Newsmada

Found 3510 news

  • GOGUETTE 10 06 2025
    Newsmada - 04:57 Jun 10, 2026
  • Rugby – “XXL Top 12”: Hifampitana ny Uscar sy ny FTM
    Newsmada - 04:56 Jun 10, 2026
    Madiva hifarana ny fifanintsanana hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja rugby, na “XXL Top 12”. Miditra eo amin’ny andro faha-10 ny lalao ny alahady ho avy izao, eny amin’ny Kianja Makis Andohatape­naka. Anisan’ny lalao goavana ny fifanandrinan’ny Uscar sy ny FTM Manjakaray. Samy nahazo fandresena 6 sy faharesena 3 avy […]
    Tags: Uscar
  • Mahajanga-CRRA : Hananganana fomba fiasa manara-penitra
    Newsmada - 04:56 Jun 10, 2026
    Tanterahina any Maha­janga, hatramin’ny zo­ma, ny atrikasa fananganana fitsipika sy fomba fiasa manaraka ny fenitra eo anivon’ny foibe fiantsoana CRRA. Fantatra fa natsangana eo anivon’ny minisiteran’ny Fa­ha­salamam-bahoaka ny Fita­leavan’ny foibe fanampiana ara-pitsaboana vonjy taitra (DCamum), tafiditra ao anatin’ny fampandrosoana ny rafitra fikarakarana ara-pahasalamana mialoha ny fidirana ho­pitaly eto Madagasikara. Mandray […]
  • Indray mijery
    Newsmada - 04:56 Jun 10, 2026
    Efa misandrahaka ny oniversitem-paritra, toy ny any Sava, Mandritsara, Antsohihy, Menabe, Anosy, Ampanihy, Antsirabe, Itasy… Efa miasa sy mandray mpianatra avokoa izy ireny. Centre regional no nisy tany am-piandohana. Rehefa nitombo ny isan’ny mpianatra dia navadika ho lasa oniversite mahaleo tena tanteraka. Momba ny fanadinana bakalorea, ao anatin’ny fanomanana tanteraka […]
  • Fitaovana fitarafana : Nohamafisina ny traikefa amin’ny fikojakojana
    Newsmada - 04:55 Jun 10, 2026
    Miofana momba ny fitantanana sy fikojakojana ny fitaovana fitarafana, “radiographie”, ny mpikirakira izany, iarahana amin’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ireo mpiara-miombon’antoka. Mifandraika amin’ireo fitaovana “radiographie” miisa 50, novatsiana sy napetraka any amin’ireo hopitaly (CHU-CHRR-CHRD) manerana ny Nosy, ny fiofanana. Tafiditra ao anatin’ny tetikasa « PPSB ». Laharam-pahamehana ny hanamafisana ny traikefan’ireo tomponandraikitra amin’ny […]
  • Tsipy kanetibe – Olon-droa miaraka  : Nisongadina ny ekipan’ny Cecam Bouliste Club
    Newsmada - 04:48 Jun 09, 2026
    Tontosa teny amin’ny Kianja Ankatso, ny alahady lasa teo, ny fiadiana ny ho tompondakam-pirenena amin’ny taranja tsipy kanetibe ho an’olon-droa. Nisongadina ny Cecam Bouliste Club (CBC), nahitana an’i Hariliva (Ram’s) sy i Tendry teo amin’ny “senior”, lehilahy, izay nandrombaka ny anaram-boninahitra. Nandrasan’ny rehetra fatratra ny famaranana, nikatrohan’izy ireo tamin’i CBN, […]
  • SOMBIM-BAOVAO
    Newsmada - 04:48 Jun 09, 2026
    Atleta nisongadina nandritra ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, aty amin’ny faritra Atsimo, sokajy zandriny U18 sy U20, izay natao tatsy Maorisy, ny faran’ny herinandro teo, Andrianjafy Ny Aina Anna. Nahazo medaly volamena, tamin’ny hazakazaka 400 metatra misy fefy, izy. Nahazo medaly telo moa ny delegasionina malagasy tamin’ity: volamena iray, […]
