Newsmada

Found 2250 news

  • Orange Money sy ny PAMF : Nanamafy ny fiaraha-miasa amin’ny fanamorana ny fikirakirana vola
    Newsmada - 04:48 Aug 29, 2025
    Ho fampiroboroboana ny resaka fikirakirana vola niomerika na “Mobile Money”, nanamafy ny fiaraha-miasan’izy ireo indray ny Orange Money sy ny Premiere agence de micro finance (PAMF). Nampahafantarina omaly, tetsy amin’ny Gara Soa­rano, ny fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny Orange Money Madagascar sy ny Première agence de micro finance (PAMF). Tanjon’ […]
  • INDRAY MIJERY
    Newsmada - 04:47 Aug 29, 2025
    Nifarana omaly ny fanadinam-panjakana “Certificat d’aptitude à l’enseignement dans les écoles primaires” (CAE/EP ) an-tsoratra, taona 2025, izay naharitra roa andro. Natokana ho an’ireo mpampianatra hisehatra eny anivon’ny sekoly ambaratonga voalohany ity mari-pahaizana ity. Notanterahina manerana ny Dren 23 eto Madagasikara izany, ka miisa 4 185 ireo mpiadina nisoratra anarana […]
  • Southside BJJ: Hahazoana vokatra tsara ny fampianarana ao amin’ny klioba
    Newsmada - 04:44 Aug 28, 2025
    Klioba anisan’ny misongadina eto Analamanga ny Southside Brazilian Jiu Jitsu Madagascar. Ankoatra ny fifaninanana, mitaiza ny mpikatroka ao aminy hanana fi­sainana sahy sy mahavita ma­maha olana ary hampihatra izany eny ambony tatami ireo mpanazatra. Mametraka ho zava-dehibe ny fifampisintonana miakatra mba ho samy ho tafita. Mahay mampiasa araka ny tokony […]
  • SOMBIM-BAOVAO
    Newsmada - 04:44 Aug 28, 2025
    Hotontosaina ny 13 sy 14 septambra izao, eny amin’ny Kianja mitafo Ankoay Ankorondrano, ny fiadiana ny ho tompondakan’Analamanga, taranja karate. Mpikatroka manodidina ny 350 no handray anjara amin’izany, ahitana ireo klioba rehetra manerana an’Analamanga. Nahemotra amin’ny fotoana tsy mbola fantatra ny fifaninanana «Xtreme Combat» karakarain’ny klioban’ny Lion Force, taranja kick […]
  • Karting – 3è Grand Prix Mada : Fifaninanana hafainganam-pandeha
    Newsmada - 04:44 Aug 28, 2025
    Hotanterahina ny alahady 31 aogositra ho avy izao, eny amin’ny Circuit international de karting Imerintsiatosika ny andiany fahatelo amin’ny «Grand Prix», fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara. Fifaninanana hafainganam-pandeha amin’ny Rotax, karakarain’ny klioba Serana Ra­cing Kart, no hatao amin’izany. Misokatra ho an’ireo Malagasy mpanamory rehetra manana kara-pilalaovana Karting Fédération sport automobile […]
  • Tenisy ambony latabatra : Mbola lesoka ny lafiny fotodrafitrasa
    Newsmada - 04:43 Aug 28, 2025
    Notanterahina nanomboka afakomaly, teny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena sy ny kolontsaina Mahamasina, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja tenisy ambony latabatra, lahy sy vavy. Nilaza ny tomponandraikitra iray eo anivon’ny Federasionina malagasy, izay misahana ny taranja eto an-toerana, fa mbola lesoka amin’ny fifaninanana nasionaly tahaka izao ny resaka fotodrafitrasa. Nambarany […]
  • “Alley Hoop Quest”: Ekipa 80 hifaninana eo amin’ny Parvis Analakely
    Newsmada - 04:43 Aug 28, 2025
