Newsmada

Found 3510 news

  • Rugby « XXL Top 20 » : Hatao rahampitso ny famaranana
    Newsmada - 04:59 Jul 04, 2026
    Hotanterahina rahampi­tso, amin’ny 12 ora atoandro, etsy amin’ny Kianja Makis Andohatape­naka, ny famerenana ny lalao famaranan’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja Rugby, «XXL Top 20», Federaly II. Hifanandrina amin’izany ny ekipan’ny Rosa Club de l’Imerina Antohoma­dinika sy ny Rugby Club des Soldats Anosibe RCSA. Samy nilaza ny andaniny sy […]
    Tags: Rugby
  • Mialoha ny ampahavalon-dalana : Miisa 7 ireo mpanazatra nametra-pialana
    Newsmada - 04:59 Jul 04, 2026
    Efa fomba mahazatra any amin’ny tany mandroso ny fametraham-pialan’ireo mpanazatra. Anton’izany ny tsy fahombiazan’ny ekipa. Hatreto, miisa 7 ireo niala amin’ny andraikitra nosahaniny ka tsy hitantana intsony ny ekipam-pirenena. Tsy miandry esorina fa aorian’ny faharesen’ny ekipa, avy hatrany dia mametraka ny taratasy fialany any amin’ny federasionina misy azy ireo ny […]
  • INDRAY MIJERY
    Newsmada - 04:58 Jul 04, 2026
    Hotanterahina ny 2 novambra ho avy izao, any Frantsa, ny « Journée Pays ». Hetsika hanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny oniversite malagasy sy frantsay izy io. Oniversitem-panjakana valo ka hatramin’ny 10 no handray anjara ary hisy ny fihaonana matihanina 15 hatramin’ny 20 isan’andro. Hisy se­hatra fisoratana anarana hapetraky ny masoivoho […]
  • Fiarovana ara-pahasalamana: Nankatoavina ny drafitra fanatanterahana
    Newsmada - 04:57 Jul 04, 2026
    Natao tamin’ity herinandro ity ny atrikasa nasionaly fanamarinana ireo antontan-taratasy stratejika sy ara-pampiharana momba ny fiomanana sy ny famaliana ny hamehana ara-pahasalamana. Eo koa ny ady amin’ny fanoheran’ny mikraoba ny fanafody (Ram) ary ny fanamafisana ny fomba fiasa «One Health» eto Mada­ga­sikara. Entina hanamarinana amin’ny fomba ofisialy ireo antontan-taratasy novolavolaina […]
  • Fimpima Antsirabe: Namoaka ny andiany « Loharano »
    Newsmada - 04:59 Jul 03, 2026
    358 mianadahy ny andiany Loharano navoaka tamin’ity fotoana ity ary 89 ireo noraisina ho mpikambana raikitra. Hanatevina ny Fikambanan’ny mpikabary Malagasy na ny Fimpima, faritany Antsirabe, izy ireo. Natomboka tamin’ny diabe niainga teo amin’ny tranompokonolona Antsenakely, namakivaky ny tanàna ary nifarana teo anoloan’ny tsangambato no nanamarihana ny famoahana ny andiany […]
    Tags: Loharano
  • TARATRY ny KANTO
    Newsmada - 04:58 Jul 03, 2026
    Hisy ny velakevitra manodidina ny tantaran’ny mpanjakavavy Ranavalona III. Hotontosaina anio, amin’ny 10 ora maraina izany, eny amin’ny AFT Anda­vamamba. Ny marimarina kokoa, ny tantaran’ny mpanjaka, araka ireo sary voarakitra, izay ny ankamaroany fony izy tany an-tsesitany. Hamelabelatra izany i Helianta Rajaonarison, mpampianatra mpikaroka tantara eo anivon’ny oniversiten’Antananarivo. « Cabaret » hanehoana […]
  • Hira evanjelika : Hanao ny « Tour du Sud Mada » i Zook Davids
    Newsmada - 04:58 Jul 03, 2026
    Hanomboka ny faran’ity herinandro ity ilay fampisehoana hitetezan’i Zook Davids ny faritra atsimon’ny Nosy. Sabotsy 4 jolay, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro, ao amin’ny Kianja fanaovana basikety kaominina Ambohimahasoa. Talata 7 jolay, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro, seho lehibe ao amin’ny Kianja fanaovam-baolina Ranomafana. Tola­kandron’ny alakamisy 9 jolay, ao amin’ny […]
  • Noho ny fanagasiana taloha : Matahotra ny hampiasa teny malagasy ny Malagasy
    Newsmada - 04:58 Jul 03, 2026
    Nanana ny akony sahady ilay fahalanian’ny tolo-dalàna hampiasana ny teny malagasy manomboka izao. Iray amin’ireo namela holatra lehibe ilay « fanagasiana » bontolo. Faly sahirana! Azo lazaina ho io no zava-nitranga nanoloana ilay fahalanian’ny volavolan-dalàna manome lanja sy hasina ny teny malagasy, teny amin’ny Antenimierampirenena. Seha­tra maro no ampiasana ny teny malagasy […]
  • Angovo : Hiverina ny fanitsiana ny vidin-tsolika
    Newsmada - 04:57 Jul 03, 2026
    Tapaka taorian’ny filankevitry ny minisitra, ny alarobia teo, fa hiverina ny fanitsiana ny vidin-tsolika. Mety hiova, araka izany, ny vidin-tsolika manomboka amin’ity faran’ny herinandro ity. Tsiahivina fa niditra tamin’ny hamehana ara-angovo isika nanomboka ny volana avrily teo. Fanapahan-kevitra natao mba hampihena ny fiantraikan’ny zava-misy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena eto amintsika. […]