  • Environment Contest 3×3 : Norombahin’ny Uprim sy ny Essca ny amboara
    Newsmada - 04:48 Jun 09, 2026
    Fahombiazana ny hetsika fankalazana ny Andro maneran-tany ho an’ny tontolo iainana  nokarakarain’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa. Nisy ny fifaninanana basikety 3×3 izay niarahana nisalahy tamin’ny Federasionina malagasin’ny basikety. Fifaninanana natokana ho an’ny Oniversite ka nahatratra 91 ny ekipa nandray anjara tamin’izany. Ny ekipan’ny Uprim no nibata ny amboara […]
    Tags: Uprim
  • Pureplay Football League : Hanala vela amin’ny Ajesaia ny Disciples FC
    Newsmada - 04:48 Jun 09, 2026
    Hotanterahina ny faran’ny herinandro ho avy izao, etsy amin’ny Kianjan’ny CFFA Iavoloha, ny lalao mandroson’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra, “Pureplay Football League (PFL)”. Adin’ny samy henjana ny fifanandrinan’ny Ajesaia sy ny Disciples FC Vakinankaratra, lalao hanokafana ny manasa-dalan’ny fifaninanam-pirenena PFL, ny sabotsy ho avy izao, eny […]
  • LFR 2026: Nampidinina ho 750 Ar/l ny hetra amin’ny alikaola
    Newsmada - 04:47 Jun 09, 2026
    Nanambara ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika, ny kolonely Randrianirina Mi­chaël, ny alahady 7 jona teo, fa misy ny ezaka ataon’ny fitondram-panjakana mahakasika ny hetra amin’ny famokarana ataon’ny orinasa Star. Araka izany, ao anatin’ny volavolan-dalàna mifehy ny Teti­bolam-panjakana nasiam-panitsiana “LFR 2026”, nampidinina ho 750 Ar isaky ny litatra ny hetra « Droit […]
  • FOCUS RAKOTONANDRASANA VELOSON Monde rural
    Newsmada - 04:48 Jun 08, 2026
    Des trésors cachés pour notre santé
  • Fomba Sakalava Menabe: Hatao ny 20-28 aogositra ny « Fitampoha 2026 »
    Newsmada - 04:45 Jun 08, 2026
    Tontosa soa aman-tsara ny faran’ny herinandro teo ny «Lohavogny 2026 ». Natao tao amin’ny zomban’Andriami­sara izany, izay notarihin’ny Am­panjaka Kamamy Geor­ges. Fomba nentim-paharazana izay notohizan’ny taranaka izy ity any Menabe, izay natao indrindra hanomanana ny « Fitampoha » manaraka, ka nanaovana ireo fanao toy ny famonoana omby, sns. Nivo­aka nandritra ny «Loha­vogny» ihany […]
  • Tarika Kiaka : Mipetraka amin’ny lazany, 40 taona aty aoriana
    Newsmada - 04:45 Jun 08, 2026
    Nangoro-mainty ny lapa… Mpankafy rock, fa indrindra mpiondana ny tarika Kiaka ireo nameno azy, omaly. Mbola mitoetra ny lazan’ny tarika. Niteny ny traikefa. Trai­kefa niampy talenta. Talenta be mpankafy ka hipoka ny Lapan’ny Fana­tan­jahantena Mahamasina, oma­ly. Tao ny lava volo, mitafy mainty ny ankabeazany, misalotra hoditra hatrany am-paladia… Tsy tanora […]
  • INDRAY MIJERY
    Newsmada - 04:44 Jun 08, 2026
    Hotontosaina ao amin’ny UCM Ambatoroka ny Forum de la Psychologie izay karakarain’ny Association Arche ny 12 sy 13 jona ho avy izao. Hetsika maro no hatolotra ny mpanotrona izay mifototra amin’ny fahasalaman’ny saina. « De moi à l’autre : comprendre le conflit pour mieux vivre ensemble » ny lohahevitra ifantohana. Mandritra ny […]