    Hotontosaina ny sabotsy 30 sy alahady 31 aogositra izao, manoloana ny Lapan’ny tanànan’Antananarivo, ny fifaninanana “Alley Hoop Quest”, taranja basikety 3×3. Ekipa 80 no hifaninana. Raikitra ny fifaninanana! Tontosa omaly, teny amin’ny Lapan’ny ta­nànan’Antananarivo ny fivoriana ara-teknika niarahana tamin’ireo mpandray anjara sy ny mpikarakara. Nahitana ny RDJ, CUA, ny Federasionina […]
  • Fihodinan’ny toekarena : Manana anjara toerana lehibe ny orinasa madinika sy salantsalany
    Newsmada - 04:47 Aug 27, 2025
    Manana anjara toerana lehibe amin’ny fampandehanana ny toekarena eto amin’ ny Nosy, ny orinasa madinika sy salan­tsalany. Ny PME no mampandeha ny toekarena malagasy. Matetika anefa mandalo fotoan-tsarotra izy ireo, takon’ireo tsy manara-dalàna amin’ny fifaninana, indrindra eo amin’ny famatsiam-bola. Mihena ankehitriny ny isan’ny fananganana orinasa madinika sy salantsalany, toy ny […]
    Tags: Manana
  • « Foara Ambalasira », andiany I : Ny fampandrosoana ny faritra Amoron’i Mania
    Newsmada - 04:46 Aug 27, 2025
    Notanterahina nandritra ny 20 hatramin’ny 24 aogositra lasa teo, tao Antamponivinany Ambositra, ny hetsika ara-toekarena « Foara Ambalasira », andiany voalohany. Tanjona amin’ny hetsika ny fampahafantarana ny harena ara-kolontsaina sy ny asa tanana manokana. Toy ny hazo voasokitra, firavaka, asa tanana amin’ny landy. Eo koa ny fanohanana ara-toekarena ireo mpanao asa tanana […]
  • Tetikasa Haratonaina: Manampy ny olona tsy hikorosy fahana
    Newsmada - 04:46 Aug 27, 2025
    Nitondra fanazavana momba ny tetikasa Haratonaina ny tomponandraikitra ao amin’ny Fid. Vaindohan-draharahan’ny tetikasa ny hanala ny olona anaty kizofaran’ny fahantrana. Manampy ny olona hiomana amin’ny fisondrotana amin’ny fiainana. Manome fitaovana ny olona hiavotana amin’ny alalan’ny tohana ara-bola, fanofanana ara-pihariana… Ireo tokantrano tena marefo no misitraka ny tetikasa. Vatsin’ankohonana sy Asa […]
    Tags: Manampy
  • Fampandrosoana eny ifotony: Mametraka vina ho an’ny 15 taona ny MFFT
    Newsmada - 04:45 Aug 27, 2025
    Efa mijery lavitra kokoa ny fampandrosoana eny ifotony ny eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT). Anisan’izany ny ao amin’ny kaominina Ambanja, faritra Diana. Notanterahina tamin’ity herinandro ity, tao amin’ny kaominina Amban­ja, ny atrikasa fanombohana amin’ny fomba ofisialy ho amin’ny fitohizan’ny famolavolana sy fanamboarana ny drafitra fampandrosoana […]
    Tags: MFFT
  • Fodiamandrin’i Céline Ratsiraka : Nitondra ny teny fampiononana ny Antenimierampirenena
    Newsmada - 04:46 Aug 26, 2025
    Tonga teny amin’ny trano fonenany, eny Faravohitra, ni­tondra ny teny fampiononana sy fankaherezana ny fianakavian’i Céline Ratsiraka, va­dy na­velan’Itompokolahy Di­dier Ratsiraka, filohan’ny Re­pobli­kan’i Madagasikara teo aloha ny mpiara-miasa ao amin’ny Antenimieram­pi­re­ne­na notarihin’ny filohany, Tokely Justin, omaly. Sady fanomezam-boninahitra an’i Céline Ratsiraka amin’ny maha vady navelan’ny filoha teo aloha izany no […]
  • Fitantanana ny Sadc : Hanampy ny filoha Rajoelina ireo andriamanjaka