  • Jeux corporatifs AMDRHE : Orinasa 34 handray anjara
    Newsmada - 04:48 Jul 02, 2026
    Ho fankalazana ny faha-20 taonan’ny fikambanana AMDRHE, hisy fifaninanana iraisan’ny orinasa tsy miankina na «Jeux corporatifs». Taranja fito no hifaninanana ka miisa 34 ireo handray anjara amin’izany. Feno 20 taona ny AMDRHE, fikambanana misahana ny fitantanana ny mpiasa eo anivon’ny orinasa tsy miankina. Tsy avelan’ireo tomponandraikitra handalo fotsiny izany fotoana […]
  • Miady avokoa ny lalao : Manampatra ny heriny i France
    Newsmada - 04:47 Jul 02, 2026
    Tapitra teo amin’ny dingana ampaha-16-ndalana ny lalan’ny Elefantan’i Côte d’Ivoire, eo amin’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany “Mondial 2026”. Etsy ankilany, manohy ny diany ny Les Bleus, France sy i Mexique, mpampiantrano. Notapahin’ny Viking Nor­vège teo amin’ny am­paha-16-ndalana ny dian’ny Elefantan’i Côte d’Ivoi­re, eo amin’ity “Mondial” an­diany faha-23 ity. Lavon-dry […]
    Tags: France
  • INDRAY MIJERY
    Newsmada - 04:47 Jul 02, 2026
    Mikarakara varavarana misokatra ho an’ny daholobe ny hopitaly Anosiala, ny 8 sy 9 jolay ho avy izao. Hisy fampianarana momba ny aretin’ny zaza sy ny homamiadana ho an’ny mpiasan’ny fahasalamana, ny andro voalohany. Hizaha fahasalamana maimaimpoana kosa ny tomponandraikitra ny tapakandro hariva sy ny andro faharoa. Isaky ny sampandraharaha no […]
  • BEPC 2026 : 327 815 ny isan’ny mpiadina manerana ny Nosy
    Newsmada - 04:47 Jul 02, 2026
    327 815 ny isan’ny mpiadina hanala ny fanadinana BEPC manerana ny Nosy. Mizara ho sokajy roa izany. Sokajy A manana mpiadina 174 760 ary ny sokajy B miisa 153 055. Hitsinjara amin’ny efitrano 9 446, anatin’ny foibem-panadinana 1 101, izy ireo, eo anivon’ny Cisco 115. 10 taona ny zandriny indrindra […]
  • Fikambanana Fonena : Ilaina ny tetikasa sosialy ho an’ny vahoaka
    Newsmada - 04:46 Jul 02, 2026
    Nisedra maodely maro samihafa i Madagasikara, raha ny fampandrosoana no asian-teny, saingy vitsy ny vokatra nana­tsara ny andavanandron’ny isan-tokantrano, raha ny fanambarana nataon’ny fikambanana Fonena tamin’ny mpanao gazety, tetsy Anosy, ny herinandro teo. Mahatsapa izy ireo fa notaizaina ho mpandray tombontsoa fotsiny ny olom-pirenena fa tsy ho tomponandraikitra amin’ny fampandrosoana […]
  • Kick Boxing : Handray ny « World Cup 2027 » i Madagasikara
    Newsmada - 04:38 Jul 01, 2026
    Noraisina ofisialy,  ny alatsinainy teo,  ireo Malagasy mpikatroka niatrika ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, taranja Kick boxing. Nambara ofisialy ihany koa fa handray ny “World Cup” 2027 i Madagasikara. Taorian’ny nahazoan’ny atleta malagasy vokatra tsara, nandritra ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika,  taranja Kick boxing,  natao tany Kameronina, ny herinandro lasa […]
  • Betsaka no diso kajy : Lavo tsikelikely ny andrarezina
    Newsmada - 04:38 Jul 01, 2026
    Nitranga ny tsy nampoizina, nandritra ny dingana ampaha-16-ndalana amin’ny «Mondial». Firenena goavana iray no nangoron-damba dia ny Mannschaft, Allemagne. Manohy ny diany kosa ny Maraokanina, rehefa nanintsana ny Les Oranjes, Pays-Bas. Vokatra tsy nampoizin’ny maro ny fihintsanan’ny Mannschaft, Allemagne sy ny Les Oranjes, Pays-Bas, teo amin’ny dingana ampaha-16-ndalana, notanterahina ny […]
  • Fiomanana amin’ny fotoam-pahavaratra : Hamolavola drafitrasa ny mpisehatra
    Newsmada - 04:37 Jul 01, 2026
    Haharitra roa andro ny atrikasa iarahan’ny BNGRC sy ireo mpisehatra rehetra momba ny tombana ny asa tao anatin’ny fitantanana ny loza sy ny tandindon-doza nandritra ny fotoam-pahavaratra 2025-2026. Rivodoza roa: Fytia (tany andrefana) sy Gezani (atsinanana) no nandalo teto amintsika. Atrikasa nasionaly no tanterahina eto Antananarivo, taorian’ny atrikasam-paritra tamin’ny toerana […]
  • Haparitaka isam-paritra : Voavolavola ny Paikady ho an’ny préscolaire
    Newsmada - 04:37 Jul 01, 2026
    Navondrona iray ao anatin’ny Paikady nasionaly ho an’ny kilasy fanomanana (préscolaire) ny fandaharanasa samihafa nampiharina teny anivon’ny sekoly maro hatramin’izay, momba ny akany fibeazana ho an’ny zaza madinika. “Tanjon’ny paikady ny hanitatra ny fisitrahan’ny ankizy ny kilasy fanomanana manerana ny Nosy. Hanatsarana ny kalitaon’ny fanabeazana, omena fanofanana ireo mpanabe ary […]
    Tags: Paikady

3510 items