  • CHRR Ambositra : Nisy fandidiana maimaimpoana
    Newsmada - 04:44 Jun 08, 2026
    Ho fanamafisana ny ezaka ataon’ny minisiteran’ny Faha­sa­lamam-bahoaka amin’ny fampanatonana ny tolotra ara-pahasalamana ho an’ny va­hoaka, notanterahina tao amin’ny CHRR Ambositra ny hetsika fitiliana maimaimpoana ny areti-maso katarakta arahin’ny fandidiana, naharitra telo andro, tao amin’ny CHRR Ambositra. Hetsika mitondra fanantenana sy fahasitranana mivantana ho an’ireo marary indrindra ireo efa niaina fahasahiranana […]
  • Kominina Ambonivohitr’ i Toamasina: Fahadiovana maharitra no tanjona
    Newsmada - 05:01 Jun 06, 2026
    “Tsy atao ho zavatra mandalo fotsiny izany fanadiovana sy fahadiovana izany, izay fototry ny fahasalamam-bahoaka aharitra ka tsy maintsy mametraka fahadiovana sy fanadiovana tanàna maharitra ho an’ny vahoaka ny kaominina ambanivohitr’i Toamasina”, hoy ny ben’ny Tanànan’i Toa­masina, nandritra ny fidinany ifotony efa ho tapa-bolana tsy an-kiato izay. Efa nataony nitarika […]
  • Oniversiten’Antananarivo: Hankalaza ny faha-65 taona niorenany
    Newsmada - 05:01 Jun 06, 2026
    Mandritra ny herinandro (15 ka hatramin’ny 21 jona 2026 ho avy izao) ny hetsika ho fanamarihana ny fankalazana ny faha-65 taona niorenan’ny Oniversite eto Antananarivo Araka ny fanazavan’ny filohan’ny mpikarakara, i Nantenaina Rabetokotany, ny 15 jona ho avy izao ny fanokafana ny hetsika, miaraka amin’ny tranoheva iarahana amin’ireo toeram-pampianarana valo […]
  • Havàtsa-Upem – Volan’ny teny malagasy : Hanomboka anio ny Atrikasa 2026 fanoratana
    Newsmada - 05:00 Jun 06, 2026
    Iray amin’ireo hetsika mampiavaka ny Fikambanan’ny poety sy ny mpanoratra malagasy na ny Havàtsa-Upem ny fanatanterahana atrikasa mifanaraka amin’ny vanim-potoana. Ao anatin’izao «Iray volana anandratana ny teny malagasy» izao, hanatontosa ny «Atrikasa 2026 fanoratana» ity fikambanana zokiny indrindra amin’ny fikoloana ny teny malagasy ity. Hiompana amin’ny famakafakana asa soratra (Essai […]
  • Fanja Andriamanantena : Hisy zava-baovao ny « Mozika Tsotra izao »
    Newsmada - 05:00 Jun 06, 2026
    Andiam-pampisehoana, miompana manontolo amin’ny sanganasan’i Fanja Andriamanantena, ny « Mozika tsotra izao ». Hafa indray ny fisehon’ny andiany manaraka eo. Manohy hatrany ny mo­zika izy… Ny fiakarana an-tsehatra kosa tsy hanao toa ny efa vitany taloha intsony i Fanja Andriama­nantena. «Hanomboka pejy vaovao indray…Raha izaho dia tsy hahavita hiaka-tsehatra intsony, […]
  • Indray mijery
    Newsmada - 04:59 Jun 06, 2026
    Ao anatin’ny fankalazana ny faha-100 taonan’ny CHU-JRB, ny Sampana “Hépato-Gastroenté­rologie” dia manatanteraka fitiliana maimaimpoana ny aretina Hépatite B sy C ho an’ny daholobe. Mbola anisan’ireo aretina mahafaty olona maro maneran-tany ny Hépatite B sy C, ary mbola ahitana tranga maro eto Madaga­sikara. Notanterahina ny alakamisy teo ny fanaovan-tsonia ofisialy ny […]

3510 items