanendahana, fandravana, vaky trano arahina fampiasana fitaovam-piadiana no malaza, taorian’ny rivodoza Gezani, efa miverina miakatra indray izao ny lentan’ny asan-jiolahy eto Toa­masina. Vola mitetina 17 tapitrisa Ariary haterina amin’ny banky iray eto an-toerana no voaroba raha efa nahazo fotoana tamin’ny tomponandraikitr’ity banky iray ity ilay olona handeha […]
    Tags: Ariary

3510 items