    Newsmada - 04:45 Aug 26, 2025
    Niarahaba ny filoha Rajoelina Andry amin’ny fandraisany ny fitantanana ny Sadc ny fivondronamben’ny andriamanjaka. Vonona ny hitondra ny anjara birikiny izy ireo amin’izany. Ho eo hatrany hanohana sy hanampy. “Vonona izahay fivondronamben’ny andriamanjaka, Com­mu­nauté Royale de Madagascar, hitondra ny anjara biriky, hanampy ny filoham-pirenena, Rajoelina Andry, amin’ny andraikitra goavana sahaniny […]
    Tags: SADC
  • INDRAY MIJERY
    Newsmada - 04:45 Aug 26, 2025
    “Rentrée Mifampitsinjo”, Hetsika iray maneho ny fifanampiana sy firaisankina hanamaivanana ny vesatra iainan’ny ray aman-dreny amin’izao fidiran’ny mpianatra izao izy ity. Hisitraka izany koa ireo faritra manerana ny Nosy. Hatao ao amin’ny Kianja Barea Mahamasina, ny 30 aogositra hatramin’ny 1 septambra ho avy izao, izany. Misitraka fihenam-bidy hatramin’ny 50% amin’ny […]
  • APIPA : Tsy mbola misy ny fahazoan-dalana hanototra tany
    Newsmada - 04:44 Aug 26, 2025
    Mbola miato ny fanotofana tany (Remblai) eto amin’ny faritry ny lemak’Antananarivo, ary tsy mbola misy ny fanomezana fahazoan-dalana hanao izany, araka ny didim-panjakana lah faha-2022-241, ni­voaka ny 23 febroary 2022. Ny tetikasan’ny filoham-pirenena irery ihany hatreto no mahazo fahazoan-dalana. Io no nambaran’ny tomponandraikitry ny Apipa. Raha ivelan’ny tetikasam-panjakana izany ny […]
  • Lalambe migodana: Maro ny tsy fanarahan-dalàna hita
    Newsmada - 04:44 Aug 26, 2025
    Tsy mbola mazava amin’ny mpampiasa lalana ny fifampifehezana anatin’ny lalambe migodana, miainga eny Tsarasaotra. Gaboraraka ny fampiasana azy io ka ahina hitera-doza raha tsy raisina haingana ny fepetra. Ny faran’ny herinandro teo, betsaka ireo fiara nivezivezy tamin’iny lalana iny, nijery ny zava-bita. Maro ny tsy fanarahan-dalàna hita, nandritra izany, toy […]
    Tags: Maro
  • Zaridaina madinika : Zavakanto manome fahatoniana ara-tsaina
    Newsmada - 04:51 Aug 25, 2025
    Zaridaina madinika hita amin’ny toerana maro samihafa ny “Jardin miniature”. Zavakanto mam­­pifandray ny natiora sy ny fahaiza-mamorona izy io. Misy ny natao ao anaty siny, anaty vata, na amin’ny toerana kely ao an-trano na eny an-tokotany. Mitondra tombotsoa maro ho an’ny olon-drehetra ny fahitana sy ny famoronana azy ireny. Be […]
  • VAOVAO TAMBATRA
    Newsmada - 04:50 Aug 25, 2025
    Namoaka fanambarana ny minisiteran’ny Toekarena sy ny fitantanambola (MEF), manoloana ny filazana fa misy mandrahona ny mpanao gazety Gaëlle Borgia. Nohazavainy, fa tsy mpiasa velively ao amin’ny MEF i Rajaonarivelo Philippe amin’io fotoana anoratany ny fandrahonana io. Koa, tsy tomponandraikitra amin’ny teny na fihetsiny ny MEF. Mitohy ny fampiofanana mahakasika […]
  • Vidim-bary: Tsy mbola nahitana fiakarana
    Newsmada - 04:50 Aug 25, 2025
    Nilaza ny mpivarotra iray eny Ankadifotsy, ny faran’ny herinandro teo, fa tsy mbola misy ny fiakaran’ny vidim-bary hatreto. Mijanona ho 1000 Ar ny kapoaka, 3 500 Ar ny kilao, ho an’ny vary makalioka sy ny dista ary ny vary mena raha toa ka 175000 Ar ny iray gony. 900 Ar kosa […]

2250 items